Ny Vokatry Ny Fikarohana vs. Fahamarinan'ny Baiboly (ara-baki-teny)

1. rhaj0 ( 03/10/2014 16:52)
Hitako ihany ilay lahatsoratra tao @ New York Times (vakio ato) mikasika ny vokatry ny fikarohana nataon'ny Arkeolozista ary tohanan'ny "The United Synagogue of Conservative Judaism (which represents the 1.5 million Conservative Jews in the United States)"

Izao ny santionan'ny fehin-kevitra...

New Torah For Modern Minds
Abraham, the Jewish patriarch, probably never existed. Nor did Moses. The entire Exodus story as recounted in the Bible probably never occurred... The United Synagogue of Conservative Judaism, which represents the 1.5 million Conservative Jews in the United States, has just issued a new Torah and commentary, the first for Conservatives in more than 60 years. Called ''Etz Hayim'' (''Tree of Life'' in Hebrew), it offers an interpretation that incorporates the latest findings from archaeology, philology, anthropology and the study of ancient cultures.



(ho tohizana)
novalian'i gasy1zay ny 08/10/2014 17:02
2. rhaj0 ( 06/10/2014 13:21)
Ny valin-ketsika (reaction) ny olona h@ namoahana ny vokatry ny fikarohan'ny arkeolozista (sy ny mpandalina ny philology, anthropology and the study of ancient culture) dia fehezin'ity lazain'ny Rabbi Wolpe :

... flood of letters accusing him of undermining the most fundamental teachings of Judaism.

Mino aho fa izany koa ny misy any am-po tsy miloakan'ny tsirairay any, manondro fa manakorontana (destabiliser = undermine) ny Fampianarana/Finoana ny resaka. Ka izay indrindra no nitazoman-drizareo elaela azy tao, ary nandinihina sy namadibadihany izany, tsy ny votoatin'ny fikarohana ihany, fa koa ny vokatry ny fahalalan'ny olona izany fikarohana izany, alohan'ny amoahana ilay izy.


Fa ny tohin-dresaka no manazava ny any am-po tsy miloakan'ny mpitarika fivavahana..

But he also received many messages of support. ''I can't tell you how many rabbis called me, e-mailed me and wrote me, saying, 'God bless you for saying what we all believe,' '' Rabbi Wolpe said.

Koa na zareo (sasany) mitory ilay Teny azany, TSY mino intsony ilay Teny toriany.
3. gasy1zay ( 06/10/2014 14:02)
Tsy mbola naheno an'ity resakao ity aloha za raha tsy izao, saingy raha ry zareo Jiosy indray no misalasala dia tsy mahagaga fa efa hatrizay no izay no toetrany raha ny voalazan'ny baiboly, ny fahamarinan'ny fikarohana indray dia ataoko hoe arakaraky ny tsirairay no handray na tsia azy satria zay ilay hoe finoana, ohatra lehibe raisiko dia ny hoe sciences sy ny fikarohana dia milaza mazava fa ny conception : firaisan'ny lahy sy ny vavy, ny baiboly milaza ny immaculé conception dia hoe Maria virjiny, raha efa lalimpaka ny finoana dia na inona na inona zavamitranga na fanambarana dia tsy tokony ho voahozongozina mintsy raha efa fantatrao ny zavatra inoanao,

Hiverenako ireto zanak'Israely lazainao fa manontany tena ireto, raha ny marina dia na tsy misy izany fikarohana izany aza dia efa nanombaka nihemotra ny maro amin'ireo jiosy ireo, ireo anatin'ny judaisme no tiko ambara satria ry zareo anie hatr@ isika miteny izao mbola miandry "Mesia" foana e! Ireo tsy nety nino mihintsy hoe i Jesoa nohomboiny t@ hazo fijaliana iny no Kristy, no ilay mesia nolazain'ny mpaminany, fa dia mbola niandry efa ho arivo taona ka mety normal ihany ry zareo ireo raha nanao remise en question.

Efa hatrizay no natao izay handravana ny fivavahana Kristianina, officiellement anie ry rhaj0 dia hoe nangalarin'ny mpianatra ny fatin'i Jesoa fa tsy nintsangana t@ maty izany izy e, ary tsy mahagaga izany fa tsy tian'ny devoly handova ny fiainana mandrakizay isika, ka dia atao foana izay hanozongozonana ny finoan'ny olona, indrisy anefa fa dia tena misy tokoa ny niverindalanasy ny mbola hihemotra, dia ohatrizay foana io fa izay ilay hoe sambatra izay mino nefa tsy nahita, ary efa voambara fa hoavy ny fotoana hampihemotra ny finoana.

