Cafetaria Christianity
1. rhaj0
(
14/07/2014 18:30)
"Cafeteria Christianity" is a derogatory term used by some Christians, and others, to accuse other Christian individuals or denominations of selecting which Christian doctrines they will follow, and which they will not
--- Ireo izany ilay hoe, "mitsindroka izay mampetimety ny baolinany".
--- Ary ny mifanohitra @ ireo izany dia .. ireo manaraka "ara-baki-teny" ny Didy aman-Dalana rehetra ao anaty Baiboly.
Ka ahoana... iza @ ireo ianao?

novalian'i rhaj0 ny 23/07/2014 18:38
3. rhaj0
(
15/07/2014 14:16)
Tsy hoe sekta na fivavahana vaovao io, fa rahefa ny samy rizareo Kristiana (anglisy) aty no mifanebaka (sahala @ ataon'ny sasany eto ihany), dia hoe, "ianao dia cafeteria Christian"... (sahala @ ataon'ny sasany eto ihany : "ianao dia kristiana TSY tena izy")
fa ilay "cafeteria" dia kisarisary anondroana fotsiny hoe, rahefa any @ cafeteria ianao no misakafo, dia afaka misafidifidy na manilikilika izay aroso eo.
Dia torak'izany koa ireo voapetaka anarana hoe "Cafeteria Christian" : fidifidiany (na ahilikilikany) ny andininy ao @ Baiboly ao, araka "izay mampetimety ny baolinany ao". Mety katolika izy, ary mety ho ilay pretra akoriny aza, mety protestanta, ary mety ho ilay pasitera... ets...
Ka ahoana...
1- mahatsiaro tena (dia mba mibaboka) ho "Cafetaria Christian" ve ianao ?
2- sa tena sur ianao fa manaraka "ara-baki-teny" ny Didy aman-Dalana rehetra ao anaty Baiboly ?
3- sa (mody) atao hoe "tsy nahafantatra" ianao, na hoe "tsy mihatra aminao", ireo "voasoratra" ao anaty Baiboly (sasany) ireo ?
Ka ahoana : Kristiana 1, sa 2, sa 3 ?

4. booboo
(
15/07/2014 14:47)
Ary ny mpikaly eny an-jaridaina izany akory ? ilay mihidy anaty rindrina 3 tsy mety amiko... sy ny vavoniko. ;-)
5. rhaj0
(
17/07/2014 13:31)
Koa inona azany ireo Didy aman-DalAna ao anaty Baiboly, na ttaloha na tvaovao, samy DidiNY daholo izany, nefa dia odian-tsy hita, na dia tena ahilika tsotra fotsiny @ izao.
(tsotra be... mi-googl-er-va dia ahita...)
Ohatra 1 : Ny Lamaody...
Levitikosy 19:27 Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao.
Dia rahefa manao an'io anefa ry Jiosy dia hotry ny hihomehezanao...
Levitikosy 19:19 Tandremo ny didiko: (...) ary aza mitafy lamba natao amin’ ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho.
Dia atao veloma lava izany ve ilay zipo tsara tarehy, sy ilay palitao 50% polyester, 50% coton.
1 Timoty 2:9 Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ ny fitafiana mahamendrika mbamin’ ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa [Gr. perila] , na fitafiana saro-bidy
Ilay volamena vatosoa aloha mba eo ihany, fa ilay volo mirandrana e.. veloma lava izany ny Afrikana..
Ka ahoana... Kristiana 1 (cafetaria christian) ianao ao io, sa mba Kristiana 3 (mody atao hoe tsy nahalala) ???

