Tafatafa mikasika ny Fiangoanana hatramin'izay ka mandrak'ankehitrio

1. endriny ( 05/03/2015 05:02)
Raha nilaz aho hoe: "Ny Fiangonana Kristianina dia fitaovam-panjanahana, fandemen-tsaina, sy fanambakana ary fampitahorana...."

Dia hoy ilay namako: "Tsy tadidinareo ve ilay fiteny hoe: "Lazao ahy ny namanao dia haiko ny toetranao?"

Dia hoy aho hoe: "Tsy mazava"

Dia hoy ranamana: "Iza avy ny olona nanodidina an'i Jesosy: mpitaky hetra no tena akamany akaiky ary mpamadika, mpivarotena ny vehivavy mpiresaka taminy, mpifoka sy mpisotro ny mpanaratony... dia rahoviana ianao no ahita fiangonana tsara araka ny heritreritrao?"

Lasa vinany aho fa tsy mety hovain'ny mpino ho solika ny ranobe mangeniheny
novalian'i endriny ny 14/03/2015 05:57
2. vony501 ( 05/03/2015 06:57)

endriny:

Raha nilaz aho hoe: "Ny Fiangonana Kristianina dia fitaovam-panjanahana, fandemen-tsaina, sy fanambakana ary fampitahorana...."

Dia hoy ilay namako: "Tsy tadidinareo ve ilay fiteny hoe: "Lazao ahy ny namanao dia haiko ny toetranao?"

Dia hoy aho hoe: "Tsy mazava"

Dia hoy ranamana: "Iza avy ny olona nanodidina an'i Jesosy: mpitaky hetra no tena akamany akaiky ary mpamadika, mpivarotena ny vehivavy mpiresaka taminy, mpifoka sy mpisotro ny mpanaratony... dia rahoviana ianao no ahita fiangonana tsara araka ny heritreritrao?"

Lasa vinany aho fa tsy mety hovain'ny mpino ho solika ny ranobe mangeniheny

Aza disoina kosa ny tantara e! marina fa mpitaky hetra sy mpivaro-tena ireny olona ireny ; fa rehefa niaraka tamin'i Jesoa Kristy ve izy ireo dia mbola izany ihany? Tsia ! fa rehefa niteny Jesoa hoe "andeha hanaraka Ahy", dia nandeha ireo ary navelany teo ny asany
3. bor2lais ( 05/03/2015 10:23)
endriny:

Raha nilaz aho hoe: "Ny Fiangonana Kristianina dia fitaovam-panjanahana, fandemen-tsaina, sy fanambakana ary fampitahorana...."

Dia hoy ilay namako: "Tsy tadidinareo ve ilay fiteny hoe: "Lazao ahy ny namanao dia haiko ny toetranao?"

:-)
Toa tsy mila fantarina akory aza io namanao io raha izany no izy e !
:-)
4. endriny ( 05/03/2015 13:42)

vony501:

fa rehefa niaraka tamin'i Jesoa Kristy ve izy ireo dia mbola izany ihany? Tsia ! fa rehefa niteny Jesoa hoe "andeha hanaraka Ahy", dia nandeha ireo ary navelany teo ny asany

IO aloha no tsy fantatra satria tena tsy nisy tantara an'izay tao amin'ilay boky vaovao a... fa ny voasoratra ao kosa dia ny hoe:

Ry Jodasy nivarotra an'i Jesosy 30 dieny
I Petera niozona mihintsy fa tsy mahalala an'i Jesosy na ny kodiny aza
Ilay fisotroana moa manaraka eny ihany, hatramin'ny sakafo farany mbola figakana be (Io no nahatonga an-dry Mopera ho lehiben'ny fanamboarana divay eto amin'ny Tanana)
Dia ilay tsy fanajana tokatrano teny ihany: Nafotrikan-dry zalahy ny vady aman-janany fa tsy ny harato irery akory.. dia lasa izy niaraka nirenireny tamin'i Jesosy... dia rehefa avy eo nanaraka an'i Paoly...
5. vahiny2004 ( 05/03/2015 14:25)

endriny:

Lasa vinany aho fa tsy mety hovain'ny mpino ho solika ny ranobe mangeniheny

Te hilomano ao anaty solika eny Ikopa angaha ny namana ?
6. endriny ( 05/03/2015 14:46)

vahiny2004:

Te hilomano ao anaty solika eny Ikopa angaha ny namana ?

