FANDRESENA TANTERAKA

21. RBNIR ( 29/07/2014 17:32)
Otran ny ady no hitako sy tsapako fa tsy fifanakalozankevitra namana,
Tsy aiko aloha (enga anie mba ho diso fijery aho)

Samia ho tahin ny Tompo namana
22. RBNIR ( 29/07/2014 17:33)
Otran ny ady no hitako sy tsapako fa tsy fifanakalozankevitra namana,
Tsy aiko aloha (enga anie mba ho diso fijery aho)

Samia ho tahin ny Tompo namana
23. rhaj0 ( 29/07/2014 20:29)
Ny fijeriko indray dia hevitra tsy mitovy..satria tsy voatery ho "rebik'ondry" no atao eto.

Fa marina fa mety misy teny mitaratra "ady" (na fahasorenana ets..), nefa raha ny fahatsapako azy, dia sahala @ ilay nolazain'i 5laody tatsy ihany, dia hoe ""Entre Ce que je pense... Il y a dix possibilités qu'on ait des difficultés à communiquer."

Fa raha izaho manokana aloha dia tsy hitako izay "hiadiana" eto (fa raha tsapako fa tonga @izany dia efa ... "nihatakataka" sahala @ fanondro aho).
24. RBNIR ( 30/07/2014 03:17)
Faly miarahaba antsika rehetra hatrany,

Teny ho an ny manam-panahy ary e,
« Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany. » (Titosy 3:9)

Halaviro:
1- ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana
2- ny fifandirana
3- ny ady teny ny amin ny lalana

Ny antony : satria TSY MAHASOA SADY ZAVA-POANA izany,

Inona kosa ary ny mahasoa? Mino aho fa efa fantatrao : IZAY REHETRA MITONDRA MAKANY AMIN ILAY FIAINANA MANDRAKIZAY IHANY (VIE ETERNEL).

Mba araho ilay fandaharana ao amin ny KOLO TV e,

Samia ho tahin ny Tompo namana
25. endriny ( 30/07/2014 05:51)

Maranatha:

Tena azonao tsara tokoa f'izay nandray ny fampianaran-diso mikasika ny soratra masina (f'aleo hazava ) tsy nandray ny fampianarana tsy misy kilema avy an-danitra izay nentin'ny mpanompony dia voaloto.

Somary diso angamba aho raha manontany hoe: "iza tamintsika no nandray fampianarana avy any an-danitra? ka hoe tsy misy kilema?"
Ny mpampianatra ahy dia mbola olom-belona toa ahy, ka tsy afaka hiteny aho hoe tsy misy kilema ny fampianarany. Ny fampianarana ihany koa tokony hiova mian-dalana manaraka ny valin'ny fikarohana natao hifandraika amin'ny taranjany, ary eto dia ny finoana kristianina. Maro ireo ezaka efa nataon'ny fiangonana hikarohana ireo rakitra mikasika ny fiandohan'ity finoana ity sy ny Andriamaniny. Ny mampalahelo anefa, dia rehefa tsy mifandraika amin'ny voalaza ao amin'ny baiboly ny valin'ny fikarohana natao dia asitrika atao tsy rere tsaika mihintsy. Saingy soa fa maro ary tsy vitsy toa ny taloha intsony ny mora vidiana sy marivo salosana ka indreo hitanareo eo amin'ny history channel, discovery, sy ny tresory hunt ankehitriny ny ampahany teo amin'ireo valim-pikarohana nasitrika.

Maranatha:

Ny azo antoka aloha dia marobe tahaka ny fasika eny amin'ny ranomasina ny tsy ho tody any an-danitra.

Raha ilay fepetra apetraky ny mpandala ity finoana ity no jerena dia tokony ho tonga any daholo izay vita batisa rehetra, satria ny fahotana tamin'ny fototra no nahavery ny olona. Ary ny Kristianina dia efa mino fa ny fanaovana batisa dia fanalana ny fahotana tamin'ny fototra, ka tokony ho voavonjy daholo izany izay vita batisa. Moa koa izy efa mino an'i Jesosy ho tompony, ary izay rehetra mino dia voavonjy eny fa na ilay jiolahy naira-nifantsika taminy aza nomeny toky fa hifankahita any izy mitsam... Dia isika indray no mametra hoe I Balita sy Endriny tsy mankany fa mankarary an-doah be ny famaliany ny ady hevitra eto... LOL.