6. rhaj0
(
17/07/2014 13:53)
Ohatra 2 : Resaka sex
Genesisy 38:9 Ary fantatr’ i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin’ ny vadin’ ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin’ ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an’ ny rahalahiny.
Hitako no tsy mahatsiaro ho manota ny sasany rahefa "nandry tamin’ ny vadin’ ny rahalahiny". Koa zavatra nataon'i Onana tao @ Baiboly io dia .. tsisy bedy kouh... ny atao fotsiny dia ny "andraraka tamin’ ny tany" ny ranon'aina...
Dia nefa dia io izao TSY mba raisinao (ara-baki-teny), fa tena ho tezitrabe ianao raha sanatria manao an'io @ vadinao ny rahalahinao... hono ho'a ry Kristiana 1 (cafetaria christian)
Deoteronomia 25:11 Raha misy olona miady, ary ny vadin’ ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin’ ny tànan’ izay mamely azy, ary maninjitra ny tànany ka mandray azy an-kasarotana,12 dia hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny masonao.
Ity izao dia hoy ianao hoe tsy mihatra aminao... Aiza koa ny vadinao no handeha handray ny an-kasarotana an'Iraikalahy... Fa @ ankapobeny, aza mandrairay ny "an-kasarotana" ry viavy fa ho "tapaka ny tanana" e.... izany ve hono ho'a ry Kristiana 3...

7. rhaj0
(
17/07/2014 14:23)
Ny manahirana an'izy ity, na angaha hoe mahatsikaiky fa mahatsiravina, dia raha TSY MISY manaraka ny Levitikosy 19 io ambony io ny Kristiana, dia nefa dia tena masiatsiaka sy lozabe ery ny hampihatra ny Levitikosy 18
Levitikosy 18:22 Aza mandry amin’ ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
Dia izay ilay Cafetaria Christian.

8. hery
(
17/07/2014 14:36)
Hoy ny mpanisa hoe 613 ny lalàna sy fitsipika ao amin'ny testamenta taloha ao amin'ny baiboly. Fitsipi-pitondran-tena isan-karazany.
Izaho (sy izay nampianatra ahy, ny fiangonako sy izay mitovy firehana amiko) dia nampianarina mba tsy handray ny baiboly ara-bakiteny satria nisy vala manokana (fotoana, toerana, karazan'olona) nanoratana azy izy ireny. Betsaka ny lalàna izay tsy mety ampiasaina (sy tsy tokony ampiasaina akory) amin'izao fotoana izao intsony noho izany. Izay antony izay indrindra no nahatongavan'i Kristy izay nanome didy vaovao mamehy sy mamintina ny didy rehetra dia ny didim-pitiavana.
Fitiavana an'Andriamanitra sy fitiavana ny namana no tena antony nanaovana ireny didy rehetra ireny araka ny vanimpotoana niainan'ireo nanoratra azy sy ny kolotsaina nananany. Fa anjaran'ny kristianina olon-kendry ankehitriny kosa no mitady izay dikam-pitiavana tamin'ireo lalàna ireo izany ka mampihatra azy amin'izao fotoana iainany izao sy ny kolotsaina izay iainan'ny fiaraha-monina misy azy.
Tsy omeko tsiny i rhaj0 raha tsy hahazo an'izany satria ireo mitonon-tena ho kristianina aza mbola betsaka ny mandray baiboly ho lalàna bontolo ara-bakiteny.

9. rhaj0
(
17/07/2014 15:10)
Izany hoe izay manaraka (ara-baki-teny) ny ttaloha izany dia ... "tsy Kristiana tena izy" (Kristiana = manaraka ny fampianaran'i Kristy). Ekena mba tsy ifandirana (anjaran'izay mpanaraka izay "voasoratra" ao no miresaka @ Hery)
Nefa kosa, misy iray @ ireo notsingolohako etsy ambony ireo ao @ tvaovao
1 Timoty 2:9 Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ ny fitafiana mahamendrika mbamin’ ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa [Gr. perila] , na fitafiana saro-bidy
Io izany dia sirika daholo ny cafetaria kristiana (mody tsy mahalala)...
Fa ny @ Genesisy... Ny Fampianarana Fitsipi-pitondra-tena ao izany DISO, fa ny Fampianarana hafa dia ho raisina ho marina ihany ?? Izany ve ???

