atao izay mahery ve?

61. Strong3 ( 10/09/2015 10:02)
navy zaho eh!!!
62. Strong3 ( 10/09/2015 13:10)

taxs:

rhaj0:

Strong3:
fa dia ry "vitao ny asan'ny fahamarinana" no voahosotra

iiieeee... voahosotra ho tompo-daka...
sady mahazo ny toerana voatokana ho an'ny (fampianarana tsisy) kilema(ina)... :-)
Hihihi! zaho aloha manaiky anareo raha isintona lakilosy e, itako tena maneno mafy mihitsy ireo namana sasany.

tsy laklousy izany fa zareo ihany io !!!
63. 1Marina7 ( 12/09/2015 14:45)

Strong3:

izany hoe i episkopo Sam Edouard ihany izany no mpitory tsy manana ota eto madagasika sy manerantany ka izy irery no afaka mitory ny filazantsara?
...
ataoko inona moa fahagagana ?
fa ny andrasana dia hoe : hamarino amin'ny hafa ny mahamarina fa ianao irery (episkopo) no mendrika ampiasain'Atra
amarino fa ian(nareo)ao irery no mendrika hitory
amarino fa ny marina fanatatreo dia tsy fanatatrin'ny hafa

na koa ATAOVY AN'ITY HEVITRA SENDRA NANDALO ITY INDRAY:
__ mifandroaha devoly dia izay fanahy tsy izy dia ho hitan'ny havany eo :-) :-)
izay izao no tena hitako mety aminareo MANANDRA-TENA IRETO

Bjr daholo,
Izy irery (Episkopo) ihany no afaka mitory ny tena filazantsara, satria izao ahoana moa no ilazntsika fa mitory filazantsar ny mpanota, dia ahoana zany ny hoe jamba mitarika jamba dia ho aiza. Esory aloha NY ANDRIBE EO AMIN'ny MASONAO ZAY VAO AFAKA IANAO HANALA NY SOMBIKAZO EO AMIN'NY MASON'NY RAHALAHINAO;
Raha ianao Strong3, efa maro2 ny adihevitra nataontsik tamin'ny lohahevitra hoe MANJAKA NY FAHOTANA napetrako, MISY NY OLONA MARINA araka ny Korintiana Voalohany 6: 11, izany hoe tsy izahay no manadratena fa Andriamanitra no nanamarina anay.
ASIAVO MANALA NY ANDRIBE EO ANOLOANY ALOHA NY OLONA VAO AVELAO HITORY TENA
64. 1Marina7 ( 12/09/2015 14:59)

taxs:

Raha azoko tsara zany namana a, dia mbola enjana noho i Kristy ity Episkopo ity an!
Tsy nanota... ny Tompo ary anefa tsy sahy nitorabato an'ilay vevavy janga.(izay tsy nanota taminareo no aoka hitorabato azy voalohany )
saody mba diso lalana ary tsika zany e?

Ianao izany dia sahy milaza fa nanota i Kristy matoa Izy tsy nitora-bato? Tsy nanota KRISTY, fa fantaro aloha hoe iza daholo ny olona teo anoloany, ny jiosy no saika hitora-bato an'ilay vehivavy satria manana ny lalànan'i Mosesy izy ireo ka manana zo ny hitora-bato azy, nefa nasehon'i KRISTY teo fa misy fanekena hafa izay itoerany dia io ilay fanekena vaovao fa tsy ny nentin'i Mosesy intsony.
Izany no mahatonga ahy milaza fa izao vao tena tonga ny tena filazantsara manala ny olona ao amin'ny fahotana satria tsy misy mpanota zany hiditra ny lanitra araka ny Korintiana Voalohany 6: 9 sy ny Apokalypsy 21:27.
Ny jiosy izay mpitandrina lalàn'ny Mosesy (sy ny didy folo) dia ireo samy niaky fa mpanota daholo ary toy izany koa ianareo amin'izao samy mpanota satria samy mbola mitandrina na mihevitra fa mitondra amin'ny marina ny Lalàn'i Mosesy sy ny didy folo. I EPISKOPO IRERY NO TETO AMBONY TANY no nilaza fa rava ny didy folo ary izany no tena filazantsra.
Tsidiho ny www.rtvyahoshuah.com
Mbola maro ny fampianarana ho henonao sy ho hitanao aho.
65. 1Marina7 ( 12/09/2015 15:11)

rhaj0:

ilay hoe "Episcopo" ve aloha avy @ ilay hoe Episcopal Church ??

