Caricature Kristiana

1. rhaj0 ( 27/03/2015 13:07)
Ndeha hatambatro eto ny kisarisary (caricatures) Kristiana tafaforona tafavoaka(ko) eto ... iarahana mamisavisa, na iarahana ivanitihana na ...
novalian'i rhaj0 ny 08/04/2015 19:26
2. rhaj0 ( 27/03/2015 13:08)
ndao azany...


i Atra no namorona an'i Atra, ary Atra no n(amp)anoratra ny Baiboly.
Ary ny Baiboly no manamarina ny fisian'Atra. Ary ny Baiboly no manamarina ny Baiboly.


3. rhaj0 ( 27/03/2015 15:50)
Dia mitohy ...


Noforonina ny lhl, dia noforonina koa ny vhv. Dia tampokatampoka teo dia feno ny tany.

Noah novonjena fa tsisy ota hono, nefa kay izy taloha ka nandry tamin-janany nony mamo.
Maka 19 @ Genesisy dia ampio 32 dia misesy. Maka 19 @ Lioka dia ampio 27 dia boka.
4. rhaj0 ( 27/03/2015 15:53)
Dia mbola mitohy...


Misy fetrany ilay fitiavaNY-tsisy-fetrany - Mivadika ilay fitiavaNY-mandrakizay

Asaivo rovitin'Itavilahy Rampanana ny vodi-fanjaitra, mba ho tafiditra daholo isika mianakavy..
5. rhaj0 ( 27/03/2015 15:55)
Ka mitohy ...


Aza ny ataon'i Omniscient (mandripaka sy manome didy handripaka) no jerena, fa izay lazain'i Omniscient (manome didy tsy handripaka).
Aza Mamono Olona ...Fa Ripaho Fotsiny Ihany
6. rhaj0 ( 27/03/2015 15:55)
Sy mitohy..


" Mifanipaka Ao Anatin'Ilay Box-Tsisy-Afa-Tsy-Baiboly Toa Kristiana-Mpiady-Lova...

"Taraiky" daholo ireo kristiana sandoka sy ny tsy-mpino, fa izaho Ibaotsimivily irery no izylay..
7. rhaj0 ( 27/03/2015 16:02)
dia mitohitohy..


Je suis un fervent chretien ... #JeSuisVierge
8. rhaj0 ( 27/03/2015 16:10)
hatrany hatrany...


Rahefa i JC no "miakatra any an-danitra", dia sakelehiny h@ nofon-taolany; fa rahefa ny olb, dia mijanona ao ambany rangolahy ny taola-nofony, fa ny "fanahy" ihany no miakatra
9. rhaj0 ( 27/03/2015 16:19)
mitohy hatrany...


Raha ny an'ny Sinoa dia hoe ny YIN sa/sy ny YANG, raha ny an'ny Kristiana kosa dia hoe:
ny KI[size=4]bay[/size] sa/sy ny KA[size=4]roty[/size], na hoe ny Helo sa ny Paradisa.
10. endriny ( 28/03/2015 03:40)
Tsy dia mety loatra aloha ilay hoe manaraby be fahatany ny finoan'ny hafa e... Lasa manao toa ny fisainana Kristianina indray isika...

Fa aleo ahitsy amin'ny an-davany ihany raha mety
11. rhaj0 ( 29/03/2015 16:26)
okay.. fa ny fahitako azy aloha dia mila caricaturiser-na foana ny resaka rahefa sarotra ny concept.. rahefa atao kisarisary anie dia hotry ny afaka maka recul, fa tsy hoe dia serieux be rigide be ao foana e..

Fa koa, dia hirotsaka "manaraby" tokoany moa izaho.. satria mahatsapa-tena aho fa afaky ny ho constructif koa, rahefa mampita izay hitako interessant avy aty.. Ka mila mahasahy mijoro manaraby koa, indrindra moa raha (avela) apetraka foana ho tena intouchable tsy azo hotsokotsonina mihintsy, tsy azo hihomehezana mhintsy ilay dogme-ndrizareo, dia ho coince eo foana daholo ny olona.
12. Strong3 ( 30/03/2015 07:34)
Noah hoe no nivady tamin'janany :-) ... te hivanitika marina KKkkk

Mba lazao aza hoe diso ireo lalana jeografika misy ao amin'ny baiboly
ary nahoana no anarana voalaza tao amin'ny baiboly no mbola anaran'ireo tany misy any amin'izay voatondro?

hitako hoe ra rhaj0 izao no mana-coincé tena ao amin'ny tsy te ahalala ny baiboly ao... de himehi tena amin'ny tsy finoany ao izy rehefa tonga ny andro malazan'ny baiboly
13. rhaj0 ( 30/03/2015 10:24)
Strong3:
Noah hoe no nivady tamin'janany :-) ... te hivanitika marina KKkkk

"nandry" tamin-janany... yep: "nandry". Sady @ izay i Noah @ io mamo tampina tsy mahatsiaro izay eto ambony tany.

Fa ny an'i Strong3 indray moa kay raha vao "mandry" dia midika hoe "mivady" izany. Ka dia izay izany i Noah @ lojikanao ee..

Maka 19 @ Genesisy dia ampio 32 dia misesy.

