Ka i Heritiananirina sa i Epikospo eee...

41. Strong3 ( 30/09/2015 13:25)
midira hoa lalina kely aloha mitsapa hoe ohatran'ny ahoana izany tontolom-panahy izany dia ho hitanao ao ilay izy na abobo na tsia

ohatra tsotra ne no omeko anao eh!

ny faty mitsangana any antsimo, ny zazavavin-drano , ny lolondrano sns..
tongava eny ambohitrarahaba amin'ny 12 alina dia ho hitanao hoe misy izany mpamosavy izany sa tsia

de miaraka isika dia ho hita eo izay mivoraka loha ...
fa raha vitanao miady amin'ireo araka ny fahaizanao siantifika dia tsy hino ny fisian'Atra intsony aho
hihihi :-)
42. rhaj0 ( 30/09/2015 13:33)
Fa ireo nefa anie TSY NISY notantaraina tao @ BAiboly eee ... ahoana koa azany no "inoanao" an'ireo..
43. Strong3 ( 01/10/2015 08:58)
mdr!!! :-) misy ireo kou tsy misy ahoana?
« Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin'ny rano sy any ambanin'ny mponina any. » (Joba 26:5)
« Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao. » (Lioka 24:39)

fa tsy dia any lohatra no tiako ahatongavana fa hoe :
_ misy tontolom-panahy eto ambony tany eto ka aoka ianao tsy ho tsimisiAtra (Athée) be fahatany
__ ary raha misy ny fanahy ratsy dia mazava fa misy ny tsara sy mpanao ny tsara

ho lavitra an'Atra eo nge enao rehefa any akohatra raha tsy miova fomba fijery eo eh! :-)
44. rhaj0 ( 01/10/2015 10:12)
Akanga aloha fa ao anaty Baiboly koa ve azany ny "faty mitsangana any antsimo, ny zazavavin-drano , ny lolondrano", ankoatry ny "mpamosavy" mitaingi-tsoavaly..

Fa na izany na tsy izany, rehefa "tsy hay" aloha ny ahy dia "tsy hay" eee... fa izany aloha ho'a tsy hivarinana ho minomino foana, na mamoromporona resaka fanazavana be fahatany eo, ary ny fanazavana izany tsy ao anaty boky tonta kely ao...

Ka eo ampiandrasana ny fanazavana an'izany rehetra izany, dia ndao hivanitika k'lou azany ee.. sady efa akaiky ity ny Halloween :-)

45. Strong3 ( 06/10/2015 10:31)
dia mivanitia irery eo aloha izany kou!

na dia efa hita aza hoe miketriketrika ihany hoe ahoana marina ary ireto olona minomino foana ireto toa miraikipo amin'ilay bibla , dia iny koa fa mamadibadika
saingy mbola ajambain'ny tsikera aloha ny sainao izao
46. rhaj0 ( 06/10/2015 11:40)
[size=9]eo azany fa zaraiko secret kely ianao ry Strong3 aaa.... efa nolazaiko ihany fa toa tena hotry ny tsy takatrao mihintsy, ka dia tena hotry ny lazain'olo fa bemarenina ity ianao, nefa kay moa jamban'ny tsihaitsihay, ka dia ao izany eee... fa izao ilay izy: miaraha-matory @ google fotsiny ho'a fa mampivanitika io eee.. :-)

Dia izao atao: mitady hoe "absurdity in the bible" na koa aberration in the bible, ary dia tazomy ny kibo fa mety ho tapaka eeee :-)

ity izao no hitako maharavina resaka betsaka koa ohatra http://skepticsannotatedbible.com/[/size]
47. RBNIR ( 06/10/2015 13:06)
>> Rhajo, hita hoe olona tsy mahay tenin'Andriamanitra aloha ilay olona nanao an'ilay rohy namana .... (maika loatra izy hanakiana, nefa ny fahamarinana aza tsy fantany akory)

Izao zavatra lazaiko izao dia voaporofo ara-tsiansa ....

Atomboka amin'ilay hoe Gen.1:1 (fa taiza hono Andriamanitra no nipetraka???)

Tsy fantany fa Andriamanitra efa nanoro fa misy lanitra (galaxy hoy ny siantifika satria kintana anie no mandrafitra ny lanitra e!) maromaro fa tsy ity misy antsika ity fotsiny ihany akory,

Io lanitra hitan-tsika io dia lanitra ho an'ny tany sy ireo planète manakaiky azy (raha tsy diso aho izay kely saina ity dia galaxy lacté no anarana nomen'ny siantifika an'io lanitra hitantsika io)

Ireto ny porofo fa misy ao anaty baiboly ny filazana ireo lanitra samihafa ireny,
« Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo. » (2 Kor.12:2)
« Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - » (2 Kor.12:3)
« fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. » (2 Kor.12:4)

Araka ireo teny ireo dia misy izany lanitra fahatelo izany (any no misy ilay atao hoe PARADISA)....

