creationisma maoderina

21. fidinirina ( 05/05/2015 07:16)
.
.
.

Isaia 29 : 16
Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
Isaia 45 : 9
Lozan’ izay miady amin’ ny namorona azy! Tavim-bilany isan’ ny tavim-bilany amin’ ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin’ ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
22. rhaj0 ( 05/05/2015 10:26)
Diniho tsara ihany ilay schema io ry Fidinirina aa..Hoe avy aiza no misampana ilay fivoarana (evolution), ary firy ny echelle des temps ho'a.. Dia ivereno saintsainina tsara ilay fisampanany. Dia eritrereto tsara hoe, tsisy mitsambikina avy amina rantsana hafa, fa atsy ifoton'ilay fisampanana no mizara. Ary dia aza manaiky rabirabin'ny olombe-nao ao intsony, sy mamerina pli-vava ny rabirabiny, ka hoe "avy @ biby", fa evolution efa amina million d'annees no resaka hoe.

Sa ny anao ve ho'a, ilay 5000 taonan'i Madame Eva ihany no tianao fikirina ao?.. Dia ahoana... ianao izany taranaky ny mpianadahy sa mpianaka ? Trandremo ihany fa ny zene anie mikorontana mandritra ny zenerasio maromaro rahefa zanaky ny inceste e...

Dia ahoana ho'a, ilay hoe, raolona toa ny endriky ny ... olona tao Canaan izany t@ voanalohany ? Tsy mainty sy tsy ngita sy tsy petaka sahala izaho sy ianao anie i Madame Eva ho'a e... sa misy "evolution" ihany raolona-bibilika na izany azany ?

Hi hi hi... averiko anao ny resakao : "rahoviana ary hono ny olombelona (i Fidinirina) no hivadika ho"... fotsy, malama volo, lava orona sahala @ Madame Eva (sy Jesosy) eee... mety tsy reconnaissable hoe zanak'i Madame Eva anie ianao izao rahefa lasa (miverina) any Paradisa eee...
23. endriny ( 05/05/2015 12:22)
Satria isika tsy mino ny evolution dia tokony haiky izany fa isika ngita volo sy mainty hoditra dia tsy olom-belona mitovy amin'ny any Eraopa... Ka aza mandeha mianatra ny baiboly nosoratany
24. gasy1zay ( 05/05/2015 16:12)

endriny:

Satria isika tsy mino ny evolution dia tokony haiky izany fa isika ngita volo sy mainty hoditra dia tsy olom-belona mitovy amin'ny any Eraopa... Ka aza mandeha mianatra ny baiboly nosoratany

endriny koa zany tsy tokony handeha fiara vitan'ny vazaha fa aleo sarety ihany na karenjy, aleo tsy mianatra ihany koa fa toa fampianarana nolovaina t@ charlemagne daoly izy ity?

Sao dia ambompo diso toerana izany ka rehefa avy any @ vaza dia lazaina fa tsy izy daoly?
25. rhaj0 ( 05/05/2015 16:26)
Ilay izy tsy hoe "ambom-po", ary tsy hoe "resa-bazaha", fa hoe, coherence sy logique sy @ ilay honnetete intellectuelle fotsiny eee..

Jereo tsara ry Amish ho'a, rahefa hoz'izy hoe, tena "hanaraka an'i Jesosy" araka ny tatatatan'i Jesosy hoe ndao hanaraka ahy, dia tena "manaraka" tokoany zareo ary navelany ny "rendrarendran'izao tontolo izao".

Dia mba mandinihi-tena Ianao...
- sady be indrahindra ny revy toa io revin'ny Amish (mitatatata ny hanaraka AZY),
- no manabaty sy manaz'inona ny revin'ny rendrarendra (satria izany hoz'IZY),
nefa ianao dia mikatsentsitra giravy ny (vokatry ny) rendrarendra ao ihany, sady ampianao tavin-dresaka fanamarinan-tena gaigy be...
26. fidinirina ( 06/05/2015 04:22)
.
hi hi hi, Ary ahoana indray zany zao ty? Evolution sa Regression ho'zy le olona nanoratra azy!
27. rhaj0 ( 06/05/2015 10:37)
ka ianao azany ve ry Fidinirina tsy hipetraka eo anoloan'ny laoridinatera a... Io no lazaiko hoe, maninona azany ianao tsy manao Amish e... araka ny noresahina tatsy..

