Izay voasoratra dia... toa mifanipaka

1. rhaj0 ( 12/01/2016 14:41)
Aleo alamina dia asesy eto azany ny samy resaka mifanipaka atsimo sy avaratra, ambony sy ambany, anatiny sy ivelany, ao anaty Baiboly, araka ny navoitran'ity Quiz ity..

Ka mandrakizay sa TSY mandrakizay ny fahatezeran'Andrmntra (Kristiana) ??

Mika 7:18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ ny sisa amin’ ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindrampo.

Jeremia 17:4 Ary avy amin’ ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ ny tany izay tsy fantatrao hianao; Fa narehitrareo ny afon’ ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.

répondu par RBNIR le 26/01/2016 07:50
2. rhaj0 ( 12/01/2016 14:48)

Ka ho "ho hamarinina TSY @ asan'ny lalàna" sa ho "tandremana ny didy" ?

Galatiana 2:16 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna ny olona, fa amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy, dia nino an’ i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ ny finoana an’ i Kristy, fa tsy amin’ ny asan’ ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna.

Matio 19:17 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin’ izay tsara? Iray no tsara; fa raha te-hiditra any amin’ ny fiainana hianao, tandremo ny didy.

3. rhaj0 ( 12/01/2016 14:56)

Dia ahoana no andraisana an'ity... mila mifanaraka zareo samy lehibe ireo kah...

Romana 3:28 Koa amin’ izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ ny lalàna.

Jakoba 2:24 Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ ny asa ny olona, fa tsy amin’ ny finoana ihany.
4. gasy1zay ( 12/01/2016 15:14)
Oh ry rhaj0, mba tena mihaino ny lazain'ny namana eto ve ianao sa dia mizizo @ zay heverinao ho marina sy ny ao anaty imagination nao ao? Tena sarotra be amina(re)o tsy mino ve ny mandinika ny baiboly na farafaharatsiny miezaka mihaino ny fanazavan'ny hafa?

Hiezaka ny hamaly ny fanontanianao ihany nefa aho sao mba hiova ianao rehefa mahita ny marina.
5. gasy1zay ( 12/01/2016 15:25)

rhaj0:

Aleo alamina dia asesy eto azany ny samy resaka mifanipaka atsimo sy avaratra, ambony sy ambany, anatiny sy ivelany, ao anaty Baiboly, araka ny navoitran'ity Quiz ity..

Ka mandrakizay sa TSY mandrakizay ny fahatezeran'Andrmntra (Kristiana) ??

Mika 7:18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ ny sisa amin’ ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindrampo.

Jeremia 17:4 Ary avy amin’ ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ ny tany izay tsy fantatrao hianao; Fa narehitrareo ny afon’ ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.

Voalohany rhaj0 an! dia afaka mangataka famindram-po sy famelankeloka any @ Andriamanitra foana ianao na inona na inona helokao raha tena mibebaka marina araka ilay nambara tatsy rehefa tsy ilay fitenenan-dratsy ny FM no nataonao. (araka ilay voalaza eo @ Mika io)

Faharoa, ny fangatahina famelankeloka anefa dia fony fahavelonao ihany no azonao atao, izany hoe rehefa tsy nino ianao, tsy nangataka famelan-keloka t@ fahavelona ka maty, dia tsy misy na inona na inona azo atao intsony ( P.S = ny katolika nefa mino fa misy azo atao ihany raha ao @ afo fandiovana ianao, nefa tsy misy voasoratra ao @ baiboly ny mikasika an'io), ka rehefa lasa any @ helo ianao fa tsy nandray ny famonjena sy ny famelan-keloka dia any mandrakizay ianao fa tsy tonga any @ ilay Jerosalema vaovao, tsy tany ara-nofo ety an-tany fa ilay toerana nampanantenana antsika fa tsy misy fahoriana sy ranomaso intsony.