Maranatha:

Tsy kely ny lanitra ka ny 144 000 no mijoro eo anolohan'ny ranomasina fitaratra fa ny vahoaka marobe tsy tambo isaina izay mitana sampan-drofia eny an-tanany dia mitsangana eo anolohan'ny seza fiandrianan'i Ray.

Esy aho hoe ry mpamaky baiboly malala, rehefa tia atao hoe ity fanoharana dia ataoko hoe ity fanoharana, fa rehefa te hampitahotra ny olona aho dia ito ny isa tena izy 144.000. Aleo hazava ry namana fa ny 144 = 12 x 12, izany hoe fahafenoana in-droa miantoana no dikany izany hoe hipoka ny lanitra.
ny 1.000 dia fiandrianana na fahalavorariana, raha adika izany ny isa 144.000 dia izao no vakiny: "Hipoka sady ampoka ny lanitra". Fa tsy hoe 144.000 ihany no ho any an-danitra.

Ilay fiara-manidina mankany koa moa mbola tsy nandefa tapakila taty amiko ka tsy haiko na laharana faha firy ny sezako na faha firy

Maranatha:
Ny ho anao Fiainana sa fahafatesana??? anjaranao ny misafidy.
Izaho dia tahaka ny Tsatoka mipetraka eo @ sampanan-dalana ihany (panneau) manondro ny lalana hoe aty raha ho ary, iry no mankary, itsy makatsy sns... fa anjaranareo tsirairay no misafidy izay lalana hizoranareo

Hihihihi, ity ilay fampitahorana be mahatsiravina: "AINA sa VOLA?". Aoka ho lazaina anao fa matoa aho miala maraina dia miverin-kariva ao an-trano, dia mitady izay mba ho arapakay mianakavy kely aho. Ary matoa aho mitady izay ho arapakay dia satria mamy ny miaina. Mamy ny miaina satria ny maty tsy miveirna intsony. Ny fankamamiako ny fiainako eto no isakafoananay isan'andro sy andehanana eny amin'ny dispansera raha marary. Fa raha hoe ny any an-danitra fahasambarana, zavatra tsy hita izany fa honohonon'ny te handambolambo vahoaka amin'ny bala roar fotsiny amiko.
26. Maranatha ( 30/07/2014 06:01)
rhaj0:

Dia inona ihany re izy izany ry Maranatha a... Fa tsara raha ny fahatsapanao voalohany dia "Malagasy aloho vao ... Kristiana"

Ny Kristiana no nisy voalohany vao ny Malagasy

rhaj0:

... "temporairement".. fa "ultimement"... "ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka."
(tsisy r-a-d "nandringana" ny zanany satria nanaiki-nono)

Ka tsy nono no resahana handringanana eto fa fanjakana (fanjakan'ny lanitra

rhaj0:

Maranatha:
haringana ny Rhaj0 a

Cool... Izy azany "handringana" kouh... dia ianao Maranatha faly fa"naringana" zahay... Zahay moa izany efa "ringana", efa tsy eto intsony, fa nareo "tsy ringana" izany tena misonanina (eo ambonin'ny faharinganana) an...

(dia tena aleoko lavitra mihintsy ny ho "ringana"...)

Tsongolohanao fotsiny ilay teny. ( haringana Rhaj 0 a!) vali-teny no nolazaiko fa tsy ny handringana anao akory satria mbola azo antenaina hianao.
Aza mifidy ny ho haringana izany. f'aleo manao izay hahavoavonjy; manatanteraka ny hazakaza-danitra na handady aza vao ho tonga eo @ arrivée nefa voavonjy.

RBNR:

Otran ny ady no hitako sy tsapako fa tsy fifanakalozankevitra namana,
Tsy aiko aloha (enga anie mba ho diso fijery aho)

Mety ho diso fijery tokoa hianao namana. Na tsy naharaka ireo lohahevitra izay nisy teo aloha ka lasa manao pres jugement .