eritrereto tsara ho'a, fa ianao kristiana-a-temps-partiel-be-kabary-manamari-tena io k'lou, rahefa hiditra atsy @ vodi-fanjaitra, dia tena songonan'ny Amish ohatra, sy rizareo pretra sy moine tsy manao afa-tsy baiboly ny androm-piainany manontolo eeee... hi hi hi... nefa "vitsy no fidiana" an.... toatoa izay ilay izy ooo?

toa izao ry l'ami amish:
zareo Amish ireo no tena "miaraka @ Jesoa Kristy tsy miraika @ fihazakazak'izao fiainana izao".. mbola mandeha lavotiry taritina soavaly izy, ary tsy mampiasa lelekitrisitia, koa na ny ankanjony azany tavela t@ lamody 1800 tany.. ary mitoka-monina tsy miharo @ fiarahamonina, tsy mivady @ ireo mpanotabe eran-tany eto, f'izy samy ao ihany no ady ao.. tsisy mampirafy izany, tsisy misotro, tsisy mivaro-tena... Fa asa raha mahay toa i ... Lota (izay moa izy teo) zareo..
28. Strong3 ( 06/05/2015 12:09)

fidinirina:

.
hi hi hi, Ary ahoana indray zany zao ty? Evolution sa Regression ho'zy le olona nanoratra azy!

hiverina handady hihih :-)
29. rhaj0 ( 06/05/2015 12:30)
Koa nareo izao no efa mandohalika kouh...
30. fidinirina ( 07/05/2015 07:40)
tsy nisy valiny:
Qu'est ce que la science prévoit ? @ "creationisma maoderina"

rhaj0:
toa izao ry l'ami amish:
zareo Amish ireo no tena "miaraka @ Jesoa Kristy tsy miraika @ fihazakazak'izao fiainana izao".. mbola mandeha lavotiry taritina soavaly izy, ary tsy mampiasa lelekitrisitia, koa na ny ankanjony azany tavela t@ lamody 1800 tany.. ary mitoka-monina tsy miharo @ fiarahamonina, tsy mivady @ ireo mpanotabe eran-tany eto, f'izy samy ao ihany no ady ao.. tsisy mampirafy izany, tsisy misotro, tsisy mivaro-tena... Fa asa raha mahay toa i ... Lota (izay moa izy teo) zareo..

Efa nisy ohatran'ireny taty Mkara fa nihomehazan'ny olona : tsy mandeha fiara, tsy manao kiraro...
Raha efa nisy fiara-manidina ve r'se t@ andron'ny Jesosy ; tsy mba efa nitety an'izao tontolo izao izy hanasitrana ny marary ohatra sy hampianatra ny olona rehetra. Tsy hoe rehefa kristianina dia tsy tokony hanaraka ny "espace" sy ny "temps". Ny ahy zao zarako aza nisy internet ahafahako mitory na dia aty am-piasana aza aho, satria tsy manana fotoana andeha hampianatra ny jentilisa any ivelany any. "Extremista" na mpandray an-tendrony amiko zany fijery zany. Ireny zavatra misy rehetra ireny dia avy @ "découverte" avokoa. Zany hoe efa teo ihany ilay izy fa mandeha ny andro sy taona ela be vao misy mahita. Ohatra, ny onde Hertz no fototry ny Radio, ny fifandraisana rehetra dia mihitatra hatrany mandrak'ankehitriny. Izany ve midika fa mbola tsy nisy t@ taona 30 na 100 ny "onde" fa t@ 1888 vao nisy.
Tsara ihany no nataon'ireo karazan'olona lazain-drhaj0 ireo fa misy tenin'i Jesoa Kristy t@ Andriamanitra koa milaza fa: "Izaho (Jesoa) tsy mangataka aminao (Andriamanitra) mba hampiala azy amin’ izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ ny ratsy [Na: amin’ ilay ratsy] Jaona 17:15" midika hoe tsy afa-miala eto @ izao tontolo izao aloha ny Kristianina fa tsy maintsy mipetraka eto mandra-piverin'i Jesoa Kristy ary tsy hoe ampondra ihany no notaingenan'i Jesoa Krsity dia izay ihany ampiasaina. Tsy "mode de vie" akory ny kristianisma fa FINOANA.
31. rhaj0 ( 07/05/2015 10:28)
fidinirina:
tsy nisy valiny:
Qu'est ce que la science prévoit ? @ "creationisma maoderina"