10. rhaj0
(
17/07/2014 15:22)
Dia ankoatry ny Fampianarana (sasany) ao @ Genesisy zy izay hafa rehetra ao @ ttaloha ao, dia ... tsy afa-bela ianao Hery fa inty misy lisitra lavabe avy ao @ tvaovao, isaorana i google.. ohatra:
http://backyardskeptics.com/wordpress/new-testament-bible-verses-xtians-tend-to-ignore/

11. hery
(
17/07/2014 15:26)
1. Na ilay ao amin'ny I Tim 2 aza dia mitovy amin'izay nolazaiko hoe ao anaty valany (domaine na contexte) manokana. Fombam-pivavahana, fihetaika, fitafy, sakafo, sns dia fitsipika ivelany izay mihatra amin'ny fotoana voafaritra sy olona voafaritra amin'ny toerana voafaritra. Taratasy ho an'ny kriatiana am toerana iray io. Raha tamin'ny toerana hafa i Paoly no nandeha dia hafa no nolazainy. Satria tao amin'io toerana io tamin'izany fotoana izany dia tsy fahamendrehana ny mirandrana (fomba nentin'ny mpivahiny avy aty afrika avaratra) ka izay no nahatonga ny fananarana.
2. Araka izany dia tsy miteny aho hoe lalàna diso fa tsy mihatra amin'ny olona tsy iantefàny. Ny lalàna fototra ao anatiny no jerena hoe rehefa miresaka min'Andriamanitra dia maotina fitondra tena.

12. hery
(
17/07/2014 15:29)
Mahavaly azy io nolazaiko io. Inona ny lalàna fototra ifotorany. Ny "what" fa tsy ny "how".
13. rhaj0
(
17/07/2014 16:23)
Inty azany ho an'ny Vehivavy e.
1 Korintiana 14:34 dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana [Gr. eklesia] ; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain’ ny lalàna koa.35 Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana [Gr. eklesia] ny vehivavy.
Dia ahoana... TSY tokony arahina "ara-baki-teny" ihany koa io satria "izany" no t@ fotoan'androny, fa izao efa "tsy izany" intsony ?
Na inty koa misy iray, ho an'izay viavy divorcE..
Matio 5:32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.
Dia raha fetsifetsy zareo izany, dia tsy mi-divorce fa miandry izay mahafaty ny lahy ao fotsiny e...
1 Korintiana 7:39 Ny vavy voafehin’ ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin’ ny Tompo ihany.
Tsy ho hary voa-spinner-nao daholo ny resaka rehetra eo re ry Hery fa dia... Ny hitako maha-tsotsotra azy aloha dia
- ny mibaboka fa "cafetarian" daholo... ary
- tsy manebaka izay TSY manaraka ny arahinao, ary
- tsy manebaka izay manaraka ny TSY arahinao...
Avy ao @ Rakibolan'i Hery
Manebaka = Manakiana, maneso, manaratsy, milaza ankitsirano fa tsy mety ny natao, miteny mivantana ny faharatsiana na ny tsy fahombiazana: Manebaka ny olona rehetra io Rangahy io. 1 Manao tsinontsinona, manatsizarizary, manazimba, mamotsifotsy

14. hery
(
17/07/2014 17:38)
Tsy haiko aloha na cafetaria na inona no filaza an'izany fa zavatra tsotra be izany. Ary angamba tsy ho an'ny Kristianina irery ihany.
Ny lalàna nihatra tamin'ny fotoanan'ny andevo ohatra dia tsy miasa amin'izao intsony satria tsy misy fanandevozana intsony. Ny lalàna niasa tamin'ny fotoana izay tsy nanomezan'ny fiaraha-monina lanja ny vehivavy dia tsy mihatra amin'izao intsony satria efa manana ny lanjany amin'izao ny vehivavy ao amin'ny fiaraha-monina maro.
Fa araka ny nolazaiko dia ny fototra ao ambadik'ilay lalàna no tena zava-dehibe.
Fa ny lafiny tsara (positif) amin'izao rehetra izao dia tena hitako hoe lasa mamaky baiboly i rhaj0
Fiatombohany daholo izany, mitsindroka andininy, mandray ara-bakiteny, tsy ratsy fa fanombohan'ny fahalalàna. Any aoriana ianao dia hahazo izay tena lazainy... fa mila fanazavan'ny Fanahy Masina ihany koa.