Ho anao manokana tsara raha manadihady tsara ireo toko sy andininy izay hapetraka eto mikasika ity 144 000 ity mba hahatonga anao tsy hihinanna ambolony fotsiny izay haroson'ireo namana ao @ Kolo TV .
Ny faniriana aza dia ny mba hitondranao sy hanadihadianareo miaraka amin'ireo namanareo rehetra; ireo lohahevitra rehetra izay tsapanao fa tsy hitovizan-tsika.

Ny olana fotsiny ho ahy dia ny tsy ahitako izay voalaza ao amin'io fandaharana ao @ kolo TV io satria tsy mipetraka ao Tana izaho

27. RBNIR ( 30/07/2014 06:57)
Maranatha:

Mety ho diso fijery tokoa hianao namana. Na tsy naharaka ireo lohahevitra izay nisy teo aloha ka lasa manao pres jugement .

Aleo dia ataon-tsika mihitsy hoe diso fijery aho namana,
Fa mety tsy izaho irery fa ary ambadika ary ange efa misy manoratra hoe Maranatha VS rhajO e.......

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
28. Maranatha ( 30/07/2014 07:17)

endriny:

Somary diso angamba aho raha manontany hoe: "iza tamintsika no nandray fampianarana avy any an-danitra? ka hoe tsy misy kilema?"
Ny mpampianatra ahy dia mbola olom-belona toa ahy, ka tsy afaka hiteny aho hoe tsy misy kilema ny fampianarany. Ny fampianarana ihany koa tokony hiova mian-dalana manaraka ny valin'ny fikarohana natao hifandraika amin'ny taranjany, ary eto dia ny finoana kristianina. Maro ireo ezaka efa nataon'ny fiangonana hikarohana ireo rakitra mikasika ny fiandohan'ity finoana ity sy ny Andriamaniny. Ny mampalahelo anefa, dia rehefa tsy mifandraika amin'ny voalaza ao amin'ny baiboly ny valin'ny fikarohana natao dia asitrika atao tsy rere tsaika mihintsy. Saingy soa fa maro ary tsy vitsy toa ny taloha intsony ny mora vidiana sy marivo salosana ka indreo hitanareo eo amin'ny history channel, discovery, sy ny tresory hunt ankehitriny ny ampahany teo amin'ireo valim-pikarohana nasitrika.

endriny a! Ny Fanahy masina no mitarika antsika ho amin'ny marina rehetra. Izy no manazava izay rehetra tsy takan-tsika Jaona 16:13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.. noho izany atao izay hahatamana ny Fanahy masina ao anatin-tsika. Tsy manao izay mampalahelo Azy. izay iray.

faharoa ahoana no fahafantarana fa ao anatin-tsika ny Fanahy masina? valiny manana ireo vokatry ny fanahy. Hita eo amin-tsika fa tsara ny voa izay hita amin-tsika.

Fahatelo manaraka ny toro-hevitr'ireo izay antim-panahy manana ny fanahin'i Tompo (fantatra @ voany foana ny olona iray ) Hebreo 13:7 Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Ny Avo-indrindra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany (/color]

endriny:

Raha ilay fepetra apetraky ny mpandala ity finoana ity no jerena

Ny mpandala ity finoana ity hoy hianao. Aleo aloha hazava aminao fa tsy ilay adventista hitanao etsy sy eroa akory io, fa Fifohazana sy fanavaozana adventista. Fandaminana roa samihafa no misy an'ireo . Ny fototra hiorenana aza samy hafa be. ity manaraka ny fototr'ireo mpanavao fivavahana nadritra ny 1844. Io hitanareo maso io efa manaraka ny fandrosoana moderna izay mitsipaka ny fotom-pinoan'ireo mpitarika nanavao ny fivavahana ny 1844. Adventiste roa samy hafa ireo r'ise a!.

endriny:

tokony ho tonga any daholo izay vita batisa rehetra, satria ny fahotana tamin'ny fototra no nahavery ny olona. Ary ny Kristianina dia efa mino fa ny fanaovana batisa dia fanalana ny fahotana tamin'ny fototra, ka tokony ho voavonjy daholo izany izay vita batisa. Moa koa izy efa mino an'i Jesosy ho tompony, ary izay rehetra mino dia voavonjy eny fa na ilay jiolahy naira-nifantsika taminy aza nomeny toky fa hifankahita any izy mitsam... Dia isika indray no mametra hoe I Balita sy Endriny tsy mankany fa mankarary an-doah be ny famaliany ny ady hevitra eto... LOL.

