Ny Fahafahana
1. Randri87
(
07/10/2014 07:27)
Maro ireo miresaka fahafahana sns fa rehefa tena dinihina angamba dia ilay fahafahana araka ny fomba fijery kristianina ihany no tena izy : fahafahana amin'ny ziogan'ny fahotana izay hany fahafahana maharitra mandrakizay ihany koa.
hoy Jesoa Kristy :
"Raha mahatana ny teniko hianareo dia ho mpianatro tokoa, 32sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo. 33Dia hoy ny navalin'izy ireo azy: Taranak'i Abrahama izahay, ary tsy mba nandevozin'olona na oviana na oviana, ka ahoana no ilazanao hoe: Ho olona afaka hianareo? 34Fa hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay manota dia andevon'ny ota. 35Ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva. 36Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo."
(Joany 8, 30-37)
Ho an'ireo izay andevon'ny fahotana, indrindra moa ireo kristianina sadasada sy ireo miverin-dalana dia toy izao indray lay voalazan'ny baiboly (toa tena marina ilay izy rehefa tena dinihina amin'ny zava-misy sasany ankehitriny tokoa)
“Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo. 15Niala tamin'ny làla-mahitsy izy ireo, ary nivily nanaraka ny làlan'i Balaama zanak'i Bosora, izay nankasitraka ny tambin'ny tsy fahamarinana...Fantsakana ri-drano izy ireo, ary rahona avoivoin'ny tadio, ka aizina mainty be no miandry azy. 18Teny manodoka sy tsy misy heviny no itarihany an'izay vao nandao ny olon-dratsin'ny nofo sy ny fahalotoana. 19Ampanantenainy fahafahana izy ireo, nefa ny tenany aza andevon'ny fahalotoana, satria izay resy dia andevon'izay naharesy azy. 20Ary raha olona efa niala tamin'ny faholotoan'izao tontolo izao, noho ny fahalalana an'i Jesoa-Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, no mety ho lavo sy voasingotr'izany indray, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany. 21Satria aleo tsy nahalala ny làlan'ny fahamarinana izy, toy izay efa nahalala vao hihemotra handao ny lalàna masina nampianarina azy. 22Tanteraka amin'ireny ilay ohabolana marina hoe: Ny alika miverina amin'ny loany, ary ny kisoa voasasa mihosim-potaka indray” (2 Piera 2,14)

novalian'i Randri87 ny 18/10/2014 12:24
2. booboo
(
07/10/2014 09:03)
( fa inona ilay làlan'i Balaama zanak'i Bosora izany, dia t@ taona firy izany, dia nisy inona t@ izany ? mety ho HS fa ndrai² sarotra ihany mahazo izay tianareo mpitanisa versets lazaina an )
3. rhaj0
(
07/10/2014 15:17)
dia hono ho'a koa... tsy mitory "fankahalana" ve izany kabarinareo izany ?
- hoe "ny araka ny fomba fijery kristianina ihany no tena izy" : ny "tsy tena izy" izany ve mbola azo tiavina koa, sa ankahalaina ? (mamerina ny lozika tatsy fotsiny aho io)
- ary ilay hoe "kristianina sadasada" ve tsy fanebahan'olona e?.. fa dia maninona loatra azany no mifanebaka (ny kristiana) e...

4. Randri87
(
08/10/2014 09:45)
Booboo, any amin’ny testamenta taloha any misy miresaka an’io Balaama koa (manasa anao aho hitady azy fa mora hita ihany indrindra koa moa afaka mampiasa internet ianao). Tsy hitako aloha izay tokony hoe hampisy HS amin'ilay verset sy lay lohahevitra.
Rhaj0, Raha olona aloha dia tsy mankahala olona ny Kristianina fa Raha tsangakevitra ratsy sy lainga Mitondra manakany amin’ny fahaverezana kosa aloha dia mazava ho azy fa tokony tsy ho tiavina ary tokony aseho mazava hoe inona ny marina tena mahavonjy.
Ny lazaiko hoe kristianina sadasada ra ataontsika ny definition tsotra dia ireo milaza hoe kristianina nefa tsy manaraka tsara ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny Baiboly . Ra tena kristianina koa dia tsy mifampijery arina an-tava.