15. 5laody
(
18/07/2014 11:06)
Sali daholo!
Misaotra &n'i Rajh0 nitantara aminay hoe inona ilay "Cafetaria Christianity". RAha malalaka kely ny fitsipika ao anatin'ila cafetaria dia ts maninona fa classeo ao aho e!
izao ny fitsipika mampetimety ahy:
-mahazo miditra ao amin'ilay cafetaria daholo na olona tsy tia anao aza,
-mahazo mitondra kaly
-mahazo mizara,
-mahazo mangataka izay zavatra mampetimety anao any amin'ny mpahandro,
-mahazo miray latabatra na tsy mitovy aza ny sakafo (tsy mandroaka)
-mahazo mivoaka ao amin'ny terrasse,
-afaka manao fety kely ;),
asiana soratra hoe tsy azo ifohana sigara
ary hoe:
"TSY MISY WIFI ATO FA MIFAMPIRESAHA IANAREO"
16. rhaj0
(
18/07/2014 12:46)
Dia tena favy ny cafetaria an'i 5laody. Raha ny fahazoako azy dia ny iarahana sy ny ifaliana no tena atao ao. Ary tsisy an-teritery fa samy manao izay ny mampetimety ny azy sy ny fiarahana eo, ary na tsy mitovy (sakafo) aza dia afaka miaraka (miaina) daholo ihany. Fa ny sakafo efa fantatra fa lozotrabe (sigara) kosany aloha dia tsy ampidirina, ary ampirisihina ny ifanakalozana sy ny ifampizarana (resaka). Mbo hasao (inviter-o) @ cafetaria-nao aho ry 5laody a...
Ny fahitako ny an'i Hery indray dia... izay sakafo rehetra ao @ cafetaria dia hotry ny hoe, entiny mody any an-trano, ary dia andrahoiny fanindroany sy asiany poavra (analizy sy fanazavan'ny FM), ary dia lazainy fa afaka raisina daholo daholo izany, fa tsisy mangidy ho aloa na marikivy ho ahilika... Ny ankamaroan'ny Kristiana moa nefa tonga dia na manilika, na misafidifidy, na angaha hoe, (mody) tsy mahafantatra dia tsy mandray akoriny.
Fa manaiky ny paikan'i Hery ihany aho; fa mbola mila miady hevitra kely isikana :)
[size=8](ny amakiako ny Baiboly dia ... ka mila manazava izany an-janako aho...)[/size]

17. rhaj0
(
18/07/2014 15:49)
Ny tiako lazaina @ Hery dia :
Ohatra hoe
1 Korintiana 14:34 dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana...
Dia nolazain'i Hery izany fa "tamin'ny fotoana izay tsy nanomezan'ny fiaraha-monina lanja ny vehivavy dia tsy mihatra amin'izao intsony"
Dia hatraiza no ho taritinao Hery ilay filazanao io hoe, "tsy mihatra amin'izao intsony" :
1- h@ Noah (Yannick) ve ? satria dia azo raisina koe hoe, "Taratasy ho an'ny kriatiana am toerana iray io", hoy ny filazan'i Hery, "ao anaty valany (domaine na contexte) manokana", dia ny fahalalana (siansa, raha nisy) t@ izany fotoanan'i Noah izay, ary dia "tsy mihatra amin'izao intsony" ?
2- sa h@ Genesisy (Phil Collins) ? na koa Adam (Bryan sy Levine) ?? na koa ny (Raozin'ny) Paradisa ??

