hevitra mba tsara raha misy fihaonana isika 
Lohahevitra : Fety sy fihaonana
Fitohizan'ny hafatra : hevitra mba tsara raha misy fihaonana isika
Valiny : 13
Fitohizan'ny hafatra : hevitra mba tsara raha misy fihaonana isika
Valiny : 13
rabaradaka - 17/10/2014 04:37
|
![]() |
hadji - 19/10/2014 16:01
|
![]() tena tsara ilay hevitra izaho manohana e |
ora - 24/10/2014 12:04
|
![]() |
ravatorano - 03/01/2015 08:33
|
![]() ora < marina io fa mila fanetsiketsehana kosa aloha satria tsy ho mora ny mikarakara ilay fihaoana ny mijery nyandro hanaovana azy fotsiny defa manahirana satria samy manana ny andro mahahafaka azy isika eo, koa ny toerana (matetika andoavam-bola)..... ny hevitra fiahaonana dia tsara mihitsy ary be mpanohana fa rehefa tena tapaka tokoa ilay izy d isaina amin ny ratsa-tongotra ny tonga hihihihi fa tsy mampihemotra ny namana mpikarakara an izay kosa aloha izany eh fa ho avy tsy ho ela kah ! matokisa an dry zareo fa tsy ry zalahy fa ho avy ny filazana ! |
naritsimba - 05/01/2015 08:24
|
![]() Inoako fa hisy fihaonana hifampiarahabana tratry ny taona atsy ho atsy. Tsy ho @ ity volana janoary ity aloha satria mbola betsaka no mifamangy ny fianakaviana, heverina anefa fa @ volana febroary kosa, efa miezaka ny namana sasany @ fijerena toerana sy ny fandaminana ny fotoana mba ho zakan'ny tsirairay ny zavatra atao. Rehefa masaka ny nahandro dia ho lazaina antsika eto ny fotoana sy ny toerana. Dia ho tratry ny taona maro manaraka mifandimby isika rehetra. |
rabaradaka - 06/01/2015 12:58
|
![]() vonona izahay hihaona aminareo namana rehetra na kely na lehibe na vavy na lahy ! |
mpisotrtoaka - 15/01/2015 09:16
|
![]() |
hafahafa - 15/01/2015 10:45
|
![]() Izahay aty Dago izany ahoana ? Tsika eto Dago ve? Ataovy ny hetsika tonga de fihaonana sady fiarabana tratriny taona e! Mila entanina fona d ze afaka no mandeha fa raha mifampiandry andraso eto de taraiky e! tsy ovita mintsy e! |
Djhamhal - 03/02/2015 07:40
|
![]() -mihaona mialoha aloha satria betsaka ny tsy mifankafantatra akory (na ny sary ato aza misy tsy ahafantarana anao akory) -dia avy @ io dia manangana komity fa ny olana kely dia : tsy voatery ho conecté foana ny olona hilazana ny date sy toerana hanaovana ny fihaonana ; fa asiana fomba hafa ankoatra ny internet oh ( telé ;radio ;na telephone sns ) hevitra ihany ny ahy fa raha misy manankevitra hafa dia tsara be ; dia manantena ny fitohizany ary ê Mahereza daholo ê |
mpisotrtoaka - 03/02/2015 12:32
|
![]() |
vazivazo - 04/02/2015 06:49
|
![]() Ka efa oe io no fihaonana ka HIHAONA MIALOHA AHOANA NDRAY E? any vao mifankahafantatra sy mifankahalala zany, fa ny tsara angamba dia mba atao matotra ny ordre du jour, ohatra @ 8h -9h eo @ point hiaingana na hihaonana (9h-10h....mety hoe mandeha matsaka ry zalahy isany) 10h -11 h manao présentation, 11h -12 h reconnaissance ny toerana 12h 14 h fisakafoanana 14h -16 h fiarahana @ jeu isan karazany 16h 30 mody amzay |
mpisotrtoaka - 11/02/2015 08:47
|
![]() |
vazivazo - 13/02/2015 11:49
|
![]() |
naritsimba - 17/02/2015 06:41
|
![]() Araka ny resaka efa natao dia hifampiarahaba tratry ny taona 2015 isika eto @ NAMANA SERASERA DAGO. Toy izao ary ny mombamomba izany: Daty: sabotsy 28 febroary 2015 Toerana: AROCARIA Ankadikely Ilafy Saram-pidirana: 2000ar na 10000fmg Fanombohan'ny fotoana: 10 ora maraina Firavana: 4 ora sy sasany Sakafo sy rano fisotro: Samy mitondra ny azy Izay te hilomano dia manomana 2000ar ambonin'ny fidirana. Betsaka ny lalao azo atao eny an-toerana. Hisy ny fifanakalozana fanomezana (Echange de cadeau), ka 2000ar ny sandany, ary fonosina gazety. Amin'io fotoana io no hifampiresahana ny fandaharam-potoana mandritra ny taona 2015. Ny fomba ahatongavana eny an-toerana dia mandeha bus 163 dia any @ farany no miala, na mandeha bus H eo @ St Antoine dia miala eo Ankadikely. Manantena ny fahatongavantsika maro fa efa nezahina ho akaiky sy zakan'ny rehetra ny saran-dalana sy ny saram-pidirana. Tongava maro eeeeeeeeeee! |