Inona no atao hoe politika?

1. mamonjy1 ( 13/06/2014 17:12)
Bonjour tout le monde..
AMIKO ALOHA,NY POLITIKA=LAINGA.
novalian'i mamonjy1 ny 20/06/2014 08:05
2. endriny ( 13/06/2014 17:19)
Taitra tampoka aho marina

Politika=lainga ????

Taiza indray no nisy rakibolana nilaza izany? Pejy faha-firy aza fady o?
3. mamonjy1 ( 14/06/2014 09:30)
F'angaha moa tsy fampanantejana poakaty foana no ataon'ireo mpanao politika rehetra....
Iaraha-mahita izany,ary tsy ilana boky,na gazety akory no hanamarinana io,fa isika izao mihitsy no vavolombelona ny amin'izany.
Politika=Hafetsena=Lainga.Zavatra mitambatra ireo ery hita @mpanao politika daholo..
4. mampihomehy ( 14/06/2014 15:08)

mamonjy1 - 14/06/2014 09:30
F'angaha moa tsy fampanantejana poakaty foana no ataon'ireo mpanao politika rehetra....
Iaraha-mahita izany,ary tsy ilana boky,na gazety akory no hanamarinana io,fa isika izao mihitsy no vavolombelona ny amin'izany.
Politika=Hafetsena=Lainga.Zavatra mitambatra ireo ery hita @mpanao politika daholo..


Raha politika = lainga dia tsara avahana ihany kosa angamba ny atao hoe politika sy ny mpanao polititika fa tsy indray atao anaty kitapo.

Ny sehatra rehetra dia ahitana fapanantenana poakaty avokoa, eny fa na dia ny sehatry ny fivavahana aza, tsy ny fivavahana akory no ratsy fa ny fomba sy ny toe-tsaina entina manatanteraka izany
5. bor2lais ( 14/06/2014 16:04)
mamonjy1:

AMIKO ALOHA,NY POLITIKA=LAINGA

Toa mpanao politika koa ry mamonjy1 izany a !

mamp'me e.... Hihihihi
6. mamonjy1 ( 14/06/2014 16:50)
bor2lais:

Toa mpanao politika koa ry mamonjy1 izany a !
mamp'me e.... Hihihihi


Sanatria amiko ny hanao politika,Na zany anarana zany fotsiny de efa mamparikoriko aho.
Teny vahiny politique nogasina politika manko io ,iaraha -mahalala.
Ny Politika anie tsy afaka,mandeha irery namako,fa tsy maintsy olona no Ataony fitovana ee.
Ary olona koa Mampiasa ny politika(hafetsena)@alalany lainga isan-karazany.
Miara-miasa ny olona sy politika,de lasa Mpanao polika le olona.
Iza anefa no ambadikan'io?
Efa fantantsika fa ilay rain'ny Lainga.
Mampimehy mihitsy ka hihihihi,de tsy lany verba mihitsy Ry zalahy Rehefa te hahazo Toerana..

7. bor2lais ( 16/06/2014 08:33)
Lohateny : "Inona no atao hoe politika ?"
mamonjy1:

AMIKO ALOHA,NY POLITIKA=LAINGA


Azo lazaina fa nanao politika ve sa tsia ry Mosesy, Davida, sns ao amin'ny Baiboly ? :-)
8. mamonjy1 ( 16/06/2014 18:55)
bor2lais:

Lohateny : "Inona no atao hoe politika ?"
mamonjy1:

AMIKO ALOHA,NY POLITIKA=LAINGA


Azo lazaina fa nanao politika ve sa tsia ry Mosesy, Davida, sns ao amin'ny Baiboly ? :-)


Tsy nanao politika velively,raha ny fahitako izay voasoratra momba ireo olona ireo.
Satria Marina ilay Naniraka azy,ka marina ihany koa ny fanambarany,
Ary tanteraka daholo zay voalazan' ireo Mpaminany( taloha)
Oh:Mosesy,Daniela,Davida,Solomona......Misy ihany koa ny an-dalam-pahatanterahana.
Midika izany fa tsisy resaka politika lainga mihitsy,
izay fampanantenana poakaty fotsiny hoan'ireo vahoaka,
Iaraha-mahita anie zany ry namana bor2lais,fa tsy hoe honohono fotsiny ee.
Nefa Ny alina tsy maintsy hazava kaaa.
Amena.
9. endriny ( 17/06/2014 04:23)
Raha marina fa politika = lainga

Dia ny Fivavahana Kristianina = lainga x lainga x lainga

Ny antony dia satria ilay olona mitory ny fanjakan'ny lanitra dia olona mivarotra omby anaty ambiaty. Tsy mbola nisy nahita izany lanitra sy fihainan-tsy hita izany, nefa dia sahy mitory izany na aiza na aiza... Lainga miampy lainga...
10. bor2lais ( 17/06/2014 09:15)
mamonjy1 > mahasahana sehatra maro ny teny hoe "politika" fa tsy azonao fehezina amin'ny hoe "lainga" (fa raha tsy izany dia lasa mpandainga koa ianao, izany hoe mpanao politika) ! :-)

Tsara raha tonga dia vantaninao tenenina ny tianao ahatongavana : tokony hanao politika ve ny Kristiana ohatra !