18. hery
(
18/07/2014 17:20)
Ny baiboly dia tsy boky tokana ary nosoratana tao anaty taonjato maromaro. Ka isaky ny taratasy, isaky ny boky ao anatiny izay nosoratana tamin'ny fotoana voafaritra sy toerana voafaritra dia misy ankohonana (communauté) mandray azy voafaritra ihany koa.
Ka raha miresaka Noah manokana dia mila jerena hoe oviana no nanoratana ny tantara, dia iza no niaina tamin'izany fotoana izany, dia inona no tanjon'ny mpanoratra ho an'ireo olona nanoratana ny tantara ireo. Dia inona no azo tsoahina momba ny fifandraisan'izy ireo amin'Andriamanitra... ka inona amin'izay no azo tsoahina amin'ny tokony hifandraisantsika amin'Andriamanitra.
Valide n'aiza n'aiza io.

19. rhaj0
(
18/07/2014 21:21)
Giravy ihany anie izany paikan'i Hery izany e...
Teo izany, raha ny fahitako azy, nafahitan'ny aty azy, dia toa hotry ny hoe
- Ny Kristiana (sasany) dia "mandray ara-baki-teny ny andininy rehetra ao @ Baiboly. Ny ambiny (izay maro an'isa) dia mandray/misafidy "andininy" ao @ Baiboly izay mampetimety ny baoliny, ary manilika, na mody tsy mahalala, ny manahirankirana azy = Cafetaria Christian.
- ny an'i Hery kosa dia mbola lasa lavitra kokoa : mandray ireo andininy rehetra, dia mipasoka na manisy siramamy izany, ary dia "isintomana dikany" ... izay matetika loatra, dia tsy mitovy @ izay afaka (na tokony) ho noraisina ara-baki-teny (sy ampahatsorana) teo.
Lazain'i Hery fa "notsoahiny" avy t@ fandalinany izay voasoratra teo, dia ny "fifandraisan'ireo taloha t@ A.tra" t@ fotoan'androny izany dikany arosony izany. Saingy izay dikany aroson'i Hery izay kosa dia "mifanaraka" @ fotoan'andro izao (araka i Hery).
Ka diso ve izay fahazoako ny paikan'i Hery izay ?
Na ameo ohatra azany hoe, ahoana ny fandraisan'i Hery ny @ Noah.

20. hery
(
18/07/2014 21:41)
Tsy sarotra be ohatr'izany ka. Tsotra kokoa.
Ohatra ny momba an'i Noah sy ny bokin'i Jenezy na Genesisy iray manontolo.
Averimberina foana fa tsy nieritreritra ny hanoratra tantara (chronologique) tena marina ny nanoratra ny baiboly na dia misy endrika chronologique aza ao. Ny tanjony dia ny hitantara amin'ny taranaka taty aoriana (tsy isika fa ireo Israelita tamin'izany fotoana izany izay nanoloran'ny mpaminany ireo boky) hoe inona no dia efa nodiavin'ny vahoaka voafidy tany aloha tany. Ahoana ny fifandraisany tamin'Andriamanitra. Nasehony tamin'ny sary isan-karazany izany, nohaingoany tamin'ny fitadidiana sy ny lovatsofina, ary nifampitampita, dia niteraka ny Genesisy.
Misy zavatra anakiroa izany ao anatin'ilay boky. Ilay tantara (mifangaro chronologies, kisarisary, fitadidiana manjavozavo, lova-tsofina) sy ny votoatin'ny fifandraisana tamin'Andriamanitra.
Matetika dia ilay tantara (marina sa tsy marina e, sns) no mahamaika ny tsirairay fa tsy ilay tena tiana hambara dia ilay fifandraisana (communion) tamin'Andriamanitra hatramin'ny voalohany.
Koa iverenako i Noah. Ho ahy dia tsy any ny resaka, hoe firy taona i Noah, nisy volombava sa tsy nisy, tao anaty Sambofiara ve ny dinaozaoro sns. Fa ny manan-danja dia hoe inona teo amin'ny fiainam-panahin'ny olombelona ny dikan'iny tantara iny... ary indrindra, inona eo amin'ny fifandraisako amin'Andriamanitra ny dikan'iny tantara iny. Mazava ho azy fa valiny manokana na personnel no azo.
Dia izay :-)
Tsy sarotra be.