Fiangonana salama

21. rhaj0 ( 25/04/2017 14:18)
Koa raha mahita fiangonana "salama azany i Irakiraka dia mba lazao hoe iza ary aiza no misy azy.. dia fa maninona no tsy miaraka aminy i Irakiraka fa mihataka aminy.

Sa ny fiangonaNAO ihany no tianao lazaina @ io "salama" io?.


Fa fampatsiahivana kely fotsiny koa..

i Jesosy dia TSY nanangana "fiangonana", fa ilay efa nisy tao ihany no niverenany sy nitoriany teny, na koa, nandoavany rakitra, ary koa nampa-saro-piaro azy t@ ireo mpivarotra.

Koa raha manindrahindra ny "fiangonany manokana" an'azy irery ao ry Irakiraka sy RBNIR, dia .. bravo... tsy ilaina tokoany ny manaraka ny revin'i Jesosy, fa efa revy lany andro izany.

22. irakiraka ( 26/04/2017 08:54)
Iza de aiza :)
Efa nanome teboka roa aloha za teo. Nisy koa nanome versets. Dia aleo aloha oe hiandry ny namana hafa indray,izay mahatsapa fa mpino @ fiangonana salama?

Mandra-paha aloha afaka resahina koa ny mifanohitra aminy dia ny fiangonana matory:
Tsy voizina be ny hoe ara-panahy, mety fombafomba maro no tena mibahana
Tsy dia miasa saina be ny hanitatra ny valan’Tompo, “cool be” ary mety maro be ny mpiangona ao noho izay antony izay
Aminy ny Tompo eo ihany fa raha te ho ambinina dia mila fihezahana be avy @ tena manokana,
Takona ny finoana an’I Jesosy, fa indrindra ny fitarihin’ny Fanahy Masina
Marary fo saina fanahy hozy endriny miditra ao d takzay ihany mivoaka tao

Misy koa Fiangonana sady tsy mafana no tsy mangatsiaka:
Mino an’I Jesosy ihany fa tsy mirehitra ao ny Herin’ny Fanahy Masina.
Mahay Tenin’Andriamanitra be, fa tsy voatery izay tenenin’ny vava no ao am-po
Misy "Tenin'Andriamanitra" mbola tsy maharesy lahatra azy hatr@ zao...
Tsy ahitanao firaisan-tsaina, fifankatiavana @ samy mpino, samy ao ihany fa samy maka ho azy....

Efa tao @ ireo fiangonana ireo aho fa ny tanjona moa te ho any an-danitra dia .....
23. RBNIR ( 26/04/2017 09:27)
rhaj0:

i Jesosy dia TSY nanangana "fiangonana", fa ilay efa nisy tao ihany no niverenany sy nitoriany teny, na koa, nandoavany rakitra, ary koa nampa-saro-piaro azy t@ ireo mpivarotra.

Diso izany an!
Teto IZY no nanangana ny fiangonany « Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera*, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako**; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita*** tsy haharesy azy. [*Petera = Vato; izahao Jao.1, 42] [**Gr. eklesia] [***Gr. Hadesy] » (Matio 16:18)


Ny ankamaron'ny mpianatr'i JEsosy ary saika tsy mpivavaka daholo koa!!! (ohatra matio mpamory hetra, ireo mpijangajanga sns....
24. rhaj0 ( 26/04/2017 11:01)
okey dokey... Efa Izy ho tratra io izany, raha ny fahazoako azy, dia izay izy vao "nanangana ny Fiangonany" (na ny Egliziny, @ Baiboly Katolika). Fa talohan'izay, dia tena ilay "Tranon'ny Ray" efa nisy tao ihany, dia ny Sinagaoga, no "niangonany" sy "nitoriany Teny".

Ka tena any @ Jesosy izany no mipetraka ny fanontaniana eee...
Tena TSY "salama" angaha ny Sinagaoga no nisintahanao ry Jesosy?

