atao izay mahery ve?

41. RBNIR ( 08/09/2015 13:17)
P.S : be dia be amin'izao fotoana izao ny KRISTY SANDOKA-APOSTOLY SANDOKA-MPAMINANY SANDOKA-FAMPIANARANA SANDOKA!!!!
Raha ireny kosa aloha dia tena iandivantsika mivantana mihitsy fa tsy misy indra fo satria mamarina an-kady (any amin'ny Afobe)!!! an!
42. vazivazo ( 08/09/2015 13:17)
dia ilay hiran'i Princio @ lohateny hoe : ALLO JESOSY no aleo hamintinana izay voalazanareo rehtra teo e
43. rhaj0 ( 08/09/2015 14:16)
Manja eee... Aleo haboaka eto mihintsiny fa tssss....


Sady ilay "vavaka" anie toa pli-vava ao tsisy fandinihina akoriny eee... toa zazakelhy manao tsianjery i Rakrisy... Averiko apetrako kely indray ny faran'ny herinandroko.. sao mba rahariva rehefa hisakafo RAkrisy mba miova vavaka @ izay fa aiza ve dia...

rhaj0:
Dia io izao ilay ahatsiarovana foana an-dry Rakrisy, izay mangata-dava @ ilay hoe .. "Andriamanitra ooo... tahio ny sakafonay..". Ka io raha efa eo ambony latabatra ny sakafonao Rakrisy dia efa tara loatra ilay izy, fa dia mila voa tsy hary ianao raha mangataka fa ho tahin'Andriamanitra ny hotdog (misy trace-na voalavo) sy ny conserves (feno simika) ary ny barbecue may (cancerigene) aaa... Ilay vavaka atao dia tokony tany ifotony,,, hoe, rahefa ho amboarina ao @ ozinina ilay hotdog, dia hoe, "Andriamanitro oooo... aza avela hilatsaka ao anaty fitotoan-kena Ravoalavo..."
44. stahtam ( 09/09/2015 06:35)

Strong3:


stahtam:


Strong3:

« Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina. » (1 Mpanjaka 18:27)

mba hevitra sendra nandalo eh! :-)

koa raha mba asiana demostration kely moa ireto fiangoanana milaza HO TOMPON'NY MARINA IRERY IRETO EH!

raha eto amin'ny serasera fotsiny izao (aty TANA) dia misy 3 na efatra eo nareo no milaza samy TENA NIRAHINA SY MARINA ARY NY AMBINY vari-masaka sy akofa daholo.

ka sao mba tokony ho eny antsonjombe koa ianareo hifanao defis kely dia hita eo izay tena NIRAHINA MARINA !

HEVITRA SENDRA NANDALO INY ny ahy , asa raha hety :-)
Stahtam,
Araka ny voalazanao moa dia HEVITRA SENDRA NANDALO ilay hoe "asiana démonstration kely" sy "hifanao défis" dia manana izao fanambaràna izao ny aho ka asa raha mifanitsy @ "hevitrao" sendra nandalo:
1°) Raha raisina ho référence ny 1Mpanjaka 18/27 dia izao: Israeliana avokoa no miresaka eo fa tsy tafiditra mihitsy ny hafa firenena: Israëliana i Elia, Israëliana AVOKOA NY MPAMINANIN'I BALA (andininy 20). Ho azy ireo ny famonjena fa tsy ho an'ny hafa firenena (Hebreo 2/16)
2°) Izay no fomba nampiasainy teto mba hampibebahana ny vahoakaNY (Israël) ka antony nanirahany mpaminaniny : hampiverina ny fon'ny ZANANY amin'ny RAINY fa tsy mbola hamantatra Izay marina indray (andininy 37) satria efa nomena azy ny famonjena nefa tadiaviny hariana indray.
3°) Fanambarana azonao dinihina sy fakafakaina ihany no aseho eto fa raha défi sy démonstration kosa no idirana lalina; nahoana no navelany notapahin'i Heroda ny lohan'i Jaona Mpanao Batisa raha "tena mahery sy miseho ho marina" ny fivavahany, sa efa lasa nalemy indray izy teo? Fa efa nisy ve olona (eny fa na dia ianao io aza angamba) nilaza fa diso ny zavatra lazainy na ny fivavahana inoany?
4°) Fahendrena avy amin'ny fisainan'olombelona ihany, ary tsy azo anomezan-tsiny na iza na iza ny filazana hoe "izaho indray dia tsy mba milaza fa diso ny an'ny hafa fa ny ahy no tazoniko" - fa ny Mesia dia sahy nilaza hoe " Ianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo tamin'ilay vehivavy Samaritana" (Jaona 4/22).
Ny eritreritra dia mety handalo ihany fa ny marina kosa dia HARENA AFENINA ka mila karohina sy mety hamoizana aina aza vao azo satria sarobidy. Koa raha tena FAMONJENA no irinao fa tsy zavatra hafa dia azoko anampiana anao ny Romana 3/2. Mirary soa e!