Ity misy rohy omeko sao dia ny tahatahaka itony no mahaliana anao
"Tokony hifidy (Filoham-pirenena, sns) ve ny Kristiana ?"
:-)
11. mamonjy1 ( 18/06/2014 05:50)
Ekeko anie fa ampiasaina @fiainana andavanandro ny politika,kanefa ireo mpitondra fanjakana izay manao fampanantenana poakaty no tena tiako,ahatongavana eto.
Ka ny politika lainga ary no tena tiako soritana @io...
Mazava ho azy moa fa tsy mijabaka @raharaha politika zany ny tena kristianina.
12. Tefigasy ( 18/06/2014 06:28)
mamonjy1:

Bonjour tout le monde..
AMIKO ALOHA,NY POLITIKA=LAINGA.

Nisy olona nilaza azy ho kristianina nitory filazantsara tamin'ny faritra iray mbola tsy nahalala mihitsy. Ny tanjon'io olona io anefa dia tsy ny hitory an'i Kristy fa ny haka ny fananan'ireo mponina ireo fotsiny. Takatr'ireto tompon-tany ihany izany teti-dratsiny izany ka nilazany taty aoriana hoe: "Kristianina = mpisoloky sy mpangalatra"
Dia toa izay tsy misy hafa ity resaka ity. Avadika any amin'ny tsy lalany ny zavatra iray mba hahatonga ny olona hankahala an'iny, dia ho moramora amin'ny sasany avy eo ny miditra amin'ilay izy.
Dradradradraina fa tsy tokony hanao politika ny kristianina fa lainga, fahotana, an'izao tontolo izao, .... ny politika, izy anefa any ambadika (aleo tsy lazaiko eto fa .....)
13. toriteny ( 18/06/2014 08:06)
Nisy fampianarana mikasika ilay Samaritana tsara fanahy henoko indray andro. Dia hoy ilay mpanompon'Andriamanitra hoe "marina hoy izy fa ilay namako sy tsy namako no tena tian'i Jesosy hiaviana amin'ilay parabole Samaritana tsara fanahy.

Azo hieritreretina hoy ilay mpanompon'Andriamanitra fa mety Jesosy no ilay Samaritana tsara fanahy raha tena nitranga marina io tantara io. Ary efa Izy mihitsy moa no ilay Samaritana tsara fanahy NAMONJY NY OLONA REHETRA NA JIOSY NA TSY JIOSY. Fa raha didiany isiaka hoy izy hanao mihoatra lavitrra noho Izy araka izay voasoratra ao amin'ny Jao14:12:"Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino Ahy , ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy , satria Izaho mankany amin'ny Ray ." dia inona no tokony hataontsika raha teo amintsika ilay toerana.


Dia ny conviction ako tonga tato anatiko dia ny hoe, hanorina commisariat na poste avancée amin'io toerana io angamba no tian'ilay mpitoriteny tenenina, na jiro hanazava ny lalana, na asiana tanana mihitsy eo sy hopitaly amin'izay tsy noentiny lavitra be tamin'ny bibiny ilay maratra sady mbola nalefa tany amin'ny tranom-bahiny koa amin'izay.

Koa tsy izany ve no atao hoe politique? Hanasoa ny mpiara-belona aminao? Ka amiko izany ny tena kristianina (tsindriko manokana io TENA KRISTIANINA IO) efa nandray ny Tompo dia afaka manao politique raha izay ny conviction sy ny iraka nampandraiketin'ny Tompo azy.



14. mamonjy1 ( 18/06/2014 12:41)

toriteny:

Koa tsy izany ve no atao hoe politique? Hanasoa ny mpiara-belona aminao? Ka amiko izany ny tena kristianina (tsindriko manokana io TENA KRISTIANINA IO) efa nandray ny Tompo dia afaka manao politique raha izay ny conviction sy ny iraka nampandraiketin'ny Tompo azy.

