Fomba fiasan'ny sekta !

61. bor2lais ( 05/11/2015 07:58)
rhaj0:

[size=8]Ka efa tafakatra azany ve ny rihana faha-3-ndry Yahl sy ry RBNIR eee... mbo lazao fa ngo dia mba namako koa zareo ireo.. :-)[/size]

:-)
[size=8]Efa samy manana ny tranony misy rihana 3 ry zareo (raha ny resaka mandeha eto) ka ! Raha tsy hoe angaha noravany (na rava) indray ilay izy ![/size]
:-)
62. rhaj0 ( 05/11/2015 11:41)
[size=8]dia ahoana koa azany, samy mitazatazana avy any @ rihana faha-3 izany ianareo, bor2lais sy RBNIR ohatra, nefa dia giravibe ilay mifanipaka an-karona ifanaovanareo eto ankalamanjana eto...

Sa moa.. samy manana ny Baiboliny, samy manana ny Andrmtra-ny, samy manana ny 3eme etage-ny, samy manana ny reviny, dia samy mandeha samy mitady...[/size]:-)
63. Yahl ( 10/11/2015 12:10)

RBNIR:

Na izany na tsy izany aza namanaYahl, ireo kristianina tany amboalohany ireo dia nampianarin'i paoly Sabata fa ilay faminaniana ao amin'ny hebreo hoy aho dia ho an'ny taranka aty aoriana fa tsy ho an'ny olona tamin'izany vanimpotoana izany....
Efa naseho an'i paoly mialoha fa hisy hanova ny sabata (hisy handrava ny didy)....ka asakasak'izay tsy ho tonga saina e,

quote

Manahoana namana!
Efa nambarako anao fa ny SABATA tsy sabotsy io sabata Heb.4:9 io, fa sabata fitsaharana toy izay nitsaharan' ATRA Ray. Tsy andro iray io fa IRAY ANDRO @Atra= 1000taona @ olombelona. Ka tsy io indray andro ao anatin'ny Didy 10 io no hamporisihina ny olona hidirana, fa ao @ Yahoshuah io fanjakana 1000taona io.
Mba ataovy ny calcul fa 0.021second ve no nitsaharan' Atra. t@ Nitsaharany?!
64. RBNIR ( 10/11/2015 12:20)
Yahl:

Ny fahitako azy aloha rehefa voaporofo tsara fa marina ilay voalaza dia lazainareo fa diso ny dikanteny,
Ka ny ahy moa dia baiboly no nasainy hinoko dia ity no voasoratra ao namana...
« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito jereo ny dikan-teny DIEM) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)
Dikan-teny katolika amin'ny teny angilisy (fa tsy ilay dikanteny frantsay nomenao indray mandeha)
9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,

Hebrews 4:9
65. Yahl ( 12/11/2015 14:49)

Baiboly Hebreo mihintsy indray ity omeko anao anao ity. Ka toy izay nitsaharan' Atra. no asaina hidiranao . Fa Atra. raha nitsahatra dia tsy in- iray andro @ olona izay efa nomeko anao fa 0.021segondra @' Atra. Ka tsy misy Atra. hitsahatra @ asany de ho ampahantsegondra fotsiny Hebreux4 :9. Donc le shabat est laissé au peuple d’Elohîms.
10. Oui, celui qui entre dans son repos
se repose lui-même aussi de ses oeuvres, comme Elohîms des siennes.
11. Hâtons-nous donc d’entrer dans ce repos,

ka tsy misy Jiosy ho amporisihina hiverina hitandrina shabat izany; fa Yahoshuah efa nandrava izany ka tsy ny Apostoly indray no hiteny hanohitra ny fampianaran' Yahoshuah.
66. RBNIR ( 12/11/2015 18:56)

« Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. » (Eks.31:16)

« Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra. » (Eks.31:17)

Io ny tena version avy Aminy amin'ny antony nampitsaharana ny olona tamin'ny andro Sabata ary mandiso izay voalazanao ery ambony io namana

Vakio tsara fa hoe "hotandremana ny Sabata.......fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra"

Yahl:

ka tsy misy Jiosy ho amporisihina hiverina hitandrina shabat izany; fa Yahoshuah efa nandrava izany ka tsy ny Apostoly indray no hiteny hanohitra ny fampianaran' Yahoshuah.

Ity koa dia mbola diso fa Jesosy tsy nandrava .....« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Ary namporisika ny olona aza Izy hitandrina ireo didy (anisany ny sabata) tamin'ny alalan'ireto teny ireto...

« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Mat.19:17)

Raha tohizana ny famakiana dia ireo didy ao amin'ny didy folo no asainy tandremana,
Na dia tsy voalaza mazava aza ny Sabata dia tokony ho tandremana ihany koa noho ity teny ity « Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:10)
« Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. » (Jakoba 2:11)

« Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; » (Matio 23:2)
« koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Matio 23:3)

Inona no zavatra mahasarotiny indrindra ny fariseo sy ny mpanora-dalàna tsy ny sabata...
Vakio tsara fa hoy Izy hoe "ataovy ka tandremo"......

67. Yahl ( 16/11/2015 10:53)

[quote=RBNIR]
« Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. » (Eks.31:16)

Yahl
Hitako fa tsy azonao ny fampianarana namana; Tena marina anefa ny voalazanao fa tandremana io Sabata io @ zanak' Israely ary tsy ny sabata irery fa ny DXLM rehetra.
Eks.31:17 Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.

Fa kosa tsy hoan' ny hafa firenena na ny ivelan' Israely na ny aty ampitan-dranomasina no tsy nomena na nampitandremana io DXLM io.

Deotor.30:11 Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra.
12 Tsy any an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika?
13 Ary tsy any an-dafin'ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin'ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika?

Salamo147:19 Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely.
20 Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia.

« Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra. » (Eks.31:17)

Io ny tena version avy Aminy amin'ny antony nampitsaharana ny olona tamin'ny andro Sabata ary mandiso izay voalazanao ery ambony io namana

Vakio tsara fa hoe "hotandremana ny Sabata.......fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra"

Yahl

Dia mahaiza mamaky tsara enaw fa ho an' ny zanak' Israely io.

[quote=RBNIR]
Ity koa dia mbola diso fa Jesosy tsy nandrava .....« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Yahl
Tsy tonga handrava tokoa Yahoshuah fa hanatanteraka izay voasoratry ny Mpaminany ny momba Azy (Ho kapohina, ho lefonina, ahantona @ hazo fijaliana, tsy misy ho tapahina ny taolany sns...) izany no ho tanterahany.

Tsy azo hanampiana io DXLM io no tsy azo hanesorana araka ny lalàna:

Deot.4:1 Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i YHWH, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
2 Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i YHWH Andriamanitrareo izay andidiako anareo.

[quote=RBNIR]
Ary namporisika ny olona aza Izy hitandrina ireo didy (anisany ny sabata) tamin'ny alalan'ireto teny ireto...

« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Mat.19:17)

Raha tohizana ny famakiana dia ireo didy ao amin'ny didy folo no asainy tandremana,
Na dia tsy voalaza mazava aza ny Sabata dia tokony ho tandremana ihany koa noho ity teny ity « Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jakoba 2:10)
« Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. » (Jakoba 2:11)

Yahl
Teraka teo ambany lalàna Yahoshuah ary hanavotra ireo izay ao ambanin'io lalàna io mihintsy:
Ka Izy no hatao Sorona fa tsy ny olona no haka ny toerany ho lasa sorona alohan' ny hafatesany.

][quote=RBNIR]
« Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; » (Matio 23:2)
« koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Matio 23:3)

Inona no zavatra mahasarotiny indrindra ny fariseo sy ny mpanora-dalàna tsy ny sabata...
Vakio tsara fa hoy Izy hoe "ataovy ka tandremo"......

[quote]
Yahl
Mamakia teny tsara enaw fa manjary miolana ny hevitry ny teny.
Maneso ny Fariseo sy ny Mpanora-dalana Yahoshuah eo. Satria Môizy no voatondron' Atra Ray hitondra ny teniny ho an' ny zanak' Israely fa tsy ny Fariseo. Noho izany, Ry zareo Fariseo indray no mampitandrina ny olona hoe: ataovy izao nefa izy tsy manao.

Dia hevero tsara @' izay fa Yahoshuah dia mbola ambony lavitra noho i Môizy. Ary raha nitovy ihany ny nataon' Yahoshuah sy ny Fariseo, nahoana no novonoin' ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna Yahoshuah? Saingy ny Fariseo sy ny Mpanora-dalàna dia mipetraka eo @ rafitra efa nialan' Atra ka nandika lalàna.
Jereo tsara:
Jaona 8: 43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.
44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.

Ny Jiosy mpitandrina DXLM no ambaran' Yahoshuah eto fa avy @ devoly sady zanaky ny devoly; Dia mainka ve fa enaw hafa firenena tsy nomena ny DXLM io no mitandrina izany!?! Dia toy izany sy ity no nahavoafitaka ny tany manontolo ry namana ary anisan' izany koa enaw sy ny mitovy aminao rehetra; izay tsy azo antsoina akory hoe Kristianina aza:

Matio 23:15 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho PROSELYTA; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.

Tsy hoan' izay mihazakazaka ny fanjakan' Atra r' ise namana fa ho an'izay voafidy ah!
Mandinia tsara aloha, fa tsy azo vazivaziana koa ny Fanjakan'Atra.!

