MAHAFATY NY DIDY FOLO

41. rhaj0 ( 19/04/2017 17:28)
Tena tsy azon'i RBNIR mihintsy fa misy teoria anankiroa ny tohin'ny Kristianisma. im-10 ilay izy resahina, fa ... hheeee... ny redirevin'i Hrnrn ihany no atony fiki-maty ao, dia tsentsemany ny sofiny sy maso ary sainy, ary sesefany ny resany eo foana ny olona hafa rehetra.


Teoria 1: manaraka ny didy 10 sns vao "avotra"

Teoria 2: mino fotsiny dia "avotra"
(sola fide hoy ny latin, faith alone hoy ny anglisy, ary minou fotsy hozy ny gasy)




ka raha ianao ry RBNIR no poritra ao @ Teoria 1-nao ao, dia na hikitakita tahak'n'inona eo azany ianao, na hisavisavika izao toko aman'andininy rehetra izao, dia ho lany ron-doha sy fotsy rora eo fotsiny, fa ny olona hafa ao @ ilay Teoria 2, dia TSY manisy sira ny "finoaNAO".

(na samy mpihavana ao @ Tompo azany ianareo roaroa)
42. RBNIR ( 20/04/2017 05:14)
Tsy otran'izay io ry rhajo a! ny bokin'ny apokalipsy dia manambara mazava ny toetran'ireo olona masina hovonjena any amparany any...« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apokalypsy 14:12)

Vakio tsara Izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.....
43. RA TAN ( 20/04/2017 05:34)

RBNIR:

« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apokalypsy 14:12)



=> I RBNIR efa nilaza fa TSY MAHALALA NY ANARAN'A/TRA.
Dia iiza izany ity "jesosy" teneniny eto ity?? Mba azavao dia porofoy!

Miteny koa i RBNIR hoe OLONA MASINA. Izy nefa matoa mitandrina D10 sady tsy mahalala ny anaran'A/tra dia mpanota izy fa tsy olona masina.
=> TSY MISY FANTATRAO RY RBNIR NY BOKIN'NY APOKALIPSY A, IANAO AZA EFA DISO A/TRA.
Ny olona masina dia izahay aty @ YAHOSHUAH no mahafantatra an'ireny.

Tsy D10 koa io didin'A/tra resahina eo io fa didin'i Yahoshuah
44. RBNIR ( 20/04/2017 06:03)
Ra Tan : izahay ange tsy mino ny fampianaran'ingahy samuelson edward e.....(fampianarana izay efa nekenao ampahibemaso teto fa nisy fitaka sy fisolokina saingy tsy dison'Andriamanitra hoy ianao satria ....)

Aminay ny atao hoe olona masina dia io voalazan'ny apok.14:12

Olona masina = dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy....

Tsy afaka misaraka ireo e!!!
45. rhaj0 ( 20/04/2017 11:19)
RBNIR:
ny bokin'ny apokalipsy dia manambara mazava ny ... Vakio tsara Izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.....

Teoria 1 izany eee...

TSY mety mi-click aminao mihintsy fa misy ny Teoria 2. Asa raha mba takatrao ihany ny maha-borné anao ao io izao. Io izany mbola vao samy nareo Kristiana no mifanohitra hevitra, dia efa giladibe ilay tampi-mason-tsovalinao na tampi-masom-borikinao. Ny anao foana no averimberinao. Mainka izany fa rahefa miresaka ny Siansa.

Ary @ io Teoria 2 io, dia eritrereto tsara ihany, ary ivereno tsara mihintsy, fa:
- kristiana toa anao ihany no manompo an'io Teoria 2 io (sola fide - faith alone - minou foutsy)
- ary kristiana matihanina akoriny azany, matihanina be noho ianao, na noho i Hrnrn koa, satria ireo dia nievoka tao 24h/24h mandava-taon-jato tao, h@ dadan'ny dadabeny, efa ao anaty gène-ny mihintsy, ka .... raha mba "tena mino" ianao, dia tokony hino fa "nobitsihan'Andrmntra" (koa) zareo.
46. RBNIR ( 20/04/2017 16:26)
diso ianao hoy aho teorie3 sady mitandrina didy no mino an'i Jesosy
47. rhaj0 ( 20/04/2017 16:50)
Zavatra mifanohitra ny 1 sy 2. Fa raha tsy ry RBNIR tsy mahita fa "atambatra" hono ireo mifanohitra roa ireo.

