BATISA MARINA ???

241. RBNIR ( 18/08/2015 11:10)

bor2lais:

RBNIR:

Ary ny porofo fa marina izany voalazako izany dia satria maro eto no mitady hanohitra sady tsy te hino an'izany fahamarinana izany..........

:-)
Dia izay ve ny "conclusion" azonao tsoahina tamin'izay fifanakalozana lavabe izay RBNIR ?
:-)

Mbola tsy mamintina na mamarana isika namana fa mbola mamaly ny namanantsika hajarilala7 fotsiny ihany, mbola ho avy (raha sitrapon'ny Tompo e)
242. RBNIR ( 18/08/2015 11:19)
Efa maika amin'ny mba hifaranan'ilay izy sahady angah ny namantsika bor2lais (dia ho sanatria mangidihidy sofina sahady ny namanako)???? mbola vao misasaka anie, ny "fond" aza izao mbola tsy voazara akory koa.....Nefa na izany aza dia araka izay sitrapony ihany fa raha sitrapony dia mbola hitohy ihany ny resaka e!
243. rhaj0 ( 18/08/2015 13:05)
[size=6]completema hors-suze... fa te-hivanitika eee... efa ataoko kely botitika fa aza vakiana... safidinao ny mamaky...
RBNIR:
sanatria mangidihidy sofina sahady ny namanako

Ny sofina sa ny inona ny an'i Bor2lais no mangididy eee...
RBNIR Bor2lais[/size]
244. bor2lais ( 18/08/2015 13:24)
RBNIR:

Efa maika amin'ny mba hifaranan'ilay izy sahady angah ny namantsika bor2lais (dia ho sanatria mangidihidy sofina sahady ny namanako)???? mbola vao misasaka anie, ny "fond" aza izao mbola tsy voazara akory koa.....

:-)
Ka efa ela ihany no niandrasana ilay fond avy any amina(re)o fa toa ny forme foana no ahodinkodina !
RBNIR:

Nefa na izany aza dia araka izay sitrapony ihany fa raha sitrapony dia mbola hitohy ihany ny resaka e!

:-)
Nefa na dia izany aza mba iangavio ao ilay mpanome sopapa ana(re)o tsy ho ela loatra fa efa mangidihidy hihaino ny sofinay !
:-)
245. RBNIR ( 19/08/2015 07:17)
bor2lais:

RBNIR:

Efa maika amin'ny mba hifaranan'ilay izy sahady angah ny namantsika bor2lais (dia ho sanatria mangidihidy sofina sahady ny namanako)???? mbola vao misasaka anie, ny "fond" aza izao mbola tsy voazara akory koa.....

:-)
Ka efa ela ihany no niandrasana ilay fond avy any amina(re)o fa toa ny forme foana no ahodinkodina !
RBNIR:

Nefa na izany aza dia araka izay sitrapony ihany fa raha sitrapony dia mbola hitohy ihany ny resaka e!

:-)
Nefa na dia izany aza mba iangavio ao ilay mpanome sopapa ana(re)o tsy ho ela loatra fa efa mangidihidy hihaino ny sofinay !
:-)

Raha SITRAPON'NY TOMPO hoy aho!!!!
246. RBNIR ( 20/08/2015 19:26)

Hajarilala7:

indrindra ho an'i Strong3

Ny Batisa marina dia
- Hialohavan'ny Fibebahana = Finoana azo avy amin'ny toriteny avy amin'ny Fanahy Masina
- fiarahana milevina amin'i Kristy, (Romana 4/4-6) = Atao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo.
- hasitrika ao anaty rano.
- Rano tsy mbola nadevenana olona (Jaona 19/ 41), satria Jesosy dia tao amin'ny fasana tsy mbola nandevenana olona no nandevenana Azy = Rano mandeha (Ony)

Faly misera namana,

Marina aloha fa ony be ny fanaovana ny batisa saingy ity fomba fanazavanao azy ity kosa..... tena izay marina v namana no antony mahatonga ny olona hatao batisa amin'ny ony????

Fantatrao ve ny anton'ny nandevenana an'i Jesosy teo amin'ilay fasana mbola tsy nandevenan'olona?

« Ary teo no nandevenany an'i Jesosy noho ny andro fiomanan'ny Jiosy, satria teo akaiky ny fasana. » (Jao.19:42)

Efa hiditra ny Sabata ka tsy nanana fotoana firy intsony ny olona dia teo no nandevenana an'i Jesosy satria teo no akaiky fasana....

Ny antony hanaovana batisa amin'ny ony be kosa dia :
1 « ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. » (Mat.3:6)
satria teo amin'ny onin'ny jordana i jaona no nanao batisa.....

2- noho ity antony ity « Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, ......... satria nisy loharano maro tao; ........ » (Jao.3:23)

Raha ny baiboly no jerena ny atao hoe ony dia rano lehibe manana "loharano" nipohirany....

Ireto ohatra misy ony lehibe 4 izay nanana ny loharano nipoirany avy ao edena

« Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra: » (Gen.2:10)
« Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena; » (Gen.2:11)
« ary tsara ny volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla. » (Gen. 2:12)
« Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra. » (Gen.2:13)
Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. » (Gen;2:14)

Ary ity no manaporofo fa ny loharano sy ony dia iray ihany araka ny baiboly : « Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; .....» (Sal.74:15a)
247. RBNIR ( 20/08/2015 19:46)

RBNIR:

« Ary teo no nandevenany an'i Jesosy noho ny andro fiomanan'ny Jiosy, satria teo akaiky ny fasana. » (Jao.19:42)

Efa hiditra ny Sabata ka tsy nanana fotoana firy intsony ny olona dia teo no nandevenana an'i Jesosy satria teo no akaiky fasana....

Entreparenthèse kely ity amin'ireo miziriziry hoe Jesosy maty alarobia....
Io ambony io no porofo fa maty zoma Jesosy (andro fiomanana) fa tsy maty alarobia......
248. RBNIR ( 13/02/2023 14:14)
Faly misera namana isany, sendra namaky dia nahatsiaro ity lohahevitra efa ho 8 taona sahady izay,
Mbola any ihany v ireo namana mahafinaritra toa an-dry strong3 sy rhajo???

Batisa MARINA ? mbola mitombo hatrany ny zavatra niafina fa nasehon'i JEsosy ankehitriny

Batisa avy any an-danitra no tena notakiana araka ny baiboly...

Lioka 20:4 MG1865
Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona?

Ny batisan'ny rano tokony atao dia ilay batisa avy any an-danitra...
Avy any an-danitra = nisy IRAY avy any an-danitra any naniraka mivantana ilay mpanao batisa..
Mety hoe ny RAY io naniraka io (tahaka an'i Jaona mpanao batisa)
Mety hoe ny ZANAKA io naniraka io (tahaka an'ireo apostoly)
Mety hoe ny FANAHY MASINA ihany koa io naniraka io (tahaka an'i filipo izay nanao batisa ilay tandapa)...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2804