MAHAFATY NY DIDY FOLO

21. RBNIR ( 14/04/2017 09:12)
dia otran'izay koa fa maninona ianareo no tsy mangalatra, na mamono olona???sa mpangalatra sy mpamono olona daholo koa ianareo ao????

Didy folo ange izany tandremanareo rehetra izany e, ary dia mihatra aminareo ity teny ity na tianareo na tsy tianareo....satria ianareo tsy manaiky hitandrina ilay andro fahafito araka ny voalaza ao amin'ny HEb.4:9

« Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:10)
« Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. » (Jakoba 2:11)
22. RA TAN ( 15/04/2017 13:48)

RBNIR:

fa maninona kay ianareo ao no tsy mijangajanga RA TAN??? (sa diso aho fa mijangajanga daholo ianareo ao???

==> TSY MIJANGAJANGA IZAHAY
satria:
-ATO AMINAY NY FANAHY MASINA "JAONA,16:13 fa raha tonga ny fanahin'ny fahamarinana dia Izy no hitarika anareo ho amin'ny marina rehetra"(TSY MILA DIDY FOLO)
"GAL,5:18 fa izay tarihin'ny fanahin'Andriamanitra dia tsy mba ambanin'ny lalàna"(TSY MILA DIDY FOLO).
- ATO AMINAY ILAY A/TRA TENA MARINA(YAHOSHUAH) MANAISOTRA FAHOTANA: "1JAONA,3:5 Yahoshuah no naseho hanaisotra ny ota, ary tsy misy ota ao aminy. 6Izay rehetra ao aminy dia tsy manota, ... 9Izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny"

FA NY MPITANDRINA DIDY FOLO REHETRA DIA VOASOKAJY HO MPANOTA DAHOLO: "1TIM,1:9 ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra; ny mpanohitra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny mpijangajanga, ny tsy manaja izay masina, ny sodomita, ...
23. RBNIR ( 15/04/2017 20:10)
RA TAN:

Ny zavatra ambarako ihany ange izany ambaranao izany RA TAN e! vakio tsara ny fanazavako rehetra fa dia....ny ambarako ihany no hamafisinao.....Amin'ny fanekena vaovao hoy aho dia ovaina olomarina ilay olona ary tsy mila tenenina intsony hoe aza manao an'ity na ity fa fantany tsara izay tokony atao....Tsy ilaina intsony ilay soratra hita ety ivelany satria ilay soratra dia efa mitoetra ao anatiny......

Saingy namafisiko tsara fa ilay didy teo aloha ihany ilay tanterahina ao anatiny (raha tsy mijangajanga ange ianao tsy hoe didy vaovao akory izany fa ilay teo aloha ihany e.......)

Ka dia izao ary hoy ianao hoe TSY MIJANGAJANGA IZAHAY.....koa dia hoy ny teny hoe ....".....Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. » (Jakoba 2:11)

Fa raha tahiny tsy mijangajanga ianao, kanefa tsy mitandriana ny andro fahafito dia......?????
24. RA TAN ( 16/04/2017 18:52)

OLO-MARINA SY MASINA IZAHAY ATO @ YAHOSHUAH:
-ATO AMINAY NY FANAHY MASINA "JAONA,16:13 fa raha tonga ny fanahin'ny fahamarinana dia Izy no hitarika anareo ho amin'ny marina rehetra"(TSY MILA DIDY FOLO)
"GAL,5:18 fa izay tarihin'ny fanahin'Andriamanitra dia tsy mba ambanin'ny lalàna"(TSY MILA DIDY FOLO).
- ATO AMINAY ILAY A/TRA TENA MARINA(YAHOSHUAH) MANAISOTRA FAHOTANA: "1JAONA,3:5 Yahoshuah no naseho hanaisotra ny ota, ary tsy misy ota ao aminy. 6Izay rehetra ao aminy dia tsy manota, ... 9Izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny"

FA NAREO MPITANDRINA DIDY FOLO REHETRA DIA VOASOKAJY HO MPANOTA DAHOLO: "1TIM,1:9 ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra; ny mpanohitra an'Andriamanitra dia ny mpanota; ...
"1JAONA,3:8 Izay rehetra manota dia avy amin'ny devoly, ...