Ireo lasa any @ helo zany no iharan'ny fahatezerana mandrakizay satria tsy afaka ny hahazo famindram-po intsony izy ireo fa tsy nanao izany t@ fahavelony.
6. rhaj0 ( 12/01/2016 15:39)
gasy1zay:
Ireo lasa any @ helo zany no iharan'ny fahatezerana mandrakizay

Ka ilay "famindra-po" izany dia ho an'izay tiaNY ihany. Fa TSY asiany "famindra-po" ireo TSY tiaNY.

Nataok'ty hoe, ny dikan'ny "tia famindra-po" dia "amour inconditionnel", sahala @ Idada sy Ineny, ka raha constipé ny zaza, ok, exagéré... ka raha tena tsentsin'orona ny zaza, dia hozy ny dadako izay hoe, tena notrohany t@ vava hono, fa t@ ireny moa tsy nisy ilay pompe irony..

Ka ianao ve ry Gasy1zay mba "tena mihaino ny lazaina eto sa dia mizizo @ zay heverinao ho marina sy ny ao anaty imagination nao ao" foana fotsiny kosany aaa?? :-)

Fa raha mandinika aho, dia mitombona indray ny anao kah... ianareo tiaNY ihany no ameny "famindra-po"... f'aza TSY tiaNY fotsiny hono... fa ny AZY ny amour dia TSY inconditionnel..
7. gasy1zay ( 12/01/2016 15:41)

rhaj0:

Ka ho "ho hamarinina TSY @ asan'ny lalàna" sa ho "tandremana ny didy" ?

Galatiana 2:16 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna ny olona, fa amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy, dia nino an’ i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ ny finoana an’ i Kristy, fa tsy amin’ ny asan’ ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna.

Matio 19:17 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin’ izay tsara? Iray no tsara; fa raha te-hiditra any amin’ ny fiainana hianao, tandremo ny didy.

Izay mino fa i Jesoa Kristy no maty nisolo voina azy teo @ hazo fijaliana no ho vonjena, satria araky ny nambara sy noezahina nazavaina dia tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna, izany hoe tsy vitantsika ny mitandrina ny lalàna.

t@ Matio 19:17 nambaranao io dia TSY MBOLA VITA NY ASAM-PAMONJENA satria TSY MBOLA MATY TEO HF i JK. ka mazava hoazy fa tokony ny fanarahana ny didin'Andriamanitra aloha no ataon'ny olona mandra-pahavita ilay asam-pamonjena.

Jaona 19: 28 Ary rehefa afaka izany, dia fantatr’ i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’ izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho.
29 Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin’ ny hysopa ka nataony tamin’ ny vavany.
30 Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.

Fehiny = Talohan'ny nahafatesan'i JK teo @ hazo fijaliana sy ny nitsanganany dia ny fanarahana ny didin'Andriamanitra no nahazoana famonjena, taorianan'izay dia ny finoana an'i JK maty hamonjy antsika indray no ahazoana famonjena.

Mazavazava @ rhaj0 ve sa mbola maizina beuh?
8. rhaj0 ( 12/01/2016 16:06)
rhaj0:
Fa raha mandinika aho, dia mitombona indray ny anao kah... ianareo tiaNY ihany no ameny "famindra-po"... f'aza TSY tiaNY fotsiny hono... fa ny AZY ny amour dia TSY inconditionnel..

Ao @ ilay Jeremia teo ihany ilay izy

Jeremia 17:5 Izao no lazain’ i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin’ i Jehovah ny fony.

Rahefa TSY tia Azy (na koa rahefa TSY tiaNY), dia tena mihinan'ny tsakaokany mihintsy izany eee...

gasy1zay:
taorianan'izay dia ny finoana an'i JK maty hamonjy antsika indray no ahazoana famonjena.

okey okey, izay vao azoko.. t@ i Jesosy velona, dia ny fampianarany dia hoe:
Matio 19:17 Fa hoy Jesosy taminy ... tandremo ny didy.