Dia toa izao izany ny lojikan-dRBNIR manambatra:
1- mila mino fotsiny ianao dia avotra (fa tsy mila manaja didy)
2- fa mila manaja didy koa ianao, izay vao avotra (fa tsy hoe mino fotsiny)


Atao @ "teny mahery" feo-mopera, sy totofana toko aman'andininy fotsiny io, dia mety an...
Izany ihany ary izany foana no adin-dry RBNIR ao. TSindrotsindrohana dia atambatambatra na ho any na tsy ho any. Dia mibontsimbontsina hoe "tena raitra".
48. RBNIR ( 21/04/2017 02:14)
rhaj0:

Zavatra mifanohitra ny 1 sy 2. Fa raha tsy ry RBNIR tsy mahita fa "atambatra" hono ireo mifanohitra roa ireo.

Tsy mifanohitra mihitsy ireo fa izay no tena takin'Andriamanitra.....Raha te ho "masina" ny olona iray....« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apok.14:12)
Olona masina = izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy....

Fa maninona no tokony haniry ho masina ny olona iray????« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, ......... » (Apok.21:27)

Ka na iza na iza te hiditra ao (ilay fonenana mandrakizay) dia mila manamasina ny tenany izy (mila mitandrina ny didiny sy mino an'i Jesosy) .....







49. rhaj0 ( 21/04/2017 11:45)
Hay.. ilay "sola fide" mihintsy no tena tsy azonao velively. Hafa ny hoe, "mino an'i Jesosy", toa izay daholo rehefa Kristiana, sy ny hoe, "mino fotsiny" (sola fide).

Ndana googler-o fa
- tsy ao anaty Baiboly io
- ary mino marimarina aho fa TSY takatr''i Herinirina koa.

Fa raha mbola migobona sy mikatona lava ao @ Baiboly sy Hrnrn ianao, dia tena mbola tsy ho azonao velively mihitnsy ity "sola fide". Ary dia hikitakita @ n'a pas @ namanao Kristiana eo foana ianao, no koa, TSY mba mahita ny hasambaran'ireo namanao Kristiana mirevy "sola fide", fa ny anao ilay Andrmntra sdikadikan-draha io foana no hany revenao ao.
50. RBNIR ( 21/04/2017 11:52)
Ilay hoe mino an'i Jesosy mihitsy no tsy fantatry ny olona rhajo...

Ny fihevitry ny maro (anisany ianao) ny atao hoe mino an'i Jesosy dia hoe : mino fa Izy marina tokoa ilay Zanak'Andriamanitra nirahina hamonjy izao tontolo izao ka tokony ekena hoe Tompo sady mpamonjy amin'ny fiainana....

Be dia be mihitsy ankehitriny no miombokevitra amin'io teoria 2 nao io ka izao mihitsy aza no fomba fiantsoan'izireo olona, Minoa an'i Jesosy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainanao dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao....

Raha izay anefa no tena marina dia tsy tokony ho niteny ity teny ity intsony i Jesosy....

« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
51. rhaj0 ( 21/04/2017 13:28)
Ka argument-n'ny Teoria 1 foana no averimberinao ataonao dridran-gilo eto.

Ny Teoria 2 koa dia (afaka) hanome anao toko aman'andininy. Ataovy mazava ao an-tsaina tsara fa ny Protestanta (ry Luther sy ry Calvin sns..) sy ny Katolika (ny Papa) no nanoritra io "sola fide" io. Tsy handany jiro dia hamahana (anao) toko aman'andininy manohana ny "sola fide" aho, fa devoaranao izany... raha "te-handroso" ianao.
52. RBNIR ( 21/04/2017 14:15)
Teoria 3 hoy aho fa tsy teoria 1 sady mitandrina ny didy no mino an'i Jesosy....
53. rhaj0 ( 21/04/2017 14:36)
Inona no tsy azonao @ ity ry RBNIR...

