Islamisma ao Dago

1. rhaj0 ( 23/04/2015 13:01)
Nisarika ny masoko ny tao @ LGDI androany :
Actuellement, on voit la prolifération de mosquées dans toutes les contrées de l’Imerina.

Toa tsy mankasitraka izany ilay mpanao gazety, ary mametraka ahiahy ny @ "herin'ny volan-dreo", hany ka nanitatra ny resakany @ Al-Qaida (tombatombana tsisy-porofo = dangereux!)
... la puissance financière mise à la disposition de cette religion est tout à fait ahurissante et seule une puissance émanant d’une organisation comme Al Qaïda peut le faire pour qu’à terme Madagascar devienne un état islamique.


Izaho moa tsy mahalala sy tsy mahita, ka manontani-tena (na manontany anareo) hoe ahoana marina izy izany :
- islamista mirona any @ extremisma tokoany ve izany ao izany, sa
- islamista tsotra @ finoany ao, fa victime-n'iretsy extremista (na ny extremista moslimo mpandoto rano, na ny extremista kristiana sy hafa izay efa mankahala ny moslimo hatrany an-kibo-tsainy lalina any)


Fa mijery ny tantara dia hozy wiki..
http://en.wikipedia.org/wiki/Islam_in_Madagascar
Islam has been well established in what is now known as Madagascar for centuries and today Muslims represent 7% of the population

Fa raha nijerijery iretsy rakitsoratr'i Flacourt, noresahina tatsy sy taroa dia, raha ny fazahoako azy, dia ny fivavahan'ny Gasy taloha (na ny Zafiraminia sns) dia lova-tsofina avy @ islamo. (Koa na ny anaran'ny andro azany dia hita fa silamo...)

Dia mino koa aho fa ny Karana (Pakistanais) ao Mada dia moslimo koa..
novalian'i rhaj0 ny 15/05/2015 15:57
2. Strong3 ( 24/04/2015 08:37)
Tsy hoe mino ianao fa manakaiky an'izay ilay tantara, na arabo na jiosy dia samy nametraka tantara teto daholo, ny pakistanais ngamba no somary tara fahatongavana
fa ireo dia moslimo daholo no betsaka ... hatreto aloha dia tsy misy mahery fietsika ara-batana (mihetraketraka) teto eh, fa ilay mibodo tany sy manangona tany tsy hay na risoriso na amin'ny fahamarinana no betsaka, efa mandeha mihamanonga tsikelikely ny kidnaping eo amin'ny samy zareo ,fa niatoato kely izay resaka izay amin'izao noho ny fampandriatany zany

__ fa ilay hoe extremista kristiana aloha aty mada dia mbola tsy misy eh! _ malagasy daholo ny kristiana aty ka sady manana ny fihavanana no manana an'i Kristy mampahendry azy ireo

fa hitanao ihany ny mpanao gazety...

fa na izany na tsy izany misy mpanao politika tohanan'ny mosilimo eto , ary saika lany ihany izy ,fa soa fa tany amin'ny faritra nisy azy no be vato izy.

efa nisy fotoana hono (ataoko hoe hono...) nanao tranga toa izay miseho ao SudAf ao ny tao mahajanga tao , ka saika nanerana ny nosy ngamba, ny fanafoana ny ... sy ny ... , fa rà nandriaka hono tao mahajanga tao, Ary saika nitsoam-ponenana izay afaka tamin'ny fandripahana , marihina fa tsy KRISTIANa ireo nandroaka sy namono ireo tamin'izany fotoana izany... izao vao manomboka mahazo vahana indray ny moslimo , satria laika moa ny tany ny madagasikara ...
Amiko na dia kristiana aza aho, tsy mampanino ahy ny miaramonina amin'ny olombelona rehtra
3. rhaj0 ( 24/04/2015 13:55)
ny extremisma rahefa googler-na dia manondro
fun·da·men·tal·ism (f?n?d?-m?n?tl-?z??m)
n.
1. A usually religious movement or point of view characterized by a return to fundamental principles, by rigid adherence to those principles, and often by intolerance of other views and opposition to secularism.


Tena mitompo-teny ianao Strnog3 izany fa TSISY Kristiana (aloha izay vao) gasy roboka toa izany ?
4. endriny ( 26/04/2015 03:59)
Matahotra be ny kristianina hoe hioaran'ny silamo, tsy eto ihany fa hatrany Chine koa... Efa manao izay ho afany CRS sy ny ADDRA ary ny SAF amin'ny fanambazana tetikasa ny olona mba hirona ho kristianina... Saingy indrisy ry tapa-tsosisy fa ny kristianina sasany aza mivadika silamo...