Fa nony maty izy, dia... oops.. lany andro io "fampianarany" io, fa niova ny karatra.. OK :-)
9. gasy1zay ( 12/01/2016 16:08)

rhaj0:

Dia ahoana no andraisana an'ity... mila mifanaraka zareo samy lehibe ireo kah...

Romana 3:28 Koa amin’ izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ ny lalàna.

Jakoba 2:24 Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ ny asa ny olona, fa tsy amin’ ny finoana ihany.

Ito ngamba mila mianatra syllogisme kely ianao rhaj0 dia ho hitanao fa tsy mifanipaka velively ny voalaza eo.

Romains 3:28 Français courant dia milaza fa
Nous estimons, en effet, qu’un être humain est rendu juste devant Dieu à cause de sa foi et non parce qu’il obéirait en tout à la loi.

Raha fehezina ireo dia ny finoana no anamarinana ny olona satria araky nambara dia tsy nahatanteraka feno ny lalàna isaka.

Jacques 2:24 :Vous le voyez donc, un être humain est reconnu comme juste par Dieu à cause de ses actes et non pas uniquement à cause de sa foi.

Raha ampitahainao ireo rhaj0 dia mazava be fa izy mirahalahy nanoratra dia miaky fa ny finoana no hanamarinan'Andriamanitra antsika fa tsy hoe izay nahatanteraka 100% ( en tout) ny lalàna, fa i Jakoba dia nanampy hoe tokony arahina asa ( actes ) koa ny finoana, fa tsy niteny anefa izy hoe raha tsy nahatanteraka 100% ny lalàna ianareo dia tsy azo amarinina, vakio hatr@ voalohany ilay nosoratany dia hazavazava aminao ny tiany ambara :

ireto misy nositomiko tao mba tiako hovakianao :

Car si quelqu’un pèche contre un seul commandement de la loi, tout en observant les autres, il se rend coupable à l’égard de tous.

Mes frères, à quoi cela sert-il à quelqu’un de dire : « J’ai la foi », s’il ne le prouve pas par ses actes ?

Quant à moi je te prouverai ma foi par mes actes. »

:)

10. gasy1zay ( 12/01/2016 16:12)

rhaj0:

Rahefa TSY tia Azy (na koa rahefa TSY tiaNY), dia tena mihinan'ny tsakaokany mihintsy izany eee...

Fa inona anefa ny tsy itiavanao azy e? satria ve misy kristiana ratsy fanahy, mangalatra, mamono olona, mandainga sns... sa inona ny antony? Izy tsy hamela anao hanao la vie?
11. rhaj0 ( 12/01/2016 16:16)
Rahefa atambatro izy mi-tsam, dia toa hotry ny mifamely ny fahitako azy.. tena mila mifanaraka ho'a zareo.

finoana no anamarinana ny olona (R)... fa tsy amin’ ny finoana ihany (J).
hamarinina amin’ ny asa ny olona (J)... fa tsy ny asan’ ny lalàna (ihany) no anamarinana azy (R)...

ianao ve ry Gasy1zay tsy mahay teny gasy aaa.. :-)
12. rhaj0 ( 12/01/2016 16:22)
rhaj0:
Rahefa TSY tia Azy (na koa rahefa TSY tiaNY), dia tena mihinan'ny tsakaokany mihintsy izany eee...
gasy1zay:
Fa inona anefa ny tsy itiavanao azy e? satria ve misy kristiana ratsy fanahy, mangalatra, mamono olona, mandainga sns... sa inona ny antony? Izy tsy hamela anao hanao la vie?

Izy io ve ry Gasy1zay teren-ko-masaka toa voalobo-jaza aa ?..
Izaho k'lou dia tena TSY mahatsapa, ary tena TSY mahakitika ahy ireo rehetrarehtra andrianinao ireo, dia ny finoanao sy ny korteziny.

Fa rahefa mijery aho, dia TSY ireo Kristiana no jereko, fa ireo "attibuts" sy izay lazaina fa "notenenin"ilay Andrmntra". Ary dia vao mainka tsy mi-attirer ahy eee... tellement absurde/incohérent/aberrant/cruel/... Aleoko mihaino ny Grand Manitou-n'ny Amerindiana ohatra..