Hoy ianao??? Tsy izay vita batisa velively no mihiditra ny fanjakan'i Ray. Lalana tsy maintsy handalovana fotsiny ny batisa. izay manaraka ny sitram-pony no voavonjy hadinonao angaha ity teny ity I kor 10:1 [Fananarana fandrao misy manaram-po araka ny nofo ka tratry ny loza] Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,2 ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina,3 ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,4 ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.5 [color=red]Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak'Ny Avo-indrindra, fa naringana tany an-efitra.

Tsy famonjena akory ny batisa fa dingana tsy maintsy harahina mba hahavoavonjy.

endriny:

Esy aho hoe ry mpamaky baiboly malala, rehefa tia atao hoe ity fanoharana dia ataoko hoe ity fanoharana, fa rehefa te hampitahotra ny olona aho dia ito ny isa tena izy 144.000. Aleo hazava ry namana fa ny 144 = 12 x 12, izany hoe fahafenoana in-droa miantoana no dikany izany hoe hipoka ny lanitra.
ny 1.000 dia fiandrianana na fahalavorariana, raha adika izany ny isa 144.000 dia izao no vakiny: "Hipoka sady ampoka ny lanitra". Fa tsy hoe 144.000 ihany no ho any an-danitra.
Ilay fiara-manidina mankany koa moa mbola tsy nandefa tapakila taty amiko ka tsy haiko na laharana faha firy ny sezako na faha firy
.

Taiza aho nilaza taminao fa ny 144 000 ihany no mankany???? Ireo no mijoro eo @ ranomasina fitaratra. ireo no manaraka an'i jesosy na aiza na aiza no alehany sns....
Fa ny vahoaka marobe mijoro eo alohan'ny seza fiandrianan'I Ray. Aza tonga dia entim-po be r'ise rehefa mamaky fa mangataha ny fanahy masina mba hahatonga anao hahazo izay tiany ho lazaina dia amin'izay koa hianao mba tony tsara. araho tsara ity sady mba ho fahalalana ho anao

Ny tapakila dia ny fankatoavana e! Fankatoavana ny Didin'ny ray sy ny finoana an'i Jesoa. Aoka ho mpankato ny teny hianareo fa tsy mpihaino fotsiny ihany ka hamitaka ny tenanareo

endriny:

Hihihihi, ity ilay fampitahorana be mahatsiravina: "AINA sa VOLA?". Aoka ho lazaina anao fa matoa aho miala maraina dia miverin-kariva ao an-trano, dia mitady izay mba ho arapakay mianakavy kely aho. Ary matoa aho mitady izay ho arapakay dia satria mamy ny miaina. Mamy ny miaina satria ny maty tsy miveirna intsony. Ny fankamamiako ny fiainako eto no isakafoananay isan'andro sy andehanana eny amin'ny dispansera raha marary. Fa raha hoe ny any an-danitra fahasambarana, zavatra tsy hita izany fa honohonon'ny te handambolambo vahoaka amin'ny bala roar fotsiny amiko.

Izaho no tokony hihomehy fa tsy hihomehy aho, Indrisy. Ny nahatonga antsika ho eto ambonin'ny tany dia ny hanomezana antsika anjara fihomanana ho amin'ny fiainana mandrakizay. Raha mpankato ny Ray hianao dia hanana anjara ho amin'izay fiainana mandrakizay izay . Tsy hihinana na hisotro na hilalao no hahatongavan-tsika eto. Efa henonao angamba ity teny ity hoe Tsy velona mba hihinana fa hihinana mba ho velona . Tohan'aina no filazan'ny soratra masina azy.
Napetraky ny devoly anefa ireo karazana zavatra maro mba hahatonga antsika ho varimbariana ny zavatra eto an-tany kaa tsy hahavita ny fihomanana mankany an-danitra. Mazava ho azy fa tsy nahavoavidy billet hianao fa variana nisakafo na nisotrosotro na nilalao dia lasa ny sambo e! Toy ny t@ andron'i Noa.
Indrisy mbola misokatra ho anao ny lanitra. Anio raha hihaino ny feony hianao aza manamafy ny fonao toy ny t@ andron'ny fahasosorana.
endriny a! Mahereza dia miadia ny ady tsaran'ny finoana. Aoka hihahery hianao ka hivoaka ho mpandresy. Mivavaka ho anao izaho.
29. rhaj0 ( 30/07/2014 11:28)
RBNIR:
Inona kosa ary ny mahasoa? Mino aho fa efa fantatrao : IZAY REHETRA MITONDRA MAKANY AMIN ILAY FIAINANA MANDRAKIZAY IHANY (VIE ETERNEL).

