Ireo pretra (sasany) nanolana ankizy (3)

1. rhaj0 ( 17/11/2014 11:38)
Dia nahita sarimihetsika indray aho ho'a, mbola mikasika ny famonoana ny maha-olona nataon'ny pretra katolika (sasany). Ary dia nofongariko indray ity lohahevitra ity, izay efa noresahina tatsy sy tatsy. Noheveriko fa ry Katolika ao Kebek ihany no nanao an'io, satria dia ny ao Kebek ao no hitako tena tezitrabe @io, fa kay erak'i Kanada koa; ary @ ity filma ity, dia kay erak'i Etazonia koa.

Ity moa sarimihetsika, fa kosa, manavoitra ilay fomba sy fatao taloha. Dia asakasak'i Papa Fransoa, mbola tsy niala tsiny ary manome fanonerana ofisialy an'ireto olona, fa mbola mikiry ao @ solidarite malsain ao... f'angaha moa izy tompon'andraikitra an'izay nataon'ny pretra (sasany) adala taloha tany ?

Ity ilay filma : "Older Than America", ary ny santionan'ny "zava-nisy" notantaraina tao, raha ny fitadidiako sy fahazoako azy, dia :

- "Kill The Indian, and Save The Man" : io ny "baikom-pitolomana".

- "mihinan'ny savoniny" : raha vao tsy manaraka ny fombafombam-pivavahana (katolika) ilay Ankizy, tonga dia soketaina ho "maniratsira", dia ampihinan'i Masera savony, mba hampadio ny vavan'ilay ankizy hono

- "nidiran'ny devoly" : soketaina ho io ny olona raha vao tsy manaraka (na manohitra) ilay revy kristiana (katoloika), ary dia lazaina fa "marary saina" (schizo..), ary hidiana any @ asile. Rahefa ankizy moa dia ao @ ilay sekoly ao dia hiharan'ny abus (sy viol) ao.

Vokatr'ireo, dia betsaka no mamono-tena ireto olona. Ny sisa (very fanahy mbola) velona moa dia maty moramora ao @ fahantrana ary mamono eritreritra (sy tena) @ alikaola


Iaho aloha dia mitsetra... mba manana fon'olona ihany aho. Fa tena tsy rariny...


Tena tsy "mampino"...
novalian'i rhaj0 ny 17/11/2014 15:31
2. gasy1zay ( 17/11/2014 15:14)
Tsy haiko aloha na horonantsary fanadihadiana na horonantsary misy tantara (scénario) io lazainao io ry rhaj0 fa izaho koa dia tena miombokevitra aminao fa tena tsy rariny mintsy no nataon'ireo mpitondra fivavahana sasany ary ny tena mampalahelo dia zavatra tsy mifanaraka velively @ fampianarana ao @ baiboly ny fotondrantenan'ny sasany nefa dia manana andraikitra lehibe eo @ fiangonana ary ny tena loza dia maro ny olona no very ny fanahiny noho ny adalan'ny mpitondra fiangonana sasany. Izaho anefa mino fa mbola misy ny mpitondra fivavahana mbola mijoro @ fahamarinana sy ny tenin'Andriamanitra.
3. rhaj0 ( 17/11/2014 15:31)
Ilay izy dia TSY documentaire fa film. Fa ilay izy TSY film fiction fa film "based on true stories".

Ohatra hoe ilay fampijaliana ireo zaza amerindiana any @ sekoly katolika dia efa nisy documentaire nitantara izany (ohatra jereo eto). Ilay "fomba" fanasoketana hoe "nidiran'ny devoly" dia terena alefa any @ asile, dia tena zava-nisy tokoany (ohatra jereo eto).

Io film io dia (isan'ny) entina ampianarana (eduquer) na ampahafantarana (informer) ny taranaka aty aoriana ny nanjo ireo Amerindiana.. ary nahazo loka noho ny ahafonjany.


Ontsa mihintsy aho, fa tena tsara fo ireto Amerindiana ireto. Mila mianatra mamela izany isikana, hoz'izy. (Nefa ry Kato @ io tsy mety manaiky diso mihintsy; vao mainka azany ho'a nolatsainy ireto olona ireto, raha ny fahatakarako azy, dia nataony masina katolika i Kateri Tekakwitha).


Dia scenario t@ ilay film farany moa, dia manao ny ceremonie traditionelle-ny zareo, ary dia nisokatra t@ ilay Nenitoa mpamadika ilay Raneny noterena tany @ asile. Ilay Nenitoa mpamadika dia ilay mpamosavy malemy ireny, ka ny fianakams-ny ihany no nasiany; raha ny marina, dia i Mopera no nanodikodina ny lohany, ary dia lasa mpivavaka sy ninobe (izay lazain'i Mopera) izy. I Mopera anefany ilay karazan'olona izay ny hanafenana ny heloky ny katolika namany ihany no mahamendy azy. Ka izay milaza ny marina dia lazainy fa "nidiran'ny devoly".


Dia hoe, t@ 1975 izay vao najanona ity revin'ity "sekoly katolika" ity tao Etazonia tao.


Fa tsy hitanareo mbola mitohitohy h@ izao ve izany paikapaika izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0841