Samy mino an'Andrmntra sy Jesosy daholo satria samy Kristiana. Saingy :

Teoria 1- mila mino fotsiny (sola fide) ianao dia avotra (fa tsy mila manaja didy)
Teoria 2- mila manaja didy ianao, izay vao avotra (fa tsy hoe mino fotsiny)

Teoria 3 a la RBNIR allelouia :
@ vilam-bava havia: mila mino fotsiny, fa tsy mila manaja didy,
@ vilam-bava havananana: fa izany hoe, mila manaja didy ihany fa tsy hoe mino fotsiny.

Dia mazotoa mamilambilana ao izany ry RBNIR aaa...
54. endriny ( 21/04/2017 16:30)
TENA marina ny anareo fa ny finoana dia teoria fa tsy fampiharana akory.

Atao ahoana tokoa ny hanao fampiharana na pratika an'izany hoe fiainana mandrakizay izany?

Atao ahoana no anaovana fanandramana an'izany fiainana any am-paradisa nofinofisina izany?

Atao ahoana no hanantona izany lanitra tsy takamaso amin'ny sambondanitra mandeha solika izany?

Dia tena teoria tokoa
55. RA TAN ( 22/04/2017 05:16)
endriny:

Atao ahoana tokoa ny hanao fampiharana na pratika an'izany hoe fiainana mandrakizay izany?

Atao ahoana no anaovana fanandramana an'izany fiainana any am-paradisa nofinofisina izany?

Atao ahoana no hanantona izany lanitra tsy takamaso amin'ny sambondanitra mandeha solika izany?



=> Ianareo any ivelan'ny fanjakan'i Yahoshuah; ao @ nofo ianareo dia tsy misy fantatrareo ny zava-panahy. Tsy mahatazana afatsy izay hitan'ny masonareo tokoa ianareo. Normal be tena impossible aminareo ny fiainana mandrakizay.
Fa izahay aty @ YAHOSHUAH kosa tsy ao @ nofo fa ao @ Fanahy; EFA IAINANAY NY FIAINANA MANDRAKIZAY, ARY IZAO VELONA IZAO IZAHAY DIA EFA ANY ANDANITRA (EFES,2:6), fa tsy hoe rehefa maty akory


Nofinofy aminareo any ivelany izany kanefa iainanay zanak'A/tra.

Midira aty @ i YAHOSHUAH raha mba te hiaina mandrakizay @ fifaliana.
56. rhaj0 ( 22/04/2017 16:20)
i RA TAN kosa ho'a dia tena mampihomehy ee... Tena arak'ilay nolazain'i Enriny in-1 mandeha hoe, (ry RA TAN dia) toa zaza eny @ garabola milalao fangala-piery ao ambadiky ny tongo-tseza.

Raha "miaina mandrakizay @ fifaliana" ve ianao ry RA TAN dia hikitakita en majuscule lava eto. Sirika be re ianao avy ao ambadiky ny tongo-tseza ao io ee :-)

i Ambasadera koa @ io, ataony fa tsy hitan'ny olona ny (inspiration-ny @ io) fanambakana be vata ataony io; efa avoitran'i RBNIR ihany, fa ... esy ee ... i RA TAN irery ihany io mbola mijery tongo-tseza io...
57. RA TAN ( 23/04/2017 02:18)
rhaj0:

(ry RA TAN dia) toa zaza eny @ garabola milalao fangala-piery ao ambadiky ny tongo-tseza.

