ATO RAHA HANAO DOKAM-BAROTRA ! tsy andoavam-bola

21. bor2lais ( 16/04/2015 11:05)
RBNIR:

Aza variana mivanivany hoy aho...Zava-doza ange no hitranga ao aorina kely ao e!
Tsy mampihomehy mihitsy....

:-)
22. Strong3 ( 16/04/2015 11:45)
ary mety ho i rhaj0 ilay any andafy an :-)
23. rhaj0 ( 16/04/2015 17:59)
Tsy ny "eto an-tany" ve no "réel" ry RBNIR ?

Dia ilay hoe "apostoly" tsy maintsy "lehilahy" koa ve .. tsy ahitanao taratra fa dia resaky ny olombe "lehilahy" taloha ny anao ? Nahoana no tsy mba bitsihiNY mihintsy kosany ny vehivavy ee?

Io ihany ny anareo, mamikitra an'io fomba (sy fisainana) tsihaitsihay noforon'olombe (tery saina) taloha tany, dia mbola h@ izao fotoan'andro efa mazava izao, dia mbola manitrikitrika an'izany ihany...
(satria izay ve no mampetimety ny baolinanao ao?.. eny azany kouh... dia ao izany ianao jeren'ny Ankizy ao kouh..)
24. bor2lais ( 17/04/2015 06:50)
RBNIR:

hatramin'izao dia mbola apostoly 2 no notononiko teto hoe efa voafidy: iray ilay ATO,
Ny anankiray any ampita hoy aho (mialatsiny fa mbola tsy notenenin'i Jesosy hoe aiza ary iza)

rhaj0:

Famaritana apostle#6
6 A passionate adherent; a strong supporter.

strong3:

ary mety ho i rhaj0 ilay any andafy an

Araka io famaritana #6 nomeny io aloha dia isan'ireo izay milaza tena ho apostoly (ankolaka) tokoa rhaj0 e ! :-)
25. RBNIR ( 17/04/2015 07:19)

bor2lais:

Araka io famaritana #6 nomeny io aloha dia isan'ireo izay milaza tena ho apostoly (ankolaka) tokoa rhaj0 e ! :-)

Faly misera namana,
Tsy misy olona afaka hinoana avy hatrany fa apostoly raha tsy efa voadinika tsara ny voany....
Nampianarin'Ilay jesosy nandalo tety fahiny marina v? tsotra 100% mitovy amin'ny nampianarin'Ilay Jesosy nandalo tety marina v ny fampianarany tsy anampiana tsy analana (tsy misy kilema)....
Tsotra kely.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
26. endriny ( 17/04/2015 08:28)
Domapub sa viva ?
27. bor2lais ( 17/04/2015 09:56)
RBNIR:

Tsy misy olona afaka hinoana avy hatrany fa apostoly raha tsy efa voadinika tsara ny voany....

Lasa finoana angaha ilay apostoly e ? :-)
RBNIR:

Nampianarin'Ilay jesosy nandalo tety fahiny marina v? tsotra 100% mitovy amin'ny nampianarin'Ilay Jesosy nandalo tety marina v ny fampianarany tsy anampiana tsy analana (tsy misy kilema)....
Tsotra kely.....

100% araka RBNIR ve ? :-)
28. Strong3 ( 17/04/2015 10:07)
i endriny sao mba hisoratra anarana fa misy fisafidianana ho apostoly any amin-dry RBNIR

ataovy aloha na dia hanao jodasy fotsiny aza :-)
29. rhaj0 ( 17/04/2015 10:14)
:-) ok ok ... apostole daholo izany izay supporter eee...

RBNIR:
Tsy misy olona afaka hinoana avy hatrany fa apostoly raha tsy efa voadinika tsara ny voany....

eeee... soa ihany aho fa aty alavitra aty, sady tsy miara-Kristiana ao aminareo ao, fa dia ao zany nareo ry Bor2lais sy RBNIR "mifampandinika ny voany" ao aaa...
30. Strong3 ( 17/04/2015 10:23)
kkkkkkk .... misy toetra mihitsy sa moa hoe manala azy dia mifanitika no asa ao ampiasana ao
31. RBNIR ( 17/04/2015 10:24)

bor2lais:

100% araka RBNIR ve ? :-)

Araka ny baiboly.....« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)
32. RBNIR ( 17/04/2015 10:41)

bor2lais:

RBNIR:

Tsy misy olona afaka hinoana avy hatrany fa apostoly raha tsy efa voadinika tsara ny voany....

Lasa finoana angaha ilay apostoly e ? :-)

« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lio.10:16)
« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny. » (Jao.6:29)
Ireo apostoly ireo koa dia olona hirahiny.....

Samia ho tahin'ny Tompo e!

33. RBNIR ( 17/04/2015 11:02)
Strong3:

kkkkkkk .... misy toetra mihitsy sa moa hoe manala azy dia mifanitika no asa ao ampiasana ao

Aleko ry namana isany, miaritra ny fanevatevana, ny fanambaniana, ny fanaratsiana ary fihomezana avy aminareo amin'izao fotoana izao , toy izay hihaino anareo rahatrizay hilaza sy hidradradra hoe fa naninona ianao ry RBNIR no tsy niinsiste mafy taminay nefa ianao nampahalalainy ny marina......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana malala isany....
34. bor2lais ( 17/04/2015 11:58)
izaho:

100% araka RBNIR ve ?