Sarotra be moa ny hampiaiky an'i rhaj0 satria zavatra tsy mbola niainany ilay izy ka ohatrany mitory ny hatsaran'ny fitiavana @ olona tsy mbola raikimpitia ny mitory ny fahasoavan'Andriamanitra @ olona tsy mbola nahatsiaro nandray valimbavaka.




4. rhaj0 ( 06/10/2014 14:20)
Raha ny fahitako ny "approche"-n'i Gasy1zay, dia ny Baiboly, ny Baiboly ihany ary ny Baiboly hatrany, no ifotoran'ny "raisonnement"-ny. Ohatra, raha angatahana "porofo" momba ny zava-misy na ny fiainana, ary indrindra momba soratra anaty Baiboly i Gasy1zay, dia ... mbola ny Baiboly ihany no aroson'i Gasy1zay ho porofo.

Hono ho'a... tsy kiboribory vetaveta (cercle vicieux) ve izany ? Sa diso aho ?


Ampatsiahiviko fotsiny ny "approche"-n'ny olona hafa, ohatra i Obama (izay tiako sy andrianiko :) ka hoe : ny Finoana dia "inspiration", fa raha ny atao sy fanapaha-kevitra, dia mila amarinina @ siansa/psikolozia/sosiolozia/etsetra sy soatoavina/traikefa/etsetra ary approche-n'ny taona 2000...

5. gasy1zay ( 06/10/2014 15:52)
rhaj0 > ny tiko ambara dia ny fototra fivavahana kristianina dia ny hoe baiboly = teninan'Andriamanitra, koa raha mino ianao dia manaiky hoe izay no izy, ary manaraka ny voalaza'ny soratra masina. Raha ny fijerin'olombelona no handinihanao ny baiboly na ny fahalalan'olombelona dia tsy hino mihintsy ianao hoe hisy ranomasina hisitaka izany handehanan'ny olona tongotra, tsy hino mintsy ianao hoe hisy hitsangana @ maty izany, fa dia finoana no mitondra an'io, ohatra fotsiny no omeko anao: na mino ny anjely sy ny devoly aza ny kristianina tsy misy kristianina afaka mijoro vavolombelona hoe tena nahita maso "anjely" na "satana", na dia misy ary ireo nilaza fa nahita fahitana (tsy idirako iny fa sujet hafa),

Raha afaka noporofoina scientifiquement fa marina ny baiboly ary misy ny fiainana mandrakizay dia efa maro lavitra noho izao ny olona no kristianina saingy ny olona efa niaina ny fahasoavan'Andriamanitra no mba hany afaka mijoro vavolombelona mikasika ny herin'Andriamanitra sy ny fitiavany saingy indrisy fa dia misy foana ny manda, misy foana ny miandry porofo scientifique, i Tomasy izay mpianatry Jesoa aza dia tsy nanaiky mintsy raha tsy nikasika ny tanany sy lanivohany. Ary ny devoly tsy kely lalana ka dia marina tokoa ry rhaj0 hoe misy manao ity fivavahana ity ho fakana vola, misy manao izay hi"discréditena" ny fivavahana kristianina izany dia tanjona 1 daoly : handravana ny fivavahana kristianina ka tsy hahavoavonjy ny olona.

Isika izay kristianina dia tsy tokony hihemotra fa hijoro hatr@ farany @ finoana, maro ny manenjika antsika satria halan'izao tontolo izao isika fa manana zavatra tsy anany, dia ny fiainana mandrakizay izany. Ho anareo izay mbola misalasala dia tsotra be ny torohevitra omeko anareo, tsy mandoa vola ny mivavaka, "vous n'avez rien à perdre" raha manandrana mivavaka , raha porofo ny tadiavinao hoe marina ve ny baiboly dia izao : mangataha @ andriamanitra dia ho hitanao raha mamaly vavaka izy na tsia. Heveriko foana fa sarotra tokoa ny hino raha tsy efa nahita ny herin'Andriamanitra sy ny fitiavany ianao.
6. rhaj0 ( 06/10/2014 16:43)
O ry Gasy1zay a..
- hevitrao na fandikanao (interpretation) anao manokana daholo ireo lazainao ireo, raha ny fahitako azy. Mahita "Kristiana" maneho hevitra hafa tanteraka noho ny anao aho, fa dia ho lava ny resaka raha ny efa noresahina teto fotsiny no averina...
- ary TSISY manenjika ana(re)o re ny olona, fa ny mandositra ana(re)o akoriny aza no ataon'ny Ankizy e...
7. gasy1zay ( 06/10/2014 17:01)

rhaj0:

O ry Gasy1zay a..
- hevitrao na fandikanao (interpretation) anao manokana daholo ireo lazainao ireo, raha ny fahitako azy. Mahita "Kristiana" maneho hevitra hafa tanteraka noho ny anao aho, fa dia ho lava ny resaka raha ny efa noresahina teto fotsiny no averina...
- ary TSISY manenjika ana(re)o re ny olona, fa ny mandositra ana(re)o akoriny aza no ataon'ny Ankizy e...


Ianao hoy aho ry rhaj0 tena mety mahavita be raha miova fo ka lasa mpitory teny fa tena mahay mandahatra tokoa moa zany, ilay teny mba anehoko hevitra ohatrany amatoranao ahy daholo, sao dia mba zay ary ny lalan'Andriamanitra? Tsisy manenjika ny kristianina? Ny fanaratsiana moa ve zany tsy azo atao hoe fanenjehina? Tsy d'accord indray ve ianao? ao ary fa hovaiko ny teniko hitovy ny ao @ baiboly e, "fa ho halan'izao tontolo izao ianareo" sa tsy enndrika fankahalana koa ilay fandosirana lazainao? Tsy sanatria mitomany ho victime izahay akory fa mahatsiaro hoe tena marina tokoa ny voalazan'ny baiboly, izay no tiana hiavina
8. rhaj0 ( 06/10/2014 17:14)
Ka "iza" azany no (lazainao fa) mankahala Kristiana e ?...

- ny Siantista ? Raha ny fahazoako azy, dia "manohitra" anareo zareo (fa tsy mankahala) rahefa njay ny sasany @ Kristiana (mafana fo) no mitady hamily ny siansa, na koa hamily ka hanala ny Ankizy @ Siansa.

- ny Atheist ? "Vivre et Laisser Vivre" no ambetin-tenin'ny maro @ zareo. Rahefa TSY mi-laisser vivre ny Atheist ny sasany @ Kristiana (mafana fo) dia "manohitra" zareo (fa TSY mankahala) ary mitady ny "rariny" ho azy7.

- ny Bodista ? Ny Hindus ? Ireo dia isan'ny fatra-panaja ny Finoan'ny hafa.

- Ny Animista ? Toa tsy fantany akoriny angamba ny Kristiana.. ka ho "ankahalainy" ve ?

- Ny Moslimo ? Eo isika izao... Raha ny fahitako azy, dia ny "mafana fo", sahala @ ireo Kristiana mafana fo sasany, ireo ihany no ... mahasarotra ny fiaraha-miaina eto @ ity tany ity...

- Sa kosa ... ny "Kristiana sasany" no mankahala ny "Kristiana namany" ???

Izany no fahitako azy.
9. rhaj0 ( 07/10/2014 12:36)
Ny @ "fanenjehana" indray aloha dia ... pli-vava ny tantara fahiny fotsiny izany raha ny fahitako azy. Taloha-tsy-nipataloha no nisy "nanenjika" ny Kristiana tany moyen orient tany, fa izao aty Dago dia tsisy an'izany.

Fa raha ny @ "fankahalana" indray, dia hoy aho hoe...
rhaj0:
... ny "Kristiana sasany" (ihany) no mankahala ny "Kristiana namany" ...

Io dia hita mazavabe, na dia eto @ serasera eto fotsiny aza..
- ny Loterana faly rahefa mitsakohana ny FJKM
- ny TJ tsisy mpitia
- ny sasany manebaka ny hafa ho "sekta", ny hafa tsy te-ho... "katolika"
- ny ahy no "tena izy", ny an'izatsy pepoina ho tsy tena izy...

Raha misy io "fifankahalana", fifanilihana, na koa tsy-fifankatiavana tsotra fotsiny, eo @ SAMY KRISTIANA io, dia, raha ny fahitako azy, dia intrinseque @ Christianity ilay izy : rahefa hoe "tery ny lalana", hozy i RBNIR izay, dia mifanipaka an-karona ny valala..