Ity kosa no mamaly ilay fanontaniany Aiza no misy ilay Andriamanitra???......

« Ry fanjakana ambonin'ny tany, mihirà ho an'Andriamanitra; mankalazà ny Tompo, » (Sal. 68:32)
« Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery. » (Sal.68:33)
« Ekeo ho an'Andriamanitra ny hery; ambonin'ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin'ny lanitra. » (Sal.68:34)

Araka ireo teny ireo dia any amin'izany atao hoe lanitry ny lanitra izany no tena fonenany ary io no efa nisy hatry ny fahagola......

Hafatra ho antsika ry namana, aleo manontanintany foana hoy ny ntaolo toy izay manaonao foana....

« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Mat.22:29)


Mbola afaka tohizana ireo fanakianana resahiny raha tianao, ohatra hoe ny menarana v dia hiteny otran'ny olona???

Ny baiboly dia efa mampahafantatra fa tsy ny menarana (biby) akory iny niteny iny fa ny ilay devoly nalatsaka ho ety an-tany...

« Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. » (Apok.12:9)

I adama sy Eva dia "niresaka tamin'Andriamanitra (vakio ny genesisy) noho izany nahay ny fitenin'Andriamanitra izireo (ny anjely koa anie nahay an'iny vao niala tany e!)

Mbola azo tohizana e, tsy probleme fa misy valiny daholo ireo fanakianana ireo ary ao amin'ny baiboly ihany.....

Averiko ihany
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Mat.22:29)

Ary koa hoe....
« Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao. » (Hos.4:6)
48. saaori ( 06/10/2015 13:54)
ra te halala ny famarinana hoa nareo de jero ny site internet rtvyahoshuah.com. fa mapianatra ao foana EPISKOPO isanandro sad mivrrberna foana izy ao de maheno foana na @firy na @firy enao no miaino. mazto daholo ar oh!
49. rhaj0 ( 06/10/2015 14:05)
RBNIR:
Izao zavatra lazaiko izao dia voaporofo ara-tsiansa ....

Stop right there... Dia ho kely koa sisa ianao dia hilaza koa fa ny Siansa dia voaporofon'ny Baiboly ?? Dia hilaza koa angamba ianao hoe, ny Baiboly no manazava ny Bouddhism, sy koa ny Grand Manitou-n'ny amerindiana... aoka ho'a.

Ianao no misavika ny Siansa ho @ imagination-nao irery ao. (dia raha tsikeraina koa ny interpretation-n'ny siansa ataonao io ambony io dia... aoka ho'a).


Fa mety marina ny anao ny @ hoe, maika ny hivanitika fotsiny ilay "skeptics annotated bible".. fa na izany azany, misy mitombona ary tena mampivanitika be ny resaka (maro) ao :-)
Fa dia jereo ihany ny reference ameny, toko aman'andininy, fa tsy voatery hoe ny resakany no raisina am-bolony... dia ianao ihany dia ahita izao absurdite sy aberration eraky ny sobika sy fanta-bary ao @ baiboly ao izao...
50. RBNIR ( 06/10/2015 14:17)
Fisian'ny lanitra maro (galaxy maro v tsy efa hitan'ny mpahay siansa ankehitriny namana)???
51. rhaj0 ( 06/10/2015 14:27)
Dia hoe, hoz'ianao hoe, any @ lanitra (galaxie) hafa Atra... sy ny paradisa ?
aoka re ry RBNIR fa dia tsy mampihomehy intsony ilay izy...
52. RBNIR ( 06/10/2015 14:35)
fanampiny namana rhajo, ANDRIAMANITRA no nanambara mialoha ny fisian'ny lanitra maro samihafa fa ny olona taty aoriana ela vao nahafantatra......
53. rhaj0 ( 06/10/2015 16:11)
nolazainao fa lanitra faha-3 ny paradisa sa ny misy an'Atra teo... ny an'ny frantsay nefa ny faha-7...

http://www.linternaute.com/expression/langue-francaise/514/etre-au-septieme-ciel/
Dans l'Antiquité, on pensait que la Terre était le centre du monde. Les astres et les dieux avaient été imaginés dans des sphères de cristal, chaque sphère représentant un ciel. Il y avait alors un ciel pour chaque planète, soit sept au total. Le dernier était celui des étoiles, mais derrière lui se cachait celui des dieux. On disait à l'époque, lorsque l'on avait du plaisir à quelque chose, que l'on était "ravi au ciel". Le troisième était celui de Vénus, déesse de l'amour, ce qui explique que l'on disait aussi "être au troisième ciel". Cependant, après que les théories de Galilée aient été démontrées, on garda "être au septième ciel", pour conserver une référence aux dieux dans l'organisation des astres.