Tsy takatrao ilay caricature. Genesisy 19:32 re vakiana eee...
14. rhaj0 ( 30/03/2015 14:09)

Hatraiza no fetra:

mino[size=4]an'A.tra[/size], sa mino foana, sa mino foana foana,
sa minomino[size=4]an'a.tra[/size], sa minomino foana, sa minomino foana foana...
15. rhaj0 ( 30/03/2015 17:44)
.
.

Nozarina ny "mino", ka rahatrizay "tsy mino" intsony dia... welcome to the real world.
16. Strong3 ( 02/04/2015 06:07)
namaky baiboly ihany i rhaJ0 ela ny ela marina hihihih ... hita amin'izao fa efa miahendry enw

TSY NISY RESAKA NANDRY NA MANDRY NA NATORY NA NIRAY NA NISAFOSAFO ZANAKA IZANY TAO na ho avadikao impiry eo aza io baiboly io eh ... hihih :-)

__ nezahina mba ho i rhaj0 ihany fa asa
17. fidinirina ( 02/04/2015 10:12)
.
.
.

Ohatran’ny tsy aritra rhaj0 mihitsy ilay resaka mamo sy mandry fa aleo hazavaina tsara.

Voalohany, efa impiry lazaina eto fa mba vakio TSARA aloha ny baiboly ahitanareo izay voasoratra dia voasoratra fa tsy manora[size=4]tsora[/size]tra fotsiny eto.

Faharoa, tantara roa samy hafa no misy an’ireo : ny iray i Noa avy niasa ka nisotro divay (Gen 9:20-24) ary ny iray i Lota telo mianaka izay navotana tao @ tanànan’i Sodoma sy Gomora (Gen 19:30-38)

A- Noa:
20 Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanimboaloboka.
21 Ary nisotro tamin’ ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ ny lainy.
22 Ary hitan’ i Hama, rain’ i Kanana ny fitanjahan’ ny rainy, dia nambarany tamin’ ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.
23 Ary nalain’ i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin’ izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan’ ny rainy.
24 Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon’ ny zanany faralahy taminy.

Inona no tian’ny mpanoratra ho lazaina? Ny Rainao ve hitanao fa mamo (lavon’ny ota) dia tsy tonga dia nareninao haingana izy fa lasa tantarainao @ olon-kafa indray, hanala-baraka azy. Jereo kosa ny fihetsik’i zy roa lahy zokiny, nihemotra mihitsy izy niditra nanarona lamba ny rainy. Inona kosa no fampiharana an’izany eo @ fiainanao?

B- Lota:
30 Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.
31 Ary hoy ny vavimatoa tamin’ ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin’ ny tany hanambady antsika araka ny fanaon’ ny tany rehetra;
32 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin’ ny raintsika.

Genesisy 19:1-29 Tantaran’ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora ; olona telo no navotan’Andriamanitra tao : Lota sy ny zanany vavy roa. Sodoma sy Gomora
Ireto zanak’i Lota ireto dia niaina tao Sodoma sy Gomora, nahafantatra ny fomba ratsy rehetra rehetra tao. Tsy i Lota velively no nisotro ka nandry t@ nahim-pony fa NOFITAHINA izy.
Miverina indray ny fanontaniana : izany ve mba mendrika ataonao amin-drainao?

Ary mba ahoana ny fihetsikao manoloana ny Rainao? Indrindra moa izany ka hoe Andriamanitra Ray.
18. rhaj0 ( 02/04/2015 10:20)
hey.. entre-pa.. ataovy kely ilay sary fa aza atao mamaky ecran toa io, fa manjary siriky rizalahy aho ato ampiasana.. :-)

Dia tsy haiko hoe, ahoana ny famakinao Baiboly, raha ianao Strong3 tsy nahita fa dia tena ny azahoana taranaka no nanaovan'ny zanaka vavin'i Noah ilay paikabe hoe, mamoana i bainina dia misesy ao izy roa vavy...

Dia hono ho'a ry Strong3, dia ireo zaza vokatry ny inceste ireo izany no novonjena t@ ilay tondra-drano ?? Dia nareo izany no taranaky rizareo ??.. izay ilay iadianareo ao eee ?? ndao azany koa.. ny vokatry ny inceste anie ka mitsako tsakoakany fa voa-na aretina zenetika e...

In-1 mandeha ho'a nisy fandaharana documentaire t@ TV. Dia hoe tany Mada. Dia hoe nisy lemur mpianaka, izay sisa no velona t@ ilay ala kely. Fa TSY nopehan'i bainina mihintsy ilay zanany vavy. Dia sahirana ilay environmentalist teo hoe tena ho extinct ireto, ka dia nikaroka mafy lemur mitovy espece taminy izy, fa tena nahita ihany farany. Tena sambatra latsa-dranomaso h@ mpijery (izaho koa) nijery ireo mpifankatia roa kely, nifaly avanja, dia nandao ny alakelin'i bainina.

ka ny lemuri azany re ry Strong3 mahalala fa inceste ka loza... aiza azany koa nareo zany k'le...
19. Strong3 ( 02/04/2015 11:21)
azafady ra rhaj0 ah!!
20. Strong3 ( 02/04/2015 11:25)
izy efa hazavain'ny namana io ilay tantara ry rhaj0 ah, hihihi .... Lota # Noa
i Lota no namboarin'ireo zanany vavy fa tsy i Noa :-)

efa hoe : "izay mahalala tsara ihany no mahay mamadika ny marina"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.185