Cafetaria Christianity

21. 5laody ( 19/07/2014 14:13)
SAlama aby e!

Misy boky mety hahaliana an'i Rhaj0 ity:
"L'année où j'ai vecu selon la bible" na"The year living biblically" nosoratan'i A.J. Jacobs. sady toa tany aminareo any amin'ny bekintana avaratra any no nanaovany ilay traikefa.

Misy famintinana tsara ao amin'ny "Le monde" raha tsy manam-potoana hamakiana ilay 450 pejy ianao. Izaho dia nahita ilay boky tany amin'ny biblio ka asa na hahasarika ahy hatramin'ny farany ilay izy fa dia ho hita eo.
22. rhaj0 ( 21/07/2014 13:53)

hery:
... valiny manokana na personnel no azo.

Wow... Tena vao mainka lasa lavitra noho ilay "Hery" noeritreretiko ity an'i Hery ity.
Ilay teo hotry ny hoe, ilay "valiny" dia ho an'ny rehetra, takatry ny rehetra ary mety hoe eken'ny rehetra. Fa ity izany dia "personnel".. (@ dikany hoe "affecting, or belonging to a particular person rather than to anyone else.")

Fa dia tsara ho fantatra.. misy karazany maro ny Kristiana.


Ny @ lazain'i 5laody, dia nahita mitovitovy @ izay aho, raha tsy tatsy @ TED dia tatsy @ CNN... Fa ho jereko ihany io natolotrao io... misaotra.
23. ombelline ( 21/07/2014 14:02)

hery:
... valiny manokana na personnel no azo.


Iombonako hevitra feno @ Hery io hoe valiny individuel io ! Ny olona tsirairay mantsy dia "tokana" (unique) eo anatrehan'Andriamanitra .
24. rhaj0 ( 21/07/2014 15:23)
Izao no tsy azoko : ahoana ohatra ny valiny manokana (individuel/personal) @ Noah ?

Ny valin-teny azonao avy tamiNY izany ve dia... "belonging to a particular person rather than to anyone else", izany hoe, dia anao irery ao ? mety aminao irery fa (mety) tsy mety @ hafa ?

Fanontaniana faha-2 : fampianaran'ny Eglizy Katolika ve izao sa (fahamatorana) anareo manokana ao ?
25. rhaj0 ( 21/07/2014 20:05)
Manahy aho fa toa ny tatsy t@ resaka t@ Maranatha ihany dia :

Tsy hita ho raisina (ara-baki-teny) ilay ao @ andininy, ary dia voatery "spinner-na", ary dia hoe ... rahefa nasiana sira sy siramamy, dia nisintomana na nitondra tamina "valiny manokana".

Ny fandikana (interpretation) natao t@ nanisy sira sy siramamy anie ka dia samy manan'ny azy e... (na dia hoe nampian'ny FM azany; mbola interpretation-nao, fahazoanao azy manokana ao io FM io).

Toa ny fandikana (interpretation) ireny kisarisary itsapan'ny psy ny marariny ireny (jereo ohatra eto na koa eto)


(Hafa ny Siansa. Tsisy "valiny manokana" ny ... "raharaha Noah" ohatra.)
26. hery ( 21/07/2014 21:22)
Tena tsy azoko ilay mahatonga an'i rhaj0 tsy hahazo an'ilay izy nefa efa nolazaiko tsara.


ahoana ohatra ny valiny manokana (individuel/personal) @ Noah ?


Valiny amin'i Noah ahoana? Noah tsy niresaka tamiko, tsy nametraka fanontaniana tamiko. Sa valin-teny azoko avy aiza?

Averiko tsara indray (ary fampianaran'ny Eglizy Katolika izany).

- Ny Baiboly dia tsy bokin-tantara (histoire) fa bokim-pinoana. Ny olona nanoratra ny baiboly (na izay nanoratra ny Genesisy misy an'i Noah io na i Paoly nanoratra ho an'i Timoty) dia tsy nieritreritra hanoratra tantara (histoire). Satria raha izany dia tsy ho omby ny baiboly fa lava dia lava tokoa ny tantara. Ny zavatra nosoratany dia fampianaram-pinoana na dia misy tantara ihany aza ao anatiny. Koa ho an'ny Katolika dia ilay fampianaram-pinoana no tena zava-dehibe fa tsy ny pitsopitsony ara-tantara izay tsy manampy amin'ny finoana.

Eo no miditra ny dimension individuelle-n'ilay resaka. Ny finoana dia an'ny tsirairay. Ny Fiangonana dia manome ny guidelines fa anjaran'ny tsirairay no miaina na tsia ny finoana. Tsy misy idiran'ny interpretation intsony izany satria tsy eo amin'ilay stade-n'ny tantara mila hazavaina na tsia. Efa eo amin'ny stade-n'ny finoana, zavatra tokana no lazaina dia ny "Fitiavan'Andriamanitra ny olombelona". Ny tsirairay amin'izay, rehefa mandray ilay teny, no mandinika ny fiainany sy mibanjina ny fitiavan'Andriamanitra azy. Ny tsirairay no maka ny toeran'i Noah, Abrahama, Adama, Paoly, tamin'ny seha-piainana tsirairay nandalovany.