10. rhaj0 ( 07/10/2014 12:37)
Ny @ "fanenjehana" indray aloha dia ... pli-vava ny tantara fahiny fotsiny izany raha ny fahitako azy. Taloha-tsy-nipataloha no nisy "nanenjika" ny Kristiana tany moyen orient tany, fa izao aty Dago dia tsisy an'izany.

Fa raha ny @ "fankahalana" indray, dia hoy aho hoe...
rhaj0:
... ny "Kristiana sasany" (ihany) no mankahala ny "Kristiana namany" ...

Io dia hita mazavabe, na dia eto @ serasera eto fotsiny aza..
- ny Loterana faly rahefa mitsakohana ny FJKM
- ny TJ tsisy mpitia
- ny sasany manebaka ny hafa ho "sekta", ny hafa tsy te-ho... "katolika"
- ny ahy no "tena izy", ny an'izatsy pepoina ho tsy tena izy...

Raha misy io "fifankahalana", fifanilihana, na koa tsy-fifankatiavana tsotra fotsiny, eo @ SAMY KRISTIANA io, dia, raha ny fahitako azy, dia intrinseque @ Christianity ilay izy : rahefa hoe "tery ny lalana", hozy i RBNIR izay, dia mifanipaka an-karona ny valala..


11. gasy1zay ( 07/10/2014 13:39)
rhaj0 > témoin de Jehovah aloha tsy anatin'ny fivavahana kristianina mintsy satria ry zareo toy ny jiosy tsy mino fa i Jesoa Kristy no mesia , ilay zanak'Andriamanitra tonga mba hamonjy sy hanome fiainana mandrakizay hoan'izay rehetra mibebaka sy mino azy.

Miaiky tokoa fa misy ny fifanenjehana eo @ samy kristianina fa ny filazana hoe tsy misy zany @ ny tsy kristianina dia tsy mitombina velively, tsy misy fanenjehina kristianina ve hoy ianao @ ireo tany silamo ireo?

Fa maninona ny mifanenjika ny samy kristianina? satria ampiasain'ny devoly ny fomba rehetra mba tsy hampandroso ny asan'Andriamanitra ka tsy hitombon'ny olona ho vonjena, marina tokoa fa indraindray variana mifanenjika ny samy Kristianina ka lasa diso fahavalo fa ny tena fahavalo dia ilay devoly rain'ny lainga izay manao izay hampisaraka ny samy kristianina ary hanome "image négative" ny fivavahana kristianina hoan'ireo mpijery ety ivelany, mampalaelo fa saingy misy.

12. rhaj0 ( 07/10/2014 15:01)
F'angaha ny Kritiana irery no "enjehina".. Any Burma izao ny Moslimo indray no noenjehin'ny Bodista (jereo ohatra eto). Ary any Korea, ny Kristiana no manenjika ny Bodista (jereo ohatra eto).

Ny extremista @ fivavahana isan'isany no mpanao an'io "m(if)anenjika" io. Raha ny fahitako azy, dia .. intrinseque @ Finoana/Fivavahana ny manenjika/persecuter ny tsy mitovy finoana/fivavahana aminy.

Fa extremista ireo. Fa kosa, @ tany tsy extremista toa ny aty Amerika avaratra sy Eoropa ohatra, dia TSISY manenjika re ny Kristiana e... Ny Kristiana (na ny taizany) akoriny aza no mitana ny fahefana. Raha misy "enjehina" ho'a, dia tsy noho ny finoany fa noho izy manitsaka ny zo aman-dalana. Ary zareo samy Kristiana ihany no mifanenjika ao.
13. rhaj0 ( 07/10/2014 15:26)
gasy1zay:
Fa maninona ny mifanenjika ny samy kristianina? satria ampiasain'ny devoly...

Tsy hitako ny hidiran'ny Devoly @ izany; ny olona no manao ny ataony koa ny Devoly no mahazo raha. Dia eo koa ianao tonga dia manatsara tena fa i A.tra no nampanao anao raha anao ao, fa rahefa ny hafa dia tonga dia hoe Devoly. (dia nefa anie ilay olona soketanao io koa ka hiteny hamaritra ny resaka toa anao izay ihany koa e)

Mba makA recul ihany tsindraidray e...
14. gasy1zay ( 07/10/2014 17:07)

rhaj0:

gasy1zay:
Fa maninona ny mifanenjika ny samy kristianina? satria ampiasain'ny devoly...