IO izao no mba tiako andramana raha mety a... ilay hoe mihinana salady volamena ao amin'ny Ibis mantsy mety tsy ho takatro mihintsy...
7. vahiny2004 ( 05/03/2015 14:49)

vahiny2004:

Te hilomano ao anaty solika eny Ikopa angaha ny namana ?

endriny:

IO izao no mba tiako andramana raha mety a... ilay hoe mihinana salady volamena ao amin'ny Ibis mantsy mety tsy ho takatro mihintsy...

Andramo @ ilay ranom-potaka aloha fa mety hitovitovy ihany, madity kokoa angamba ilay solika
8. endriny ( 05/03/2015 14:55)

vahiny2004:

Andramo @ ilay ranom-potaka aloha fa mety hitovitovy ihany, madity kokoa angamba ilay solika

Tsy mitovy ny fitsiranoky ny ranom-potaka sy ny solika koa
9. endriny ( 05/03/2015 15:08)
Mandra-pahaoviana ny fanimbana ataon'ny fiangonana ny firenena tsy tandrefana?

Dia niaraha-nahita teto ny hetsika politika rehetra nifandimby eny fa na hatramin'ny fahatsiarovana ilay hoe AV7 asa dia notongavan'ny firedonana notarihin'ny FFKM...

Oviana isika no nahita FFKM nitarika ny fahatsiarovana ny 11 Febroary, na ny 29 Marsa?

Ny fanovana ny Fokontany ho Kartie... Izao ny tenimalagasy mihintsy nesorina araka ny fitakian'ny Sekoly Katolika... Ary tsy izay ihany fa nalana tany ampianarana ny ankamaroan'ny fampianarana ny fomba amam-panao sy ny tantara Malagasy ka nosoloina tantara Eraopeanina Moaenina azy...

Fe ankehitriny dia misy mihintsy mpitarika fiangonana manera tany omena ny Frantsay sy ny Italianina, tonga eny anivon'ireny sampan-draharaha mpikarakara ny tany ireny... dia gaga ianao
10. gasy1zay ( 05/03/2015 19:52)

Dia hilaza koa ve ianao fa fomba amam-panao malagasy ny homosexualité? tsy ny fomba tandrefana tsy tianao ampianarina any ampianarana io ve no nitondra izany teto?

Mikasika ny teny gasy sy ny fianarana indray dia malahelo aho milaza aminao fa raha mbola mampiasa ny volan'ny vahiny isika dia tsy maintsy mahay ny teniny, rehefa gasy no maro an'isa @ ny tompon'ny vola miodina eto Gasikara dia afaka misafidy ny teny ampiasaina isika.
11. rhaj0 ( 05/03/2015 21:57)
Nisy lahatsoratra nikasika ny homosekisoalitia hitako, ary dia nisy dia nisy tokoany ny mpanjaka Merina homosekisoaly iray izay nalaza.. Fa ny ankabeazan'ny mpitantara rehetra aty aoriana moa voan'ny (fandemen-tsaina) kristiana dia hotry ny nanao auto-censure daholo... Dia ny tany atsimo koa toa ny initiation dia misy homosekisoalitia.. tsy nitana reference aho fa fitadidiana eto fotsiny.. Raha "(tsy) mi(hai)no" ianao dia tsara..
12. Strong3 ( 06/03/2015 08:12)
misy hono... sao mba you know koa ary izany i rhaj0 ity eh? toa tena liana dia liana amin'io resaka you know io , mety hanaraka i endriny raha izy isé an , azo inoana izany raha izao fahakahatahaka be fahatany amin'isé izao hihihi ( ) iny eh! :-)

nopotehin'ny fiangonana ny malagasy, fa ny malagasy misy mahiratraka mahay naka ny tsra tao amin'ny baiboly , ka tsy mpanaradrenirano fotsiny ny teo aloha fa nitrandraka ny marina ka tonga tena kristiana!

13. rhaj0 ( 06/03/2015 11:25)
i Strong3 moa ilay nanizinginzina ny anifikifika ny homozekisoaly izy izay?

Ka ny etude "hono" nahita fa ireo homosekisoaly ao @ fo laliny ao no tena mpanizingizina sy mpanifikifika ny homosekisoaly toa izany. Ka ny fitiavany laliina priatin'ilay, ohatra matetika, ny finoany, ary dia iny lasa sakay kely rano @ n'a pas iny zareo. Ny olona kalamina @ sekisoalitiany dia tsy mikirapadrapaka ny @ izany fa kOpy.. ka dia miovaha tao @ box tao ho'a re e.. ahasalama anao izany.. :-)

Sa ahoana (indro) Strong3...
14. Strong3 ( 06/03/2015 11:55)
mdr... menatra indray dia mody ahilika aty ah!