Satria anie dia mbola "Tranon'ny Ray" foana ihany izy io. na dia "TSY salama" azany eee... Izao izao, h@ Irakiraka avy koa no misintaka @ "Tranon'ny Ray" izay "matory" na "mangatsiaka" hono, dia lasa manorina Fiangonana (na Leglizy) hafa.


(io zareo izay mahay mivavaka ka mahay miresaka na maheno resaka avy @ Jesosy, mba tena hanontanio ao Izy, dia mba izarao valiny aaaa...)
Tena TSY "salama" angaha ny Sinagaoga no nisintahanao ry Jesosy?

25. irakiraka ( 26/04/2017 12:33)
"hanontanio ao Izy, dia mba izarao valiny aaaa..."
Ny olona rehetra taoko afaka manantona an'i Jesosy daholo.
Andramo tsy maniraka oee. Za te ahalala zavatra maro hoe nefa sady be fanakianana no tia manenjika ny mpino @ ze valin-teny arosony fa aona mintsy ny tena fandehany :-)
26. rhaj0 ( 26/04/2017 12:40)
okey... tena nakimpiko mafy ny masoko, dia nanontany an'i Jesosy aho ny @ hoe:

Fa naninona no nanangana Fiangonana vaovao ianao ry Jesosy, nefa ny Tranon'ny Ray efa teo,
ny Sinagaoga, dia mbola teo ihany..


hum... be dia be 'le bruit de fonds reko izany, fa mba toroy aho hoe ry Irakiraka, toatoa ny ahoana ny "feon'i Jesosy", hanavahako izany @ bruit de fonds ato.. beso sa alto, sa indray feon-jazakely???

27. irakiraka ( 26/04/2017 12:53)
okey...
Andraso refa ianao ao an-trano aza e. Ny tena tsara aloha an mandohalika, marika ny fanetre-tena iny manoloana ny fahalebeazan'Andriamanitra. Masina tokoa mantsy io Dieu izay hanantonanao io. Ny sofiny tsy lalodalovana fa mandre fa mba ahatonga ny vavakao ho tonga eo anatrehany dia mila mifona aloha ianao ny @ fahotanao. Ao tsara lo atreto sa
Afaka tohizako ve? :)
28. rhaj0 ( 26/04/2017 13:06)
Akanga aloha fa "kolotora" ilay hoe "mandohalika" fa tsisy an'izany ao anaty Baiboly. Ny Moslimo sy ny Jiosy izao tena mitsongolo-body mihintsy. Ny bodista mipetraka fotsiny (oups.. kay tsy Andrmntry ny Bodista i Jesosy)

Dia raha ny fahazoako an'i Irakiraka koa izany, dia "tsy lalodalovana" i Andrmntra, hoy Irakiraka. Satria tokoany, inona tokoany hono no tsy fantany ee...
Fa tena mila "mifona" izany hono izay "mivavaka" aloha, izay Andrmntra vao mihetsika na miteny.

Izay ve k'lou ilay izy alohan'ny anohizanao azy ;-)
29. irakiraka ( 26/04/2017 13:50)
Shuuuut :) mila ampanginina lo ny fahalalana ny andriamanitra hafa any. Mila mifantoka @ Ilay Andriamanitra Ray... Dia isika koa mila mianatra manetry tena fa aleo mandohalika ihany ;)
Dia hoy ny Tenin'Andriamanitra ao @ Hebreo 11:6b "Fa izay manantona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady azy"

Mety veu? Afaka tohizana? :)
30. rhaj0 ( 26/04/2017 15:04)
Tena tsy mety amiko ilay mandohalika ee.. mamely ny arthrite. Fa Izy hono ho'a efa mahalala ny ao an-dohako. Ka dia "tokony" hiteny izy izany, na hoe "efa niteny" Izy... raha te-hiteny.

Ka sao dia efa "miteny" amiko ho'a Andrmntra, fa izaho no tsy mahalala ny feoNY eee...

Fa dia mba toroy amiko hoe, toatoa ny ahoana ny feon'i Jesosy, mba anavahako azy @ bruit de fonds reko ato izao.

