Mba ahoana ny hevitrareo @ ireo Franc Maçon

1. gasy1zay ( 21/11/2014 15:23)
Gaga ny gasy raha nahare fa Franc Maçon i Jean Louis Robinson Heritaona lasa izay, hita koa anefa fa ingahy Hery Rajaonarimampianina koa anefa dia mpikambana ao @ ito Franc Maçon ito.
Ahoana ny fahitanareo an'io fikambanana io?
novalian'i gasy1zay ny 08/12/2014 20:51
2. rekinbelo ( 21/11/2014 16:45)
Salama namana,
Inona moa no olana ho antsika raha franc macon reo olona ireo, to tsy itako mitsy izay manakana antsika amin;izany anie. Ny tsara ho fantatra fotsiny dia hoe fikambanana manao pacte izy io ary manana ny sata mifehy azy iahny koa, ka raha tena kristianina zany tsy miditra @ ireny mitsy>
Lyons club, soroptimist, sns izay fikambanana misy ifandraisany @ franc-macon daolo izany dia mila eviter-na tanterka mitsy.
Ireo antokonolona ireo anie no mitondra sy mibaiko ity firenena misy antsika ity eee, na fantatsika le olona na tsia dia presk izy daolo reo olona rehetra eo @ fitondrana ireo ary ny mpitondra fivavahana ihany ko, mitandrema ary ianareo namana isany.
Mnakalaza e
3. gasy1zay ( 21/11/2014 17:09)
Ny tiko hiavina dia ny vokatry ny adilahy politika eto @ firenentsika dia fahantrana, fitiavantena, fifampiadaniana, fisarahana, fitokoana izay ohatrany mampatsiahy ahy ireo asan'ny nofo rehetra voalaza ao @ Galatiana 5 : 17-19 , ary na ny mpivavaka aza dia mifanenjika, hatrany @ toriteny misy resaka politika, nefa rehefa dinihana dia olona mifampiresaka any @ loge ireto mpifanandrina, dia toy ny vazaha mody miady hoy ny fomba fitenenana. Misy anefa ireo gasy majinika tsy mahatakatra zany fa dia mbola faly mifanenjika, sy mifankahala @ ady tsy mitombina satria dia atidoha iray ihany no ambadika ao na ny mpitondra na ny mpanohitra.
4. rekinbelo ( 22/11/2014 06:18)
ka ny fivavahana matanjaka rehetra anie namana ka misy lien @ franc-macon daolo eeee, ireo anie no mitondra an'ity tany ity eeee, ka normal be oe misy foana fahantrana sy korotana sy fisarantsarahana eto antany.ny Illuminati no tena ambony indrindra mitondra izao tontolo izao.
Tadidio fa ny fivavahan, varotra ary politika de ireo groupe ireo no mitondra sy mibaiko eto an-tany ary raha tsy ireo mihitsy no foana tsy ilamnina isika olombelona.
Ny fanafoanana ny fivavahana no primordial de milamina izao tontolo izao na oe manorona fivavahna iray itambaran'ny olombelona rehetra de tsisy korontana intsony io.
Sarotra be io resaka io fa de Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra ary hainy mandamina ny olanantsika olombelona @ fotoan avoatondrony eeee, tsy misy azontsika antenaina raha mbol fandaminanna naorin'olombelona fa korotna foana vokany.
mahereza namana.
5. gasy1zay ( 25/11/2014 18:00)
mba te hizara ity video ity amintsika aho na dia somary lava aza ny faharetan'ilay izy,

http://www.youtube.com/watch?v=EKZtqeNd1q0

mampalahelo fa dia mitombo be any amintsika anefa ity resaka franc Maçon ity araky ny voalaza eto ambany

http://fr.wikipedia.org/wiki/Liste_d%27ob%C3%A9diences_ma%C3%A7onniques#Madagascar

http://www.glnm.org/les-loges

6. sitlo ( 26/11/2014 05:03)
no comprendo
[center][/center]

Mba omeo source hoe Franc Macon i 3 sy i 33
7. endriny ( 26/11/2014 08:30)
Angamba tsara ho fantatra ihany fa tsy afaka miditra masaonika raha olona tsy mino an'Atra.

Ny Masaonika no nitarika na fanalana ny fangejan'ny fiangonana ny famaritana ny sata sy ny lalana amin'ny firenena iray.
Ny Masaonika no nidradradradra sy niady ho an'ny fampitoviana lenta ny lahy sy ny vavy tany amin'ny tany tandrefana.
Ny Masaonika no niady voalohany ny hanomezana fahalalana sy fampianarana ny olona ivelan'ny andrimpanjakana sy ny fitandremana. Ka nahatonga an-dry Wesley hanorina fianarana ivelan'ny faritry ny rovan'ny mpanjaka
Ny Masaonika no niantso ny mba hanampian'ny fanjakana ireo mahantra ary nanery ny firenena isan-tokony hanangana ireny hopitaly sy sekoly ireny.

