Sambatra izay olona mialoka Aminy

1. Tefigasy ( 25/11/2014 04:16)
Tao amin'ny tokan-trano iray kristianina, antonotonony ihany ara-pivelomana: tojo tsy fahasalamana ity renim-pianakaviana (nisy tumeur tao aminy). Efa nohazavain'ny dokotera tamin'izy ireo fa mitondra mankany amin'ny fahafatesana io aretina iray io, indrindra raha taraiky sy tsy voatsabo tsara. Ny olana anefa dia lafo dia lafo ny fitsaboana, ary tsy ho takatr'ireto fianakaviana izany. Noho izany dia naverina nandeha nody ity renim-pianakaviana ary niandry izay hiafarany ao an-tranony.
Naheno izany ity zanany vavikely iray, notaominy ny mpiara-mianatra aminy anakiroa. Niditra tao amin'ny efitra mitokana ao ambany rihana izy telo vavy; ilay reniny amin'io ao ambony rihana, mbola miady amin'ity aretina sy mitolona mafy amin'Andriamanitra ihany koa. Nakaton'izy telo vavy ny varavarana, dia nanao fotoam-bavaka tao izy ireo, nametraka ity reniny teo ampelatanan'i Jeso tanteraka. Tapitra ny vavaka nataon'izy telovavy, nitsangana teo ambony fandriana ilay reniny. Niverina tany amin'ny hopitaly izy ireo ny apitson'iny; nojerena ilay ramatoa: tsy hita tao intsony ilay aretina.
Sampanan-dalana iray lehibe ho an'ity tovovavikely iray ity io fotoana io, ary teo no tena niatombohany sy nahalalany ny fiasan'izany Andriamanitra izany teo amin'ny fiainany.
Raha kristianina ianao, maka fotoana mitokana na dia 2 minitra fotsiny ihany aza: hivereno hitodihana kely hoe ilay fotoana nihaonanao tamin'ny Tompo voalohany iny indrindra, ilay fotoana tena tsapanao fa nikasihany sy nitrotroany anao tao anaty sarotra, ilay fotoana nitondrany anao tao anaty hasambarana sy fifaliana. Tena tsara ny Tompo e !
Raha tsy mbola kristianina kosa ianao, mbola tsy nigoka izany fiainana miaraka amin'i Jeso izany: fijoroana vavolombelona sady tena nisy ireny tantara tantaraiko aminao eto isan'andro ireny. Raha mahaliana anao dia andramo ka izahao fa Tsara Jehovah, sambatra izay olona mialoka aminy. Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy
novalian'i bor2lais ny 04/12/2014 12:15
2. rhaj0 ( 26/11/2014 18:19)
Hono ho'a ry Tefigasy: tena marina tena nisy ve io, hoe "nanjavona ny tumeur", sa ... parabole?


Fa na izany na tsy izany, dia raha Katolika ianao, hono, na hoe raha ny fahazoako azy, dia misy "Masina" (Saint) azonao (iarahana) ivavahana @ ireo aretina maro manjo an-draolombelona..

http://en.wikipedia.org/wiki/Patron_saints_of_ailments,_illness,_and_dangers
Ohatra hoe
Agatha – breast cancer
Saint Peregrine Laziosi – cancer
na koa hoe
Saint Quentin – coughs, sneeze (rehoka aman-delo ity izany)

Fa izao izao i "Potamiana – protectress of rape victims" ve mba nanao ny asany tokoany t@ ireo "pretra (sasany) nanolana ankizy"...

3. Tefigasy ( 27/11/2014 11:56)
rhaj0:

Hono ho'a ry Tefigasy: tena marina tena nisy ve io, hoe "nanjavona ny tumeur", sa ... parabole?

Tranga tena nisy io
rhaj0:

Fa na izany na tsy izany, dia raha Katolika ianao, hono, na hoe raha ny fahazoako azy, dia misy "Masina" (Saint) azonao (iarahana) ivavahana @ ireo aretina maro manjo an-draolombelona..

Tsy katos aho aloha (tsy miantefa amiko ilay soso-kevitra), saingy raha ny baiboly no hanontaniana dia tokana ny valiny : iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona , dia Kristy Jesosy
4. Tefigasy ( 27/11/2014 11:58)
Fa na izany aza, ataovy ao an-tsaina fa tsy ireny famantarana ireny no zava-dehibe sy tokony hahaliana anao fa ilay mpanao famantarana no mba irio fantarina sy hiarahana, dia hahavita mihoatra lavitra noho izany ianao
5. rhaj0 ( 27/11/2014 13:26)
rhaj0:
Hono ho'a ry Tefigasy: tena marina tena nisy ve io, hoe "nanjavona ny tumeur", sa ... parabole?
Tefigasy:
Tranga tena nisy io

Aoka ho'a... raha nisy ve io tsy efa nihazakazahan'ny olona rehetra, na siantista na mpanao gazety, dia nanaovana fanadihadiana "independent" sy "objectif"...

Ny fahitako an'io dia toa ireny "angano" natao androtsirotsiana zaza (sy kristiana marary) ireny izy izany, fa tsisy an'izany "Tranga tena nisy io" izany.. Koa na ilay "Masina" azany, toa na ny tompony (katolika) azany tsy manisy sira an'izany intsony... iza (intsony) no (mba) mahalala an'i Saint Peregrine Laziosi sy Saint Quentin izany ?
6. Tefigasy ( 27/11/2014 13:33)
rhaj0:

Aoka ho'a... raha nisy ve io tsy efa nihazakazahan'ny olona rehetra, na siantista na mpanao gazety, dia nanaovana fanadihadiana "independent" sy "objectif"...

Ny fahitako an'io dia toa ireny "angano" natao androtsirotsiana zaza (sy kristiana marary) ireny izy izany, fa tsisy an'izany "Tranga tena nisy io" izany.. Koa na ilay "Masina" azany, toa na ny tompony (katolika) azany tsy manisy sira an'izany intsony... iza (intsony) no (mba) mahalala an'i Saint Peregrine Laziosi sy Saint Quentin izany ?

Afaka tsy mino ianao, sady ianao koa efa tsy mino rahateo. Tsy dia manavanana ahy loatra ilay mijoro vavolombelona amin'ny tranga tena niainako fa raha ny famantarana nataon'ny Tompo teo amiko no ho tantaraiko eto dia tena vao maika ianao hiteny hoe "tena mpampiesona ianao". Mampalahelo ihany ianao fa tsy miaina izany fiainan-tsambatra miaraka amin'ny Tompo izany, nefa atao ahoana moa fa Izy tsy mba manery izay tsy te hiditra sy mbola tamana any ivelany !
7. rhaj0 ( 27/11/2014 16:54)
Eny azany fa sambatra ianao e... mahasoava ao..

Fa rahefa voan'ny sery sy mikohaka ohatra ny Ankizy, dia aoka re mba entina any @ dokotera na koa vitao @ sakamalaho, fa TSY amonoana vantotr'akoho, na koa, TSY manantena (na mino) fa raha miventy an'i Saint Quentin, na ny hotrhotr'izany, dia ho sitrana izy e...
8. bor2lais ( 03/12/2014 08:16)
rhaj0:

... vitao @ sakamalaho, fa TSY amonoana vantotr'akoho ...

???
:-)
9. rhaj0 ( 03/12/2014 11:16)
ya ya.... mitsongoloka anamalaho fa tsy sakamalaho i Bor2lais .. any ny resaka "sambatra" @ Bor2lais... :-)
10. bor2lais ( 04/12/2014 12:15)
Sambatra tokoa izay olona mialoka Aminy !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2763