Aleo tonga de valiako ity resaka,ity satria mivarilavo loatra isika zany..Ary sao de hisy hiteny indray any ho any fa zay tsy miteny de manaiky.Tsy manaiky raharaham-polika velively aho,Ary izay milaza azy ho kristianina eto @dinika serasera ,ka miditra @politika de sahiko ny milaza fa tsy kristianina izireo.
Satria tsy fantany ny atao hoe kristianina,faly ny hitondra ilay anarana hoe:Kristianina fotsiny,kanefa tsy fantany hoe,inona no tena objectif @lay izy,

Efa nilaza mialoha jesosy fa izay tia ahy,aoka izy handa ny tenany,ary hitondra ny hazo fijaliako.
Misy dikany zay teny zay..Inoako fa samy mahafantatra baiboly daholo isika ka tsy asiako Toko sy andininy intsony..
Nilaza koa jesosy fa tsy an'isany zao tontolo zao ny fanjakako..Ka mazava ary ny Tena objectif @lay lohahevitra napetrako.Satria raha faritako hoe araka ny baiboly de mety vitsy ny hamal.

Ianareo tsy zaza kely,ka mody manampi-maso,mody tsy mahita ny zava -misy@firenen-tsika ,izay efa latsaka an-kady tanteraka nohony politika lainga.
Sa mba te hitondra koa ianareo indray andro any izany no ilazanareo fa tsy lainga ny politika???
Tiako ny hamelontsofina isika rehetra fa eo am-pelatanany satana zao tontolo zao..Ary politika no tetika ampiasana mahery vaika @zao..Na ara-tsosialy,Na ara-pivavahana,Na ara-toekarena.
ka hoy izy nareo hoe Tokony hanao politika ny kristianina de omeo porofo ara-baiboly aho???
15. bor2lais ( 18/06/2014 13:36)
Mba gravy koa ange ity namana mamonjy1 ity izany e ! :-)
16. Tefigasy ( 18/06/2014 14:20)
mamonjy1:

Tsy manaiky raharaham-polika velively aho,Ary izay milaza azy ho kristianina eto @dinika serasera ,ka miditra @politika de sahiko ny milaza fa tsy kristianina izireo.

Izao izany ny olona rehefa tsy miteny ny hevitry ny nofo fa ny hevitry ny fanahy, rehefa manaposaka ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny baiboly ! Mampalahelo fa mba mieritreritra !
mamonjy1:

Efa nilaza mialoha jesosy fa izay tia ahy,aoka izy handa ny tenany,ary hitondra ny hazo fijaliako.
Misy dikany zay teny zay..Inoako fa samy mahafantatra baiboly daholo isika ka tsy asiako Toko sy andininy intsony..
Nilaza koa jesosy fa tsy an'isany zao tontolo zao ny fanjakako..

Fa tsy midika mihitsy akory izany hoe aza ampianarina ny zanakareo, aza asaina misakafo, asa asaina manao politika ! Hamafisiko ny tenin'ilay namana eny ambonuy fa ireo olona nofidian'Andriamanitra tamin'ny fotoanan'ny fanekena taloha dia nanao politika daholo. Ary na hatramin'i Adama aza dia nasain'Andriamanitra nanao politika. Vakio ny Genesisy fa tsy lasa lavitra ianao dia hahita ny baikon'Andriamanitra amin'ny Adama mba hahay hitandrina ny saha sy ny tontolo izay nataony , ary izany no tena atao hoe politika fa tsy resaka lainga sy izay tiana foronina akory.
Omeko anao eto amin'ny fotoana manaraka ny atao hoe "mitondra ny hazofijalian'i Kristy", sy ny hoe "Kristianina manda ny tenany" ary ny mikasika ny "fanjakan'Andriamanitra sy ity izao tontolo izao ity" fa mahandrasa kely fa tsy misy hidiran'ny politika izany na kely aza!
17. mamonjy1 ( 18/06/2014 17:15)
tefigasy:
Izao zany ny olona rehefa tsy miteny ny hevitry nofo fa ny ara-pahy!mampalahelo fa mba mieritrereta
Ianao ihany no malahelo,fa iza no tsy mahafantatra ny asany nofo,efa milaza ary ny baiboly fa hoe :miharihary ny asany nofo.....
isika kristianina anie tokony hilamina fa tsy hifandramatra ee,Raha misy hevitra aroso de mandray anjara rehefa tehandray,fa tsy miseho miditra nefa mijery fomba hamelezana fotsiny.
Aoka tsy hojambainao aho fa tsy mbola jamba,ka hanaiky lembenana tsotra izao fotsiny.
Mba fantaro ankeviny ny teny fa tsy avy de mandray,
Samy hafa ny atao hoe( politika sy fitandremana.)
Raha mijery genesisy isika de efa mahita sahady ny fanaovany Satana politika,Ary mbola mitohy ihany io politikany io ankehitriny,hany ka jambainy ny olona izay tsy mankato ny didin'An/tra.Eny ,fa na dia ny mitandrina aza mbola lavony ihany...Rainy lainga tokoa satana,Rainy politika.
POLITIQUE,Mba adikao teny gasy moa,fa hohitanao ny dikany sy ny heviny,fa tsy misaraka aminio ny lainga.
Mariho ny Politikan'ny satana hoe:"tsy ho faty tsy akory hianareo,fa fantatr'Andriamanitra fa @andro izay ihinanareo azy de hahiratra ny masonareo,ka ho tahaka an'Andriamanitra mahalala ny tsara sy ny ratsy"Genesisy3:4,5. Tena Politika lehibe tokoa io,Ary io no Politika voalohany.Iza amintsika no sahy milaza fa tsy ho faty ara-nofo??HAFETSENA ANIE no dikany politika raha Adika Teny Gasy ee.IZA NO VOALAZA FA FETSY AO @Baiboly?"Genesisy3:1"Ary ny menarana dia,FETSY nohon'ny biby rehetra izay nataon'An/tra........"AFAKA Milaza ve ianao ry tefigasy fa tsy LAINGA io??
tefigasy:
tsy midika akory izany hoe aza ampianarina ny zanakareo,asa asaina misakafo,na asaina manao polika.....