Efa taty aoriana ny fiangonana Katolika, rehefa nahita fa toa mahasarika olona ny mianatra, dia iny koa izy mba nanangana sekoly.

Taty aoriana rehefa fa hitany fa hay tsy asan-devoly ny manindrona olona marary, ary tsy asan-devoly ny manjaitra olona tapaka na misy fery be. Dia iny ry zareo fa nanangana hopitaly. Dia lasa izy indray no malazasy nahazo doka amin'ny fitsaboana ny boka...
8. endriny ( 27/11/2014 06:08)
Raha atao bango tokana dia ilay fifankatiavana sy fifanampiana eo amin'ny fiarahamonina no tanjon'ny Masaonika. Ka tsy hifanipaka toa valala an-karona ireo, na hifanebaka toa ny mpiady an-tsena.
9. gasy1zay ( 27/11/2014 15:49)

endriny:

Raha atao bango tokana dia ilay fifankatiavana sy fifanampiana eo amin'ny fiarahamonina no tanjon'ny Masaonika. Ka tsy hifanipaka toa valala an-karona ireo, na hifanebaka toa ny mpiady an-tsena.

Raha ny marina anie ry zareo tsy milaza hoe iza avy no membre ato aminay e! koa ahoana moa no hifanebaka izy nefa efa nianiana aleoko maty tapahan-doha toy izay hamoaka ny tsiambaratelon'ny "loge".

raha tsy hiditra @ resaka fivavahana aho dia afaka ambara hoe misy resaka kolikoly goavana ao ambadika ao raha membra tsotra @ ity franc maçon ity ianao satria dia hisy foana ny "piston" raha franc maçon ianao, tsy azo atokisana intsony ny "recrutement" any ampiasana, ny fitsarana eny @ tribonaly, ny fahazoana marché, ny seza politika sns sns satria dia raha franc maçon mifanina @ olontsotra dia tsy ahita rariny mintsy raha mbola misy franc maçon hafa manana fahefana @ fanapahana farany ( mpitondra, mpitantana, mpitsara, ...)
10. endriny ( 28/11/2014 09:05)

gasy1zay:

Ireo tanjon'ny Masaonika nolazaiko teo ambony ireo dia nanozongozona ny fijerin'ny fiangoanana, izay te hanao ampihimamamba ny rafitra ara-poarahamonina misy, no mahatonga ny fiangonana mandrangaranga fandrafiana amin'ny Masaonika.

Ny Masaonika dia tokony tsy hiafina amin'ny maha masaonika azy fa tokony hijoro ho fitaratry ny fiarahamonina.

Saingy ny mpanjanaka frantsay dia nampiasa ny fikambanana Masaonika sy ny Zezoita mba hanaovana asa fitsikilovana sy hamoretana ny vahoaka, hany ka aty amintsika dia ireo fikambanana Mafia no lasa Masaonika. Ary tsy sahy manisy marika akory amin'ny fiarany na ny zavatra ananany hoe Masaonika izy ireo.

Ny mpikambana Masaonika dia olona mbola tsy nanao ratsy na nahenoana tsy lian-tsofina fa nanao ratsy teo amin'ny fiarahamonina, ary olona manandala ny soatoavin'ny tany onenany. Ny lodiza tsirairay dia tokony hanana mpanaramaso hoe mahatandrina ireo fitsipi-pitondran-tena ireo ve ny mpikambana ao aminy.
11. gasy1zay ( 28/11/2014 17:56)

Mba afaka tanisainao ve ary hoe inona ny zavatsoa nataon'ny Franc Maçon teto Madagasikara fa toa korontana ara-politika sy ny vokany aloha no hitako hatreto fa mety manao asa soa miafina koa ve ry zareo?
12. endriny ( 02/12/2014 17:44)

gasy1zay:

Mba afaka tanisainao ve ary hoe inona ny zavatsoa nataon'ny Franc Maçon teto Madagasikara fa toa korontana ara-politika sy ny vokany aloha no hitako hatreto fa mety manao asa soa miafina koa ve ry zareo?

