Ny mpanao baolina ve mivavaka?

1. endriny ( 18/06/2014 18:59)
Dia mivavaka amin'ny inona?

Fa ny sasany rehefa hiditra ny kianja dia toa ohatra ny manao marika tsy haihay izany? Sady tsy lakoroa no tsy fafy rano..
novalian'i rhaj0 ny 10/07/2014 20:42
2. rhaj0 ( 19/06/2014 16:08)
Io ho'a ilay hoe, raha mandresy izy, dia satria "nivaly ny vavaka"
Raha resy izy, dia "fitsapana" izany..

Fa io azany mba baolina.. rahefa boxe no ataon-drizalahy, dia ganga ianao hoe, inona marina no angatahany @ vavakany ao, ary ny inona @izany no nivaly... (indrindra rahefa mitsitra KO etsy ilay iray)

3. rhaj0 ( 19/06/2014 20:37)
Fa io dia mihatra @ izay rehetra atao ... rahefa atao kisarisary ilay fiainana :
ka atao hoe "baolina" = (ki)lalao hafa, fianarana, asa, finamanana, sex, izay atao rehetra...

Raha mety ny natao, dia hoe "nivaly ny vavaka", ary "fitsapana" ilay izy ho an'ny andaniny
Raha tsy mety, dia "fitsapana" izany, ary "vavaka mivaly" ilay izy ho an'ny andaniny

Raha tsy hoe, dia ho avy indray 'nareo ka dia hanao hoe, "vavaka tsy tena izy", na "vavaka @ A/tra na Finoana tsy tena izy"... ireo atao ireo.

Ka dia "ampianaro ny olona hivavaka" azany e...
(sa ampianaro fotsiny izy hanao "baolina" ?...)

4. endriny ( 20/06/2014 04:26)
Mivavaka ry zalahy ka, fa ilay Atra ivavahany no mino aho fa samy hafa.
5. Tefigasy ( 20/06/2014 04:54)
rhaj0:

Io ho'a ilay hoe, raha mandresy izy, dia satria "nivaly ny vavaka"
Raha resy izy, dia "fitsapana" izany..

Ho an'ny tena kristianina dia tsy izay loatra ka : izay vokany dia hifaliana fa izay no sitrapon'Andriamanitra satria ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra.
Paoly izao nisy aretina nahazo azy hatrany, tsy nety nositranin'Andriamanitra na dia efa nitalahony mafa aza, tsy hoe fitsapana fa tena fahasoavan'Andriamanitra ho azy mihitsy ilay izy ary dia nifaliany sy niderany an'Andriamanitra mihitsy koa aza !
6. rhaj0 ( 20/06/2014 10:37)

Tefigasy:
Ho an'ny tena kristianina dia tsy izay loatra ka : izay vokany dia hifaliana fa izay no sitrapon'Andriamanitra

Aaaah.. toa mifandraika @ motto-ko izy izany : "Izay Mahasoa Ataon'A/tra e..."

hi hi hi... mitovy hevitra ihany kay izaho sy Tefigasy rahefa atao ny kaonty :)

Fa miombo-kevitra amiko (koa) ve azany i Tefigasy, raha hoy aho hoe :
Ka dia TSY handaniako ron-doha, ary TSY hanarahako
- ireo fombafomba (tsy mamaky afa-tsy ilay Boky, na mankany @ Eglizy...), sy
- fangatahana-lava (mitalaho lava)
@ ity fiainana (efa sarotra) ity, fa dia izay Ataony ao dia Ataony e...
Ny ataoko (satria controler-ko) dia ny manao ny tsara sy ny mety
- araka izay azoko atao
- araka izay mety azoko atao
- ary izany dia mifototra @ fanajana ny lalAn'ny fiaraha-miaina aman'olona (eto an-tany)


Sa indray... iretsy hafa moa efa "tsy tena kristiana", hoy Tefigasy izay, dia izaho io koa ve mbola "tsy tena izy" (fa ankadasitra), fa ny anao ihany no "tena izy" ?? Ilazao aminay kely azany ahoana izany "tena izy"-nao izany (mba hanokafy loha-hevitra iray re raha azo atao : "Ny Kristiana Tena Izy")

7. Tefigasy ( 20/06/2014 11:33)
rhaj0:

Tefigasy:
Ho an'ny tena kristianina dia tsy izay loatra ka : izay vokany dia hifaliana fa izay no sitrapon'Andriamanitra