finaritra!

misaotra fa azoko ny tianao ahatongavana (y)

1/ kristiana daholo indray izao no resahina eto ( Isaia 53:10; sao hadinonao an??? )

2/ ka raha misy mitory fa NY AZY IRERY NO MARINA, moa tsy midika izany fa tokony hiala amin'ny fivavahana misy azy avy any ny sasany? ka tsy fibebahana toa ankolaka ve izany?
ka rehefa mahery ny anakiray milaza fa tompon'ny marina dia hiditra membre ao aminy ny tsy marina rehetra :-)

3/ notapahana ny lohan'i Jaona mpanao batisa satria efa voalaza ny faminaniana izany:
_ « mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin'ny tany, hatramin'ny ran'i Abela marina ka hatramin'ny ran'i Zakaria, zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'ny tempoly sy ny alitara. » (Matio 23:35)
__ sao mba tsy azonao aza ilay défi resahana eto?? toa fampitahana tsy mifandraika izany an :-) :-) ...

4/ ity point faha efatra ity dia ombako milaza aminao, ary izay no atao hoe fijery vaovao ho an'ireo manandratena sy midokatena ary miseho sy manao auto-proclamation hoe :
izahay ato amin'ny fiangonana ... ihany no TENA MARINA/ NOMEN'ATRA FAHEFANA HITORY NY MARINA ATY AMPARANY
fa ianareo rehetra ireo sandoka, ka mila miverina sy atao batisa aty aminay, ary tsy maintsy aty ianareo vao voavonjy... :-) hihihih


« Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny. » (Romana 3:2)
:-) :-) toa hampimehy ahy ianao ity!
raha avy amin'ny jiosy nofo ny famonjena dia tsy nampidinina ho nofo i Jesosy Kristy

ataovy mazava ny resaka an :-)
stahtam
tohiny...
5°) Ny Romana 3/2 dia milaza fa ny Jiosy no : a- NOTOLORANA ary b- MIADIDY ny fitoriana ny teniny. Tsy tafiditra izany ny hafa firenena raha resaka fitoriana FILAZANTSARA (efa mihena be ange izany ny dénominateur raha hitady ny fivavahana marina). Christianisme=européens mitory "filazantsara". Ambarako kosa fa afaka mandray ny FAMONJENA izy ireo (izay no fitahiana ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany AVY AMIN'NY taranak'i Abrahama) araka ny Genesisy 22/18.
6°) Tena Jiosy NOFO no iavian'ny famonjena; Jiosy NOFO ny Mesia (taranak'i Davida taranak'i Joda), io ilay Mesia nampidinina ho nofo, Jiosy NOFO i Maria, Jiosy NOFO i Josefa ary ISRAELY nofo avokoa ny Mesia sy ny mpianany (Apostoly). Tsy resaka mampihomehy izany fa tena marina azo porofoina ara-baiboly.
7°) Ny Eoropeanina no te-hisavika io fivavahan'ny Jiosy io ka nampiditra ilay terme hoe "Israely ARA-PANAHY" mba hilazany fa izy koa dia iavian'ny famonjena (te-"hitory filazantsara"). Inona anefa no voalaza momba azy ireo sy izay hafa firenena rehetra?: Salamo 147/19,20.
8°) Noho ny famonjena nentin'ny Jiosy dia marobe ireo hafa firenena NANDRAY FAMONJENA avy amin'izy ireo ka hita tany an-danitra taorian'ny filazana ny Israely 144000 voavonjy (sady VOALOHAm-bokatra ireo Israeliana ireo) araka ny Apokalypsy 7/4-9 sy Apokalypsy 14/4
9°) Ary raha ny faminaniana momba ireo dia tsy manao défi na démonstration izany ireo fa "tahaka ny zanak'ondry eo afivoan'ny amboadia" (Matio 10/16)
45. Strong3 ( 09/09/2015 07:11)

RBNIR:

Strong3:

lazaivo fa mpampirsika alika indray i Elia , mpaminany lehibe!

