atao izay mahery ve?

81. stahtam ( 08/10/2015 06:34)

RBNIR:

[quote=stahtam]
IZA TETO AMBONY TANY NO NITORY FA RAVA NY DIDY FOLO, IZA NO OLONA NILAZA FA REHEFA NANDRAY NY MPAMONJY (yahoshuah) DIA MARINA.

Dia tena mampalahelo marina tokoa namana fa dia tena izy irery (sy ireo mpanaradia azy sy izay mitovy hevitra aminy) izany no tsy mba hiditra ao amin'ilay andro fitsaharan'i Jehovah!!!

Dikan-teny katolika (version anglaise)
8 If Joshua had led them into this place of rest, God would not later have spoken of another day.
9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,
10 since to enter the place of rest is to rest after your work, as God did after his.

« Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany. » (Heb;4:8)
« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito vakio ny dikan-teny DIEM) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb;4:9)
« Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy* koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [* Na: izy] » (Heb;4:10)

Ato no manoro ny tena marina mikasika ny hoe ambany lalàna sy ny ambany fahasoavana namana!!! Tsy foana akory ny lalàna fa hotanterahina ary ny FANAHY MASINA no mampitoetra izany lalàna izany ao anatin'ny olona, tsy olona mihezaka ny hanao ny marina fa olona efa novaina ho olomarina tsy mpanota intsony, mahafantatra ny rehetra tokony atao (anisany ny fitandremana ny andro fahafito) tsy atoro intsony satria efa ao anatiny ny fanaovana ny tsara anisany ny fahafantarany fa amin'ny mahaolon'Andriamanitra azy dia mbola misy ny andro fahafito araka ilay hebreo 4:9).....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!!


[/quote=stahtam]
Dia tena ialana tsiny namana RBNIR fa tsy izaho stahtam velively no nandefa ilay hafatra hoe "IZA TETO AMBONY TANY NO NITORY FA RAVA NY DIDY FOLO, IZA NO OLONA NILAZA FA REHEFA NANDRAY NY MPAMONJY (yahoshuah) DIA MARINA" kanefa dia misoratra fa "toa" avy amiko ilay izy. Tsy dia mahalala izay pitsopitsony @ resaka teknika @ itony informatika itony ny tenako ka tena tsy azoko izay nahatonga izany. Tsy yahoshuah velively no anaran'ny Mesia inoako ary tsy mpandrava didy folo ihany koa. Angamba tsara ihany ny hisian'izay fanazavana izay fa dia misaotra anao e.
82. RBNIR ( 08/10/2015 07:02)
Izany v? miala-tsiny namana stahtam fa tena diso adiresy iny izany....
83. stahtam ( 08/10/2015 08:34)

[quote=RBNIR]
Izany v? miala-tsiny namana stahtam fa tena diso adiresy iny izany....
[/quote=stahtam]
OK. Milamina izany ny momba an'iny e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.56