Fa ilay lanitra faha-3 kosa izany @ ilay tena izy an... hay ve i RBNIR ity koa ka tia an'i Vénus eee :-)
54. RBNIR ( 07/10/2015 03:25)
Mbola vao santionany iny namana rhajo a! ny olona aty amin'ny taona 1900 sy 2000 vao mahafantatra fa kay misy galaxie maro ny azy tany amin'ny taona 0 dia efa nambarany fa misy ny lanitra fahatelo ary tamin'ny andron'i david mpanjaka dia efa nambarany ny fisian'ny lanitry ny lanitra.......
Mbola aseho an-tsika (raha sitrapon'Andriamanitra) hoe ahoana marina ny fomba handravana an'izao tontolo izao ary ny zavatra rehetra dia efa nataony ho fantatry ny siansa avokoa...
55. rhaj0 ( 07/10/2015 10:29)
Ka toa ity ve k'lou izao "lanitra" an'i RBNIR izao eee..

Io izany ilay fampianarana "tsisy kilema" fa tena orizinelle mihintsy an...

56. rhaj0 ( 07/10/2015 10:35)
hi hi hi ... dia anontanio an'i Strong3 hoe, inona tsara hoe ilay "Floodgates"... Fa toa io hono no vaky ka nahatonga ny "safo-drano", fa efa mikatona tsara izy io izao.. Dia asaivo mba azavain'i Radavison kely koa hoe ny "espace et temps".. izay izao no tsy ampy kely @ io.. :-)
57. RBNIR ( 07/10/2015 10:48)
Mbola ho avy ny tohiny, e! ny azoko ambara aloha dia olona tsy mahalala ny tenin'Andriamanitra no nanoratra ireo zavatra lazaina fa absurde ao amin'ilay rohy nomenao.....satria raha nahafantatra izy fa nisy ny lanitra maro samihafa tsy nahasahy nicritique ilay Gen.1:1 izy namana ary tsy nahasahy nametraka ilay fanontanianana hoe ary taiza izany Andriamanitra no nipetraka, ity "monde" hitan-tsika ity dia marina fa lehibe, nefa ny manampahaizana dia efa nilaza fa kely sy bitika ity raha mihoatra ny UNIVERS.....

Koa mba saino ange ny VONINAHITR'ANDRIMANITRA RY SAKAIZA E!!! ity natao ho antsika ity aza efa otran'io vao maika ka..........
58. Strong3 ( 07/10/2015 12:29)
hihihihi :-) miaiky iaho izay
59. rhaj0 ( 07/10/2015 12:53)
miara-mandry @ google ianao ho'a ianao ry Strong3 dia hivanika lava :-)
Teto aho izao vao teo...
http://lmgtfy.com/?q=images+of+universe+according+to+the+bible

Ary dia itony ny santionany hafa koa eee... dia rahefa hozy aho hoe, "imagination fertile" sy collective adaladalan'ny taloha tsy nipataloha izao foana ve no mbola taritaritina h@ izao, dia tsy mba ... menatsa ilay lehilahy lehibe vory saina vory nofo ao, fa jereny dia hihomehezan'ny Ankizy ao oooo :-)



Io izao ao @ ilay "underworld" io ilay "afobe".. Dia tena ketriketrehan'ny devoly ao hono izany eee... dia hitanao ilay "ocean of heaven" esty ambony etsy, io ilay inoan'i Strong3 fa nahatonga ny safo-dranon'i Noah... esy ee... :-)


Sa indray, ireo kisarisary ireo dia representation fotsiny ihany an'ilay 3eme etage-n'i Bor2lais ee ?? Hoe ny "fanahy" ihany no miriaria ao... univers parallel tsy takatry ny siansa io... hi hi hi.. :-)
60. rhaj0 ( 07/10/2015 14:04)
Dia rotsirotsin'i Damopra sy Rapasy ao am-piangonana ao ianao, dia matory tokoany ilay saina, ka miletra sy mitelina izay fahanana anao rehetra izao... Mody hanaovany feo migoboka, dia asosany hira hypnotique, dia ao tokoany ianao..

Jereo anie ny timeline ara-baiboly eee... 6180 taona fotsiiny ihany hono eee...




Mety efa mba nisoka-tsaina (partiellement) angamba ianao io, ka mba mikoatra loha ao ihany hoe, mba ahoana koa azany no mba tafaborotsaka ninoanao ny toa an'io taloha... sa mbola mino an'io ianao io izao???

Fa ao Zamerika ao, dia tena mbola misy mino ara-baki-teny an'io timeline io eeee..

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1234