Dia efa iangaviana koa ry Irakiraka, hoe lelafin'ny saka ny faladianao re ee... fa io moa fa toroy aho dia tohizo ny rsaka ee... :)
31. irakiraka ( 27/04/2017 08:35)
Ooh, ndraso fa hivavaka ho anao aho mba ho sitranin’Tompo zany arthrite-nao zany. Efa nentiny nge ny aretin-tsika ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
Fa rehefa sitrana kosa dia misaora ny Tompo an

Ie, za no mety tsy mahalala, fa hainy tokoa ny ao an-tsainao ao, afaka miteny mivantana (voix audible) tokoa Izy takan’ny nataony t@ Saoly (izay nanenjika mafy ny mpino t@ zany fotoana izany), izay tonga apostoly lhb taty aoriana.
Fa matetika koa @ alalan’ny témoignage intérieur no itenenany. Ka io ilay azo @ alalan’ny finoana aloha voalohany indrindra.

Ka mialohan’ny anohizana azy, valio ilay verset nomeko anao io, moa mino ve ianao?


32. RBNIR ( 27/04/2017 08:42)
rhaj0:

Tena tsy mety amiko ilay mandohalika ee.. mamely ny arthrite. Fa Izy hono ho'a efa mahalala ny ao an-dohako. Ka dia "tokony" hiteny izy izany, na hoe "efa niteny" Izy... raha te-hiteny.

Tandremo hoy aho ry rhajo sao mitetika ny hiditra an-tsokosoko any nefa tsy manao ilay akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady an!!!

Ho tonga any ihany anie, saingy efa eo ambony latabatra mihitsy vao......

« Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady. » (Matio 22:11)
« Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy. » (Matio 22:12)

Sady IZY tsy hanompa fa hoy IZY hoe "RY SAKAIZA AN!!!

Jereo ato ny fomba fanadiovana ny lamba maloto rehetra sy ny fomba fividianana ilay akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.....

33. rhaj0 ( 27/04/2017 11:09)
RBNIR:
Tandremo hoy aho ry rhajo sao mitetika ny hiditra an-tsokosoko any nefa tsy manao ilay akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady an!!!

1- fa Iza no ho hakariko ho vady ry RBNIR? Sa ianao hampaka-bady an'i Jesosy?? Tsy azoko..

2- Ireo tsy manana akanjo koa izany dia tena tsy tafiditra @ RBNIR. SAtria i RBNIR efa tsara pasoka ny azy ao. ntsss... mba mianara ihany ny fahendren'ny moslimo ohatra ho'a. Tsisy @ izany tsy maintsy @ izao sy izao izany, fa mety foana io. TOa ilay hoe, tsy mila manao Ramadan izay marary.

3-BE famindra-po ilay ivavahana re ry RBNIR. Fa ianao no sakay kely rano sain'ady ao, ary mpanilikilika ny "tsy manana robe foutsy".. Henatra ho anao. Ho avy ny andro hanongoin'i Jesosy ny sofinao ry ilay sain'ady.

2- dia efa hoe koa hoe, rahefa maty ianao, dia ny nofo dia lO ao ambany rangolahy, ka atao inona izany "akanjo" izany RBNIR aaa??
34. rhaj0 ( 27/04/2017 11:11)
irakiraka:
Ooh, ndraso fa hivavaka ho anao aho mba ho sitranin’Tompo zany arthrite-nao zany.

Dia ahoana izao no hanasitranany ilay arthrite ry Irakiraka.. Mila miomana aho ngo dia miala any ilay izy, dia tsy hitako indray fa saron'ny saritaky ny fiainana. Lazalazao hoe toatoa ny ahoana ny zavatra andrasako?


irakiraka:
afaka miteny mivantana (voix audible) tokoa Izy

Izany hoe, ohatra eto @ seza eto aho, dia hisy feo manakoako ve eran'ny trano, ka na izay olona hafa ato an'efitra koa izany mahare azyÉÉ..
sa... ilay feo manakoako dia izaho irery no (tokony) mahare azy??

