ATO RAHA HANAO DOKAM-BAROTRA ! tsy andoavam-bola

41. Strong3 ( 22/04/2015 11:33)
fa izahay efa nitory talohanareo izany nitory inona? fa ianareo vao zaza teraka omaly no milaza ho tompon'ny marina irery ao ?

hihihi ... izay fanandrata-tena izay no manahirana aminao ity :-)

hiatomboka eo aminareo ny apostoly 12 ; de izahay taloha badraodra sa niasa atalata?

Ok! __ efa voasoratra fa any amparany any ny olona ho:
« Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, [size=16] ho mpandoka tena, mpiavonavona [/size] , miteny ratsy*, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9,3] » (2 Timoty 3:2)
42. RBNIR ( 22/04/2015 11:51)
Manetre tena namana strong3 a!

12 ihany no ho isany....Raha sendra tsy ho tafiditra ianao dia maneke ny fandaharany....
Tadidio: i Petera tsy nanampo izay ho apostoly, i paoly torak'izay koa dia otran'izay daholo na ny mpamory hetra sns....Asa tsy niriana io fa nomeny.......
Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
43. rhaj0 ( 22/04/2015 16:37)
Titiko kokoa ilay dikan-teny gasy e... mbola gasy ihany ry Andrianaivoravelona sy izy 12 teenagers gasy nandika ny Baiboly t@ teny gasy.

2 Timoty 3:2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy [Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9,3] , tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,3 tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,4 mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra,5 manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.

2 Timothy 3: 2 People will be lovers of themselves, lovers of money, boastful, proud, abusive, disobedient to their parents, ungrateful, unholy, 3 without love, unforgiving, slanderous, without self-control, brutal, not lovers of the good, 4 treacherous, rash, conceited, lovers of pleasure rather than lovers of God— 5 having a form of godliness but denying its power. Have nothing to do with such people.


Jerreo tsara :
- tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra
- lovers of pleasure rather than lovers of God


Ny Anglisy izany dia tokony lovers of god, FA TSY, lovers of pleasure
Ny any Gasy dia tokony "tia fahafinaretana ihany", FA TSY MIHOATRA NOHO NY, "fitiavana an'A.tra" izany..


Fa avy eo
- ireny koa dia halaviro
- Have nothing to do with such people


Ny an'ny Gasy kosa dia tena "halaviro" izany hoe TSY miara-monina @ mpanota
Ny Anglisy izany dia TSY miara-manao inona @ mpanota, fa mety miara-monina ao ihany.


ka ahoana ry mpandray ara-baki-teny ny Baiboly ? Gasy ianao sa tsy Gasy ??
- Ka nisafidy ho GAsy ianao, dia TSY hiara-monina @ mpanota ianao, dia ndeha HITOKA-MONINA sahala ireo Amish izany ??
- Sa hanaraka ny Anglisy (ara-baki-teny).. dia HANAVAKAVAKA sy HANILIKILIKA an'ireo mpanota ngo dia hifindran'ny otany (contagion) ???

... henatra ho anao raha hanaraka an'ireo ara-baki-teny ianao...
44. rhaj0 ( 22/04/2015 17:02)
Ka "hitoka-monina", sa "hiara-honina aman'olona ihany fa hanikilika mpanota", ry mpandray-ara-baki-teny-ny-Baiboly aaa ?

Io izany eo ihany, fa ilay hoe aza "tia fahafinaretana" na "love pleasure" koa no tena giravy..

http://en.wikipedia.org/wiki/Pleasure
ka io pleasure io izany neurobiologique, psychologique, philosophique, ets...

ka tena TSY takatry ny mpanoratra ilay Baiboly t@ fotoan'androny mihintsy izany ilay hoe "pleasure", kanefa dia io bokabokainy toa io...

Ka dia hanaraka an'izany ara-baki-teny koa ve ianao ry Mpino, saaa... ?? Dia ny anao no be indrindra ao f'ataovy ao mouh kouh...
45. RBNIR ( 22/04/2015 22:36)

rhaj0:


ka ahoana ry mpandray ara-baki-teny ny Baiboly ? Gasy ianao sa tsy Gasy ??
- Ka nisafidy ho GAsy ianao, dia TSY hiara-monina @ mpanota ianao, dia ndeha HITOKA-MONINA sahala ireo Amish izany ??
- Sa hanaraka ny Anglisy (ara-baki-teny).. dia HANAVAKAVAKA sy HANILIKILIKA an'ireo mpanota ngo dia hifindran'ny otany (contagion) ???

