Fivavahana sy ny foto-keviny

1. miarana ( 22/08/2014 10:21)
Mba misy ireo fivavahana tsy haiko ka sao misy mpikambana ao na mahalala ny foto-keviny ?

- FVKFM : inona ny fanalavana azy azafady ? Inona ny foto-kevitra hijoroany ?

- Hebraique : Ctic Ctac Dou / Kabal ... :D inona daholo ny dikan'izany ?
novalian'i endriny ny 29/08/2014 06:27
2. bor2lais ( 22/08/2014 12:08)
Ato angamba mety misy (ampahany @) valin'ny fanontanianao voalohany :
FVKFM

[size=8]Tsy mpikambana ao akory i Bor2lais fa izay (koa) vao nahafantatra ny fisiany ![/size] :-)
3. rhaj0 ( 22/08/2014 14:10)
Ka misokatra @ Fivavahana "rehetra" ve k'lou ianao sa mijanona @ Fivavahana Kristiana fotsiny.
4. miarana ( 23/08/2014 07:26)

bor2lais:

Ato angamba mety misy (ampahany @) valin'ny fanontanianao voalohany


Misaotra betsaka namana.



rhaj0:

Ka misokatra @ Fivavahana "rehetra" ve k'lou ianao sa mijanona @ Fivavahana Kristiana fotsiny.


Te hahalala ny tsy fantatro aho ahazoako mihazona izay tsara.
5. moustaraf ( 24/08/2014 07:36)
Salama,
ity tik tak do ity no itondrako teny kely,
Io Rivolala io dia fantatry ny maro tamn finoany teo aloha fa adventiste mafana fo no nanaraka an'i Mailhol ho apokalipsy, ary mpanentana no andraikiny tao.
Naniry mafy ny ho evanjelisitra izy tamin'izay kanefa tsy nahafeno fepetra, ka raha vantany vao nahare momba ny hoe hebreo sy jiosy dia niantsambotra avy hatrany.

business sy hypnose ary filalaovana fanahy ny kaabal:
-Eto Mkara tsy misy kohen, fa olona nisoratena avokoa ny i Bera na iRivo, mianatranatra eto amin internet dia milaza fa mahay,
ohatra:
-Allahym hoy iRivo no anarana ivavahana, kohen ve misy sahy hanazimbazimba ny anaran'i El?
-Novana indray mihitsy ny karapanondron'i Bera ka nopetahana kohen eo amn Anarana, mba ilazana hoe kohen
sns....

Ny zavatra anankiray izay tsy azo lavina indray anefa dia izao, manomboka hita sy vaky bantsilana ireo hosoka sy lainga nentin'ireo tandrefana nanorina ny fivavahan kristiana, ka miteraka tendance de reflexion vaovao amn sehatra mondialy mihitsy.
ohatra:
Nahoana no novan'ny grika sy romana ny anarana sy ireo fototra ao amn baiboly?
Nahoana no misy dikanteny izay itambarana sy iarahana nodisoina?
sns..
6. rhaj0 ( 25/08/2014 01:22)

rhaj0:


miarana:
Te hahalala ny tsy fantatro aho ahazoako mihazona izay tsara.

Raha ny fahitako azy, raha ataoko caricature ny hitako, dia hotry ny hoe, tapa-kevitra ilay zatovo lahy kely (io @ sary io) fa hivoaka ny vohitra kely nahabe, ary tia ahalala ny zava-misy any rehetra any. Hotry ny hoe tao @ vohitra kelin'ny fiangonana reniny protestanta izy, ary izao dia mivoaka ary misokatra hanadihady ny vohitra kelin'i... Maranatha... na ny an'i Moustaraf... na ny an'i RBNIR... na ny an'i Hery akoriny koa aza... na koa ny vohitra keliko, "ma cabane au Canada", sy ny an'i Bor2lais any Bordeaux...