Tsy hitanisa maro aminao aho fa aleo angamba zavatra roa no lazaiko.
1) Andrianampoinimerina izay nanangana drafitr'asa izay mbola lovaintsika hatramin'izao dia masaonika, nofanin'ilay Rob izay nampianatra an'i Ledama, sy nitondra ny fampianarana voalohany teto. Ary nandefa ireo havany hianatra tany Angletera ihany koa. Dia avelako ianao no manohy hoe inona no vitan'Andrianampoinimerina. Dia jereo ny rafitra trano nataony teo Analamanga. Ny teny Fiadanana moa efa lasan'ny miaramila.
2) Ny mpitarika MDRM dia mpikambana tao amin'ny Masaonika ny ankamaroany, ka izay no tsy nitiavan'ny Zezoita ny MDRM hatramin'izay ka hatramin'izao. Dia anjarantsika ny maminavina ny hoe hatraiza ny fiantraikan'ny hetsika izay mbola tsy nisy akory fa nofongorina talohan'ny nahafoy azy, izay nataon'ireo zoky Ray aman-dReny ireto.
13. rhaj0 ( 02/12/2014 20:25)
Atoy raha hamahabaha y freemason
http://en.wikipedia.org/wiki/Freemasonry

Dia etoy ireo olo-manga fremmason ohatra hoe ry Mozart na koa Georges Washington na i Louis Armstrong sy i Colin Powell sy Al Gore ary George Bush rainy.. ary h@ Yaser Arafat... na koa i Billy Graham.. koa na i Joseph Smith profetan'ny Mormon azany izy koa..
http://www.ranker.com/list/famous-freemasons/user-x, http://www.despatch.cth.com.au/Misc/famous_2.htm
14. gasy1zay ( 03/12/2014 16:42)
Endriny > mba hafa koa izany famaritanao ny atao hoe asa soa izany an! hay ve ny fanamboarana monument culturel no atao hoe manao asa soa e! Noheveriko hoe ilay manampy ny tsy manana, mitsabo ny marary, sns... Tsy hiadiko hevitra moa ireo membre notanisainao ireo fa izaho tsy manana info momba izany fa siosiondresaka henoko dia ireo Padesm no tena anisan'ny membre tao koa ka raha milaza ianao hoe ny MDRM koa dia anisany dia miverina @ ilay nambarako hoe manao vazaha mody miady ry zareo dia ny vahoaka madinika tsy mahalala izay resaka any @ loge any no matimaty foana (1947-1972-1991-2002-2009-...)
15. rhaj0 ( 03/12/2014 17:32)
Mety diso aho, fa raha ny fahatakarako azy, dia hotry ny networking na reseautage ny franc macon. NItambatra ho groupe na association iray ireo olona, dia izay mifanaretsaka ao dia mifanohana ao. Fa rahefa assoc moa dia misy ny fombafomba, indrindra ireny assoc taloha ireny.

Izaho mihevitra fa tsy hoe ny Franc Macon no mitondra ny tany. Mety diso anefa aho. Fa io ohatra izany i Al Gore sy Georges Bush samy membre. I Clinton sy Gore anefa no naharesy an'i Bush rainy io t@ 92.

Ka hotry ny hoe Katolika fotsiny e... Na dia samy Katolika aza ireo prezida sy kandida resy t@ prezidansa frantsay, dia tsy midika hoe, i Vatican no nandidy ny politika tao Frantsa...
16. endriny ( 04/12/2014 05:35)

gasy1zay:

Endriny > mba hafa koa izany famaritanao ny atao hoe asa soa izany an! hay ve ny fanamboarana monument culturel no atao hoe manao asa soa e! Noheveriko hoe ilay manampy ny tsy manana, mitsabo ny marary, sns... Tsy hiadiko hevitra moa ireo membre notanisainao ireo fa izaho tsy manana info momba izany fa siosiondresaka henoko dia ireo Padesm no tena anisan'ny membre tao koa ka raha milaza ianao hoe ny MDRM koa dia anisany dia miverina @ ilay nambarako hoe manao vazaha mody miady ry zareo dia ny vahoaka madinika tsy mahalala izay resaka any @ loge any no matimaty foana (1947-1972-1991-2002-2009-...)