Sa moa.. childish/useless no tena marina @ izany rehetra izany.
13. gasy1zay ( 12/01/2016 16:26)
Fa ianao ve rhaj0 mihevitra fa tsy tian'Andriamanitra ianao? Inona no antony ilazanao izany? Nefa ianao dia anirahany olona maro hitarika anao hoany aminy eny fa na dia tsy miditra fiangonana aza ianao fa eto @ forum ihany dia mahazo tenin'Andriamanitra betsaka lavitra noho ireo makany ampiangonana.
Ianao mety tsy tia azy fa izy dia tena tia anao, miezaka mafy mandresy lahatra anao @ alalan'itony forum itony.
14. rhaj0 ( 12/01/2016 16:28)
Averiko kely ilay kiboribory vetaveta tianao mamy ery io...

(R)- finoana no anamarinana ny olona...
(J)- fa tsy amin’ ny finoana ihany...
(J)- hamarinina amin’ ny asa ny olona...
(R)- fa tsy ny asan’ ny lalàna (ihany) no anamarinana azy...
(R)- fa ny finoana no anamarinana ny olona...
(J)- tsy amin’ ny finoana ihany...
(J)- fa hamarinina amin’ ny asa ny olona...
(R)- tsy ny asan’ ny lalàna (ihany) no anamarinana azy...
15. rhaj0 ( 12/01/2016 16:30)
gasy1zay:
Nefa ianao dia anirahany olona maro hitarika anao hoany aminy eny fa na dia tsy miditra fiangonana aza ianao

aoka re ry Gasy1zay, fa dia "nirahin'Andrmntra" izany iana(re)o io an... Dia tena "planiNY" tokoany izany izao mitranga eto @ serasera eto an...

entre-pa, fa miditra fiangonana aho ho'a, farany teo ohatra nijery concert de noel..
16. gasy1zay ( 12/01/2016 18:21)

rhaj0:

Rahefa atambatro izy mi-tsam, dia toa hotry ny mifamely ny fahitako azy.. tena mila mifanaraka ho'a zareo.

finoana no anamarinana ny olona (R)... fa tsy amin’ ny finoana ihany (J).
hamarinina amin’ ny asa ny olona (J)... fa tsy ny asan’ ny lalàna (ihany) no anamarinana azy (R)...

ianao ve ry Gasy1zay tsy mahay teny gasy aaa.. :-)

ka nataoko mintsy le traduction français courant sao dia tsy azonao tsara le teny gasy koa,
raha atao le syllogisme dia izao

hoy Paoly ao @ Romana :
Ny finoana no hanamarinana antsika (Eny) fa tsy ny asan'ny làlana (Tsia)
hoy Jakoba ao @ Jakoba
Tsy ny finoana ihany no hanamarinana antsika (Eny) fa ny asa koa (Eny)

Nalaiko le tradiction satria tsapako fa tsy azonao ilay tian'ny asan'ny lalàna ambara,
asan'ny lalàna eto dia hoe "obeir en tout à la loi" raha ao @ traduction Louis second dia hoe "oeuvres de la loi" no nosoratany ao, io izany ilay lazaina hoe tsy afaka amarinina @ io isika satria raha diso @ 1 dia diso @ izy rehetra.

Raha fintinina io dia tokony hoe :

Marina eo anatrehan'Andriamanitra isika satria mino fa tsy hoe nahatanteraka 100% ny nambaran'ny lalàna, tsy midika anefa izany hoe tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra intsony rehefa mino fa rehefa mino dia ampy.

17. gasy1zay ( 12/01/2016 18:26)

rhaj0:

gasy1zay:
Nefa ianao dia anirahany olona maro hitarika anao hoany aminy eny fa na dia tsy miditra fiangonana aza ianao

aoka re ry Gasy1zay, fa dia "nirahin'Andrmntra" izany iana(re)o io an... Dia tena "planiNY" tokoany izany izao mitranga eto @ serasera eto an...

entre-pa, fa miditra fiangonana aho ho'a, farany teo ohatra nijery concert de noel..