5. RBNIR
(
08/10/2014 10:42)
Lasa olombaovao (karazany hafa mihitsy aho) .
olon'izao tontolo izao ------> Olony,
olon'ny nofo------->fanahy
bokin'ny fahafatesana--------->voasoratra any amin'ny bokin'ny fiainana.
maty------->velona indray,
Fantaro ny antony hivavahanao , FIKATSAHANA ILAY FIAINANA MANDRAKIZAY MARINA V?
Samia ho tahin'ny Tompo namana,
6. rhaj0
(
08/10/2014 19:01)
Dia tena "afaka" tokoany moa zany ve, sahala @ mamera sa masera etoy, ka mahavita ny tsy vitan'ny bokony... :)
7. Randri87
(
18/10/2014 12:24)
RBNIR, Tena miombon-kevitra aminao aho am sasany am points maromaro voalazanao reo.
rhaj0, tsy dia tena ratsy raha nanana intention tsara ihany ianao ni-posté io video io nefa somary hitako hoe Hors Sujet kely ihany lay izy. Za manokana aloha tsy dia tia loatra an lay resaka hanihany io ndraindray. Marina fa tsara ny mitsikitsiky fa ratsy ra fifaliana superficielle sy mifandray am vazivazy ratsy lay izy…satria mazava fa fitaka avy am satana ihany ireny entina hanakonana ny maso-panahy tsy hahitana ny tena marina... Ny tena fahafahana, fiadanana ao anaty avy amin’ny Jesoa Kristy ihany no tena mitondra Fifaliana sy Fahasambarana tena izy, Maharitra sy Mandrakizay. Io Fifaliana io dia mifototra am Fahadiovam-po sy Fisainana ary Fanahy satria Voadio avy amin’ny Fanekena ny Famonjena avy amin’i Jesoa Kristy. Hoy ny Baiboly :
« Sambatra izay manasa ny akanjony amin'ny ràn'ny Zanak'ondry, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina, sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna. 15Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpinjangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin'izay rehetra tia lainga sy mpandainga.» ( Apokalypsy 22, 14)
Na dia mbola amin’ny fiainana eto an-tany ary dia mampalahelo fa dia efa hita fa efa misy olona misantatra ny fijaliana mitovitovy ny any am afobe noho ny safidy ratsy nataony , tsy fijalaina ara-batana fotsiny akory fa dia efa tena fijalina ara-panahy noho ny fanalavirana an ‘Andriamanitra mihitsy . Jereo ohatra anie ny ankamaroan’ireny olo-malazan’izao tontolo zao sasany ireny eh , inona no tsy nananany raha mbola zavatra mety hirian’ny zanak’izao tontolo zao ? nefa dia maro no mivarilavo sy mamono tena mihitsy ary …satria nahoana ? Voageja izy… mitady fahafahana , mitady fiadanana tena izy ny fanahiny nefa voagejan’ny fahotana ary tsy fantany sy tsy hitany lay lalana mankany amin’ny fahafahana tena izy…Ny efa fantany fotsiny dia tsy ireo zavatra nokatsahiny : vola , harena fahafinaretana, voninahitra’izoa tontolo zao sns no nitondra ilay tena fiadanana…, ny mampalahelo dia efa porofo mivaingana ny fiainan’izy ireny fa tsy any no lalana nefa dia mbola maro ihany no voafitaka mankany… Ankehitriny Jesoa Mpamindra Fo mbola miantso ireo olona mitady izany tena fiainana sy fahafahana izany mba hanitsy ny lalany dieny mbola misy ny fotoana. Toa ny tamin’ity hafatra nomeny tamin'ny alalana olomasina iray ity
Enga anie ka mba ho maro no hahatsapa tena sy tsy ho voafitaky ny fanangolen’i satana sy izao tontolo izao intsony ka mba tena hahita ny lalana mankany amin’ny fahafahana sy ny fiadanana tena izy sy maharitra mandrakizay.