TSY SAHY MITOMPOTENY fATRATRA INDRAY NGA IZATO IZY FA NY ANAREO IRERY NO MARINA?

aiza ity vavanao (vavanareo ao amin'ny KOLO TV) re eh ??? ...
tsy avy amin'ny olombelona fa nomena manokana, ary isika irery no nomena ity mba hotoriana amin'izao andro farany izao ... SNS

hay rehefa mifandona amin'ny episkopo ka miletika toa sifotra , ka dia mila hiteniteny foana hoe:
__ ny alika no ampirisihina ... hahaha

Inona moa no tombotsoa???
I Elia raha nanao an'io nisy tanjona====>hanehoana fa ny Andriamanitr'i Elia no tena Andriamanitra ka "ny tanjona dia ny hiverenan'ny olona amin'ilay Andriamanitra tena Izy (fa tsy i bala)

Raha ohatra ka fampianarana no hiadian-kevitra (toy izao ataon-tsika eto izao) dia tsy maninona...
Mba hamantaran'ny olona ILAY TENA TSY MISY KILEMA ka hiverenan'ny olona amin'ny TENA FAHAMARINANA MARINA noho ity teny ity : « Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jao.3:7)
Sy ity teny ity...« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jao.4:24)

Ka raha izay no tanjona tsy maninona fa raha hifampitsapa hery (hoy ianao) tsy aiko sandry v sa inona? aleo ihany hijanona....

Ary raha hisy tokoa izay adihevitra izay dia aleo mba samy hadio saina ka hahatsapa fa HO FAMPIANARANA - HO FANITSIANA IZAY DISO fa tsy dia hoe HO ADY NA FANARATSIANA AKORY!!!!!


[b]tsy haiko na mody fanina ianao na tena fanina...? :-)
dia hoe hanao totondry hahah aza dia manolakolaka resaka hoa!

ka io izany raha teolojia dia toa mampiady karajia ihany isika eto, za manana ny ao andohako ianao manana ny ao andohanao ...
ary rehefa tratra amin'ny marina ianao dia tsy maintsy moaka vava hoe :
samia mitazona ny finoany :-)

FA MAZAVA NGAMBA NY HEVITRO SENDRA NANDALO
46. RBNIR ( 09/09/2015 07:30)
Strong3:


FA MAZAVA NGAMBA NY HEVITRO SENDRA NANDALO


Tsy mazava ka , demonstration de force (satria izay no nataon'i Elia hoy ianao) no fandraisako ny teninao fa tsy hoe débat!!! Demostration de force : mety hoe sandry, mety hoe hifampihaika amin'ny alalan'ny herin'Andriamanitra (izay mahery no hobiana v sa????) Mety hoe demonstration de pouvoir (fanomezampahasoavana v sa)???? be dia be no azo ambara e!.......
Fa raha ny fandraisako ny teninao ery ambony aloha tsy resaka débat mihitsy no tianao hahatongavana e,
Mila hazavaina tsara namana........
47. Strong3 ( 09/09/2015 07:51)
« Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo. » (Matio 12:27)
« Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra. » (Matio 12:28)

latsaka tao anatin'io post-k-io moa ity verset ity :-)

fa hoy izaho:
fifandroaha demonia de izay resy manaraka ny mandresy ...
48. RBNIR ( 09/09/2015 08:28)
Strong3:

fa hoy izaho:
fifandroaha demonia de izay resy manaraka ny mandresy ...

Izay vao mazava, raha io no tanjona dia aleo hajanona!!! Tsy hoe matahotra fa tsy hitondra vokatsoa ho an'ny Fanahin'ny olona satria "Famantarana no lasa hiorenan'ny Finoan'ny olona nefa hoy i Jesosy raha nitady famantarana ny olona hoe :
« Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra. » (Mat.16:1)
« Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra. » (Mat.16:2)
« Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin'ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo. » (Mat.16:3)
« Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa. » (Mat.16:4)

Fampitandremana kely fotsiny : « Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. » (Mat.24:24)
49. Strong3 ( 09/09/2015 08:48)
fialana bala tsotr'izao izany ngamba...

sao tonga eny tampoka ny vahao ny oloko ka taony mihinjitsinjitra eny ve ny asan'ny fahamarinana hahahah....

ny episkopo mitondra extraterrestre mety hisafelipelika dia voa eo izay ho voa :-)


TSY HITONDRA VOKATSOA HOAN'NY FANAHY AHOANA moa izany?