- Dia tsy sasatry ny manisisisika ny @ izany hoe "fanontaniana-tsy-voavalin'ny siansa" ho'a nareo,
- dia izaho koa tsy sasatry ny manazava fa ny Siansa dia "work in progress" ary tsy manana valiny ny fanontaniana rehetra.. ary tsy olana izany.

Ilay reflexe na conditionnement mahazo anareo ao @ Finoana ao ho'a, dia io mampiteniteny foana foana (toujours) anareo io, ka heverinareo fa toa anareo daholo ny olona eee... Io izao i Fidinirina mikiry toatoa ny hoe, inona no hitan'ny Siansa ao anaty boule de cristal-ny... TSY mijery ny ho avy ao anaty boule de cristal re ny Siansa eee...

Ohatra ho'a izao ny Big-bang.. hozy ilay siantista kanadiana Hubert Reeves izay hoe... raha tsotsoriko araka ny fahazoako azy. Raha atao hoe @ fotoana 0sec no nitranga ny antsoina hoe big-bang, dia ny fotoana +1sec h@ +100.. sec no nozohina niverina nahafahana nanazava ny 0sec. Ireo "fotoana +1sec h@ +100.. sec" dia efa mazavazava @ siansa ahoana ny lalAna fizikan'ny natiora. Fa ny fotoana -0.001sec kosany, dia TSY mbola takatry ny Siansa, hoe inona no karazana interaction entre particules t@ izany. Ary dia mbola mikaroka sy manitatra sns.. ny siansa @ izao fotoana izao... mbola tsy vita ny fangala-piery.

Dia rahefa "tsy vita ny fangala-piery", dia ny olona (na ny siantista) dia TSY angoissE na anxieux @ izany, fa faly akoriny aza fa mbola mitohy ny lalao.

Fa (nareo) mpino no matahotra ny @ izany ao, na nampitahorina, ary dia mila hoe, tonga dia asio valiny hoe, aiza ilay boka fa poritra pipi aho eee... Dia avy tokoany ny baiboly sy bainina be rediredy isany, dia milaza resaka araka izay takatry ny loha(keli)ny ao, ary dia hoz'izy hoe : minou fotsy eeee... Dia iny tokoany iana(re)o mpino fa afaka anxietE sy angoisse ?? Dia nefa ho'a dia ridicule aty aoriana, fa ilay minou fotsy kay minou maramara... :-)
32. gasy1zay ( 07/05/2015 13:20)

Dia aona tokoa ry rhaj0 raha rehefa vita ilay work in progress ka ny valiny dia hoe tena diso ireo siantista taloha fa toa nisy Andriamanitra ihany namorona izao tontolo fa tsy afaka ni s'autocréer izao tontolo izao? Ny anareo anie izany hypothèse daoly satria mbola tsy vita ny fikarohana fa vao eo an-dalana na "in progress" e!
33. rhaj0 ( 07/05/2015 13:30)
TSY ho vita mihintsy ny "work in progress" ary mivoatra hatrany raolombelona ry Gasy1zay a... Io ho'a, dia meteza ianao ho olona niaina 100 taona lasa. Ny Fizika t@ 1910-20 tany izao dia, misy dia "nino" t@ izany fa "vita ny Fizika", fa tsisy raha vaovao ho hita intsony fa ny eo sisa no avadibadika.. Nefa izao dia mbola miitatra sy misy revy sy fijery vaovao foana... ka afaka 100 taona dia mbola mitohy manonja ny fiainana ee...

ilay hoe big-bang @ fotoana = 0sec anie dia napetraka fotsiny hoe, fotoana = 0sec... Mety fotoana +3,456,789sec io, fa fotsiny, ny talohan'izay no tsy takatra ka dia napetraka ho 0sec k'lou...