TSY AVY AMIN'NY episcopal church izany i EPISKOPO, Malagasy izy raha ny ray amandreny niteraka azy. Izy dia nanomboka ny taona 1995 no nitory ny fampianaran'i KRISKY rava ny didy folo sy ny lalànan'i Moizy (anatin'izay ny didy folo) izay ny olona vao tonga any an-danitra any @ Andriamanitra RAY;
Araho ny fampianarana ao amin'ny www.rtvyahoshuah.com. Misy radio eto Tana 97.2 FM, Toliara , F/tsoa, Mahajanga 104 FM, Ambatondrazaka 91.4.
IZA TETO AMBONY TANY NO NITORY FA RAVA NY DIDY FOLO, IZA NO OLONA NILAZA FA REHEFA NANDRAY NY MPAMONJY (yahoshuah) DIA MARINA.
66. 1Marina7 ( 12/09/2015 15:23)

RBNIR:

Izany hoe mpitandrina tsotra fa tsy apostoly (tsy nofidian'i Jesosy mivantana ary koa nampianarin'i Jesosy mivantana)...
Raha ohatra ka miasa irery tsy eo ambany fitantanan'ny apostoly dia mampianantena =====> fampianaran'olombelona fa tsy ilay avy amin'i Jesosy. =====> marina amin'ny ampahany fa tsy maintsy misy diso tsy mifanaraka amin'ilay tsy misy kilema nampianarin'i Jesosy 2000 taona lasa....

Raha ohatra kosa ka miasa eo ambany fitantanan'ny apostoly dia mety ho azo antoka ihany ny fampianarany....

Inona ary hoy ianao ny fampianaran' YAHOSHUAH. Ireo Apostoly nolazainao fa nofidin'YAHOSHUAH mivantana ve nampitandrina didy folo ? Nilaza fa mbola mpanota ny olona na dia efa miaraka amin'Andriamanitra aza ?
Izahay moa dia YAHOSHUAH no Anarana fanononanay Ilay mpamnjy satria nisy lalàna navoakan'ireo Apostoly hoe (Asan'Apostoly 4: 12) TSY MISY ANARANA HAFA AMBANIN'NY LANITRA NOMENA NY OLONA IZAY HAHAZOANTSIKA FAMONJENA
Inona ny fampianarana tsy misy kilema, Ny fampianarana mbola mahatonga ny olona mpanota ve araka izay efa henonareo hatramin'izay. Izao no tena filazantsra Jaona Voalohany 3:5 Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. 6 izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.
67. 1Marina7 ( 12/09/2015 15:32)

RBNIR:

Ary raha hisy tokoa izay adihevitra izay dia aleo mba samy hadio saina ka hahatsapa fa HO FAMPIANARANA - HO FANITSIANA IZAY DISO

Tiako io phrase-nao io, fanitsiana izay diso tokoa, marina izany. Misy ilay tena MPANITSY izay diso dia YAHOSHUAH ilay tena Zanak'Andriamanitra, ka rehefa VOAHITSY ve dia mbola mila harenina indray. Io no teniko tany amin'ny lohahevitra hafa (MANJAKA NY FAHOTANA) raha ny zanaka no hahafaka dia ho afaka tokoa (Jaona 8:36)
araho ny Fampianarana ao amin'ny www.rtvyahoshuah.com
68. 1Marina7 ( 12/09/2015 15:42)

RBNIR:

P.S : be dia be amin'izao fotoana izao ny KRISTY SANDOKA-APOSTOLY SANDOKA-MPAMINANY SANDOKA-FAMPIANARANA SANDOKA!!!!
Raha ireny kosa aloha dia tena iandivantsika mivantana mihitsy fa tsy misy indra fo satria mamarina an-kady (any amin'ny Afobe)!!! an!