Tsotra ny antony ny silamo mahay mifanohana amin'ny fitadiavana ataony...

Dia velom-pialonana mafy ny mpanaradia an'i Jesosy dia manely hatraizatraiza ny hoe fanomanana terorista ireo ainjery sy fiangonana Silamo ireo...

Giravy ilay miady kil ka... Izy samby izy aza moa miady kil... Fa maika ny hafa..
5. Strong3 ( 27/04/2015 11:43)
hien!!... taiza dia omeo porofo aho raha nisy kristiana gasy nifamono izany teto eh?

ny hoe miady kil, iny dia efa nolazaiko ombieny-ombieny fa ny troupeau , mpanaradrenireno no mpanao izany... izay no hamatarana azy hoe sekta na miseho azy ho zokiny aza! tsy manome safidy olona fa manao fanjanahan-tsaina ny olona rhetra, izany no nampivohatra ny protestant hatrany

Safidy malalaka ny hivavaka sy hoan'ny andanitra leroa, ka ny fitoriana ny filazantsara ataon'ny tena kristiana dia mifantoka amin'ny fitoriana tsotra sy mazava ... " te hanana fiainana mandrakizay ve ianao, Ao Jesosy vonona hampiditra anao ny amin'izany..."
6. endriny ( 27/04/2015 12:07)
Tsy miady kil aza fa miady ondry e...

Marina izany fitoriana malalaka sy tsotra no atao: midira mpikambana ato aminay fa ho any an-danitra ianao rehefa maty, ary ity boky artifisialy ity no mirakitra ny sori-dalana mankany, koa iangaviana ianao mba hividy sy hamaky... Raha mahatsiaro mitaitaina ianao na be loatra ny ratsy vita dia atao be ny rakitra fa hadio toa ny vovon-dandihazo ianao na maity toy ny arim-bilany aza...
7. Strong3 ( 27/04/2015 12:25)
efa lazaina foana fa eeeh ...
8. endriny ( 30/04/2015 05:47)
Ny adala no azonao ambakaina amin'ny finoana ry namana fa tsy izaho efa tao a...
9. gasy1zay ( 01/05/2015 14:34)

endriny:

Ny adala no azonao ambakaina amin'ny finoana ry namana fa tsy izaho efa tao a...


Manambaka ahoana moa ry endriny? Nga ny finoana moa vidiambola sa misy takalo takalo? Ny finoana ambara @ toriteny ka safidin'ny tsirairay hoe hino sa tsia fa tsy misy hoe voambaka raha tsy hoe ngaha voambakan'ny mpaminany sandoka na i Satana?
10. rhaj0 ( 01/05/2015 15:08)
Hozy ny Rakibolan'i Hery
Manambaka = Manararaotra ny tsy fahalalan'ny olona iray ka mamitaka azy: Lozan'izay manambaka zaza fa tsy ho tantiny ny todin'izany.
mamitaka = Manoloky, mametsy, Mahadiso hevitra

Ka raha ny ataon'ny Sekta ohatra, dia mino ah ofa miombo-kevitra @ Enriny I Gasy1zay hoe: "manambaka olona ny (finoana/fivavahana entin'ny) sekta"

Fa mihatra @ Finona/Fivavahana koa io fa tsy Sekta fotsiny. Rahefa TSY mahalala ny olona dia ... A.tra ny valiny.
11. Strong3 ( 04/05/2015 07:56)
esiii ao eh... efa teo hono no niala, adala afaka izany enao io ra endriny ??? hihihih....

tsy hainao angaha ilay lazain'ny baiboly hoe ny adala amin'izao tontolo izao no natao hampamenatra ny hendry?

tsy mifidy io na sekta na tsia, rehefa mpanaradrenireno no nidiranao dia manadala anao fotsiny ny finoana satria tsy hotakatrao mihitsy izay lazainy , izy tenany aza tsy mahalala ny zavatra inoana sy ivavahany ... hihihi
12. gasy1zay ( 05/05/2015 16:04)

rhaj0:

Hozy ny Rakibolan'i Hery
Manambaka = Manararaotra ny tsy fahalalan'ny olona iray ka mamitaka azy: Lozan'izay manambaka zaza fa tsy ho tantiny ny todin'izany.
mamitaka = Manoloky, mametsy, Mahadiso hevitra

Ka raha ny ataon'ny Sekta ohatra, dia mino ah ofa miombo-kevitra @ Enriny I Gasy1zay hoe: "manambaka olona ny (finoana/fivavahana entin'ny) sekta"

Fa mihatra @ Finona/Fivavahana koa io fa tsy Sekta fotsiny. Rahefa TSY mahalala ny olona dia ... A.tra ny valiny.