Izany no mampiavaka ANAY ZANAK'A/TRA (MASINA) amin'ny ZANAKA DEVOLY (MPANOTA)
25. RBNIR ( 17/04/2017 00:36)

ka ilay ota aza mbola eo ambavanao foana fa tsy afaka mihitsy ko......Io ange tsy tenenina fotsiny hoe olomarina aho e, tsy mpanota aho e sns....fa ny avoakan'ny vavanao no hanamarinana anao e!.....« Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao. » (Matio 12:37)

26. RKjeanclaude ( 17/04/2017 01:20)
izaho tsy resy lahatra didy folo, sady tsy resy lahatra anarana vaovao e! ilay hany fantatro taloha ihany (talohan'ny taona 2005)
27. RBNIR ( 17/04/2017 01:29)
Fa hofitiniko ny zavatra nambarako teto....(ho an'ny manampanahy rehetra...)

Hoy ianao hoe mahafaty ny didy folo..

Dia izao no valiny

1 Tsy mahafaty ny didy folo fa io indrindra azy no takian'Andriamanitra ho tandreman'ny olona "raha te hiditra amin'ny fiainana ilay olona......" Mat.19:17-19

2 Narosonao ny 2Kor.3:7 dia nanazava aho hoe ilay "soratra" voasoratra teo amin'ny vato no nomena tsiny teo fa tsy ilay didy akory....ary manamafy izany ny kol.2:14 (ilay soratanan'ny didy no novonoina fa tsy ilay didy akory...)
Tamin'ny fanekena taloha mantsy dia ivelan'ny olona no nisy ilay soratra (teny amin'ny vato, teny amin'ny taratasy sns....) fa amin'ny fanekena vaovao kosa dia nosorata ihany ilay didy fa avy dia nosoratana ao ampon'ilay olona , na ao antsainy (Heb.8:10 ; Heb.10:16)

Ilay didy teo aloha iny ihany saingy tsy soratana ivelan'ny olona intsony fa soratany ao ampony sy ao antsainy

3 narosonao ny rom.7:9 dia nanazava aho hoe tsy ilay didy akory no mahafaty na koa hoe ratsy (rom.7:7 fa ilay ota no mahafaty ary ny rom.7:13 aza dia manamafy mihitsy hoe "tsara ny didy" ary tsy ny didy no mahafaty fa ny ota « Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, ........ » (Romana 7:13)
Koa ny tenin'Andriamanitra eto dia mbola manamafy hatrany fa "tsy mahafaty akory ny didy 10....(ny anay moa izay voalazan'ny baiboly ihany no arahanay namana....)

Namafisiko ihany koa hoe rehefa voavonjy ange ilay olona dia tsy misy ota intsony ao anatiny e! noho izany na dia fantany ary ilay didy dia tsy hitondra azy amin'ny fanirian-dratsy intsony satria ilay ota efa novonoina tsy hisy ao aminy intsony (1jao.3:5)

4 narosonao ny 1Kor.15:56
Dia izao no navaliko mizara 2 io teny io :
1 manamafy ilay hoe ny ota no mahafaty (fa tsy ny didy)
2 ny momba ilay hoe ny lalàna no herin'ny ota, dia hoy aho hoe mitombina io raha toa ka mbola misy ota ilay olona ......Saingy rehefa voavonjy hoy aho ilay olona dia tsy tokony hisy ota intsony ao anatiny noho izany tsy hitondra azy ho any amin'ny fahafatesana mihitsy ny fahanfatarany ilay lalana (izay hosoratan'Andriamanitra ao antsainy sy ao ampony araka ny heb8 sy ny heb10)

5 narosonao ny efe.2.15 dia hoy aho hoe io ny fahatanterahan'ilay hoe fahaterahambaovao na olombaovao noho ny fiasan'ny FANAHY MASINA ao anatin'ilay olona araka ny Ezek.36:26-27
ovain'ny Fanahy Masina ny olona iray handeha araka ny lalàny sy ny fitsipiny (didy 10 sns....)

sy ny Gal.2:20 (kristy no lasa velona ao anatin'ilay olona : kristy tsy nandika lalàna , tsy mpanota, tsy mpandika didy folo, sns.......