15. rhaj0 ( 06/03/2015 14:12)
izaho indray raha homosegizoaly k'lou dia tsa menatra @izany kah.. izay toe-tsaina (lomorina) milaza hoe mahamenatsa ny natioraly (vita nanahary), izay ihany no manjary mahatonga ity bullying mitapisaona, manilikilika manavakavaka sy mampijaly olona homosekisoaly ity.. TEna mila miverins T3 ianao Strong3 mianatra an'izany hoe, TSY mahamenatsa ny homosekisoalitia
16. gasy1zay ( 06/03/2015 15:05)

rhaj0:

izaho indray raha homosegizoaly k'lou dia tsa menatra @izany kah.. izay toe-tsaina (lomorina) milaza hoe mahamenatsa ny natioraly (vita nanahary), izay ihany no manjary mahatonga ity bullying mitapisaona, manilikilika manavakavaka sy mampijaly olona homosekisoaly ity.. TEna mila miverins T3 ianao Strong3 mianatra an'izany hoe, TSY mahamenatsa ny homosekisoalitia

Io rhaj0 rehefa itadiavana "argument" dia ahitana foana na mitombina io na tsia, fa dia mampihomehy ahy ilay hoe natioraly vita nanaharinao, vita nanahary= vitan'ny mpahary = vitan'Andriamanitra, nga moa tsy hoe nanamboatra lahy sy vavy hivady no vita nanahary?

Rehefa natioraly ve dia tsy tokony sakanana? Mpianadahy mivady ve zany natioraly sa aona?
17. rhaj0 ( 06/03/2015 15:56)
hi hi hi.. (sarcasme iny)
Ka ilay "fitiavana" ve tsy "vita nanahary= vitan'ny mpahary" ee? Io hoz'nareo no "lehibe" indrindra, izany hoe, na "fitiavana" ny mitovy fananahana io na fitiavana hamburger..

'Rehefa natioraly ve ....."
hi hi hi.. aza mba be fanontaniana ihany (rahefa mpino), fa tonga dia tsotsory foana fotsiny hoe, mino-dia-basy e... ngo dia hiverenan'ny resaka adam/eva/kaina/abela eo... na koa i Noah...
18. endriny ( 07/03/2015 03:25)

gasy1zay:

rehefa gasy no maro an'isa @ ny tompon'ny vola miodina eto Gasikara dia afaka misafidy ny teny ampiasaina isika.

Esy aho hoe ry Malagasy, tsy mahagaga fa dia ohatran'izay daholo kay ny foto-pisainantsika. Hitako ny Malagasy rehefa lasalasa kely dia mipetsopetsona amin'ny abc dia raha mankany an-dafy kely dia: "Je ne parle pas Malgache".

Dia ny mahagaga dia olona mpamaky baiboly no mamaly ohatran'izao... menatra aho... Ny Israelianina aza nandevozin'ny Ejipsianina an-jato taonany mbola miteny Hebrew sy manoratra Hebrew ihany... Nozanahan'ny Romanina firy taona? Nifindra firenena firy taona, saika maty firy taona... fa mbola miteny Hebrew ihany hatramin'izao...

Dia ny tompon'ny vola no tompon'ny teny... dia tompon'ny vola no tompon'ny finoana... ka ny tompon'ny vola ihany koa ange izany no tokony tompon'ny lanitra e... sa hoe izay maharotsaka vola bebe amin'ny rakitra sy ny vokatra no tonga aloha any an-danitra...

Tsara be ilay fiangonana feno vola
19. endriny ( 07/03/2015 03:32)
Isaorako manokana I
Hery:
fa na dia an'ny Microsoft sy Linux aza ny soft tsy an'ny mpanambola ny teny Malagasy, dia nataony tamin'ny teny Malagasy ity serasera ity. Ary maro ireo vahiny namana no miaiky fa raha ity no tamin'ny tenim-pirenena hafa dia aleo tsy ho lazaina intsony...

Fa milay eh
20. endriny ( 07/03/2015 04:19)
Taitra vao maraina fa mikotaba be ny mpiantsena, dia misy mampaneno klakisaona... Dia aleo aloha manala azy eto. MIandry lakolosim-piangonana amin'ny 5.30 maraina indray...

Tena mandreraka be io lakolosy io rehefa vao maraina asa inona no azo atao... fa ny tena moa tsy manam-bola dia miaritra izay ataon'ny mpanam-bola eto fotsiny fa izy hono no tompon'ny teny sy ny finoana e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5851