... henatra ho anao raha hanaraka an'ireo ara-baki-teny ianao...


Faly misera namana rhajo....

Ny tena nanenjehan'ny fariseo sy ny mpanora-dalàna an'i JEsosy?
« Ary ny mpanora-dalàna, izay isan'ny Fariseo*, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy![*Na:Ary ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo] » (Mar.2:16)
« Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota? » (Lio.5:30)

Satria nisakaiza tamin'ny mpanota sy ireo mpamory hetra....

Ary ireto no manamarina izany :

« Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany*.[*Na: (ny zanany)] » (Mat.11:19)
« Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. » (Lio.7:34)

Ahoana ary toa mifanohitra anie izy izany e??? Izy mitaona ny olona tsy hankasitraka ny manao ratsy???
Sady miampy an'ity teny ity indray koa??« Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy. » (Jak.4:4)

Misy mifanohitra ve ny teny voalaza ao amin'ny baiboly sa ny nandikana azy mihitsy no tsy nety? Tsy marina izany fa vokatry ny fiasan'ny Fanahy ny baiboly araka ny voasoratra ao amin'ny 2 Pet.1:20 ???

Izao ilay izy ry namana :
Andriamanitra tsy mitaona olona hankahala ny mpanao ratsy fa mitaona ny olona tsy hankasitraka ny fanaovan-dratsy.....Tsy ilay ranamana mpangalatra no tsy tiako fa izaho tsy mankasitraka ary tsy hankasitraka mihitsy ny fangalarana na antony inona na antony inona.......

Ny mpivavaka dia tian'Andriamanitra hijanona sy hijoro amin'ny mahampivavaka azy.....

Ataon'ilay ranamana mpangalatra ahoana moa hahalala fa ratsy ary tsy mety anie ny ataony (matoa izy manao dia heveriny fa izay ny tsara sy mety) raha tsy misy mijoro sy mampahafantatra azy fa ratsy izany?????? Moa tsy heveriny mandrakariva fa marina sy mety ny ataony????

« Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona. » (Mat.5:13)
« Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava. » (Lio.8:16)

Tsy misy mifanohitra ny baiboly namana ary tsy misy dikan-teny diso na iray aza satria ny Fanahin'Andriamanitra no nitarika ny olona hanoratra ireny....

Fa ny tsy fahatakaran'ny olona ny marina no mahatonga ny olona tahaka anao izao namana.....

koa dia fantaro ary fa Andriamanitra tsy mitaona ny olona hankahala ny mpanao ratsy fa mitaona ny olona kosa tsy hankasitraka ny fanaovan-dratsy ary hijoro mandrakariva amin'ny fahamarinana mba ho fanasina ho an'izao tontolo izao.

Araho ilay fandaharana e! Raha naniraka ny mpanompony Jesosy hoe Vitao ny asan'ny fahamarinana dia hoy Izy hoe hampahafantariko anao daholo ny fahamarinana rehetra ato amin'ny baiboly...Indrindra ny bokin'ny apokalipsy.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!

Samia ho tahin'ny Tompo namana......




46. rhaj0 ( 23/04/2015 02:07)
RBNIR:
... Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy. » (Jak.4:4)

Izao ilay izy ry namana :
Andriamanitra tsy mitaona olona hankahala ny mpanao ratsy ...

Fa dia tsoriko kosany fa dia hotry ny mamom-Baiboly ianao ranamana RBNIR ka tsy hita(ko) intsony ilay lojikanao... K'efa io mazavabe io, fa hoe raha "misakaiza" @ mpanota ianao dia "fahavalon'Andriamanitra"...

Sa ho amoahanao verset hafa indray eto ka hoe, "fahavalon'A.tra ianao misakaiza @ mpanota" io, fa kosa "tian'Atra ny fahavaloNY" ???

Dia tena mba hafahafa mihintsy nareo 'zany kah...
47. RBNIR ( 23/04/2015 05:33)
rhaj0:

RBNIR:
... Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy. » (Jak.4:4)

Izao ilay izy ry namana :
Andriamanitra tsy mitaona olona hankahala ny mpanao ratsy ...