Fa TSISY raha "vita" sy "parfait" izany koa ry Gasy1zay a... aza mba conditionnE ho mieritreritra hotr'izany, dia tery saina tsy misokatra mihintsy, na dia efa lany andro na hoe hita fa diso azany ny misy eo (tsy "vita" ary tsy "parfait")...

Ohatra hoe, ny lalam-piaraha-monina koa dia mbola mivoatra hatrany.. mivoatra miaraka @ fi(s)ainana.. Izany no ataon'ny Antenimieram-pirenena = mamorona (manavao) lalAna (vaovao)...
34. gasy1zay ( 07/05/2015 13:58)

Ka tsy hitovy hevitra mintsy isika ry rhaj0 @ fivoarana a! Amiko hoy aho tsy fivoarana ny hoe mahazo alalana hividy rongony amin'izay (toy ny azy zamerika), mahazo mivady @ izay ny L+L sy V+V

Ny eto amintsika aloha ny fanovana lalàna toa mbola hanomezana tombontsoa ny mpitondra no tena tanjona fa tsy fivoarana velively
35. rhaj0 ( 07/05/2015 14:40)
Ilay "fivoarana" dia "evolution"... Ny jugement-nao @ izay vokany eo indray zavatra hafa.

Ny @ rongony indray dia eo ianao sy ny TSY fahalalanao ny zava-misy. Aty izao dia nisy nanokatra toa ny Bar marijuana, tsy alikaola no sotroina fa marijuana no fohana. Dia ho lasa adala ao ianao sy ny TSY fahalalanao. Ny olona mandeha ao, dia ireo olona mila "medical marijuana" anisany.. misimisy ny aretina tsy sitrana, fa kosa lefahina @ marijuana ny fijaliana. Ny marijuana dia fantatra ny vokany, ary ny toro-hevitra fotsiny, dia mba any @ 25 taona any, rahefa tsy mitombo intsony ny ati-doha, dia tsy maninona raha mifoka marijuana.. "hono". Koa na ny toaka koa azany dia toatoa izany ny toro-hevitra.
36. gasy1zay ( 07/05/2015 15:15)

Eny hoy aho fa raha mety aminareo mianakavy ilay izy dia tsy hanakana aho fa izaho aloha aleo ihany hananatra mafy ny taranako tsy hikitikitika na hifoka rongony na thérapeutique na tsia.
37. gasy1zay ( 07/05/2015 15:23)
oh ry rhaj0 a! Ianao moa izany izay zavatra rehetra lany ao @ antenimiera Kanadiana na be kintana ao dia tsara foana satria fivoarana sy fahalalantsaina oh? Tonga dia ekena an-jambany moa izy izay ?
38. rhaj0 ( 07/05/2015 15:35)
Izaho miaina ao anaty fiaraha-monina ary manaja ny demokrasia.. Mahatoky aho fa toa izany koa ny politisiana (ny aty Kanada k'lou)... ohatra.. mitrifana be ry Conservatista (ireo kristiana fondamentalista ho'a no minoritE agissante ao) eo @ fitondrana @ izao fotoana izao, ary dia nanao lalAna, mody hoe, mijery ny securitE hono, nefa mitady hamatopatotra ny fahalalahana.. Midrikina ny opposition.. fa raha ho lany moa io lalAna io, dia mbola mahatoky ny olona fa misy irika ahafahana mirevy ny fahalalahana, ary manilika ny faneriterena, satria ny lalAna hafa fototra dia miaro izany fahalalahana izany.
39. Strong3 ( 08/05/2015 06:44)
Iza no Namorona An’Andriamanitra?

Eritrereto hoe miresaka amin’ny zanany lahy fito taona ny lehilahy iray. Hoy izy: “Tany aloha be tany Andriamanitra namorona ny tany sy ny zava-drehetra eo aminy, dia izy koa no nanao ny masoandro sy ny volana ary ny kintana.” Nieritreritra kely teo ilay zaza ary avy eo nanontany hoe: “Dia iza, ry Dada, no namorona an’Andriamanitra?”