Raha "miaina mandrakizay @ fifaliana" ve ianao ry RA TAN dia hikitakita en majuscule lava eto. Sirika be re ianao avy ao ambadiky ny tongo-tseza ao io ee :-)

i Ambasadera koa @ io, ataony fa tsy hitan'ny olona ny (inspiration-ny @ io) fanambakana be vata ataony io; efa avoitran'i RBNIR ihany, fa ... esy ee ... i RA TAN irery ihany io mbola mijery tongo-tseza io...


=> Izahay kosa aloha tena tsy faly @ asan'ny devoly tahak'io ataon'i rhajO sy n namany io e. Tahaka an'A/tra Ray sy i YAHOSHUAH tsy faly @ asan'ny devoly. Dia tsy maintsy potehinay ny asan'ny devoly @ fahatezerana mirehitra.

Fa iza no milaza @nareo hoe raha manana fahatezerana @ devoly A/tra dia tsy manana fifaliana sy fiainana mandrakzay???
Fa ny devoly sy ny mpanota mpiray tsikombakomba ratsy aminy kosa sady tsy manana fifaliana sy fiainana mandrakizay no mbola iharan'ny fahatezeran'A/tra koa
58. RA TAN ( 23/04/2017 12:45)
RBNIR:

Ra Tan : izahay ange tsy mino ny fampianaran'ingahy samuelson edward e.....(fampianarana izay efa nekenao ampahibemaso teto fa nisy fitaka sy fisolokina saingy tsy dison'Andriamanitra hoy ianao satria ....)

Aminay ny atao hoe olona masina dia io voalazan'ny apok.14:12

Olona masina = dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy....

Tsy afaka misaraka ireo e!!!



=> Rehefa tsy mino ny FAMPIANARAN'I YAHOSHUAH ianao dia ajanony ilay BAIBOLY fa tsy mety aminao. Satria araka ny soratra masina ao @ baiboly daholo ny fampianaran'i Yahoshuah (anisany ilay GEN,27 tsy voavalinao). Matoa tsy voatohitrao izany fampianarany izany dia tongava saina, fa fampianarana tsy misy kilema io; tsy misy fitaka io, fa ianao n mamitatena @ io hevi-dratsinao io.

Dia tsy masina izany A/tra aminao satria nanome tso-drano an'i JAKOBA izay nisoloky? Dia tsy masina koa izany i JAKOBA aminao? (GEN,27)
59. rhaj0 ( 23/04/2017 17:34)
RA TAN:
Izahay kosa aloha tena tsy faly @ asan'ny devoly (..) tsy maintsy potehinay ny asan'ny devoly @ fahatezerana mirehitra.

Fa iza no milaza @nareo hoe raha manana fahatezerana @ devoly A/tra dia tsy manana fifaliana sy fiainana mandrakzay???

Dia ao ianao izany, sain'ady sy romodromotra amina "fahatezerana mirehitra" ao eee...
Izany no mitondra "fifaliana" ho anao sy Yahoshua, dia reveo ao izany ee...

Fa tsisy mahakasika anay ny hagaiganareo ee... Jereo izao i Dalai Lama, TSY minomino an'izay "tsy-tonon'anaranareo" ao, fa tena zen be mihintsy.. Izaho koa :-)
60. MINDAOZY ( 24/04/2017 06:01)
RA TAN:

...Fa iza no milaza @nareo hoe raha manana fahatezerana @ devoly A/tra dia tsy manana fifaliana sy fiainana mandrakizay???

rhajO:

Dia ao ianao izany, sain'ady sy romodromotra amina "fahatezerana mirehitra" ao eee...
Izany no mitondra "fifaliana" ho anao sy Yahoshua, dia reveo ao izany ee...

Fa tsisy mahakasika anay ny hagaiganareo ee... Jereo izao i Dalai Lama, TSY minomino an'izay "tsy-tonon'anaranareo" ao, fa tena zen be mihintsy.. Izaho koa :-)


Ilay fomba fisainanareo ry rhajO no mila ahitsy a. Fa tsy resaka sain'ady izany.
Valio anie io fanontanian'dRA TAN io dia hitanao tsara ny maha diso anao e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1831