Marina ny anao raha mamitaka olona tokoa ilay sekta mba hahazoany tombontsoa manokana, fa inona ary ny fitaka @ filazana hoe mamaly vavaka Andriamanitra na hoe tena misy izy?
13. rhaj0 ( 05/05/2015 16:33)
izao azany e.. raha misy olona malemy/mahantra/vulnerable/fragile... mety ara-batana na ara-tsaina na ara-bola na araka fahaizana na araka fanaovan-javatra fotsiny eee...

---> dia ahoana ny kabarin'ny Finoana/Fivavahana ? Tsy voatery ho sekta fa tena ilay fiangonana renibeny mihitnsy ?
14. Strong3 ( 13/05/2015 07:08)
Mandalo ny eto antany fa aza variana eh!
aza variana amin'ny fahaizanao
aza variana amin'ny tsy fahaizanao
aza variana amin'ny fanananao
aza variana amin'ny tsy fanananao
...
Omany ry havana malala ao amin'ny Tompo ny hoavim-panahinao, miala amin'ny ratsy , manaova ny tsara... ibebaho ireo ota vitanao.
dia raiso i JKristy hanadio sy hanavotra anao ry havana malala ao amin'ny Tompo ôh

___
Mety aminao ve ry rhaj0??? :-)
15. rhaj0 ( 13/05/2015 12:34)
dia rahefa maty mitsitra eo ilay olona, dia hoz'ianao hoe, izay indrindra ny sitrapon'A.tra, ary efa "sambatra" izy izao any an-danitra... Dia tonga dia amenao lanitra koa izy o ? Indrindra fa raha nivavaka toa anao...
nefa angaha fantatrao akoriny raha mpamono vady koa izy tao, fa sady mahantra koa ?
16. Strong3 ( 13/05/2015 12:46)
hihihhi.... tsy hainao marina izany olona tafiditra amin'ny finoana izany

tafiditra anaty mondy hafa mihitsy re izany ry rhaj0 ah... raha efa nahita ireny mouana boudista ireny ianao ilay manitsaka afo dia mihiatra noho ireny ny kristiana rehefa tafiditra lalina.

tsy manana saina hamono vady toa ny kristiana boritra izany ny tena kristiana tafiditra lalina

fa izany hoe ianao moa tsy manana saina hiditra dia resaka ka atao fotsiny ny anao eto hihihi :-)
fa mahafaly ahy anefa izany miresaka amin'ny olona hendry be eto izany lol
17. rhaj0 ( 13/05/2015 12:53)
ha... mampitaha ny Kristiana @ Bodista indray i Strong3, ary apetrany hoe "superieur" akoriny azany ny azy... Mba fantany ve nefa k'lou ny Bodista sy ny Bodisma eeee..

ntsss.. zavatra TSY ao anaty Baiboly izany k'inona no ho mba mety ho fantany eo ?
18. Strong3 ( 15/05/2015 07:31)
mdr ....

efa nasiako ohatra ihany io fa izany hoe hitarina nga ny resaka ka tsy hifaka aho.

Fifantohana , io no tiako hivohitra amin'ny fampitaha eto re ry rhaj0 fa asa dia mampivanitika eto ah.
19. rhaj0 ( 15/05/2015 15:57)
ny "kristiana tafiditra lalina" izany hono dia "mihoatra" noho ny bodista raha resaka "fifantohana" (meditasiO, hozy i Sareraka) arak'i Strong3 eee... ntss... tsy fantatrao akoriny ny bodista fa aoka fotsiny ho'a...

Fa iverenako ilay hoe
Strong3:
Omany ry havana malala ao amin'ny Tompo ny hoavim-panahinao, miala amin'ny ratsy , manaova ny tsara...

Ka tafiditra lalina anaty fahantrana ilay olona, ary izay no "ratsy", ka dia ahoana no ialana ao e ?? meditasiO ???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1135