Tsy hitako ny hidiran'ny Devoly @ izany; ny olona no manao ny ataony koa ny Devoly no mahazo raha. Dia eo koa ianao tonga dia manatsara tena fa i A.tra no nampanao anao raha anao ao, fa rahefa ny hafa dia tonga dia hoe Devoly. (dia nefa anie ilay olona soketanao io koa ka hiteny hamaritra ny resaka toa anao izay ihany koa e)

Mba makA recul ihany tsindraidray e...


Mety tsy mbola fantatrao angamba fa @ kristianina dia matoa ny olona manota na manao zavatra tsy mifanaraka @ sitrampon'Andriamanitra dia noho ny asan'ny devoly, na noho ny fahalavoana t@ fakampanahy, i Eva nihinana paoma satria nalain'ny Devoly fanahy, ka raha tsy mpino ianao na tsy kristianina dia tsy hitovy velively ny fijerintsika satria amiko @ mahakristianina ahy dia rehefa misy ny ratsy dia asan'ny devoly izay fanahy mamitaka fa aminao mety hoe ny olombelona hita maso no ratsy.
15. rhaj0 ( 07/10/2014 18:22)
OK.. raha ny fahazoako ilay "lojika-Kristiana" (anao) izany dia hoe : raha vao TSY @ sitra-pon'A.tra" dia asan'ny Devoly.

Mazava iny. Fa dia betsaka indray ny fanontaniako sy questionnement, f'aza tsiny e... dia misaotra mialoha mamaly.

- Dia "iza" no mahalala ny "sitra-poNY" ? toa samy mandray ny fandikany (interpretation) ny tsirairay ary samy maninzingizina fa "tena izy"ny azy. Ohatra hoe ireo 19% izao, dia mino marimarina aho fa hahita andininy manamarina ny eritreriny.

- Ary ny "TSY-Kristiana" ve voarirotra ao anatin'izay lojikanao (Kristiana) izay?
(A.tra @ io dia ilay A.try ny Kristiana, izay TSY fantatr'ilay TSY-Kristiana akoriny)

- Sa raha vao hoe TSY-Kristiana izy dia efa akapoka(o) ao anatin'ny haraton'ny Devoly?
16. gasy1zay ( 08/10/2014 13:53)

rhaj0 >
Ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy aiza fa izay voalazan'ny baiboly, raha te hahalala azy zany dia mila mamaky ny baiboly.

Maninona no samy ohatrany manana ny interpretation-ny ? satria misy maka teny ao @ baiboly ary ampiasainy @ heviny fa tsy araky ny contexte global an'ilay toko na andininy ao @ baiboly
ohatra : misy manao interpretation libre an'ilay hoe " ny fitiavana no lehibe indrindra" mba hijustifiena ny fijangajangana. Dia teo no nihavian'ilay hoe fampianarana tsy misy kilema, tokony jerena @ contexte nisy azy ilay andininy voalaza @ baiboly fa manjary lasa avilin'ny sasany ka lasa mivoana @ tena sitrampon'Andriamanitra. Ny ohatra lehibe @ tenin,Andriamanitra avilin'ny olona dia ilay hoe : " Fantaro ny zavadrehetra..."

Momba ireo 19% voalazanao indray dia azo lazaina hoe anisan'ireo tsy maka ny tenin'Andriamanitra pris globalement satria ny fahitako azy ny visiony mijanona @ ilay hoe ny fitiavana no lehibe indrindra na koa hoe aza mitsara mba tsy hotsaraina na izay tsy nanao meloka t@ nareo no aoka hitorabato voalohany, nefa ao anaty baiboly dia misy teny hafa afaka manamarina fa tsy tokony ho ekena ny pratique L+L sy V+V ohatra lehibe ny ao @ apokalipsy milaza fa tsy misy toerana hoan'ny sodomita any @ paradisa, tokony hiala @ zany zany izy ireo raha te handova ny lanitra.

Momba ny "Tsy-kristianina" dia ny ataon'ny devoly aminy dia ny hovariana @ fiainana @ izao tontolo izao ( divertissements-plaisirs) ka tsy hieritreritra izany fiainana mandrakizay izany, ny mandresy lahatra azy ireo fa tsy misy izany devoly izany fa "invention chrétienne". Ny ataon'Andriamanitra ho azy dia ialany nenina toriana teny @ fomba rehetra mba hahalany an'Andriamanitra ka mino izy dia voavonjy, tsy mino izy dia hoheloina.

