Ny (mety ho) endrikin' ny divorce hoan'ny Katolika

1. gasy1zay ( 09/09/2015 13:52)
Raha ny fanambarana eto dia efa nisy lalàna/procédure ihany kay mety manafoana fanambadiana katolika ary Papa François dia mikasa hanamaivana ny procédure "nullité" du mariage mba hahafahan'ny marié(e)s nofoanana(annulé) ny fanambadiany manambady olon-kafa

http://www.lefigaro.fr/actualite-france/2015/09/08/01016-20150908ARTFIG00012-le-pape-francois-allege-la-procedure-des-proces-de-nullite-de-mariage.php

Raha ny fahazoako ilay voasoratra dia mety foanana zany ny fanambadiana rehefa tsy nanaja ny voady ny mpivady 1 ( fidèlité sns...)
novalian'i rhaj0 ny 23/09/2015 12:42
2. rhaj0 ( 09/09/2015 14:47)
RAha ny tantara (kely fantatro) dia i Henri VIII no te-hi-divaorsa t@ androny, taona ~1500 tany, nefa moa tsy noeken'i Vatican, ka dia nisaraka t@ Vatican i Henri VIII, ary dia namorona ny Fiangonan'ny Anglisy io (Anglican?).. (jereo wiki)

Efa ho 500 taona aty aoriana izany vao io namorain'ny Papa izao io ny divaorsa eee...


hi hi hi... nga tsy efa mahay lesona ny Papa Fransoa... raha mbola miziriziry ao, dia hanangana Fiangonana hafa koa i ... Strong III :-)


Fa efa noresahiko tatsy ihany moa io, fa dia akisako eto izany e...

rhaj0:
Ankoatry ny "mpanala zaza", dia ny divaorise koa izao dia ho hamoraina ny "famelan-keloka"-ny... na raha ny marimarina kokoa, ilay didy hoe, raikitra ny divaorsa ary mahazo maka vady #2 @ izay ooo... hadinoy izay any @ Deoteronomia na Marka any fa ny dogma Berglioglio jerena ooo...
http://www.lapresse.ca/international/europe/201509/08/01-4898501-le-pape-facilite-la-procedure-de-nullite-des-mariages.php

Esy e... mitsangana daholo mihintsy h@ volon-doha k@ h@ volon-dohan'ny piorista, na ny kaonservatera, fa izay vao tena amboaboarina ampetimety ny baolina ny Finoana, mba hifanojo @ "tena fiainana" @ izao taona 2015 izao eee...

Les conservateurs voient dans toutes ces réformes l'ébranlement d'une institution. Selon eux, si l'annulation est plus facilement accordée, c'est un divorce catholique contraire au dogme qui est introduit subrepticement dans l'Église.

---

Raha te-hiaraka hitsangam-bolo miaraka @ piorista, na ny kaonservatera ianao, dia tairo dia ampazahoy ny petition eee... satria izao hono...

http://www.filialesupplique.org/
"nous assistons depuis plusieurs dizaines d’années à une révolution sexuelle..."
3. hery ( 09/09/2015 15:43)
Ety ambomy fiarandalam-by ka tsy afaka mivalampatra.
Ahitsiko kely fotsiny hoe tsy fanafoanana (dissolution) fa tsy fananan-kery (nullité).

Ny mariazy raha vita araka ny izy dia tsy azo foanana na inona nainona antony (hatramin'izao io). Ny azo atao dia ny manaporofo hoe tsy ara-dalàna ilay mariazy, izany hoe toy ny tsy nisy. Ka ny resaka hoe infidélité dia tsy mahafoana mariazy satria efa actes aorian'ny mariazy.

Fa averimberin'ny Papa hoe raisina tsara ao ampiangonana ireo olona ireo fa tsy excommuniés akory.

4. hery ( 09/09/2015 15:45)
Aza diso hevitra amin'i Papa :-)

Tsy manova lalàna izy fa manamora ny fomba hampiharana ny lalàna.
5. bor2lais ( 09/09/2015 15:50)

lefigaro:

"l'Église ne peut pas «dissoudre» un mariage mais seulement certifier qu'il n'a pas été contracté en pleine conscience et en pleine liberté."