RBNIR:

Araka ny baiboly.....« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)

Ny devoly koa tamin'ny naka fanahy ny Tompo anie ka nampiasa ny voasoratra (100% araka RBNIR) ao amin'ny Baiboly e ...
:-)
Ireto izao 100% araka ny Baiboly amin'ny fandraisanao azy, saingy mandrara an'i RBNIR aho tsy hanao azy na ny apostolina(re)o ao aza no miteny azy a ! :-)

"... dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tady mody ka nananton-tena, ka dia maty."
"... Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa."
:-)

Fa ity ana(re)o ity kosa aloha miala tsiny ry RBNIR fa tsy mba 100% araka ny Baiboly e :
"Ary hotorina amin'izao tontolo izao INDRAY ity filazantsaran' ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany."
:-)
35. RBNIR ( 17/04/2015 12:19)

« Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. » (1 Tes.5:21)
« Fadio ny fanao ratsy rehetra. » (1 Tes.5:22)
Matoa voasoratra ireo teny ireo dia fantatr'Andriamanitra fa ny olona rehetra afaka ny hanavaka ny atao hoe ratsy sy tsara.....
Hoy ianao hoe "Mandràra anao aho tsy hanao izany " fomba fijerinao vaovao hafa kely indray iny an :-)".....
36. RBNIR ( 17/04/2015 12:25)

bor2lais:

Fa ity ana(re)o ity kosa aloha miala tsiny ry RBNIR fa tsy mba 100% araka ny Baiboly e :
"Ary hotorina amin'izao tontolo izao INDRAY ity filazantsaran' ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany."
:-)

Tsy miova ny fanazavana, maty ireo apostoly (ireo izay naharay mivantana sy nahafehy ilay fampianarana) dia lasa koa ilay tsy misy kilema fa niditra ny kilema taty aoriana ary tsy nisy afaka mitonona intsony hoe nanana azio intsony....
Ankehitriny tsy misy afats'i Jesosy sisa no mahafantatra azy io...
Noho izany na tianao namana na tsy tianao tsy maintsy hiverina indray Izy mampianatra raha tsy izany dia tsy ho tonga mihitsy ilay farany.....Ity filazan-tsaran'ny famonjena ity hoy IZY fa tsy niteny filazan-tsara hafa Izy...
Samia ho tahin'ny Tompo e!
37. bor2lais ( 17/04/2015 13:26)
RBNIR:

Hoy ianao hoe "Mandràra anao aho tsy hanao izany " fomba fijerinao vaovao hafa kely indray iny an ".....

:-)
RBNIR:

raha hitanao fa mirimorimo mankany an-kady ny namanao, dia tsy ho teneninao ve raha tena tianao tokoa !

Ka rehefa tsy azo tenenina ve dia avela fotsiny ... ? :-)
RBNIR:

Noho izany na tianao namana na tsy tianao tsy maintsy hiverina indray Izy mampianatra raha tsy izany dia tsy ho tonga mihitsy ilay farany.....Ity filazan-tsaran'ny famonjena ity hoy IZY fa tsy niteny filazan-tsara hafa Izy...

:-)
Nataoko ity mba manao ny fanekem-pinoana apostolika ange ny apostolina(re)o e ! :-)
38. rhaj0 ( 17/04/2015 15:10)
[size=2]Tena mbola mifampitady ny voany izany izy miral mianaka eto izany... okay.. aleo aloha hitsaitsaika hihatakataka kely fa ndrao dia misy mifantsitsitra eo..[/size]
39. Strong3 ( 21/04/2015 09:18)

bor2lais:

izaho:

100% araka RBNIR ve ?

RBNIR:

Araka ny baiboly.....« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)

Ny devoly koa tamin'ny naka fanahy ny Tompo anie ka nampiasa ny voasoratra (100% araka RBNIR) ao amin'ny Baiboly e ...
:-)
Ireto izao 100% araka ny Baiboly amin'ny fandraisanao azy, saingy mandrara an'i RBNIR aho tsy hanao azy na ny apostolina(re)o ao aza no miteny azy a ! :-)

"... dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tady mody ka nananton-tena, ka dia maty."
"... Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa."
:-)

Fa ity ana(re)o ity kosa aloha miala tsiny ry RBNIR fa tsy mba 100% araka ny Baiboly e :
"Ary hotorina amin'izao tontolo izao INDRAY ity filazantsaran' ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany."
:-)

hihihi ...
« Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; » (Apokalypsy 22:18)

__ HOTORIANA INDRAY, izany hoe misy fotoana tsy nitoriana azy izany, dia izay tsy naheno ny tena marina tamin'zay dia very daholo dia izao indray vao tonga ny mpitory ny marina ,dia izay maharé dia ho voavonjy indray
fa ilay apost 12 hantsangana amin'ny izao fotoana izao no toa mba tsy hitako ao anaty baiboliko
nenà irery ngamba no sampona ny baiboly :-)
40. RBNIR ( 21/04/2015 09:59)
Faly misera namana,
1- Tsy misy afaka milaza fa nahatahiry ilay tsy misy kilema namana, nefa ny condition hahatongavan'ny farany dia hotoriana (ilay filazan-tsara notoriany 2000 taona) fa tsy filazan-tsara hafa akory.....noho izany mba hahatongavan'ny farany dia tsy maintsy hotoriana indray izy io (ilay fampianarana tsy misy kilema io ilay noraisin'i Jesosy mivantana avy tamin'Andriamanitra)....
2 - Efa nazavaiko tsy maintsy 12 hoy aho satria ny vahoakan'Andriamanitra dia notarihan'ny 12 lahy hatrany (voahaja io tamin'ny andron'i Jakoba, Mosesy (nisy foana ny foko 12 izay samy nanana ny lohany ary koa tamin'i andron'i Jesosy) noho izany tsy maintsy hisy io rehefa ho tonga ilay fitoriana lehibe farany namana....

Samia ho tahin'ny Tompo e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1328