Ohatra, androany, inona no hevitra ara-pinoan'ny fiainan'i Noah ho ahy. Noah dia ilay voafidy. Mba voafidy ve aho? Inona no antony nifidianana an'i Noah. Mendrika izany fifidianan'Andriamanitra ahy izany ve aho. Ny tsirairay mety mahita hevitra hafa momba ny fifandraisan'i Noah tamin'Andriamanitra. Rahampitso koa mety ho hafa no handinihana an'io tenin'Andriamanitra io. Mety tsy hitovy.. satria démarche spirituelle no atao.

Hamehezako azy izany dia rehefa mipetraka ny base hoe "fifandraisan'Andriamanitra amin'ny olombelona" dia tsy mivaona intsony ny fandikana... satria ny zava-dehibe dia ny hahafahantsika mifandray amin'Andriamanitra.
27. rhaj0 ( 22/07/2014 17:24)
OK.. izay vao azoko.. na hoe, raha ny fahazoako azy izany dia, ny Baiboly dia fakana aingam-panahy (fotsiny ihany). Raha tsotsorina dia sahala @ boky hafa izay akanao aingam-panahy koa, toa ny hoe boki-na psy, na biographie, koa na roman fotsiny aza. Tsy raisinao ara-bakiteny ny tantara ao, satria io tantara ao io dia
- mikasika @ olona t@ fotoan'androny
- notantaraina t@ olona hafa t@ fotoan'androny taty aoriana
ka izany dia tsy (voatery) mihatra (ara-baki-teny) @ izao fotoan'andronao, 2000 taona aty aoriana izao.
Fa kosa, izany dia itarafanao ny aminao, sy ny fifandraisanao @ hafa (h@ Izy), ary isintomanao aingam-panahy...


Dia raha @ "raharaha Noah" izany ohatra, ny @ hoe ny "sambofiara nanavotra ny biby aman'olona", dia :
- tantaran'i Noah (sy ny fifandraisany t@ Izy)
- voarakitra an-tsoratra (an-100 taona) taty aoriana, mba ho tantaraina t@ olona t@ izany 100-taona fotoan'andro izany
- ka izao an-2000 taona aty aoriana izao kosany, miaraka @ fahalalana (Siansa) @ izao fotoan'andro izao, dia tsy hita ho raisina ara-baki-teny (ny teknikan'ny sambofiara misavoana).

Fa ny zava-dehibe dia ilay "nahafahana" nakana aingam-panahy, ka nahatsapana ilay "fifandraisana" teo @ Noah sy Izy, ka itarina @ fifandraisanao amin'Azy..


Toa izay izany...
28. hery ( 23/07/2014 10:36)
Efa saika azon'i rhaj0... ny finoana sisa.

Tsy boky fakàna aingam-panahy fotsiny fa ho an'ny kristianina dia tena Tenin'Andriamanitra. Izay no tsy mampitovy azy amin'ny roman na bokina psy.

Izany hoe hafatr'Andriamanitra mihitsy no ao anatiny, ary ho an'ny Kristianina dia hafatra tsy azo ihodivirana.

Ao izany no ahitana ny code de conduite (ary ho an'ny Katolika dia manampy azy ny Traditions sy ny Magistère) tsy maintsy hiainan'ny Kristianina.
29. rhaj0 ( 23/07/2014 17:35)
OK mazavabe. Izay izany ny an'i Hery,


Ny an'i Obama indray, araka ny fahazoako ny resany tao @ The Audacity Of Hope, dia

- ny Finoana sy ny korteziny (h@ Baiboly ka h@ fombafomba) dia natao fakana aingam-panahy (inspiration), FA KOSA,

- ny zavatra atao sy izay fanapaha-kevitra raisina avy @ izany aigam-panahy (inspiration) izany, dia hamafisina na hamarinina @ fahalalana ankehitrio, siansa/sosiolozia/psikolozia/lojika-2000/soatoavina-2000/...

- fa TSY hoe Finoana fotsiny dia basy.


Asa raha mitovitovy @ izany ny an'i Hery..
30. hery ( 23/07/2014 17:56)
Ohatry ny mahazo filazàna foana aho hoe namaly rhaj0 nefa tsy hitako eto.

Fafaina ve?
31. rhaj0 ( 23/07/2014 18:38)
[size=9]Aaaa... Nanitsy kely ny resaka aho rahefa nieritreritra kely... kay tokony nanao aho hoe "Jereo Aloha"... ka ilay varavarankely tavela misokatra io ambadika foana (sady miasa aho @ io) ka dia ... nanitsy kely indray rahefa tafatsipalotry ny maso e...
Ka sady manaitra an'i Hery @ torimaso ao koa e...
:)[/size]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2709