Aaaah.. toa mifandraika @ motto-ko izy izany : "Izay Mahasoa Ataon'A/tra e..."

hi hi hi... mitovy hevitra ihany kay izaho sy Tefigasy rahefa atao ny kaonty :)

Mety tsy mitovy ka. Raha ny fahazoako ny anao dia miandry darohana fotsiny ianao fa tsy miady na kely aza. I Paoly anie hoy aho tena niady sy nitolona tanteraka tamin'Andriamanitra mba hanalany ilay aretina nahazo azy e. Fa rehefa izay no sitrapon'Andriamanitra dia nanaiky ny fandaharany izy sady tena nahasoa azy tanteraka ilay izy.
rhaj0:

Fa miombo-kevitra amiko (koa) ve azany i Tefigasy, raha hoy aho hoe :
Ka dia TSY handaniako ron-doha, ary TSY hanarahako
- ireo fombafomba (tsy mamaky afa-tsy ilay Boky, na mankany @ Eglizy...), sy
- fangatahana-lava (mitalaho lava)
@ ity fiainana (efa sarotra) ity, fa dia izay Ataony ao dia Ataony e...

Io mihitsy ilay tsy mampitovy azy.
rhaj0:

Ny ataoko (satria controler-ko) dia ny manao ny tsara sy ny mety
- araka izay azoko atao
- araka izay mety azoko atao
- ary izany dia mifototra @ fanajana ny lalAn'ny fiaraha-miaina aman'olona (eto an-tany)

Io koa anisan'ny tsy mampitovy azy.
rhaj0:

Sa indray... iretsy hafa moa efa "tsy tena kristiana", hoy Tefigasy izay, dia izaho io koa ve mbola "tsy tena izy" (fa ankadasitra), fa ny anao ihany no "tena izy" ?? Ilazao aminay kely azany ahoana izany "tena izy"-nao izany (mba hanokafy loha-hevitra iray re raha azo atao : "Ny Kristiana Tena Izy")

Tsy afaka ny hilaza ilay tena izy aminao aho satria efa fantatro na tsy mpaminany aza aho ny mety handraisanao azy ka ialako tsiny sahady aminao.
8. rhaj0 ( 20/06/2014 12:45)
Tsy ho "ahy" anie ny hiresahina eto fa ho an'izay rehetra mandalo eto (na dia tsy miloaka azany e).

Fa hanokafako lohahevitra
Ny Kristiana na Finoana na A/tra "Tena Izy"
ity, fa dia any indray mihaona, fa ity lohahevitra ity dia an'ireo "mpanao baolina mivavaka"
9. rhaj0 ( 23/06/2014 16:21)


Tefigasy :

Raha ny fahazoako ny anao dia miandry darohana fotsiny ianao fa tsy miady na kely aza...


Eny dia eny tokoa re ry Tefigasy a... "Miandry darohan"'A/tra aho (raha handaroka eo tokoany moa izy, dia izay izany), ary "tsy hiady" Aminy aho na kely aza.

Asa ianao sy ny anao ao... hoe ahoana izany ataonao ao izany, toa ny nataon'i Paoly, ka hoe 'niady sy nitolona tanteraka tamin'Andriamanitra"

(dia tsy gaga intsony aho, ary tsy hi-insiste, raha TSY lazainao ny ataonao ao)
10. endriny ( 02/07/2014 09:37)
Resy daoholo ny afrikanina fa izay no sitrapon'Atra ho azy...??? Mampalahelo e...
11. mpisotrtoaka ( 02/07/2014 12:35)
Mivavaka ny mpanao baolina ! Valiny tsotra izay ! AMPY SA TSIA
12. endriny ( 09/07/2014 18:19)

mpisotrtoaka:

Mivavaka ny mpanao baolina ! Valiny tsotra izay ! AMPY SA TSIA

Ampy tompoko....
Any Oceanie dia samy mitondra ny mpitarika fivavahana sy ny mpiaro azy daholo ny mpanao baolina. Ary alohan'ny hanaovana baolina dia samy manao ny fombafombany daholo, ary asiana fafy rano hatramin'ny baolina ho dakana.
13. rhaj0 ( 10/07/2014 20:42)

Izao izao ho hita eo hoe "iza" no mahay mivavaka, na hoe, "ampy" ny fivavakany, na hoe "voavaly" ny vavakany, na hoe ...
- i Benoa (Alemaina), sa
- i Fransoa (Arzentina)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0837