Mbola misy ve ny voaloham-bolana?

21. RBNIR ( 26/08/2015 15:33)
ranthson:

Manambara ny @ fahataperan'izao tontolo izao io tompoko, ka diso hevitra ianao raha tsy ampitovianao @ apok 22 io lanitra sy tany vaovao iory RBNIR

Tsy misy zavatra mifanipaka na mifanohitra ao amin'Andriamitra namana....efa nasehoko ny porofo fa samihafa ilay tany vaovao sy lanitra vaovao ao amin'ny Isa.65:66 sy ny ao amin'ny apok.21;22

Ilay ao amin'ny Isa.65;66 dia teny fikasana nomena ny vahoakan'Andriamanitra tamin'izany fotoana izany (raha nibebaka izireo)

Ilay ao amin'ny apok.21:22 kosa dia ilay fiainana mandrak'izay ho an'izao tontolo izao.....
22. RBNIR ( 26/08/2015 15:51)

ranthson:

Tena diso ny fandrasainao ilay teny ry RBNIR ka mivadika ambony ambany ilay izy.
kol 2:16 "« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol.2:16)
« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol.2:17),
1) ra io dia manin ary ianao manao sabata? fa maninona ianao tsy anao voaloham-bolana sy paska?
2) azavaiko ny hevitrio teny io : taloha tompoko, ny Jiosy ihany no mahazo manao paska sy voaloham-bolana, ny Jentilisa afaka manao raha toa ka forana. fa ankehitriny kosa, foana ny famorana ara-nofo fa batisa no famorana ny fo (kol 2 : 11-12), tsisy intsony na Jiosy na Jentilisa, ka noho izany tokony tsy hisy handrara an'ireo Jentilisa ireo intsony tsy anao sabata, paska, voaloham-bolana satria efa voafora t@ batisa izy ireo. izay ny dikan'io teny io. resaka famorana io tompoko.
3) aloky ny zavatra hoavy : ny dikan'io teny io dia atao koa rehefa any an-danitra.

Aleo entina ny dikan-teny frantsay namana hampahazava tsara azy...
Que personne donc ne vous juge au sujet du manger ou du boire, ou au sujet d'une fête, d'une nouvelle lune, ou des sabbats : 17 c'était l'ombre des choses à venir, mais le corps est en Christ.
des sabbats no voasoratra eto (pluriel) manambara zavatra maro,
Araka ny efa fantantsika dia n Sabata dia tsy anankiray akory fa misy karazany (levitikosy 25)
Ny Sabata (andro fahafito) dia tsy foana akory noho ilay valitenin'i Jesosy tamin'ilay iray nanontany azy (Mat.19:16-20) satria ny fitandremana ny didy folo dia takiana amin'ny olona iray raha te hiditra ao amin'ny fiainana izy....

Ny sabata resahina eto kosa dia ireo karazana sabata hafa namana....
23. ranthson ( 27/08/2015 05:41)
Ho very ianao raha tsy manao sabata, paska, voaloham-bolana ety, vakio ny isa 14 : 11 "Efa navarina ho et? amin’ ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola] ny tabihanao Mbamin’ ny feon’ ny valihanao; Kankana no ilafihanao, Ary olitra no mandrakotra anao." (ny any @ helo)
raha tohizana ny isa 66 : 22- 24 " Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, Dia toy izany ny haharetan’ ny taranakareo sy ny anaranareo.23 Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.24 Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin’ ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon’ ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy." (io ihany ilay caractéristique voalaza eo isa 14 : 11 any helo, Hijery ny olona very @ Helo ireo olona nanao ny voaloham-bolana, sabata...)

