Marina ve fa Jesosy tia ny olona rehetra afa tsy:

101. RBNIR ( 28/03/2015 17:28)
endriny:


RBNIR:

Iray ihany no marina e! ary i Jesosy no nanamabara azy...« Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao.18:37)

Ary izao izay mihaino ny feony no avy amin'ny marina....


Tsy haiko na ny rongony nofohoiko no be loatra na ny divay nosotrounao no tafahoatra... Fa dia io ihany ve no Marina amin'io boky artifisialy mihoatra ny 666 pejy io e?

Sao mba tafahoatra lahy izany? Dia ahoana ny didy 10? Dia ahoana ilay Atr'i Abrahama?

Ny rongony otran'ny tsy mety amin'ny fahasalaman-tsika namana a! sady otran'ny mampisy halucination sns....
102. endriny ( 01/04/2015 04:26)
Ka lazainao fa iray ihany no marina koa... Dia ny sisa izany diso daholo...
103. RBNIR ( 01/04/2015 04:37)

endriny:

Ka lazainao fa iray ihany no marina koa... Dia ny sisa izany diso daholo...

Faly misera namana,
Ka tsy marina v izany ry namana : 1 ihany no marina ary i Jesosy no fantatro fa tonga nanambara azy io...
« Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao.18:37)

Samia ho tahin'ny Tompo namana...
104. endriny ( 04/04/2015 07:17)
Diso ianao, ny marina dia izao : ny vavaka nampianarin'i Jesosy no tena fivavahana... Fa tsy ity fivavahana kristianina ity akory... Rainay izay any an-danitra...

Dia tsy misy koa izany afobe fampitahorana izany fa Atra dia fitiavana moa e...
105. Hajarilala7 ( 22/07/2015 06:41)
Ny ahafantarana fa tian'Andriamanitra ny olona iray izay mbola ao amin'izao tontolo izao, dia
- nomeny azy ny Zanany Lahitokana (= ny Teniny) izay manome fiainana mandrakizay Jaona 3/ 16
- Apokalypsy 3/ 19 : Hanariny sy faiziny

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1149