Ny olona anie sahirana ny mitady hoe iza ny Kristy sandoka, hita mazava ao amin'ny soratra masina io Vakio ny Jaona Voalohany 3: 7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. 8 Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly. 9 Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak'Andriamanitra.
Misy ny mpamitaka izay miaraka amin'ilay kristy sandoka, ny andininy faha-8 vakio tsara, TSY IZAHO NO NAMORONA ANIO fa TENIN'ANDRIAMANITRA IO, ka aiza amin'io ary ny toeran'ny mpanota izay milaza fa mitory teny.
ATAOVY ALOHA NY AHAFAKA ILAY ANDRIBE EO ANOLOANA IZAY VAO AFAKA HANALA NY AN''NY HAFA
Tsidiho www.rtvyahoshuah.com ARAHO NY FAMPIANARANA
69. 1Marina7 ( 12/09/2015 16:00)

Strong3:

ny episkopo mitondra extraterrestre mety hisafelipelika dia voa eo izay ho voa :-)

AZAFADY FADY INDRINDRA, MATOA IANAO MITENY MOMBA NY EXTRATERRESTRE dia mahay tsara ny Fampianaran'EPISKOPO izany ianao. Ny extraterrestre dia devoly mpiaraka amin'ny jesosy (Zeus) andriamanitry ny grika KA FAHAVALON' YAHOSHUAH IZANY, KA TSY MISY EPISKOPO HITONDRA EXTRATERRESTRE IZANY AZA ATAO AN'IZANY NY MPAMPIANATRANAY FA TSY TIANAY IZANY, TSY MPIARAKA AMIN'NY DEVOLY IZAHAY. FA MPANDRAVA DEVOLY
70. RBNIR ( 12/09/2015 16:40)
Namana 1Marina7

Efa vitako ato daholo ny resaka momba ny didy sy ny tena hevitry ny hoe ambany lalàna sy ambany fahasoavana
http://forum.serasera.org/forum/message/m54cc29c680e1f/100#m55f3b09414913

Mazotoa mamaky namana.....

hampahiratra ny masonao anie I IZY NAMANA!!!!!!
71. 1Marina7 ( 16/09/2015 16:04)

RBNIR:

Ho fehezina angamba ry namana isany,
Na tamin'ny fankena taloha na tamin'ny fanekena vaovao ny tanjon'Andriamanitra dia hanantanterahan'ny olona ny "SITRAPONY"
Ny SITRAPONY moa dia nambarany tamin'ny alalan'ny lalàna sy ireo mpaminany Rom.3:21....
Azavaiko: raha miteny Andriamanitra hoe Aza mijangajanga, ny sitropon'Andriamanitra izany dia ny tsy hijangajangan'ny olona, raha miteny Izy hoe Aza mangalatra, ny Sitrapony izany dia ny tsy angalaran'ny olona sns.....sns.....

Tamin'ny fanekena taloha ny olona dia nihezaka nanatanteraka ilay Sitrapon'Andriamanitra teo ambany fitarihan'ilay lalàna tety ivelany izay nifehy sy nitaiza azy, nefa mbola teo ambany fanandevozan'ilay "ota" hatrany izireo ka na dia nanana fikasana tsara aza izireo hanantanteraka ilay sitrapon'Andiamanitra dia tsy afaka satria "mbola andevo" (Rom.7:14-21)...
Ny atao hoe andevo dia tsy manantsafidy fa izay sitrapon'ny tompony "ilay ratsy na ilay ota" no tsy maintsy tanterahany.....
Vokany tsy tanteraka ny sitrapon'Andriamanitra dia nitoetra mandrakariva teo ambany fahatezeran'Andriamanitra hatrany ny olona......