Izy aloha tsy niteny na niresaka amiko mivantana toy ny fambaran'ireo "mpaminany, apostoly, ambassadeur,etc..." fa izaho kosa mino fa tena fiantsony ana(re)o tsy mino nefa mazoto mamaky forum izao. satria manko mety tsy ho resy lahatra hino an'Andriamanitra mandritry ny concert de noel iana(re)o. :) sa diso za?

18. rhaj0 ( 12/01/2016 18:35)
Mety aminao izany no mampivady ny resak'i Paoly sy Jakoba. Good for you. Amiko dia mampihomehy ahy ireto izy.

Fa an-joron-dresaka, dia ny resak'i Paoly sy Jakoba dia, raha ny fahatakarako azy, dia... resak'i Paoly sy Jakoba, izany hoe, araka ny eritreriny t@ izany fotaoan'androny tany izany. Raha ny fahatakarako azy, dia TSY "niresaka" t@ Paoly sy Jakoba izao Andrmntra izao, toa t@ Mosesy, na hoe mpianatr'i Jesosy mivantana teo, fa averiko kely ihany, revirevin'i Paoly sy Jakoba ireo nosoratany dia voarakitra anaty Baiboly ireo.

ka dia asakasak'izay te-hanaraka an-dreo "ara-baki-teny"... tsy hafa @ Samuelson na koa i Herinirina ry Paoly sy jakoba raha ny fahitako azy.
19. rhaj0 ( 12/01/2016 18:44)
gasy1zay:
fa izaho kosa mino fa tena fiantsony ana(re)o tsy mino nefa mazoto mamaky forum izao

"forum" anie ny eto ry Gasy1zay ee... hitanao tsara ny forum be dia be ireny, fa dia betsaka no "fanalana azy". Izaho aloha dia sahala @ mijery "Juste Pour Rire" aho ho'a rahefa miverina eto eeee...

Fa ngo dia heverinao, toa ny fiheveran'ny sasany mandalo eto, fa toa ny any am-piangonana k'lou ny eto eee... "Finoana sy Fivavahana" ny loha-hevitra, fa TSY midika hoe "mpino sy mpivavaka" daholo ny "mamaky forum" eto. HOtry ny hoe, ny loha-hevitra "politika" angaha dia "mpi-politika" daholo no miresaka ao?
20. gasy1zay ( 12/01/2016 19:01)

Fa iza moa no milaza @ rhaj0 hoe ireo olona rehetra tonga any ampiangonana dia tena hihaino sy hankatoa ny tenin'Andriamanitra na ny toritenin'i Pasitera/Mopera/katekista/evangelista? Fa indraindray @ izy ireny nisy zavatra henony nanaitra azy, nanova azy, nandresy lahatar azy sns...
Ny toriteny tsy voatery hoe pasitera na mompera any ampiangonana ihany, fa rehefa fampafahantarana ny olona 1 ny sitrapon'Andriamanitra, ny tenin'Andriamanitra, mampahafantatra azy ny filazantsara, ny filazantsara dia hoe na diso teo anatrehan'ny lalàna aza isika dia afaka mahazo famonjena satria efa nisy Mpamonjy (J.K).
Ka tsy zay ve no nambara(ko)nay teto?
Tsy hoe mihomehy ianao ao rhaj0, na tsy mino, dia midika hoe tsy tenin'Andriamanitra no nozaraina teto fa dia tena toniny sy andininy daoly na Romana, Jakoba, Jeremia, Matio ....

Dia tsarovy fotsiny ry namana fa efa nandre ianao ary ny nanambara na dia tsy mino aza (hatreto).

tonga ny andro fitsarana dia tsy afaka ny hilaza ianao hoe tsy mba nisy nitoriteny tamiko, tsy mba nisy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9747