"Revy Samy Manan'Ny Azy"

Ny ahy izao ny mahasoa ahy, dia ny ahatsara (hatrany) ny fiainako, dia ny fiarahako miaina @ olona anaty fiaraha-monina. Ary hakako aingam-panahy daholo na ny eto (@ serasera eto) na ny boky sy ny Baiboly na I Google na ny vaovao ets...

Fa mety tsy mifanipaka ny "mahasoa" ahy io sy ny "mahasoa" an'i RBNIR itsy.

Izaho izao mihevitra fa rahefa manja ny fiarahako monina @ olona, mety/favy/tsara ilay fiainako eto @ ity tany ity, dia "mety" mandeha ho azy ny mitondra ahy mankany @ ilay fiainana ... mandrakizay ("Izay Ataony dia Ataony")

Fa tsy haiko kosa aloha, fa raha fatra-mpibanjina (fotsiny ihany) ilay fiainana mandrakizay ohatra I RBNIR, dia favy ve ny fiainan'i RBNIR eto @ ity tany ity ?
30. endriny ( 30/07/2014 14:16)
Ny tiako ambara fotsiny dia hoe: "Ilay baiboly ve rehefa tian'ilay mpitarika fiangonana adika amin'ny izay heverina fa hifehezany ny olona toy ny ondry dia adikany, rehefa tiany atao tsianjery hanasana ati-doha ny ondriny dia ataony tsianjery?"

Fa ho ahy izay no hevitry ny 144.000

Ary miombon-kevitra amin'i Rajho aho, ka averiko indray fa mamy ny fiainana. Ny fianana eto ambonin'ny tany tsy hoe lalana, fa matoa aho voalohany tonga eto dia noho ny fifankatiavan'i Dadanay sy Neninay. Isaorako azy be dia be. Fa tsy nahay namaky ity serasera ity akory aho raha tsy nisy azy. Ny ankoatran'izay fanadalana vahoaka fotsiny dia rehefa avy eo hoe ialao ny rainao, ialao ny reninao

Fahatelo dia izao ry Maranatha, aza mandiso tena: Inona no atao hoe Batisa? Koa raha io no lalana maha-zanak'Atra, nahoana no tsy ho voavonjy izay vita batisa? ILay tantaran'ny zaza mpandany izany tsy tokony ampianarina sy vakiana any am-piangonana intsony.
31. RBNIR ( 30/07/2014 14:37)
rhaj0:

RBNIR:
Inona kosa ary ny mahasoa? Mino aho fa efa fantatrao : IZAY REHETRA MITONDRA MAKANY AMIN ILAY FIAINANA MANDRAKIZAY IHANY (VIE ETERNEL).

"Revy Samy Manan'Ny Azy"

Ny ahy izao ny mahasoa ahy, dia ny ahatsara (hatrany) ny fiainako, dia ny fiarahako miaina @ olona anaty fiaraha-monina. Ary hakako aingam-panahy daholo na ny eto (@ serasera eto) na ny boky sy ny Baiboly na I Google na ny vaovao ets...

Fa mety tsy mifanipaka ny "mahasoa" ahy io sy ny "mahasoa" an'i RBNIR itsy.

Izaho izao mihevitra fa rahefa manja ny fiarahako monina @ olona, mety/favy/tsara ilay fiainako eto @ ity tany ity, dia "mety" mandeha ho azy ny mitondra ahy mankany @ ilay fiainana ... mandrakizay ("Izay Ataony dia Ataony")

Fa tsy haiko kosa aloha, fa raha fatra-mpibanjina (fotsiny ihany) ilay fiainana mandrakizay ohatra I RBNIR, dia favy ve ny fiainan'i RBNIR eto @ ity tany ity ?

