Fiangonana salama

1. irakiraka ( 25/04/2017 06:12)
Takan'ny ahoana indray izany :)
novalian'i rhaj0 ny 27/04/2017 14:46
2. irakiraka ( 25/04/2017 09:14)
Hatreto hono an Vangy 12 :) .....

@ zao andro farany zao nge ry mpiray tampo ao @ Tompo, mila resahina ny atao hoe fiangonana salama. Betsaka ny mieritreritra hoe efa misakafo izy ... fa ara-pahasalamana tokoa ve

3. rhaj0 ( 25/04/2017 11:14)
Fa io izany na "Fiangonana salama" na "Fiangonana marary" dia ... fiangonaNY daholo ee...

Fa ny mampa-"salama" an'ity fotsiny, dia .. toa placebo eee.. resy lahatra ny ao anatiny fa "salama" zareo.

Fa ny avy any ivelany (ihany) no mahita fa kay ... an?!...
4. irakiraka ( 25/04/2017 11:40)
Zany an!
Mila fantarina aloha hoe takan'ny aona ilay fiangonana salama ee.
Rehefa fantatra ny toetry ny fiangonana salama dia afaka manao sondage @ireo mpino ao ianao raha nampa salama azy tokoa ny fampianarana tao.
Ohatra iray ty: Ny anahy zao an ;)voninahitra ho an'ny Tompo fa raha tsotsotra ny mpino no niandohany, @ zao fotoana izao (raha tsy hijery afa-tsy ireo mpino ireo ihany an) efa tsy mahita tomobil raneny ianao mameno ny parking. Tsara ny Tompo.

Fa na zany kosa aza aloha miankina @ ilay mpino foana io. Tsy mpihaino fotsiny fa mila mpakato.
5. bor2lais ( 25/04/2017 12:02)
irakiraka:

Ohatra iray ty: Ny anahy zao an voninahitra ho an'ny Tompo fa raha tsotsotra ny mpino no niandohany, @ zao fotoana izao (raha tsy hijery afa-tsy ireo mpino ireo ihany an) efa tsy mahita tomobil raneny ianao mameno ny parking. Tsara ny Tompo.

:-)
Hay ve izay ilay antsoinao hoe Fiangonana salama ry irakiraka e !
Evanjelin'ny "prosperité" in-1 izany amiko !
:-)
6. irakiraka ( 25/04/2017 12:07)
ohatra kely iray @ maro kia iny rhvv an ;)
Ao @ Tompo tahaka ny hanambinana ny fanahy dia ambininy sy tahiana @ zavatra rehetra ee
7. irakiraka ( 25/04/2017 12:10)
Fa tsy izay no fiangonana salama kosa ee (lol) :)
Ito ny ahy ary:
1/ Mitombo @ toe-panahy ara-kan'Andriamanitra ny mpino
8. bor2lais ( 25/04/2017 12:12)
Zany a ! :-)
9. irakiraka ( 25/04/2017 12:18)
Zany mitsy ee :)
2/ Mitombo isan'andro ny olom-bonjena (misy asa filazan-tsara)
10. RBNIR ( 25/04/2017 12:24)
nanao recherche ihany aho aloha dia nahita fa ny teny hoe "tsy misy kilema" no nadika hoe "salama" ao amin'ny baiboly...
« ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema*, [* Gr. salama] » (1 Timoty 1:10)
« [Fananarana sy teny farany ho an'i Timoty] Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema*, dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, [* Gr. salama] » (1 Timoty 6:3)
« Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama] » (2 Timoty 4:3)
« mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana tsy misy kilema* sady handresy lahatra ny mpanohitra. [* Gr. salama] » (Titosy 1:9)

11. RBNIR ( 25/04/2017 12:26)
amin'ny dikanteny frantsay izy mazava tsara "saine"
12. rhaj0 ( 25/04/2017 12:26)
Dia tena "mino" ve ianao ry Irakiraka fa ny "fiangonanao" ao no tena "salama" aman-tany?

Dia ahoana ny Fiangonana Vatican? Ahoana ny Fiangonana Orthodoxe?

Raha "tsy izy" na "tsy salama" ireo fiangonana ireo, dia tena very izany ireo olona an'alinkisa ao? Nefa ireo ho'a efa ao anaty gene-ny mihintsy io fivavahana io

Raha "izy" indray ireo fiangonana ireo, maninona no iavonavonanao?
13. irakiraka ( 25/04/2017 13:22)
Eto moa zany dia ny famaritana ny fiangonana salama no tokony aroso, fa tsy fahendrena loatra ilay hanonona hoe ito tsy izy.
Ny fiangonana salama moa zany dia ilay mitaona ny fanahy ho salama voalohany indrindra, satria ny fanahy salama no ho any an-danitra. Ny fanahy salama no mandray valim-bavaka.


14. endriny ( 25/04/2017 13:22)
Fiangonana salama ara-potodrafitrasa no betsaka, fa ny tinaiza sy ny mpitaiza marary saina, fo, fanahy daholo. Tsy lahy tsy vavy, tsy kely tsy lehibe
15. irakiraka ( 25/04/2017 13:23)
Dia mbola tsy Amen kosa raha ny fiangonana(ko) irery no salama aman-tany ee.
16. irakiraka ( 25/04/2017 13:34)
Endriny, Euh! Jereo tsara ny lalana oaa, ty zaza ty tsy mahita afa-tsy ilay lalana tsy izy...
17. endriny ( 25/04/2017 13:44)
Raha ilay tranovatobe na biriky tanimanga mijoalajoala, tsy ravan'ny siklaonina no fiangonana dia salama tsara io, ary tsy mbola atahorana hirodana ato ho ato. Fa ireo mpiditra ao anatiny dia marary saina sy fo ary fanahy avokoa.

Alohan'ny hiditra ao ianao dia efa mpanota aloha. Ka miditra ao mba hanadio tena. Midika izany fa marary ara-panahy ilay miditra ao. Rehefa mivoaka tao izy vao salama. Saingy salama 2 minitra fotsiny izy dia marary indray. Satria manota in 490 izy ao anatin'ny andro iray
18. rhaj0 ( 25/04/2017 13:52)
irakiraka:
..ty zaza ty tsy mahita afa-tsy ilay lalana tsy izy...

Samy tsy mahita afa-tsy ny lalana diaviny ao. Io ilay nolazain'iliay Sikh in-1 mandeha ho'a hoe, marobe ny lalana miakatra ny Everest. Fa samy borona @ izao lalany diaviny ao izao daholo ny isan'isany.

ka io izany rahefa tsy @ lalan-dry Irakiraka dia tonga dia petahiny fa "lalana tsy izy".

ntss... "tsy izy" aminao angaha no tianao tenenina. Fa raha ny lalana diavin-dry Dalai Lama kosa aloha, dia tena aleoko lavitra mihintsy mandalina ny @ izany.
19. irakiraka ( 25/04/2017 14:06)
Ka Endriny milaza fa marary fo, fanahy sy saina daholo no hitany hatreto. :-)

20. irakiraka ( 25/04/2017 14:10)
Hatr@ mpitaiza :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0582