Momba ny Kristianina indray dia tena ady mintsy no ataon'ny devoly mba tsy haharitra hivavaka ireo fa hihemotra ka tsy ho voavonjy sy tsy handova ny fanjakan'ny lanitra, ny fotoavana ampiasainy @ zany dia ny fampisaratsarahana, fifanenjehana, fampitahorana, rehefa mbola mijoro @ izany dia alainy fanahy @ filan'ny nofo indray dia ireny hitantsika ireny hoe nisy mpitondra fivavahana nanolana ankizy tsy ampy taona e, nahabevoka mpiangona e, na koa tambatambazany vola aman-karena sy voninahitra dia manadino an'Andriamanitra. raha mbola maharitra izany ny kristianina ka nijoro hatrany dia eo no hanirahiny mpaminany sandoka, hamitaka azy na hampianatra azy zavatra diso, io ry rhaj0 no antony mahatonga ny kristianina maro hifanenjika secte raha vao tsy fantatra ilay fivavahana satria eritreretina fa ho ilay mpisandoka foana raha vao mivoana @ FFKM matetika, mila jerena akaiky anefa vao tokony hitsara satria nomena saina sy fahalalana ny kristianina. Izay no antony hiantsona an'i Satana hoe rain'ny lainga, satria hatrany amboalohany hatr@ farany dia ny hamitaka ny olombelona foana no nataony sy ataony ary mbola ho ataony.

Inona ny antony anaovan'ny devoly izany? satria izy ilay anjely nikomy t@ Andriamanitra nitady haka ny toeran'Andriamanitra ka voahozona ho any @ farihy mirehitra afo @ andro farany ka tsy tiany ny olombelona handova ny lanitra fa tiany anaraka azy any @ fahaverezana.
17. rhaj0 ( 08/10/2014 15:34)
ok... misaotra fa izay vao mazava amiko ny concept-na devoly ho an'ny Kristiana (na ho an'i Gasy1zay irery).

[size=8]Izao nihevitra fa raha vao tsy @ eritreritro izaho manokana fotsiny ny resaka na olona, dia tonga dia azoko petahana hoe "devoly" ampatsotsotra ny resaka... ohatra hoe na ny namako azany no mandaginina ahy, dia lazaiko ho devoly... Dia nefa indray izao i Georges W Bush milaza lava hoe iretsy "evil" izao dia, raha ny fahitako azy, dia toatoa izay ihany koa nefa...
Fa dia ok mba tsy hifandirana e : izay izany izao 'le izy, hozy Gasy1zay.[/size]
18. gasy1zay ( 08/10/2014 17:02)

rhaj0:

ok... misaotra fa izay vao mazava amiko ny concept-na devoly ho an'ny Kristiana (na ho an'i Gasy1zay irery).

[size=8]Izao nihevitra fa raha vao tsy @ eritreritro izaho manokana fotsiny ny resaka na olona, dia tonga dia azoko petahana hoe "devoly" ampatsotsotra ny resaka... ohatra hoe na ny namako azany no mandaginina ahy, dia lazaiko ho devoly... Dia nefa indray izao i Georges W Bush milaza lava hoe iretsy "evil" izao dia, raha ny fahitako azy, dia toatoa izay ihany koa nefa...
Fa dia ok mba tsy hifandirana e : izay izany izao 'le izy, hozy Gasy1zay.[/size]


rhaj0 >
Tsy mbola hazonao ilay fanazavana, izay tsy mifanaraka @ sitrampon'Andriamanitra no azo lazaina hoe avy @ devoly fa tsy eritreritr'olombelona akory , tsy eritreritra mpitondra fivavahana na eritreritra laika toy ahy! fa kosa @ mahakristianina ahy, @ namakiana ny tenin'Andriamanitra dia ny baiboly izay ahafahana mamantatra ny sitrampony dia afaka manambara aho ohatra fa tsy mifanaraka @ sitrampon'Andriamanitra ohatra ny mamono olona, mandainga , mijangajanga sns ... ka raha misy olona manao izany dia noho ny asan'ny devoly na ny fakampanahy, ary misy nuance be ilay zavatra lazainao :TSY ilay olona nandainga no DEVOLY fa nalain'ny devoly fanahy izy na notaritiny handainga dia nanao izany noho ny antony maro samy hafa izay tsy hidirako. ohatra : i Eva nalain'ny devoly fanahy hoe raha mihinana ny paoma ianao dia ho lasa toa an'Andriamanitra, nihinana izy fa tsy midika hoe Eva = Devoly, fa asan'ny devoly no namitaka azy nahatonga azy nihinana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3496