68. RBNIR ( 16/11/2015 13:28)
Hatramin'ny taloha dia efa nomeny ho tandreman'ny ny hafa firenena koa ny sabata namana Yahl !
« Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko » (Isa.56:6)
« Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra. » (Isa.56:7)

Tsy noravana ny didy Mat.5:17 fa ilay soratanana tety ivelany no novonoina satria iny no miapanga, (Kol.2:14) dia nolosoiny kosa soratra anatiny (fanekena vaovao) « Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Heb. 8:10)
Ny votoatiny tsy miova ohatra tsy sitrak'Andriamanitra ny angalaran'ny olona iray fa saingy tsy natao soratra ivelany intsony fa natao soratra anaty.....

Ny olona nahazo maimaipoana io fanovana anaty io no atao hoe nandray fahasoavana ary tsy mila tenenina sy ampianarina intsony hoe Aza mangalatra intsony satria ilay olona (anatiny) mihitsy no efa tsy mpangalatra intsony)...
Fehiny: ilay lalàna teo aloha iny ihany fa saingy tsy soratanana ivelany intsony fa soratra anatiny....Fanampiny, nesorina ny ota (izay mpanandevo ka tsy nahafahan'ny olona nanantanteraka ilay tsara izay nambaran'ny lalàna (vakio Rom.7:14-21).

Fehiny ao amin'i Kristy dia tanterak'i ny olona ny zavatra takian'ny lalàna satria ilay olona mihitsy no novaina ho tahaka an'i Kristy Gal.2:20 lasa tsy mpangalatra intsony fa tsy hoe mihezaka ny tsy angalatra fa ny ao ampo te hangalatra ihany....

Dia otran'izany daholo, raha tianao Andriamanitra mandeha ho Azy ny fitandremana ny Sabatany fa tsy hoe terena akory ianao hitandrina ny sabatany fa ilay olona ao anatinao ao mihitsy ho efa mankamamy ny fitandremana ny Sabatany namana....

Izao no hafatra: ny fitandremana ny andro fahafito dia mitovy lanja amin'ny tsy fangalarana ihany Jak.2:10

Tsy misy mifanohita ao amin'Andriamnaitra, ny fampianaran'i paoly dia saro-patarina koa mila mitandrina sao dia ho tafalatsaka amin'ny fahadisoan-kevitra.....

69. Yahl ( 18/11/2015 10:59)

[quote=RBNIR]
Hatramin'ny taloha dia efa nomeny ho tandreman'ny ny hafa firenena koa ny sabata namana Yahl !
« Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko » (Isa.56:6)
« Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra. » (Isa.56:7)

Yahl
Hafa firenena nipetraka tany Israely sy niara-nivoaka t@'ny zanak' Israely niala tao Egypta ireo fa tsy ny hafa firenena mipetraka aty M.kara na any France sy Europe akory.
Taiza ary oviana nareo no nanao fanatitra dorana sy alatsa-drà? Sa eny Andrefan' AMBOHIJANAHARY no tendrombohitr' Atra. nalehanareo nifaliana? Nefa ny tempolin' i Jerosalema aza efa t@ taona 70 no nopotehin' i Jeneraly TITUS! Aza manao eritreritra namana ah! fa manjary miteniteny foana.

70. RBNIR ( 18/11/2015 11:21)

Ny tanjon'Andriamanitra hatramin'izay ka hatramin'izao dia tsotra e, ny olona rehetra hanome voninahitra Azy ary notaominy hanao ny sitrapony avokoa......Izay nanohitra no naringana....
Izay nanome voninahitra kosa novelomina.....

Vakio ny tantaran'i Josoa, dia ho hitanao fa izay nanome voninahitra an'i JEhovah dia tsy maty (Gibeonita Josoa 9 ) fa ireo rehetra niziriziry nanohitra maty avokoa (jeriko, mpanjaka dimy sns).....
71. RBNIR ( 18/11/2015 12:06)
Yahl:

Yahl
Hafa firenena nipetraka tany Israely sy niara-nivoaka t@'ny zanak' Israely niala tao Egypta ireo fa tsy ny hafa firenena mipetraka aty M.kara na any France sy Europe akory.
Taiza ary oviana nareo no nanao fanatitra dorana sy alatsa-drà? Sa eny Andrefan' AMBOHIJANAHARY no tendrombohitr' Atra. nalehanareo nifaliana? Nefa ny tempolin' i Jerosalema aza efa t@ taona 70 no nopotehin' i Jeneraly TITUS! Aza manao eritreritra namana ah! fa manjary miteniteny foana.