Dia mamaly ny rainy hoe: “Efa nisy foana Andriamanitra hatramin’izay fa tsy nisy namorona.” Hatreo aloha mbola manaiky an’izany ilay zaza, fa rehefa mihalehibe izy dia mbola hanitikitika ny sainy indray izany. Toa tsy eken’ny sainy ilay hoe efa nisy foana Andriamanitra, satria na izao rehetra izao aza nisy namorona. Lasa saina izy hoe: ‘Ahoana àry no nampisy an’Andriamanitra?’

Ahoana hoy ny Baiboly? Mitovitovy amin’izay nolazain’ilay raim-pianakaviana ihany. Hoy i Mosesy: “Jehovah ô, ... talohan’ny nahaterahan’ny tendrombohitra, sy ny niterahanao ny tany mbamin’ny tany lonaka, dia efa Andriamanitra ianao hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.” (Salamo 90:1, 2) Hoy koa i Isaia mpaminany: “Tsy fantatrao angaha sa tsy renao? Andriamanitra mandritra ny fotoana tsy voafetra i Jehovah, ilay Mpamorona ny faran’ny tany.” (Isaia 40:28) Resahin’ny taratasin’i Joda koa fa efa nisy “hatrizay hatrizay” Andriamanitra.—Joda 25.

Asehon’ireo andininy ireo fa “Mpanjakan’ny mandrakizay” Andriamanitra, araka ny ilazan’ny apostoly Paoly azy. (1 Timoty 1:17) Efa nisy foana izy hatramin’izay fotoana farany takatry ny saintsika, ary hisy foana koa amin’ny hoavy. (Apokalypsy 1:8) Izany no tena mampiavaka an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.

Nahoana no sarotra amintsika ny mahatakatra an’izany? Satria voafetra ny fotoana iainantsika, ka hafa mihitsy ny fahitantsika ny fotoana fa tsy hoatran’ny an’i Jehovah. Andriamanitra mandrakizay izy, ka aminy dia toy ny iray andro ny arivo taona. (2 Petera 3:8) Int? misy ohatra: Maharitra roa volana eo ho eo ny androm-piainan’ny valala efa lehibe. Mety ho takatry ny sainy ve ny halavan’ny androm-piainantsika hoe 70 na 80 taona? Tsy azo inoana izany. Milaza anefa ny Baiboly fa hoatran’ny valala isika raha mitaha amin’ilay Mpamorona Be Voninahitra. Mbola manan-tsaina lavitra noho isika i Jehovah. (Isaia 40:22; 55:8, 9) Tsy mahagaga raha tsy takatry ny sain’ny olombelona ny zavatra sasany momba azy.

Mety ho saro-takarina aloha ilay hoe efa nisy hatrizay Andriamanitra ary hisy mandrakizay. Mitombina tsara anefa izany. Raha nisy namorona mantsy Andriamanitra, dia izay namorona azy izany no atao hoe Mpamorona. Milaza anefa ny Baiboly fa i Jehovah no “namorona ny zava-drehetra.” (Apokalypsy 4:11) Fantatsika koa hoe nisy fotoana mbola tsy nisy izao rehetra izao. (Genesisy 1:1, 2) Ahoana no nampisy azy io? Tsy maintsy hoe efa nisy taloha ilay Mpamorona azy. Efa nisy koa izy talohan’ny nisian’ny zavaboary manan-tsaina hafa rehetra, anisan’izany ilay Zanany lahitokana sy ireo anjely. (Joba 38:4, 7; Kolosianina 1:15) Izy irery àry no nisy, tany aloha tany. Tsy nisy namorona izy, ary tsy nisy afaka namorona azy.

Isika sy izao rehetra izao dia porofo mivaingana fa misy ny Andriamanitra iray, izay maharitra mandrakizay. Tsy maintsy ho efa nisy foana Ilay mampihetsika an’izao rehetra izao midadasika, sy Ilay nanao ny lalàna mifehy azy io. Izy ihany no nahavita namorona ny zavamananaina.—Joba 33:4.

HOAN'NY MPAMAKY LIANA AHAFANTATRA ara-baiboly :-)
Mirary soa hoanao !!!
40. rhaj0 ( 08/05/2015 10:22)
.
.
.
i Atra no namorona an'i Atra, ary Atra no n(amp)anoratra ny Baiboly.
Ary ny Baiboly no manamarina ny fisian'Atra. Ary ny Baiboly no manamarina ny Baiboly.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3095