Faly misera hatrany namana,

Tsy izaho ange fa Andriamanitra no nanamafy an'io e. Izao avy no voasoratra momba an'io

« Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany. » (Kol.3:2)
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:33)
« Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? » (Ma.16:26)

Napetrak'Andriamanitra hatrany fa tokony apetraka amin'ny toerana ambony indrindra ary ho laharampahamehana ny fitsinjovana ilay FIAINANA MANDRAKIZAY namana.

Maneke an'Andriamanitra namana (Fanjakan'ny lanitra no priorité fa tsy ny fiainana ety an-tany).

Samia ho tahin'ny Tompo namana
32. RBNIR ( 30/07/2014 14:43)
Ity temoignage atolotro anao namana rhajO,

http://forum.serasera.org/forum/message/m4f27eb8ce4cd6

Mbola tsy niala tamin'ilay orin'asa aho hatramin'ny androany ary mbola ilay toerna voalazako ao ihany no toerako hatramin izao :)

Ny Tombony ankehitriny (manana fanantenana aho fa tsy ho very ny fanahiko fa azo antoka ny FIAINANA MANDRAKIZAIKO sy ho an'ny ankohonako.

Fitiavana no atolotro anao sy ny namana rehetra : Araho ilay fandaharana VITAO NY ASAN NY FAHAMARINANA isa-maraina alatsinainy ka hatramin'ny zoma amin'ny 5ora sy sasany KOLO TV ,

Samia ho tahin'ny Tompo e,
33. rhaj0 ( 30/07/2014 16:29)
Dia misaotra an'i RBNIR t@ temoignage-ny, ary dia arahabaina ianao izany nahita ny soa (ho anao). Raha tsy diso aho dia i Toriteny koa efa nilaza ny momba azy toatoa izay koa.

Tsy hanohitra (contredire) ny tantaranareo aho. Fa fanontaniana ny ahy: iza ilay "pasitera" ?

Fa ny temoignage-nao dia toatoa ny efa fandreko matetika aty koa, avy @ ireo atao hoe "born again christian". Jereo http://en.wikipedia.org/wiki/Born_again_%28Christianity%29 ohatra. Dia ilay izy dia matetika toa io anao io, dia miaraka amina "fiovana" goavana (relativement) teo @ fiainan'ilay olona "born again" io. Ny ohatra iray izao dia Georges W. Bush, izay mpirevy (toaka) be koa taloha, fa rahefa "born again", dia toa lasa nadio indray... hono... Samy mahalala an'i GWB politisiana isika rehetra; inty ohatra misy lahatsoratra an-gazety mitantara ny @ "GWB born again" : http://www.theguardian.com/world/2005/oct/07/usa.georgebush
34. RBNIR ( 30/07/2014 19:12)
rhaj0:

Tsy hanohitra (contredire) ny tantaranareo aho. Fa fanontaniana ny ahy: iza ilay "pasitera" ?

Hita mihitsy ianao namana fa tena mbola tsy nijery ilay fandaharana,

Mba mijereva e, raha hijery ianao anefa ny tena tokony hahamaika anao dia ny hamantaranao ny MARINA mba hahatonga anao ho afaka tsy ho andevo intsony, ka ho lasa zanak Andriamanitra marina.
Ny zanaka no ho mpandova namana koa dia manasa anao ampitiavana hatrany , mahafoiza fotoana, fa tsy hanenina akory ianao toy ireo olona marobe nahatsapa ny fahatsaran ny Tompo tamin ny fanarahana izany fandaharana izany,

Hitahy anao anie ny Tompo namana
35. rhaj0 ( 31/07/2014 15:51)
Inona ilay fandaharana? iza ilay pasitera? miaraka amina fiangonana sa vondron'olona iza? mifandray amina vondrona avy any ivelany? mba tiako ho fantatra...
(izaho aty Kanada fa raha googler-ko dia mety ho hitako ihany, fa ameo anarana)
36. RBNIR ( 31/07/2014 20:17)
rhaj0:

Inona ilay fandaharana? iza ilay pasitera? miaraka amina fiangonana sa vondron'olona iza? mifandray amina vondrona avy any ivelany? mba tiako ho fantatra...
(izaho aty Kanada fa raha googler-ko dia mety ho hitako ihany, fa ameo anarana)

Faly miarahaba anao namana, ilay fandaharana Vitao ny Asan ny fahamarinana (isa maraina amin ny 5 ora sy sasany ao amin ny kolo TV (mandeha amin ny canal sat izao ny kolo tv)
Fikambanana tsotra eto madagascar io namana,