Koa ho an'izay rehetra mbola nisalasala dia ireo no porofo fa tsy mahafaty izany ny didy 10 (Rom7:13) fa ny fitandremana azy ireo mihitsy aza no takin'Andriamanitra amin'ny olona "raha te hiditra ny fiainana ny olona iray (mat.19:17-19)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

28. RKjeanclaude ( 17/04/2017 01:41)
tsy mahasoa ny ady teny @ lalàna e.
29. RBNIR ( 17/04/2017 01:43)
RKjeanclaude:

izaho tsy resy lahatra didy folo, sady tsy resy lahatra anarana vaovao e! ilay hany fantatro taloha ihany (talohan'ny taona 2005)

Inona no mbola tsy maharesy lahatra aminao ny amin'ny didy folo (mba azo fantarina v?) mbola misy teny tsy mazava aminao v ao amin'ny baiboly ka mahatonga anao hilaza izany?

Tadidio fa ny fitandremana ny didy 10 ange (hoy i Jesosy fa tsy izaho an!) dia fepetra tsy maintsy atao raha "te hiditra amin'ny fiainana ianao e" Mat.19:17-19....
30. RBNIR ( 17/04/2017 01:49)
RKjeanclaude:

tsy mahasoa ny ady teny @ lalàna e.

Aza raisina ho ady teny amin'ny lalàna fa ity no miasa eto....« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16)
- fampianarana, fandresen-dahatra , fanitsiana izay diso ary ho fitaizana amin'ny fahamarinana...

Misy olona sasany tratran'ny fampianaran-diso (noho ny tsy fahafantarany ny tena hevitry ny soratra masina) dia mihezaka mampianatra sy manitsy izany isika....

Tsy misy fahadisoana mihitsy izany fa ny mifanohitra amin'izany aza (fisintomana ny olona hiala ao amin'ny fampianaran-diso izay mety hahavery ny fanahiny.......
ary koa mampiorina tsara ny fanahin'ireo izay efa voataiza ao amin'ny fahamarinana,

31. RBNIR ( 17/04/2017 02:02)
Ka raha ohatra mbola misy tsy mazava tsara aminao ny tenin'Andriamanitra rkjeanclaude dia afaka hitondrana fanazavana eto....

Tsarovy fa tsy misy mifanohitra izany ny tenin'Andriamanitra....

Matoa Jesosy niteny hoe "raha te hiditra ny fiainana ny olona iray dia mila mitandrina ireo didy (didy folo no notanisainy tao...) dia tsy mahafaty izany ny didy folo....

Misy teny toa marina (ireo teny naharesy lahatra ny sasany ka nahatonga ny sasany tafaroboka tao anatin'ireny fampianarana diso ireny) saingy Jesosy dia efa niverina indray nampianatra ny zavatra rehetra ary dia tena mazava ny fampianarany tsy misy teny mifanohitra izany ao anaty Soratra Masina fa mila fantatra tsara fotsiny ny dikany.....

Raha mbola misy teny tsy mazava aminao dia ento eto fa fotoana fanararaotana izao e!

32. RBNIR ( 17/04/2017 02:10)
P.S : isika tsy miady fa ry zalahy tsy mahazo resaka dia miaka-pofona amin'ny tsy misy dikany (mety fahatanterahan'ity teny ity ihany koa anefa izany rehetra izany......« Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. » (Hebreo 4:12)

Kanefa hoy ny teny hoe....« Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa. » (Jakoba 3:2)

Mila mahazaka "teny" isika fa avy amin'izany no fanasitranana ny olona....
33. RBNIR ( 17/04/2017 02:17)
forum : adihevitra, ny gasy aza miteny hoe ny hevitra tsy azo mampiazoazo e!!! dia fanazavana no ataontsika fa tsy ady mihitsy fa fampahafantarana ny marina, fampianarana, fandresendahatra, fanitsiana izay diso ary fitaizana amin'ny fahamarinana,

Raha mbola any ivelany ianao dia hezahina ampidirina, rahefa tafiditra kosa ianao dia taizana amin'ny fahamarinana ary koloina tsara tsy hivoaka na hiala amin'izany intsony....