Anjaranao ny misafidy, fa tsy forcena ianao, raha tsy resy lahatra ianao dia aza manao voaloha-mbolana sy sabata, Kanefa izaho dia miteny aminao fa fantaro ny sitrapon'A/tra fa efa antomotra ny andro. (mihanoa radio 107.4 radio fmfoi ary tongava ao @ fgnn Ziona FJTSa7)
24. RBNIR ( 27/08/2015 06:37)

Ka na iza na iza anie namana manota amin'Andriamanitra ka maty dia lalàna 2 ihany no alehany e, na helo na paradisa....mitombina foana io ho an'ny olombelona rehetra namana, ary fampitandremana no nataon'Andriamanitra....
25. ranthson ( 27/08/2015 07:10)

RBNIR:

ranthson:

Manambara ny @ fahataperan'izao tontolo izao io tompoko, ka diso hevitra ianao raha tsy ampitovianao @ apok 22 io lanitra sy tany vaovao iory RBNIR

Tsy misy zavatra mifanipaka na mifanohitra ao amin'Andriamitra namana....efa nasehoko ny porofo fa samihafa ilay tany vaovao sy lanitra vaovao ao amin'ny Isa.65:66 sy ny ao amin'ny apok.21;22

Ilay ao amin'ny Isa.65;66 dia teny fikasana nomena ny vahoakan'Andriamanitra tamin'izany fotoana izany (raha nibebaka izireo)

Ilay ao amin'ny apok.21:22 kosa dia ilay fiainana mandrak'izay ho an'izao tontolo izao.....

Ary ilay @ isaia 66 : 15-24? amiko io = apok 21 :22, satria milaza ny @ fahataperan'izao tontolo izao ny voambara eo @ andininy 15 -17
26. ranthson ( 27/08/2015 07:18)

RBNIR:

ranthson:

Ho very ianao raha tsy manao sabata, paska, voaloham-bolana ety, vakio ny isa 14 : 11 "Efa navarina ho et? amin’ ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola] ny tabihanao Mbamin’ ny feon’ ny valihanao; Kankana no ilafihanao, Ary olitra no mandrakotra anao." (ny any @ helo)
raha tohizana ny isa 66 : 22- 24 " Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, Dia toy izany ny haharetan’ ny taranakareo sy ny anaranareo.23 Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.24 Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin’ ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon’ ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy." (io ihany ilay caractéristique voalaza eo isa 14 : 11 any helo, Hijery ny olona very @ Helo ireo olona nanao ny voaloham-bolana, sabata...)

Anjaranao ny misafidy, fa tsy forcena ianao, raha tsy resy lahatra ianao dia aza manao voaloha-mbolana sy sabata, Kanefa izaho dia miteny aminao fa fantaro ny sitrapon'A/tra fa efa antomotra ny andro. (mihanoa radio 107.4 radio fmfoi ary tongava ao @ fgnn Ziona FJTSa7)

Ka na iza na iza anie namana manota amin'Andriamanitra ka maty dia lalàna 2 ihany no alehany e, na helo na paradisa....mitombina foana io ho an'ny olombelona rehetra namana, ary fampitandremana no nataon'Andriamanitra....

IE, marina anie ny voalazanao e,
vakio ny Romana 2 : 12
"Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna."
DIa ampiko hoe
"Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ ny iray loha dia meloka amin’ izy rehetra". Jakoba 2 : 10

Ka diniho iany fa so dia ianao ilay tratran'ity teny ity manao hoe :
"Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia [Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] tamin’ ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay?23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka" mat 7:22
27. RBNIR ( 27/08/2015 08:12)
Aza afangaro koa namana fa ireo mifankahita anie dia ireo olona "efa maty" ankehitriny fa tsy hoe ilay any amin'ny fiainana mandrakizay e....(etsy andaniny ireo any amin'ny paradisa, ary etsy ankilany ireo any amin'ny fiainan-tsihita na helo)...

« Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan'andro tamin'ny fahafinaretana. » (Lio.16:19)
« Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny; » (Lio.16:20)
« ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy* ka nilelaka ny feriny.[*Na: ary ny alika koa dia avy] » (Lio.16:21)
« Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; » (Lio.16:22)
« ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lio.16:23)
« Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity. » (Lio.16:24)
« Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana. » (Lio.16:25)
« Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala ety, ary ny ho afa-mita hankety aminay izay eny. » (Lio.16:26)

Tsy ilay paradisa anie akory no fiainana mandrakizay (fa mbola fitsaharan'ny fanahin'ireo olona maty ao amin'ny Tompo) fotsiny ihany ny paradisa....
Porofo: ireo olona maty ao amin'ny Tompo ireo dia mbola hitsangana indray....ary hakarina hiaraka amin'ireo tratra velona amin'ny andro fiverenan'i Jesosy dia izay izireo vao handeha hiakatra sy hamojy ilay tany vaovao sy lanitra vaovao fa ity tany ity kosa hopotehina sy alefa any amin'ilay Afobe.....« Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. » (1 Tesaloniana 4:15)
« Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; » (1 Tes.4:16)
« ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. » (1 Tes.4:17)

Ny tiako holazaina dia hoe tsy ireo olona efa nitsangana tamin'ny maty ka tafafindra any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao ao amin'ny apok.21;22 ireo mifampitazana ireo fa mbola ireo olona "maty ao amin'ny Tompo" sy ireo olona maty any amin'ny helo....
Aza ampitoviana fa mety hahadiso hevitra namana....

28. ranthson ( 27/08/2015 09:00)

Eny tompoko, marina tsy azo lavina ny teninao ry RBNIR. ary ts mifanipaka izany hevitra izany.
Ny maty ao @tompo dia makany am-paradisa aloa, dia refa tonga ny farany dia hiara-hanjaka @TOmpo 1000 taona izy(apok 20 :6), dia aorian'ny 1000ans vo hoany Jerosalema vaovao.
Ka noho izany ireo olona any am-paradisa mifampitazana ny any @ fiainan-tsi-hita ireo no ho any @ ilay lanitra sy tany vaovao rehefa afaka 1000 ans aorian'ny faran'izao tontolo izao.
29. RBNIR ( 27/08/2015 09:47)
Ka ny tiako hahatongavana namana,
Tsy mitovy hoy aho ilay voalaza ao amin'ny Isa65;66 sy ilay voalaza ao amin'ny apok.21;22
Raha vao mampitovy an'io ianao dia ho diso fandray (izao mino fa ianao koa dia mino fa tsy hisy biby akory any amin'ilay fiainana mandrakizay???? (nefa ao amin'ny Isa.65 vakio tsara « Ny amboadia* sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.» (Isa.65:25)
Ny biby mantsy dia nofo aman-drà fotsiny ihany (tsy misy fanahy) ary ny « Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. » (1 Kor.15:50)

Izao ilay izy namana, nisy teny fikasana nomena ireo vahoakan'Andriamanitra tamin'izany, raha nibebaka ny vahoakany dia nahazo, raha tsy nibebaka kosa dia tsia....
Mazava ho azy mbola niresaka voalohambolana Andriamanitra satria TSY MBOLA TONGA ILAY KRISTY fa rehefa tonga kosa i Kristy dia tsy nanao intsony ireo mpianatra...
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol.2:16)
« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol.2:17)

Tadidio fa tsy ny lalàn'i Mosesy rehetra ange no voatazona fa nisy dia nisy tokoa ny efa noravain'i Jesosy e! Eto izao dia ny voalohambolana sy ireo andro firavoravoana sns......
30. ranthson ( 27/08/2015 10:02)

Eny ary, ary aiza ary io lanitra sy tany vaovao io? efa lasa sa mbola ho avy? raha efa tanteraka, ovina ny fahatanterahany?raha mbola tsy tanteraka ovina vao ho tanteraka?
31. ranthson ( 27/08/2015 10:08)
Raha tena azoko izany ny fanazavanao dia sabata ihany izany no tandreman'i RBNIR @ andro masin'A/tra? nareo izany tsy manao Paska, pentekosta?sns
32. RBNIR ( 27/08/2015 10:17)

ranthson:

Raha tena azoko izany ny fanazavanao dia sabata ihany izany no tandreman'i RBNIR @ andro masin'A/tra? nareo izany tsy manao Paska, pentekosta?sns

Rehefa andro firavoravoana namana dia efa tsy tokony atao intsony araka ny kol2...
Ny paska manokana misy fanazavana ny momba azy fa Jesosy mihitsy no efa nanao tsinontsinona ny paka tamin'ny nihinanany azy alohan'ny fotoana.....
33. RBNIR ( 27/08/2015 10:26)
ranthson:

Eny ary, ary aiza ary io lanitra sy tany vaovao io? efa lasa sa mbola ho avy? raha efa tanteraka, ovina ny fahatanterahany?raha mbola tsy tanteraka ovina vao ho tanteraka?

Ka ilay teny fikasana mihitsy anie no tsy notanterahan'Andriamanitra satria tsy nibebaka ireo vahoaka ireo e!...
34. ranthson ( 27/08/2015 10:31)

RBNIR:

ranthson:

Eny ary, ary aiza ary io lanitra sy tany vaovao io? efa lasa sa mbola ho avy? raha efa tanteraka, ovina ny fahatanterahany?raha mbola tsy tanteraka ovina vao ho tanteraka?

Ka ilay teny fikasana mihitsy anie no tsy notanterahan'Andriamanitra satria tsy nibebaka ireo vahoaka ireo e!...

Ay ve ka zay ilay izy e! dia aiza ho aiza no milaza fa tsy notanterahan'A/tra ilay izy fa tsy nibabaka ireo vahoaka ireo?
35. RBNIR ( 27/08/2015 10:36)
ranthson:

Ay ve ka zay ilay izy e! dia aiza ho aiza no milaza fa tsy notanterahan'A/tra ilay izy fa tsy nibabaka ireo vahoaka ireo?

Aza maka sarotra fa ny sora-mandry anie dia mahavaly azy e!
« [Ny fandavan'i Jehovah ny maro noho ny fanao tsy marina narahiny, sy ny fitahiana kasainy ho amin'ny mibebaka] Notadiavin'zay tsy naniry Aho sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho! » (Isa.65:1)
Voninahitra ho Azy irery ihany namana fa IZY no niverina indray nampianatra ny MARINA REHETRA.....
36. ranthson ( 27/08/2015 12:25)

Tena sura @ireo valin-teninao ireo ve ianao ry RBNIR? dia mino ve ianao fa naika hamorona lanitra sy tany vaovao hafa ankoatry ny Jerosalema vaovao ve i Jehovah A/tra e?

Izao leiz ry RBNIR, Isaia 65 et 66 dia faminaniana ny amin'ny ho avy (lanitra sy tany vaovao = Jerosalema vaovao) ny aorian'izao fiainana izao (...)izay hoan'ny nofo rehetra.

Isa 65:1 "1 Notadiavin’ zay tsy naniry Aho sy hitan’ izay tsy nitady; hoy Izaho tamin’ ny firenena izay tsy nantsoina tamin’ ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!" = ny atao hoe firenena tsy nantsoina t@ Anarany dia ny hafa firenena >> izany voalaza eto izany ny teny fikasana hoe hovonjena ihany koa ny hafa firenena fa tsy ny zanak'israel ihany.

- "Ny zaza minono any aza tsy ho fohy andro" = misy ve izany? (mandrakizay ny any)
- "ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny" = (mandrakizay any)
- "fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza" = NA D EFA ZATO TAONA AZA NY MPINO HO VONJENA VAO MATY DIA ZATOVO IHANY REHEFA TONGA ANY (Mandrakizay)

"ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina" = manambara io fa tsy hisy mpanota intsony any @ Jerosalema vaovao. fa raha hisy aza dia hozonina tahaka ny devoly kanefa any tsy hisy intsony satria ny devoly efa any @farihy mirehitra afo :-)

Lanitra sy tany vaovao isa 65 = isa 66 = apok 21 : 1.
>>> Noho izany mbola hatao any Jerosalema vaovao foana ny voaloham-bolana.