Izay no atao hoe koa no atao hoe ambany lalàna, Ilay lalàna tety ivelany no nitaiza sy nitarika ny olona hanantanteraka ilay sitrapon'Andriamanitra....

Tamin'ny fanekena vaovao kosa ny olona dia manantanteraka ilay Sitrapon'Andriamanitra eo ambany fitarihan'ilay FANAHY MASINA (FAHASOAVANA) izay nomena azy rehefa nohafahana tamin'ny fanandevozan'ilay "OTA" izy ....

Tsy misy intsony sakana satria ilay "OTA" efa noesorina, ary fanampiny "nomena hery" izireo tamin'ny alalan'ny fanomezana ilay FANAHY MASINA tao aminy ka lasa zanak'andriamanitra mahavita ny sitrapon'Andriamanitra....Rom.6:18-22

Vokany tanteraka ny fanaovana ilay Sitrapon'Andriamanitra « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat. 5:17) ka dia afaka miandrandra ilay fiainana mandrak'izay ilay olona "Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin’ ny ota hianareo ka efa tonga mpanompon’ Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay". Rom.6:22

Izay koa no dikan'ny hoe ambany fahasoavana, ILAY FANAHY MASINA (na ilay fahasoavana) no mitaona ny olona hanao ny sitrapon'Andriamanitra fa tsy ilay lalàna tety ivelany intsony Gal.5:18

Ny anjaran-tsika aty aoriana kosa dia ny mamantatra hoe inona ireo sitrapon'Andriamanitra mbola notandreman'i Jesosy sy ireo mpianany, ary inona kosa ireo efa noravainy tanteraka???...
Ahoana ny fomba fanesorana ny "ota" sy ny fandraisana ilay Fanahy Masina mba hahatanteraka ny famonjena ao anatinao?

Misaotra betsaka amin'ny teny nomenao.
Malaza amin'ny Kristiana io teny ao amin'ny Romana 6: 14 ny tapany farany, "fa tsy mba ambanin'ny lalàna hianareo, fa ambanin'ny fahasoavana". mody tsy mahita ny tapany voalohany ny olona dia ny hoe "Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo".
TSY MANANKERY NY OTA amin'ny olona AMBANY FAHASOAVANA, ka inona ary ity fahotana mbola misy amin'ny olona milaza fa ambany fahasoavana ity, Mazava io teny io FA TSY MANANKERY NY OTA AMIN'NY AMBANY FAHASOAVANA. Fa raha mbola mpanota ianao dia izay no midika fa mbola AMBANY LALANA IANAO IZANY.
Raha ilaza ny hoe ambany fahasoavana ianao dia mipetraha aloha amin'ny hoe TSY MANANKERY AMINAO NY OTA, OLONA MARINA izany.
Ny tiako ho fantantsika dia ny hoe NY TENA KRISTIANA DIA OLO-MARINA
ny mikasika ny Faharavan'ny didy folo dia mbola ho tonga any ny adihevitsika fa aoka aloha isika ijanona amin'ny hoe NAHOANA NO MISY AMIN'IZAO NY MPANOTA MITORY TENY. ANDRIAMANITRA TSY NANIRAKA MPANOTA HITORY TENY IZANY; Izay nohamarininy ka notendreny no nirahiny handeha sy hamoha Romana 8:30 Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa. SY ny jaona 15:16 Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona. IZANY OLONA NOTENDRENY KA NOHAMARININY NO NIRAHINY.
Tsy nisy teto ambony tany nilaza fa OLOMARINA hafa-tsy EPISKOPO Samüelson Edouard irery ihany. Ary izy irery koa no nanana fampianarana hafa noho ny an'ny rehetra,
Tsidiho ny www.rtvyahoshuah.com
TSY MISY ANDRIAMANITRA NANIRAKA MPANOTA HITORY TENY IZANY
72. RBNIR ( 17/09/2015 05:16)
1Marina7:

Mba tsy hahdiso anao amin'ny zavatra 1 loha namana dia raiso ilay voasoratra ao amin'ny

« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)
Vakio tsara daholo ny Hebreo 4 sy ny baiboly DIEM fa tena ny andro fahafito no resahina ao...
Hampahiratra ny mason-tsika anie IZY namana...