Tazomy foana ny hetahetanao fa efa programan Andriamanitra ny hanamparitaka an io fitoriana io erak izao tontolo izao namana,

Samia ho tahin ny Tompo e

37. Maranatha ( 01/08/2014 07:48)

RBNR a! Tsy efa tara be ve raha izao vao hanao ny fitoriana maneran-tany. Matio 24:14 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
Apok 10:11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.
Ny tiako hampita dia izao tsy efa andro farany ve izao ??? ka raha izao vao hanomboka hitory maneran-tany ka raha io anareo io ohatra no fiangonan'i Ray, tsy milaza ve izany fa mbola haharitra ela be ny Tompo vao ho tonga ????

Dia mety hiteny hianareo hoe izahay ilay ondry hafa mbola any ivelan'ny vala ka ho halainy dia ho tonga vala iray ihany Matio 10:16 Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. kanefa rehefa tonga eo anatrehanreo ilay tena izy nahoana no tsy mihiditra hianareo fa manao fandaminana hafa indray ????. fanontaniana: sao dia fitadiavam-bola ??

Hisy lohahevitra mikasika ireo fanavaozana sandoka rehetra aoriana kely ao fa mbola eo ampanomanana ilay izy aho.
38. RBNIR ( 01/08/2014 10:43)
Faly miarahaba namana Maranatha,

Ato http://forum.serasera.org/forum/message/m507bdfc0e9c94#m50af58caa4a24). ianao raha te hijey mikasika ny Evènement Eschatologique (Ireo zavatra hitranga entina hanambara ny fiavin'ny farany).

Ny Fitoriana lehibe farany mbola tsy manomboka fa vao eo amin'ny fiandohan'ny fahoriana isika izao,
Porofo namana, Mat.24:14 "Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany".

Matoa mbola tsy tonga ny farany dia satria mbola tsy ilay tena FITORIANA LEHIBE FARANY no misy hatrizay ka hatramin'izao,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
39. rhaj0 ( 01/08/2014 16:14)
Dia mba tena manahirana mihintsy ianareo ireto lehiroa...
- Ny andaniny izany lazain'ny ankilany fa "sandoka" ny azy,
- ny ankilany izany lazain'ny andaniny fa "tsy tena izy" ny azy...

Ary samy tena resy lahatra daholo ianareo roaroa... fa hoe dia tena (ianareo irery no) nahazo ilay Fahazavana...

Dia io izany amiko ho'a, sahala @ efa noresahina tatsy ihany, dia samy manana ny "marina" ao @ axe de reference-nareo ao re izany ianareo e... tsy mila ifandirana intsony izany.

Koa dia samia mamikitra ao @ anao ao izany... fa raha miampita rano anefa aloha mety tsy ahafanina ihany e... ohatra hoe miampita aty @ axe de reference-ko aty :)
"Ny ahy izao ny mahasoa ahy, dia ny ahatsara (hatrany) ny fiainako, dia ny fiarahako miaina @ olona anaty fiaraha-monina."
40. RBNIR ( 04/08/2014 06:21)
rhaj0:

Dia io izany amiko ho'a, sahala @ efa noresahina tatsy ihany, dia samy manana ny "marina" ao @ axe de reference-nareo ao re izany ianareo e... tsy mila ifandirana intsony izany.

Faly miarahaba namana,
Ny Marina namana dia tsy ny avy amiko, tsy NY avy aminao , tsy avy amin'i Maranatha, na avy amin'iza.....
Fa raha hitady ny MARINA ianao dia any AMINY (JESOSY TOMPO) : « Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara NY MARINA. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao;18:37);

Raha hitady ny MARINA ianao araka izany dia ny baiboly ihany (izay no mahatonga ahy hanoratra ny TENY voasoratra aloha satria tiako ho tsapan'ny namana fa tsy ny FIHEVITRO no entiko eto fa IZAY VOASORATRA irery ihany,

Aoka TSY HO JAMBA MIFAMPITANTANA isika fa ALEO JESOSY NO HITARIKA sy HANAZAVA (Baiboly entina fa tsy ny fihevitro na ny fihevitrao).

Dia Samia ho tahin'ny Tompo namana,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1552