37. ranthson ( 27/08/2015 12:58)
RBNIR:

ranthson:

Raha tena azoko izany ny fanazavanao dia sabata ihany izany no tandreman'i RBNIR @ andro masin'A/tra? nareo izany tsy manao Paska, pentekosta?sns

Rehefa andro firavoravoana namana dia efa tsy tokony atao intsony araka ny kol2...
Ny paska manokana misy fanazavana ny momba azy fa Jesosy mihitsy no efa nanao tsinontsinona ny paka tamin'ny nihinanany azy alohan'ny fotoana.....

Jesosy hafa ngamba izany resahinao izany na kristy sandoka araka ny voalaza ao @ mar 13:22.
Fa i Jesosy Tompoko nitandrina ny Paska ary nahatanteraka ny paska. >> Matio 26 : 18
Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska. AZA AHODINA NY TENIN'A/TRA RY RBNIR A!

1kor 5 :7-8 " Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ ny masirasira ela, na amin’ ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin’ ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.

Ary mbola lazaiko anao fa na any Jerosalema vaovao aza mbola hisy paska >>>lio 22 :14-16" Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ ny Apostoly.15 Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.16 Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’ izany ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra

38. RBNIR ( 27/08/2015 13:13)
ianao ihany ange no mamaly azy e, "tsy amin'ny masirasira ela"....
39. ranthson ( 27/08/2015 13:26)

RBNIR:

ianao ihany ange no mamaly azy e, "tsy amin'ny masirasira ela"....

IE, tsy amin'ny masirasira ela, inona indray no tena tianao ahodina @io tenin'A/tra io ry RBNIR?
masirasira ela = fahaloton'ny fo, fihatsarambelatsihy sns....
40. RBNIR ( 28/08/2015 05:18)
ranthson:

IE, tsy amin'ny masirasira ela, inona indray no tena tianao ahodina @io tenin'A/tra io ry RBNIR?
masirasira ela = fahaloton'ny fo, fihatsarambelatsihy sns....

Salama namana,

Hovaliana ihany ilay resaka paska fa,

Mba tsy ialana lavitra amin'ilay lohahevitra dia aleo aloha hofitinina ny resaka teo aloha,
Ianao milaza hoe tokony mbola anao voalohambolana satria any amin'ilay tany vaovao voalaza ao amin'ny Isa.65;66 dia mbola misy voaloham-bolana,

Nentiko teto ny porofo fa hafa ilay teny fikasana voalaza ao amin'ny Isa.65;66 (mbola misy maty, misy ozona , misy mpanota, misy andro sy volana isaina misy biby toy ny ambodia sns... sy ny teny fikasana ao amin'ny bokin'ny apok.21;22 ( (tsy misy fahafatesana intsony, tsy hisy ozona intsony, tsy hisy mpanota intsony fa ny fahamarinana no manjaka, tsy hisy alina intsony donc tsy hisy andro sy volana isaina intsony (tsy hisy voalohambolana intsony araka izany any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao izay tsy misy ranomasina satria tsy afaka anisa andro sy volana intsony isika).

Noporofoiko tamin'ity teny ity moa fa ny voalohambolana dia efa tsy notandreman'ireo mpianatra intsony satria aloky ny zavatra ho avy hoy ny tenin'Andriamanitra « Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol.2:16)
« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol.2:17)

Ny mahazava-doza ny fitandremana volahambolana hoy ao dia "tsy hahazoana ilay loka (fiainana mandrakizay) araka ity teny manaraka ity « Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa* hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [* Na: (tsy)] » (Kol.2:18)

Nipoitra avy tamin'izany moa ny resan-tsika momba ny paska ( anisan'ireo andro firavoravoana) koa dia hovaliana ihany tokoa amin'ny manaraka raha sitrapon'ny Tompo.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2217