Ny resaka dia tsotra , rehefa hafa firenena dia hafa firenena, io no manaporofo fa tsy noferana ho an'ny zanak'israely irery akory ny fitandremana ny Sabata, ary io no manaporofo fa diso ny filazana fa natokana ho an'ny zanak'israely izany fitandremana ny Sabata izany,
Ao amin'ny heb.4:9 dia mazava ny resaka « Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito amin'ny dikan-teny Diem) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Hebreo 4:9)
Izay mahatsapa tena fa "olon'Andriamnaitra" dia voakasi'kio teny io avokoa, satria « Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal.3:28)

Ny atahorako aminareo namana Yahl, dia ianareo mihitsy no mety hampirisika ny bibidia hanaonao foana (hanenjika ny olon'Andriamanitra)......Araka ny fantatro koa mantsy ingahy episkopo, dia mbola miandry hatrany an'izany filoham-pirenena hiantso azy izany...

Inona no hidiran'ny mpianatry ny Tompo amin'ny resaka fitondram-jakana??? tsy nampianarina anareo va fa ...« Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; » (Lio.4:6)

« Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? .... » (2 Kor.6:15a) Mpianany v dia andeha hitsabaka amin'ny fanjakana izay natolotry ny devoly???
72. rhaj0 ( 18/11/2015 12:29)
RBNIR:
Izay nanohitra no naringana....Izay nanome voninahitra kosa novelomina.....

Ary izay sady TSY nanohitra no TSY nanome voninahitra nataoNY iinona???
Ary ireo TSY mahalala AZY akoriny, ireo any Amazonia sy Aostralia na ny Vazimban'i Gasikara sns... ataoNY inona koa???

(toa TSY takan'ny hoza-doha...n'ny nanoratra ny Baiboly akoriny ny fisian'ireo kay...)
73. RBNIR ( 18/11/2015 12:37)

Aoriana kely ao hoy aho tsy hisy ny neutre, fa tsy maintsy hisafidy ny olona na ho naman'ny mpanaraka ireo fampianarana tsy misy kilema na hanaiky ny fampianaran'ny bibidia...
Ary amin'izany ny fanjakana lasa herim-pamoretana be ary hisy fahoriana lehibe tsy mbola nisy tahaka an'izany eto ambonin'ny tany....
Nefa na fidiny na tsy fidiny dia eo amin'Andriamanitra efa nandray ny marika ny olona rehefa manaiky na amin'ny fomba mivantana na ankolaka...
« Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy. » (Matio 10:39)
« Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Matio 7:13)

dieny izao dia andeha hiaraka aminay hianatra handeha amin'ilay fampianarana tsy misy kilema, fa raha zaza ianao dia homen'i Jesosy tanjaka, asiny nify afaka hitelina vetinkanina ary homeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra mahery!!!

« Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany. » (Apokalypsy 3:21)

VAKIO ATO NY MOMBA NY BIBIDIA SY NY FANENJEHANA IZAY

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
74. rhaj0 ( 18/11/2015 12:51)
RBNIR:
tsy maintsy hisafidy ny olona na ho naman'ny mpanaraka ireo fampianarana tsy misy kilema na hanaiky ny fampianaran'ny bibidia

Ka sady TSY "fampianarana tsisy kilema", no TSY "fampianaran'n bibidia" ny.. Siansa ohatra, ka dia .. tsisy idiran'ny olona @ izany anao izany re ry RBNIR aaa...
75. RBNIR ( 19/11/2015 01:50)

Dia hohitanao moa ny fahamarinan'io teniko io hoe tsy afaka hisafidy ho eo anelanelany ianao namana,
Ny sainao mihevitra fa eo anelanelany ianao, nefa ny marika efa ao aminao......Tsy maintsy, na ianao androso amin'ilay tsy misy kilema, na ianao hanaiky ilay bibidia...
76. rhaj0 ( 19/11/2015 13:29)
Ny olona re aty ivelan'ny box-kelinareo ao eee... nareo ao anaty box-kely (angamba) no iharan'izany theory rezatrabe-nao izany, fa dia tena TSY mahakitika anay izany e...

Fa efa nampivanitika gilady teto koa ange ity "bibidia" "bibidia" lava anao ity ry RBNIR ee...

rhaj0:
Hay ve ity "bibidia" an'i Maranatha lava ity ka "la bete" ao @ baiboly frantsay ary "the beast" @ baiboly anglisy e...

ilay "dia" @ teny gasy izao dia hoe "Biby na zavamaniry tsy ompiana na ambolena fa velona na maniriniry ho azy fotsiny eny".. toa hotry ny tsy dia mampatahotra.

Ny @ teny anglisy nefany mampatahotra, the beast, an animal, especially a large or dangerous four-footed one.

Ny an'ny Frantsay, tena tsy mampatahotra koa, la bete... Tout être vivant, à l'exception de l'homme
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9996