73. Strong3 ( 24/09/2015 10:04)
Salama an!

ka ireo ianareo ireo 1Marina7>>...

na hoe : 1Marina< RBNIR
na hoe : 1Marina> RBNIR
na hoe : 1Marina= RBNIR

Ny hoe extraterrestre tsy tianao atao aminareo sy ny lehibenareo.
koa nahoana no atanao aminay mivantana.
Jesosy no hitanay ao amin'ny Baiboly ka no lazainao fa devoly???

raha tsy tianao atao aminao aza atao amin'olo namana ah!

i RBNIR ve dia hanaiky hoe ilay Tompo mampianatra azy mivatana sy manokana irery ao dia ilay ivavahanareo?
asa aloha
izy milaza fa ny fampianarany tsy misy kilema satria nampidinina mivatana
ary ianareo mialaza fa ny tomponareo no tena izy
... ka sao mba mifameno ianareo aloha kou :-)
74. 1Marina7 ( 03/10/2015 15:41)

RBNIR:

Mba tsy hahdiso anao amin'ny zavatra 1 loha namana dia raiso ilay voasoratra ao amin'ny

« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)
Vakio tsara daholo ny Hebreo 4 sy ny baiboly DIEM fa tena ny andro fahafito no resahina ao...
Hampahiratra ny mason-tsika anie IZY namana...

HIANAO NO MILAZA FA ANDRO FAHAFITO IO LAZAINA IO. Naman'ireo voafitaky ireo dikan-teny koa hianao ry namana. Epistily nomena ny Hebreo io, Efa mpitandriana sabata ny hebreo fa tsy mbola hiditra tsy akory Hebreo 4:11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin'iznay fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa. Fitsaharana hafa io resahina io, vakio ny Baiboly Katolika fa toy izao ny ao Hebrio 4: 9 ka dia mbola misy andro fialan-tsasatra àry ho an'ny vahoakan'Andriamanitra, 10 satria izay miditra amin'y fialan-tsasatr'Andriamanitra dia tsy maintsy mitsahatra amin'ny asany.
Hisy andro iray ialan'Andriamanitra sasatra, io ilay fanjakana arivo taona voalaza ao amin'ny bokin'Apokalypsy, andro iray amin'Andriamanitra dia 1000 taona amin-tsika olombelona. Vakio ny andininy faha-3 "Isika izay mino kosa dia hiditra amin'ny fialan-tsasatra." Hisy io andro iray fialan-tsasatr'Andriamanitra, andro iray Aminy fa kosa 1000 taona amintsika. Apokalypsy 20:6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. Efa nanome andro fialantsasatra Josoa dia ny sabata fa kosa mbola niteny andro iray hafa koa Davida Hebreo 4: 8 Fa raha tany efa nomen'i Josoe izany fialantsasatra izany, dia tsy ho nilaza andro hafa intsony Davida taty aorian'izany 9 ka dia mbola misy andro fialan-tsasatra àry ho an'ny vahoakan'Andriamanitra,
Io izany no andro fitsahara ho an'ny vahoak'Andriamanitra vaovao
75. RBNIR ( 04/10/2015 08:18)
Na dia tsy maka ny dikan-teny DIEM aza isika dia ianao ihany no nanolotra ny toko sy andininy manindry fa tena "andro fahafito" dikan-teny frantsay no aleo ho entiko hampahazava azy tsara mihitsy "louis segond" (ps tsy afaka miditra ao amin'ny bible catholique aho fa raha tsy izany nalaiko ny vf (izay afaka miditra mba alefaso) fa ny azoko antoka aloha ny DIEM dia niarahan'ny katolika sy ny protestante nanao ary matoa io no voasoratra tsy adala akory ireo mpanao baiboly ireo fa niaraka nanaiky izireo fa "io no iraisana"...
76. RBNIR ( 04/10/2015 08:19)