Fa dia tsoriko kosany fa dia hotry ny mamom-Baiboly ianao ranamana RBNIR ka tsy hita(ko) intsony ilay lojikanao... K'efa io mazavabe io, fa hoe raha "misakaiza" @ mpanota ianao dia "fahavalon'Andriamanitra"...

Sa ho amoahanao verset hafa indray eto ka hoe, "fahavalon'A.tra ianao misakaiza @ mpanota" io, fa kosa "tian'Atra ny fahavaloNY" ???

Dia tena mba hafahafa mihintsy nareo 'zany kah...

Faly misera namana,
Dia tena namaky ihany tokoa ianao nefa tsy hitanao ny nataon'i Jesosy izay nosoratako tao koa????
Averiko hatrany tsy ny hankahalana ny olona no tanjon'Andriamanitra fa ny hahatonga ny tsi11 tsy hankasitraka ny ratsy ataon'ny olona....
Tsy ilay olona mihitsy no "cible eto"...
Zavatra 2 no mety hitranga:
1- Na hireconnaitre ny fahadisoany ireo olona rehefa mahita ny mazava ao amin'ireo mpivavaka (io ilay hoe miaiky ny hadisoany ka hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra).....
2- Na hankahala an'ireo mpivavaka izy (satria diso fandray ka heveriny fa izireo no ataon'ireo mpivavaka cible)....

Dia anjaran'ny tsi11 sisa e.....

Averiko hatrany FITIAVANA NO MANOSIKA NY MPIVAVAKA hitory satria nampahafantarina azireo fa Afobe no hiafaran'izay minia tsy mino an'Andriamanitra ka hibebaka....

Any amparany moa vao tena hipoitra ny marina rehetra (nefa raha amin'izay vao tonga saina efa tara loatra ange e!)

Samia ho tahin'ny Tompo namana....


48. rhaj0 ( 23/04/2015 13:51)
RBNIR:
Tsy ilay olona mihitsy no "cible eto"...


Tsara ny theorie-nao, fa raha ny fampiharana ilay hoe, "izay misakaiza @ mpanota dia fahavalon'A.tra", dia ... raha eny @ garabola, ka hoy ilay zaza-adala hoe, "izay misakaiza @ Rasoa dia fahavalontsika", dia bullying sy discrimination izany, ary miakatra any @ direktrisy ity zaza-adala (ampirisihan-dr-a-d-adala) manao an'izany.
49. rhaj0 ( 23/04/2015 13:59)
o boy... dia tsy hitanao ve ny ironie-n'io.. kay ilay direktrisy (A.tra) no tena efa m(p)anao sy m(p)ampairisika ilay "bully" sy "discrimination"... dia aiza izany ny olona no hitaraina ???
50. RBNIR ( 23/04/2015 22:24)

rhaj0:

o boy... dia tsy hitanao ve ny ironie-n'io.. kay ilay direktrisy (A.tra) no tena efa m(p)anao sy m(p)ampairisika ilay "bully" sy "discrimination"... dia aiza izany ny olona no hitaraina ???

Hoy aho taminao tato " Koa dia tandremo ary namana sao dia hankahala na hitarika ny olona ankahala ny AVO INDRINDRA ianao namana",

Dia tena tonga tokoa ianao ry namana....Indrisy.......
51. rhaj0 ( 24/04/2015 13:42)
samy m(ifamp)izara analizy (peta-toko) eto fotsiny re isika ry RBNIR a... aza roridroritina na savisavihana hiditra ao @ sakoroka ety an-tany re IZY, ka hoe ny diamanga aty an-tany ka mahavoa AZY eee ... :-)
52. RBNIR ( 27/04/2015 05:13)

rhaj0:

samy m(ifamp)izara analizy (peta-toko) eto fotsiny re isika ry RBNIR a... aza roridroritina na savisavihana hiditra ao @ sakoroka ety an-tany re IZY, ka hoe ny diamanga aty an-tany ka mahavoa AZY eee ... :-)

Faly misera namana,
Tsy peta-toko ny ahy namana...
Zava-dehibe izany resaka finoana izany fa miantoka ny fiainana mandrakizay...
Tsy kilalao e!....

Samia ho tahin'ny Tompo namana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2625