tsy hitanao fa maro no efa mitsoaka andaharana amin'ny fivavahana noho ny denomination mivangongo, samy miseho ho marina sy be saina tsy mahay mifanaiky fahamarinana ...
samy mamoroporona dogme ao dia samy mitazona ny heviny

ka aleo ny vahoaka no hitsara hoe :
Ny Andriamanitra ao amin'iza no tena izy.
KA SAO MBA NY AO AMINAREO EFA MANGOVITRA IO NO ANTI-KRISTY na tsy hay ho ny an'iza

dia gaga aho hoe kay ve tsy arakaraka ny vava be hoe : nenay no tena izy , izy ity rehefa ampifanatrehana eh

averiko ihany , raha demostration theologique no atao eto na hoavy eny amin'ny rahon'ny lanitra aza ny Tompo dia NY HEVITRAO IHANY NO HEVITRAO SATRIA efa voapetakin'ny vy mahamay ny fieritreretanao ka tsy hivaha raha tsy io défi spirituel io no atao
hihihi... :-) fa izany hoe enao moa efa milavo lefona dia toa mampalahelo

sao mba fanahy osa aza no ao aminareo ao fa tsy ilay TSY AZO AMPIHOROHOROHINA???

za Strong tsy mila famantarana avy aminao velively. fa ianareo SAMY MISEHO HO TOMPON'NY MARINA IRERY IO NO MILA MIFANAIKY SY MILA MIFAHAKAHALALA HOE
"ny aniza no marina" ny aniza no FIRINGA MIHEVOTRA SY BALAOASY , MPANAO FITA-BITRO
mpambotry vahoaka sy misoratena HO AMPIASAIN'ATRA , ka tsy manampaharoa ny fampianarany
DIA TSY SAHY MISORATENA INTSONY IZANY I RBNIR fa ny andry zareo irery no marina :-)

bravo ...! tratrako ny tanjona VELONA JESOSY ! aleloia b izany
50. RBNIR ( 09/09/2015 10:46)
Tsy mampaninona izay filazanao azy fa rehefa hoe tsy mety dia tsy mety....
Mampahatsiahy ahy an'ity ny teninao...« Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra. » (Lio.11:16)
51. rhaj0 ( 09/09/2015 10:50)
esy eeee... samy te-"handova ny fanjakan'Andriamanitra" ny "zanak'Andriamanitra'... dia izao hitan'ny Ankizy "miady lova" izao eto...

Dia nefa... angaha misy "zanaNY" eto, fa samy zanaka Malagasy daholo fotsiny ??...

Ny Zanak'Andriamanitra zavatra atsy @ ilay hoe "zanak'Israely" sy izay niarakaraka tao Canaan tao, koa ianao aty @ 1000 kilometres-je-m'en-fous aty no misavika ny ho ZanaNY...



Fa dia tohizo ho'a fa .. faly ny Ankizy mijery sonema eee...
52. Strong3 ( 09/09/2015 11:55)
ianao izao no maka fanahy ny tenanao aho hoe nianao irery no marina kou hahahah :-)

ie ny ankizy moa amin'ny maha mbola tsy mikato lohamalemy azy dia tsy maintsy izay no mba atao ny mivanikika sy mijery filaora fotsiny ao

izay ra RBNIR ah, ry episkopo sy ny apostoly izao no andrasana fa efa avy nifadihanina 40 jours zao ireny ka mety tsy ho afaka ry episkopo fa hoy ny Tompo hoe , ireny karazany ireny tsy afaka raha tsy amin'ny fifadiakanina sy vavaka be

dia mahereza re ra RBNIR fa kay teoria be tsy misy pratika ny anareo tao ka rehefa hiakatra eny antanikatsaka ka tsy mahaovoka
fa hoe rehefa tsy mety dia tsy mety (satria tsy hainay izany , fa ilay mitatasika ao amin'ny KOLO TV vao maraina ao ihany no hainay)

53. RBNIR ( 09/09/2015 12:24)
Strong3:

dia mahereza re ra RBNIR fa kay teoria be tsy misy pratika ny anareo tao ka rehefa hiakatra eny antanikatsaka ka tsy mahaovoka

ka ny fandraisana ilay pratika no tsy mitovy namana...
Ny anay ity no atao pratika....« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)
Ny pratika tena ilaina dia ny fanaovana ny sitrapon'ny Rainy....

Ny anareo eto kosa anefa ny mahamaika anareo dia ....« ...... naminany .... namoaka demonia.... Ary .... nanao asa lehibe .....» (Matio 7:22)

Aleo averiko tanteraka eto ny teny iray manontolo mba hisainana....

« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)
« Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] » (Mat.7:22)
« Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » (Mat.7:23)
54. Strong3 ( 09/09/2015 12:45)
hihihih... raha teolojia hoa dia samby zanakin'ny mpanefy isika ka tsy ny fampideranao toko sy andininy eto no hilazana fa henjana ianao!

fa mbola averiko ihany:
1/ sahinao ve ny milaza fa ny fiangonanao irery , na hoe ny pasitera nare irery no marina
izy irery ihany no nomen'Atra ny fampianarana hotoriana amin'izao andro farany izao fa ny sisak'izay sandoka sy arak'io teninao io hoe " MPANAO TOMPOKO TOMPOKO fotsiny"

2/ sahinao ve ny milaza fa hisy olona hivavaka ao aminareo raha tsy misy fanomezampahasoavana hoenti-miasa ao aminareo , fa avy dia toriteny be ranoray ka dia resy lahatra ny olona?
55. RBNIR ( 09/09/2015 13:31)
1- Raha tonga i Jesosy ka nilaza hoe Zanak'Andriamanitra Izy dia vitsy no nino Azy.....
Dia toy izany no zava-misy ankehitriny, rehefa torina ny marina dia vitsy no manaiky fa ny atao hoe fampianarana tsy misy kilema dia fampianaran'i JEsosy taloha iny ihany ary ny fomba fampitany azy dia mifidy olona mivantana toy ireo apostoly Izy ary dia mampianatra mivantana ireny olona ireny koa Izy....
Ny olona tahaka an'izany irery ihany no azo antoka fa manana ilay tsy misy kilema efa tsy hita intsony nandritra ny 2000 taona...
Ny baiboly no hanamarinana azy namana...Raha milaza ilay olona fa nofidiny mivantana sy nampianariny mivantana dia 100% tokony mitovy amin'ny fampianaran'i Jesosy ny fampianarany ary hainy sady voaporofony ara-baiboly izany....

P.S: 2 (fa tsy 1) amin'izao fotoana izao no manana an'io ny 1 eto madagascar, ny iray any ivelany.....

2- Raha olona tena mikatsaka ilay fanjakan'Andriamanitra ka mino an'ity teny ity, tsy sarotra aminy mihitsy ny hanaraka ny fampianarana tsy misy kilema na dia tsy voizina mafy tahaka ny an'ny sasany aza ny resaka fitahiana sns...
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:33)
56. Strong3 ( 09/09/2015 13:38)
aleo aloha za hody fa toa miverina indray ny resaka ... hahahah

nandritra ny 2000 taona dia tsy niasa Jesosy ary tsy nampiasa olona intsony
fa dia ry "vitao ny asan'ny fahamarinana" no voahosotra

mahery ny fanangolena sy ny famolahana sain'olona ao aminareo ka...
izany ilay hoe manipulation directlyyyy :-) mental mihitsy fa tsy mba tsotsotra intsony

asa aloha raha hanaiky izany ny apostoly sy ny episkopo sy ny maty alarobia sns....
57. RBNIR ( 09/09/2015 13:44)
Strong3:

aleo aloha za hody fa toa miverina indray ny resaka ... hahahah

hahahaha mandrampihaona namana Strong a!
58. RBNIR ( 09/09/2015 13:54)
Strong3:

mahery ny fanangolena sy ny famolahana sain'olona ao aminareo ka...
izany ilay hoe manipulation directlyyyy :-) mental mihitsy fa tsy mba tsotsotra intsony


Ilay TENINY MIHITSY HOY AHO NO MAHERY SADY VELONA fa tsy misy resaka famolahana na fanangolen sain'olona izany;

« Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. » (Heb4:12);

Izay ilay tonga ao aminao namana fa tsy fanangolena na famolahana eto,
ngah moa misy zazakely eto fa olona efa misaina sy misafidy avokoa e!!!!

59. rhaj0 ( 09/09/2015 13:56)
Strong3:
fa dia ry "vitao ny asan'ny fahamarinana" no voahosotra

iiieeee... voahosotra ho tompo-daka...
sady mahazo ny toerana voatokana ho an'ny (fampianarana tsisy) kilema(ina)... :-)
60. taxs ( 10/09/2015 07:19)
rhaj0:

Strong3:
fa dia ry "vitao ny asan'ny fahamarinana" no voahosotra

iiieeee... voahosotra ho tompo-daka...
sady mahazo ny toerana voatokana ho an'ny (fampianarana tsisy) kilema(ina)... :-)
Hihihi! zaho aloha manaiky anareo raha isintona lakilosy e, itako tena maneno mafy mihitsy ireo namana sasany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3277