Hay ve monument culturel ny lapam-panjakana e? Dia ahoana koa iza hono no nanajary ny lemak'i Betsimitatatra?
Hay ve ilay mizara friperie mba hanimbana ny asatanana Malagasy, sy ilay mizara vary mba hambotriana ny tantsaha tsy hamboly no atao hoe asa soa e...
Siosion-dresaka tsara ianoana tokoa e...
Aleonay mamantatra ny tantaran'izany Jesosy sy ny Israelianina izany toa izany ny tantaran'ny taninay... Dia aleonay mihaino vazaha miresaka toa izay miheno Malagasy mikabary... Tsara be fa tohizo
17. gasy1zay ( 04/12/2014 14:54)
endriny > mba hazavao kely indray ary hoe inona no idiran'ny Franc Maçon sy ny gasy mikabary sa fampianarana mikabary no atao any @ loge? Fa ny gasy nga moa no namorona ity FM ity no lazainao hoe tantaran'ny taninay? Rehefa ny FM no entin'ny vazaha dia tsara fa rehefa fivavahana dia ratsy aminao, nefa toa ireo FM no tena mitarika kolikoly, trafic d'influence, ady seza, korontana sy krizy politika eto @ firenena.
18. gasy1zay ( 05/12/2014 14:54)
Fa maninona no lazaina hoe fikambanana satanista sy losiferiana ny franc maçon? Mba vakio ito lien ito dia ho fantatrao

http://graal.over-blog.com/article-932044.html

na koa :

http://www.ledifice.net/7194-1.html

hoan'izay tsy manampotoana hamaky dia ito ny point important notsongaiko tao :

To you, Sovereign Grand Instructors General, we say this, that you may repeai it to the Brethen of the 32nd, 31st and 30th degrees :
" The Masonic religion should be, by all of us initiales of the high degrees, maintained in the purity ofthe Luciferian doctrine ".

Traduction : A vous, Souverains Grands Instructeurs Généraux, nous disons ceci pour que vous le répétiez aux Frères des 32è, 31 è et 30è degrés : " La religion maçonnique devrait être maintenue dans la pureté de la doctrine luciférienne par nous tous, initiés des hauts degrés ".

19. endriny ( 06/12/2014 05:22)
Sarotra be ny manome vilona ho an'ny liona fa aleo tsorina fotsiny hoe: Ny Masaonika aoha dia tsy fivavahana... Ny tily sy ny Mpanazava na Antily sy Fanilo any am-piangonana dia nadika tamin'ny illuminati sy ny Templier

gasy1zay:

endriny > mba hazavao kely indray ary hoe inona no idiran'ny Franc Maçon sy ny gasy mikabary sa fampianarana mikabary no atao any @ loge? Fa ny gasy nga moa no namorona ity FM ity no lazainao hoe tantaran'ny taninay? Rehefa ny FM no entin'ny vazaha dia tsara fa rehefa fivavahana dia ratsy aminao, nefa toa ireo FM no tena mitarika kolikoly, trafic d'influence, ady seza, korontana sy krizy politika eto @ firenena.

Korontana Politika nisy teto Madagasikara ve? Fa iza no nitarika ilay fivavahana iraisam-pinoana isaky ny nis 13 Mai na teny Mahamasina isaky ny misy hetsika politika? Iza no nandrava ny Hetsiky ny Jina sy ny Menalamba ary ny MDRM? Dia mody hoe raha mibebaka ianareo mpioko dia ho velona mandrakizay ary ho afaka amin'ny fahotanareo, kanefa rehefa avy eo tofirina ihany ilay olona...
20. gasy1zay ( 06/12/2014 16:49)

endriny:

Sarotra be ny manome vilona ho an'ny liona fa aleo tsorina fotsiny hoe: Ny Masaonika aoha dia tsy fivavahana... Ny tily sy ny Mpanazava na Antily sy Fanilo any am-piangonana dia nadika tamin'ny illuminati sy ny Templier

endriny > mba jereo kely ny définition ny réligion mba tsy hofitahin'ny olona mora foana ianareo

http://www.larousse.fr/dictionnaires/francais/religion/67904
Réligion : Ensemble déterminé de croyances et de dogmes définissant le rapport de l'homme avec le sacré

La croyance en Dieu, Grand Architecte de l'Univers est la référence commune à tous les maçons de tradition

http://www.larousse.fr/dictionnaires/francais/rite/69575

rite = Ensemble des règles et des cérémonies qui se pratiquent dans une Église particulière, une communauté religieuse

Jereo ireto karazana rite ataon'ny FM ka aiza no tsy maha fivavahana azy? averiko fa raha ny réseau no mahamaika anao hiditra ao tsy tonga saina akory ianao hoe efa misy zavatra tsy milamina anie ao ambadika ao e!

http://fr.wikipedia.org/wiki/Rite_ma%C3%A7onnique

Ito ny dogmes raha mbola tsy resy lahatra ianao ry endriny

http://en.wikipedia.org/wiki/Morals_and_Dogma_of_the_Ancient_and_Accepted_Scottish_Rite_of_Freemasonry
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.585