Mba misy afaka manazava an'io ve azafady fa tsy dia mazava loatra amiko ? :-)
6. hasimbola15 ( 10/09/2015 07:33)
Slt,anao voady in2 @ Andriamanitra ,@ vady 2 ve? Faotana zany
7. hasimbola15 ( 10/09/2015 07:34)
Slt,anao voady in2 @ Andriamanitra ,@ vady 2 ve? Faotana zany
8. Strong3 ( 10/09/2015 10:11)
I Strong moa izany dia voatonona tampoka izany, na dia manambady iray (tokana) sy tsy nieritreritra hisaraka... :-)

izany hoe : i YHWH nanome alalana an'i mosesy ahafahany misao-bady, ary mba neken'i Jesoa koa io. na dia nasiany ? kely aza

fa i papa solotenan' YHWH eto antany tsy manaiky ny divaorsa sy ny famerenena voady vanindroany.

ka ngamba efa lehibe noho Atra i papa na hoe andriamanitra eto antany ka izay tapahany eto dia didy mihantra fa tsy misy fampakarana ambaratonga !
9. 5laody ( 10/09/2015 10:31)

hahaha, tsy akamerim-botsitra
10. rhaj0 ( 10/09/2015 12:16)
Strong3:
ka ngamba efa lehibe noho Atra i papa na hoe andriamanitra eto antany ka izay tapahany eto dia didy mihantra fa tsy misy fampakarana ambaratonga !

F'angaha tsy efa no-decentraliser-ny.. tsy ny Papa intsony fotsiny no mizara "famelan-keloka" fa i Mopera koa izao afaka manao...

Fa hitako mety kosany ho'a izany... mba hotry ny hoe "arbitre" i Damopra, ka mijery tsara anao, @ fomba obzektiva, dia rahefa tsapany tsara fa "tena mibebaka" ianao, na hoe, tena tsy nety aminao ilay v(o)ady voalohany, dia ok... afak'ota ianao. Izay fitsipi-pitondra-tenan'i Deoteronomitia any hadinoy fa efa Begligli izao.

Satria hafa ho'a ilay hoe, ianao irery no mipapapapa mivavaka ao, dia ... hoz'ianao tampoka eo hoe, tena nahare bitsikin'ny FM aho, ary dia "afak'ota" aho, hoz'IZY..
11. Strong3 ( 10/09/2015 12:26)
latsaka ety antany izany ny fehefan'Atra ka tsy miverina intsony ve :-)
12. rhaj0 ( 10/09/2015 13:09)
hery:
Aza diso hevitra amin'i Papa :-)

Dia ilazao an'izany ireo namana Katolika manao petition manohitra na mandiso ny hevitry ny Papa vaovao eee... Jereo eto:

http://www.filialesupplique.org/

Ary tena nampiany vavaka miaraka @ JMJ mihintsiny ho'a...
En implorant la Bénédiction apostolique de Votre Sainteté, nous L’assurons de nos prières auprès de la Sainte Famille – Jésus, Marie et Joseph – pour que celle-ci L’illumine dans ces circonstances cruciales.
13. rhaj0 ( 10/09/2015 16:01)
Dia hono ho'a koa... inona kay ity hoe "Votre Sainteté" ?? Efa (ekena ho) olo-masina ve izany i Papa no dikany ??

Dia esy eee... manao petition contre ny olo-masina izany ry Katolika (Sasany)... Fa dia sady mangataka (implorer) izany no sady mamely... jereo tsara ilay vavakany io ambony io ... :-)


Dia rahefa eto ihany koa... hono ho'a... hay va re dia tena "mivavaka @ JMJ" koa izany zareo Katolika ireo eeee ?? Dia i J = Josefa, ilay charpentier 70 sa 90 taona, nanambady (arranged marriage) an'i M = Maria, 12 sa 14 taona, izay niteraka an'i J = Jesoa, izay TSY zanak'i Josefa nefany...

aaaaa... quelle (Sainte) Famille .... :-)
14. Strong3 ( 11/09/2015 12:07)
mitantara valamaty foana amin'izao 70 90 izao foana ity dadabe ity hahaha

olona vao firy taona dia mampiresaka eto fotsiny hahaha ... sao lasa paoly gaobôy eto ny farany
ny antitra no mpilaza angano :p
15. rhaj0 ( 11/09/2015 13:04)
hi hi hi... tao @ imagination-n'i Strong3 kay dia tena bogany sy be detente i Josefa fa nahazaka an'Ikala Maria manja kely... dia hoe sahala @ prince charmant sy princesse ka ils vecurent heureux jusqu'au paradis

Nefa kay Dia i J = Josefa, ilay charpentier 70 sa 90 taona, nanambady (arranged marriage) an'i M = Maria, 12 sa 14 taona

f'angaha tsy mampihomehy... hitakitako ery i Strong3 vasobasoka sahala @ ireny zazakely tonga saina fa kay resak'eh i pere noel sy prince charmant... dia io fanina io eeee...
16. hery ( 15/09/2015 09:25)
1. Tsy atokisako io www.filialesupplique.org io. Satria nahoana? :-)

Ny sinaoda dia miainga avy any amin'ny fototra. Tsy amin'ny alalan'ny Internet no anaovana ny fampidirana hevitra fa avy any am-piangonana. Isaky ny fiangonana katolika kely tsirairay dia nanao fivoriana nanangona fanontaniana hatolotra ny eveka. Dia niakatra, niakatra, dia izay fanontaniana izay no tonga amin'ny sinaody.