8Car, si Josué leur eût donné le repos, il ne parlerait pas après cela d'un autre jour. 9Il y a donc un repos de sabbat réservé au peuple de Dieu.…
77. RBNIR ( 04/10/2015 08:29)
hita ihany ny version catholic fa en anglais, dia tena mazava BE fa ny ANDRO FAHAFITO E!!!
Misaotra anao namana 1Marina7 nanokatra ny lalàna....
http://www.catholic.org/bible/book.php?id=65&bible_chapter=4
bible catholique hebreux chapitre 4
78. RBNIR ( 04/10/2015 08:31)
8 If Joshua had led them into this place of rest, God would not later have spoken of another day.

9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,

A SEVENTH-DAY : ANDRO FAHAFITO!!!!
79. stahtam ( 05/10/2015 05:47)

1Marina7:

[quote=rhaj0]
ilay hoe "Episcopo" ve aloha avy @ ilay hoe Episcopal Church ??

TSY AVY AMIN'NY episcopal church izany i EPISKOPO, Malagasy izy raha ny ray amandreny niteraka azy. Izy dia nanomboka ny taona 1995 no nitory ny fampianaran'i KRISKY rava ny didy folo sy ny lalànan'i Moizy (anatin'izay ny didy folo) izay ny olona vao tonga any an-danitra any @ Andriamanitra RAY;
Araho ny fampianarana ao amin'ny www.rtvyahoshuah.com. Misy radio eto Tana 97.2 FM, Toliara , F/tsoa, Mahajanga 104 FM, Ambatondrazaka 91.4.
IZA TETO AMBONY TANY NO NITORY FA RAVA NY DIDY FOLO, IZA NO OLONA NILAZA FA REHEFA NANDRAY NY MPAMONJY (yahoshuah) DIA MARINA.
[/quote=stahtam]
Ialana tsiny fa tafiditra taty amin'ny adresse mail-ko ny resakao na dia tsy nisy zavatra azoko nidirana aza. Koa angamba tsara ovaina kely ny destination satria na dia miresaka fivavahana aza aho dia tsy mankato ny dikan-teny velively na anarana io na boky anorenam-pinoana (episkopo, kristy = dikan-teny grika, a/tra = dikan-teny malagasy, testamenta vaovao = nadika avy @ teny grika...) ka mety miandry valiny ianao nefa tsy ho afaka hamaly aho tsinona. Misaotra e!
80. RBNIR ( 05/10/2015 06:03)
stahtam:

IZA TETO AMBONY TANY NO NITORY FA RAVA NY DIDY FOLO, IZA NO OLONA NILAZA FA REHEFA NANDRAY NY MPAMONJY (yahoshuah) DIA MARINA.

Dia tena mampalahelo marina tokoa namana fa dia tena izy irery (sy ireo mpanaradia azy sy izay mitovy hevitra aminy) izany no tsy mba hiditra ao amin'ilay andro fitsaharan'i Jehovah!!!

Dikan-teny katolika (version anglaise)
8 If Joshua had led them into this place of rest, God would not later have spoken of another day.
9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,
10 since to enter the place of rest is to rest after your work, as God did after his.

« Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany. » (Heb;4:8)
« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito vakio ny dikan-teny DIEM) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb;4:9)
« Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy* koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [* Na: izy] » (Heb;4:10)

Ato no manoro ny tena marina mikasika ny hoe ambany lalàna sy ny ambany fahasoavana namana!!! Tsy foana akory ny lalàna fa hotanterahina ary ny FANAHY MASINA no mampitoetra izany lalàna izany ao anatin'ny olona, tsy olona mihezaka ny hanao ny marina fa olona efa novaina ho olomarina tsy mpanota intsony, mahafantatra ny rehetra tokony atao (anisany ny fitandremana ny andro fahafito) tsy atoro intsony satria efa ao anatiny ny fanaovana ny tsara anisany ny fahafantarany fa amin'ny mahaolon'Andriamanitra azy dia mbola misy ny andro fahafito araka ilay hebreo 4:9).....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3311