Fa dia mampirisika aho ny hanadihadianao ny vohitra kelin'ny hafa rehetra, h@ bodista na ny moslimo sy ny animista ka h@ atheista... Traikefan-draolona daholo izany, ary ... tsisy maharatsy azy (na hoe misy mahatsara azy aby daholo)...
7. yohanan ( 25/08/2014 13:20)
Shalôm!
Ho fanampiana anareo izay ta-hahafantatra momba ny tena fivavahana Hebreo dia manasa anareo hanaraka ny fandaharana ao @ SPACE RADIO 104.6 Mhz : Alahady maraina 06h45 + Alarobia alina 20h45. Ny fototra iaingana d hoe TARANAKA HEBREO ISIKA MALAGASY. Betsaka ny porofo indrindra fa izay hita ao @ Baiboly.
Daniela 12 : 4 Mazotoa mandinika mba hitombo fahalalana ê!
8. rhaj0 ( 25/08/2014 14:12)
Avy eto indray raha tia ahafantatra ny moslimo gasy (1.1 %-n'ny gasy)
http://fr.wikipedia.org/wiki/Islam_%C3%A0_Madagascar

Dia azo lazaina koa izany fa misy taranaka Arabo isika Malagasy.

Salaam Alaikum hono hozy rizareo... F'izany hoe "peace to you" no tiany lazaina fa tsy hoe "manao ahoana ny fahasalamanao" na "how are you"
9. endriny ( 25/08/2014 16:29)

rhaj0:

Salaam Alaikum


Ito izao mitovy amin'ny hoe "Sahala amin'ny alaiko honona" ahahahhahaha
10. miarana ( 26/08/2014 08:00)
Ireo FVKFM toa misy resaka 6e SENS, ... io no tsy azoko tsara.

misaotra amin'ny fandraisantsika anjara.
11. rhaj0 ( 26/08/2014 13:06)
Mampanahy ahy ianao ry Miarana... Mahita ilay sarin'ilay bandikely toa serieux be koa moa aho dia lasa mitsetra..

Ny mba takatakatro, dia matetika dia misy tsy ampy (besoin) ny ao @ olona iray (mety ara-pitiavana, ara-fahafam-po, ara-pahalalana, ara-traikefa, na ara-materialy fotsiny aza, ets... dia misy moa aza milaza fa "spiritualitE" hono e... ary matetika dia tena fragile (emotionnellement, psychologiquement,...) rizareo ao @ tsy-fahampiany ao. Ary dia mora miantsampy amina resaka izay ... heveriny fa mamaly ilay "tsy-fahampiany".

Ary dia maro ny olona (fatsora/fangolika) mahalala ary mahay mikitika ilay bokotra kelin-dranamana ao, ka tonga dia "voajono" ao ilay ranamana... toa ny resaka sekta atsy ihany..


Ka trandremo re ry Miarana e... trandremo ihany eee...

Ovaiko ilay tononkalo malaza

"AZA akatona io varavaran-tsainao io... sao mampitomany ahy"
12. rhaj0 ( 28/08/2014 14:04)
rhaj0:
"AZA akatona io varavaran-tsainao io... sao mampitomany ahy"

Avy ato @ wikipedia no manondro ireo Fivavahana isan'isany misy eto an-tany, hatrany Azia ka h@ ny an'ny Amerindiana sy ny ... tsy-mpino akoriny koa azany.
http://fr.wikipedia.org/wiki/Portail:Religions_et_croyances


Ny aty Ontario Kanada, dia misy ny sekoly public katolika, ary misy sekoly public ho an'ny rehetra. Dia ny any @ Katolika, dia ampianarina ny Fampianarana katolika fotsiny ihany ao @ social study; fa ny an'ny rehetra, dia ampianarina misokatra @ fivavahana rehetra ny zaza.

Ka eto @ serasera eto azany, hisokatra @ fivavahana rehetra ve isika eto sa ..
13. endriny ( 29/08/2014 06:27)

rhaj0:

Ka eto @ serasera eto azany, hisokatra @ fivavahana rehetra ve isika eto sa ..


Asa aloha fa tefim-pisilaka ny antsika ka na midona amin'ny vato aza tsy miforitra e...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5853