Ka inona no maharatsy an'izany rkjeanclaude???? Adidiny ny mahafantatra ny mampahalala .....
34. RA TAN ( 17/04/2017 13:14)

OLO-MARINA SY MASINA IZAHAY ATO @ YAHOSHUAH:
-ATO AMINAY NY FANAHY MASINA "JAONA,16:13 fa raha tonga ny fanahin'ny fahamarinana dia Izy no hitarika anareo ho amin'ny marina rehetra"(TSY MILA DIDY FOLO)
"GAL,5:18 fa izay tarihin'ny fanahin'Andriamanitra dia tsy mba ambanin'ny lalàna"(TSY MILA DIDY FOLO).
- ATO AMINAY ILAY A/TRA TENA MARINA(YAHOSHUAH) MANAISOTRA FAHOTANA: "1JAONA,3:5 Yahoshuah no naseho hanaisotra ny ota, ary tsy misy ota ao aminy. 6Izay rehetra ao aminy dia tsy manota, ... 9Izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny"

FA NAREO MPITANDRINA DIDY FOLO REHETRA DIA VOASOKAJY HO MPANOTA DAHOLO: "1TIM,1:9 ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra; ny mpanohitra an'Andriamanitra dia ny mpanota; ...
"1JAONA,3:8 Izay rehetra manota dia avy amin'ny devoly, ...

Izany no mampiavaka ANAY ZANAK'A/TRA (MASINA) amin'ny ZANAKA DEVOLY (MPANOTA)

RBNIR:

ka ilay ota aza mbola eo ambavanao foana fa tsy afaka mihitsy ko......Io ange tsy tenenina fotsiny hoe olomarina aho e, tsy mpanota aho e sns....fa ny avoakan'ny vavanao no hanamarinana anao e!.....« Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao. » (Matio 12:37)

Valiny:
SORATRA MASINA ANIE IREO NAMBARAKO TAMINAO IREO E!
Ka inona amin'ireo ary no ota eo ambavako hoy ianao????
Ary tsy noteniteneniko fahatany akory ny hoe:
-IZAY OLONA MANANA NY FANAHY MASINA DIA TSY MPANOTA FA ZANAK'A/TRA: TSY MITANDRINA DIDY FOLO IREO SATRIA TSY MILA DIDY FOLO INTSONY FA EFA MANDEHA HOAZY(JAONA,16:13 GAL,5:18).
-FA NY MPANOTA TSY ZANAK'A/TRA IZANY FA AVY @ DEVOLY (1JAONA,3:8); IREO NO MILA DIDY FOLO (1TIM,1:9,10)

"JAONA 8:36 Raha ny Zanaka no manafaka anareo dia hoafaka tokoa ianareo"
TENA AFAKA NY FAHOTANAY, SATRIA YAHOSHUAH IZAY MIARAKA AMINAY ILAY TENA ZANAK'A/TRA.
Fa ianao io matoa mbola tsy mety afa-pahotana mandrakzao dia mieritrereta; IZA IZANY INY IVAVAHANAREO INY KA MAMPANOTA ANAREO FOANA MANDRAKZAO??????

"MAT,12:36 Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay nataony. 37 Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao"
-NY TENIKO TETO DIA HOE: "TSY MPANOTA NY ZANAK'A/TRA REHETRA"(araka ny soratra masina izany) DIA AMARININA @ IZANY AHO.
-NY TENINAO KOSA DIA "MANOHITRA AN'IZANY"(araka ny eritreritrao manokana sady mitsipaka ny soratra masina) DIA HELOHINA @ IZANY IANAO
35. RA TAN ( 17/04/2017 14:09)

RBNIR:

Ka raha ohatra mbola misy tsy mazava tsara aminao ny tenin'Andriamanitra rkjeanclaude dia afaka hitondrana fanazavana eto....

Matoa Jesosy niteny hoe "raha te hiditra ny fiainana ny olona iray dia mila mitandrina ireo didy (didy folo no notanisainy tao...) dia tsy mahafaty izany ny didy folo....

Raha mbola misy teny tsy mazava aminao dia ento eto fa fotoana fanararaotana izao e!

==> Ô ry RBNIR a! Na ianao na i jeanclaude dia samy mpanota daholo.
Jamba mitarika jamba, samy any ankady no iafarany.
Mpanota mitarika mpanota, samy any @ helo no iafarany.

Ary io a/trao notononinao anarana io no velona ao anatinareo, izay mahatonga anareo ho mpanota; mampandika lalàna anareo.

"1JAONA,3:8 Izay rehetra manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly no manota hatramin'ny voalohany"
IZA IZANY INY A/TRAO NOTONONINAREO ANARANA INY???
36. RA TAN ( 17/04/2017 16:20)

RBNIR:

dia otran'izay koa fa maninona ianareo no tsy mangalatra, na mamono olona???