Ka ireo olona nanao an'io site io dia na tsy katolika (izay marimarina kokoa amiko), na tsy niditra any am-piangonana ka tsy fantany hoe any amin'ny sinaoda any am-piangonana izay misy azy no iresahana izany sy anolorana soso-kevitra.

2. Ny mikasika ny Jesoa Maria Josefa aloha dia tsy valiako satria tsapako hoe fandrabirabiana ny zavatra heverin'ny vondron'olona iray ho manana ny hajany. Raha manao resaka toa izany mikasika ny Jiosy, ny Homosexuel sns aho dia ho tezitra ny sasany :-)

3. Ny momba ny hoe afak'ota koa dia efa betsaka izay namelabelarana momba ny fampihavanana na ny konfesy teto izay. Ny important dia tsy ny handresy lahatra fa ny hampahafantatra ny ataon'ny Katolika hoe konfesy sy ny dikany amin'ny Katolika. Tsy omena tsiny ny tsy Katolika raha tsy mahazo an'izany :-)

17. rhaj0 ( 15/09/2015 10:23)
Mazava ho azy fa TSY @ ilay hoe "ny sinaoda dia miainga.." io www.filialesupplique.org, fa olombe katolika mba miteny ny tiany tenenina, araka ny conscience-ny sy finoany ao... Fa ny an'i Hery izany, dia sahala t@ revolisiona sosialista ihany ny revy, ka izay miainga avy @ vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefan'ny Boky Mena ihany no henoina, fa ny "mpanohitra" dia ... asa, TSY olom-pirenena ???

http://www.filialesupplique.org/personalities-who-have-signed,3229,c.html
wow... raha ahianao ho "TSY Katolika" na "tsy niditra any am-piangonana" ireo olona ireo, dia, okey dokey.. izaho ve hi-contredire an'izany ka hisolo-vava an-dreo, fa dia izay ifanarahanareo ao eeee... efa misy 462.000 hono izao ny Katolika nanao sonia an'izy io (jereo eto)


Tsy sahala @ Kristiana sasany mitono-tena ho "tena izy", na hoe manondro ny hafa ho "TSY tena izy" ihany ve i Hery io???


Fa dia ... mba ataovy ny devoaranao re ry Hery f'aza dia manome ohatra ratsy eto aaa... :-)
http://lmgtfy.com/?q=www.filialesupplique.org+critics
18. rhaj0 ( 15/09/2015 13:53)
Etoy jerena azany eee..

http://www.la-croix.com/Religion/Actualite/Une-supplique-au-pape-en-vue-du-Synode-a-recueilli-pres-de-500-000-signatures-2015-08-14-1344388

Dia tsy hoe gazetizety elakela-trano mpiteniteni-foana ilay La Croix fa ... "tena izy" araka ny filazanareo azy
https://fr.wikipedia.org/wiki/La_Croix
19. rhaj0 ( 18/09/2015 10:38)
hery:
2. Ny mikasika ny Jesoa Maria Josefa aloha dia tsy valiako satria tsapako hoe fandrabirabiana ny zavatra heverin'ny vondron'olona iray ho manana ny hajany.

Miresaka @ JMJ sy ny "hajany"... Ny eny @ gazety aty izao dia nisy bibilava hono niteraka, nefa izy tsy nifandray tamina lahy, efa ho 8 taona. Dia ny fanazavana dia : parthénogénèse, izay arak'i Ralarosy dia hoe:
Reproduction sans intervention d'un mâle dans une espèce, caractérisée par l'existence de deux sexes. Chez les végétaux, développement d'un embryon à partir d'un gamète femelle anormal, sans qu'il y ait eu fécondation.

Ka mety azo hazavaina @ "parthénogénèse" ve izany ny nanjo ny ... (Sainte) Famille ?... :-)
20. endriny ( 23/09/2015 11:05)

gasy1zay:

Raha ny fanambarana eto dia efa nisy lalàna/procédure ihany kay mety manafoana fanambadiana katolika ary Papa François dia mikasa hanamaivana ny procédure "nullité" du mariage mba hahafahan'ny marié(e)s nofoanana(annulé) ny fanambadiany manambady olon-kafa

http://www.lefigaro.fr/actualite-france/2015/09/08/01016-20150908ARTFIG00012-le-pape-francois-allege-la-procedure-des-proces-de-nullite-de-mariage.php

Raha ny fahazoako ilay voasoratra dia mety foanana zany ny fanambadiana rehefa tsy nanaja ny voady ny mpivady 1 ( fidèlité sns...)


Saingy nahoana no ankinintsika amin'ny hafa ny fiainan-tokatrano sy ny fiainana manokana? Aleo ry zareo tsy hanaiky any fa izay mba hifaliana amin'ity tany mandala ity no atao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6413