TEna mila hazavainao mihintsy io ry Irakiraka mba iomanako, ngo dia rahefa mahare ity "voix audible" tokoany aho dia lasa gaigy, satria zavatra tsy fahare!!

35. irakiraka ( 27/04/2017 12:26)
Mafy koa refa te ahalala nefa tsy mino. :-)
Tsy misy azo atao anao aloha hatreto fa eo foana za rehefa vonona hanohy ;)
36. RBNIR ( 27/04/2017 12:28)
rhaj0:

RBNIR:
Tandremo hoy aho ry rhajo sao mitetika ny hiditra an-tsokosoko any nefa tsy manao ilay akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady an!!!

1- fa Iza no ho hakariko ho vady ry RBNIR? Sa ianao hampaka-bady an'i Jesosy?? Tsy azoko..

2- Ireo tsy manana akanjo koa izany dia tena tsy tafiditra @ RBNIR. SAtria i RBNIR efa tsara pasoka ny azy ao. ntsss... mba mianara ihany ny fahendren'ny moslimo ohatra ho'a. Tsisy @ izany tsy maintsy @ izao sy izao izany, fa mety foana io. TOa ilay hoe, tsy mila manao Ramadan izay marary.

3-BE famindra-po ilay ivavahana re ry RBNIR. Fa ianao no sakay kely rano sain'ady ao, ary mpanilikilika ny "tsy manana robe foutsy".. Henatra ho anao. Ho avy ny andro hanongoin'i Jesosy ny sofinao ry ilay sain'ady.

2- dia efa hoe koa hoe, rahefa maty ianao, dia ny nofo dia lO ao ambany rangolahy, ka atao inona izany "akanjo" izany RBNIR aaa??


Mampianatra ny olona ny marina aho rhajo a! voasoratra ao anaty baiboly anie ilay toriko e! tsy tiako hisy surprise ho an'ny hafa fa dia izay tenenina aloha ka raha mandray tsara, tsy mandray moa dia azy sy Andriamanitra sisa e!!!
37. rhaj0 ( 27/04/2017 12:48)
irakiraka:
Mafy koa refa te ahalala nefa tsy mino. :-)

hi hi hi... hita fa tsisy "voix audible" izany re ry Irakiraka.. Raha tena nahare ve ianao ry Irakiraka tsy efa nijejojejo nitantara izay "henonao" tao..

Sirika ee... sirika. Dia mody hoe "Tsy misy azo atao anao"...

Dia vao mainka koa nampian'i Irakiraka hoe, "manasitrana arthrite" hono ny vavakany... Dia hoe ataon'Andrmntra ahoana tokoany moa ny Arthrite?.. dia nihepoka i Irakiraka fa satria tsisy an'izany "vavaka manasitrana" izany eee... Raha tsy izany ve tsy efa mba velona daholo ireo zaza tsy manan-tsiny maty isaka ny 10 minitra ao Dago!!
38. irakiraka ( 27/04/2017 13:01)
:) Efa fantatrao ny naha game over azy fa teneno foana za refa restart ;)

39. endriny ( 27/04/2017 13:13)
Angaha sitrana ilay omamiadana
40. rhaj0 ( 27/04/2017 13:40)
irakiraka:
:) Efa fantatrao ny naha game over azy fa teneno foana za refa restart ;)

ka ianao toa ni-abandonne fa tsy mety mitantara ny traikefanao kouh... Toa traikefa "imaginaire" angaha ilay anao ao ry Irakiraka, ka dia mahamenatra ny itantarana azy, fa sao oainina.

Raha tena manja ve ho'a ny traikefanao, hoe, "naheno voix audible-n'i Jesosy" hono i Irakiraka, na namaly ny vavak'i Irakiraka hono Jesosy, ka nahaavotra zaza tsy manan-tsiny ny tsy ho faty isaka ny 10 minitra.. na dia zaza iray fotsiny aza..

Sa ohatra sitra-ponao Irakiraka koa ny hahafaty ireo zaza gasy isaka ny 10 minitra ho'a, ka dia TSY mba ivavahanao ho sitrana koa zareo??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2267