Ny mpanao baolina ve mivavaka? (2)

1. rhaj0 ( 13/07/2014 11:56)
Akariko dia tohizako kely eto indray ity loha-hevitra noresahina tatsy ity...

Ka hoe, raha "entina am-bavaka" (foana) ity fiainana ity, dia ... ho hita eo azany ahoana ny vokatry ny vavaky ny olombe :
- I Benoa (Alemaina), sy/sa
- I Fransoa (Arzentina).

Ny vazivazy aty dia hoz'i Fransoa hoe, ny Messi hono ka Arzentiniana... ary ny Angel di Maria koa miahy...


Fa miresaka baolina sy Fivavahana/Finoana ihany. Sorena ny mpanao gazety amerikana (sasany) fa tena tsisy azo ifandaharana mihintsy hono ny mpitia baolina eoropeana sy amerikana latina, fa raha vao miteny hono zareo, dia hoe... tsy mahay/mahalala ny futbol nareo, aza americaniser-na toa izany ny futbol ... Dia hoe... ka lasa "religion" ny "futbol" any eoropa sy amerika latina, ka dia io tsy ilaozan'ny "croyant fervent" io, ary dia tsisy resaka azo ifandaharana mihintsy miaraka @ Itsimahalalaafatsynysaimpantany..
novalian'i endriny ny 18/07/2014 04:44
2. hery ( 13/07/2014 13:08)
Ny Papa misotro ronono Benoà XVI sy ny Papa Fransoà dia samy niteny fa tsy afaka hijery lalao famaranana. Ilay voalohany dia tsy dia tia baolina kitra sady ao anatin'ny fotoana famakiany boky mihitsy hono izao. Itsy faharoa kosa dia efa alina loatra hono vao manomboka ka efa matory izy.

fa hitako hoe tsy extremistes ihany ny mpitia baolina fa toa vavany fotsiny satria raha ireny resy ireny no manao ny ataony dia ho loza. Ny teto Italia izay noheverina hoe faran'izay tia baolina, nony latsaka ny ekipany dia nangingina fa tsy nitohy ny fankahalàna sns... hoy ny olona hoe "Izay baolina ve"...

Dia izay hoe "Izay baolina ve" izay koa no ilazàna fa mbola tsy tonga amin'ny hoe religion ny baolina e.

3. 5laody ( 14/07/2014 10:28)

Misy namako izay manana principe kely izy rehefa manàsa ny sasany any an-tranony : "Aza asiana resaka baolina na pôlitika na finoana ry zalahy fa mba te hanao fety mahafinaritra miaraka aminareo aho a!"
4. rhaj0 ( 14/07/2014 13:27)
[size=9](ny naman'i 5laody moa tsy eto ka dia... manohy resaka "baolina" aho eto @ "finoana sy fivavahana")[/size]

Ny tiana lazaina @ hoe "religion du futbol" dia ao @ "attitude"
Religious attitude. Psychologically, an attitude informed by the careful observation of, and respect for, invisible forces and personal experience

Rahefa mijery ireo "supporter fervent" na koa azany ireo mpanao baolina ianao dia, rahefa maka recul, dia tena hoe ... dia "minomino foana" ireto olona, satria dia te-handresy mafy.


Dia koa hoe arak'ilay hoe "religious zealot"
a person who has very strong feelings about religion and who wants other people to have those feelings. A fanatically committed person.

Io ilay hoe, ny "fan" lasa "fanatic"... Ary dia eo no tonga @ ilay hoe, tsisy azo ifandaharana fa dia ny azy ihany, ny azy foana, tsisy diso ny azy fa fanaperana.
5. endriny ( 18/07/2014 04:44)

5laody:


Misy namako izay manana principe kely izy rehefa manàsa ny sasany any an-tranony : "Aza asiana resaka baolina na pôlitika na finoana ry zalahy fa mba te hanao fety mahafinaritra miaraka aminareo aho a!"


MIlay kosa izany koa... Tsara hianarana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6589