=> SATRIA TSY MAHAY MANOTA IZAHAY(1JAONA,3:5,6,9)
RBNIR:

Didy folo ange izany tandremanareo rehetra izany e,

=> TSY MAHALALA BIBY AFA TSY SAKA IANAO (RA SAHONA METY KELY LOATRA DIA TSY HITANY, FA SAKA); TSY MAHALALA DIDY AFA TSY DIDY FOLO.
RBNIR:

« Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:10)

=> NY MPITANDRINA DIDY FOLO NO IHARAN'IZANY TENY IZANY, FA NY AO @ YAHOSHUAH TSY MISY DIDY FOLO (ROM,3:19 Fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna)
37. RBNIR ( 18/04/2017 04:50)
RA TAN:

SORATRA MASINA ANIE IREO NAMBARAKO TAMINAO IREO E!
Ka inona amin'ireo ary no ota eo ambavako hoy ianao????

Ka ny dikan'ny ota mihitsy ange no tsy fantatrao RA TAN e:
« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jaona 3:4)

Ny atao hoe OTA dia fandikana ny lalàn'Andriamanitra, ny atao hoe mpanota dia olona mpandika ny lalàn'Andriamanitra, ny tsy mpanota kosa dia olona tsy mpandika ny lalàn'andriamanitra...

Ka iza moa no miantsoantso ny olona handika ny lalàn'Andriamantra eto RA TAN? Iza no mihirahira eto hoe mahafaty ny mitandrina ny lalàn'Andriamanitra (didy folo sns...) Iza no mitaona ny olona hanota eto fa tsy ianao??? Ka ilay ota aza tsy afaka ao ambavanao ahoana moa no inoko fa ianao io dia tsy mpanota RA TAN????
38. RA TAN ( 19/04/2017 10:14)

RBNIR:

vakio tsara fa ilay soratanana no novonoina fa tsy ilay didy akory,

Samihafa izany....« ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, » (Kolosiana 2:14)

=> Dia DISO daholo izany ireto aminao?:
EFES,2:15
HEB,7:18,19
HEB,10:9
GAL,2:18
GAL,3:23-25
39. RBNIR ( 19/04/2017 13:21)
1 tsy misy diso na mifanohitra izay rehetra voasoratra....

2 Ireto teny ireto dia entina hanambarana tsy maintsy ovaina ilay fanekena teo aloha ovaina Fanekena vaovao Heb;7:18;19 Heb.10:9 Gal.2:18 Gal.3:23-25...
Ny fanekena vaovao dia efa fantatra : ilay soratanana tety ivelan'ny olona dia hosolona soratra anatin'ny olona ao anatin'ny fony sy ny sainy (ilay lalàna teo ihany) (Heb.8:10,11 sy Heb.10:16)

3 Ilay Efe.2 :15 kosa dia fahatanterahan’ilay fahaterambaovao, rehefa soratana ao ampon’ilay olona ilay lalàna dia tsy toy ny teo aloha intsony fa lasa olombaovao ilay olona ary manomboka eo dia I KRISTY no velona ao anatiny Gal2.20..Rehefa io no tanteraka hoy aho dia tsy ilaina intsony ny miteny hoe aza mangalatra sy aza mijangajanga aza mandika Sabata sns….satria I Kristy sady tsy nangalatra no tsy nijangajanga no tsy nandika Sabata sns….Nitandrina ny tenin’Andriamanitra fahiny foana IZY hatramin’ny madinika indrindra aza….(vakio mat.4:3-11) fa notandremany hatramin’ireo didy madinika taloha aza….
40. RBNIR ( 19/04/2017 13:28)
« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [* Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc] » (1 Jaona 2:6)

Ka vakio tsara ny mat.4:3-11 nitandrina ireo didy fahiny kristy sa tsy nitandrina hoy IZY hoe :

« Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3). » (Matio 4:4)
« Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Matio 4:7)
« Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). » (Matio 4:10)

Nanaja tsara ny deot.6 IZY ary voasoratra tsara ao amin'io deot.6 io fa hoe...« Tandremo tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao. » (Deotoronomia 6:17)

Ka ianao milaza fa mitoetra tsara ao Aminy io, moa mandeha araka ny nandehanany marina v????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1998