Aza mamorona zavatra tsy antsaiko kosakoo.. ,fa aoka hanambara fotsiny...Tsy nilaza akory aho teo fa Aza manao politika,Fa niteny aho inona no Atao hoe politika????? Ny olona anie zavatra manana safidy daholo,fa tsy azo teritereneee,Zay lay dikany hoe mahalala ny tsara sy ny ratsy,safidy anankiroa lehibe mihitsy zao no efa nipoitra ,vokatrin'ny politikany satana.Kanefa mba natao nahalala ny tsara ihany taloha.
Raha mbola eto antany isika de miaina araka ny nofo,kanefa tokony hihevitra araka ny fanahy(kristianina)

tefigasy:
Hamafisiko ilay teniny namana tery ambony fa ireo nofidin'andriamanitra tany aloha de nanao politika daho

Omeo porofo arabaiboly ary aho ny aminy nanaovany vahoak'Andriamanitra tany aloha politika????
18. Tefigasy ( 19/06/2014 04:03)
mamonjy1:

POLITIQUE,Mba adikao teny gasy moa,fa hohitanao ny dikany sy ny heviny,fa tsy misaraka aminio ny lainga.
Mariho ny Politikan'ny satana hoe:"tsy ho faty tsy akory hianareo,fa fantatr'Andriamanitra fa @andro izay ihinanareo azy de hahiratra ny masonareo,ka ho tahaka an'Andriamanitra mahalala ny tsara sy ny ratsy"
HAFETSENA ANIE no dikany politika raha Adika Teny Gasy ee.

Tsy fahotana r'ise ny mianatra, tena marina anie izany e, na ny mpianatra kilasy famaranana (terminal) any amin'ny lycée ary mahalala tsara kokoa ny atao hoe politika noho ianao raha izao hevitra arosonao eto izao !
mamonjy1:

Omeo porofo arabaiboly ary aho ny aminy nanaovany vahoak'Andriamanitra tany aloha politika????

Fantaro sy ianaro aloha ilay hoe politika dia ho hitanao fa feno ao anaty baiboly ao !
19. mamonjy1 ( 19/06/2014 05:46)
Raha tsy fantatro ny momba an'io de tsy narosoko teto mihitsy,fa matoa narosoko de midy ny fahafantarako azy.
Ary mahatoa mangataka aminao ara-baiboly aho,misy dikany ..jereo zao ny valinteninao,fa tsy mahavaly fanontaniako akory.
Dinika anie ity ry se fa tsy valiana borengina be otranioee.
za rehefa mamaly asiako porofo,fa nenao hatramizay de otran'io foana.

Tsy hianatra politika aho,fa efa izany no namono ny firenenan-tsika,io politika lainga io.
MBOLA AVERIKO INDRAY NY FANONTANIAKO,OMEO POROFO ARA-BAIBOLY AHO MOMBA NY FANAOVANY VAHOAK'AN'ANDRIAMANITRA POLITIKA???

20. Tefigasy ( 19/06/2014 06:03)
Hihihihi, tsy valy boraingina izany fa fanoroana ny lalana tokony hizorana.
Ka ilay politika mihitsy no tsy hainao, na fanahiniana havilana any amin'ny tsy izy. Ohatran'ny hoe inona no atao hoe mipetraka, dia ny famalianao azy dia hoe ny mipetraka dia mikipy; nefa tsy izany mihitsy ny atao hoe mipetraka. Na koa hoe inona no atao hoe misakafo, dia ny hamalianao azy dia hoe ny misakafo dia midaboka eny am-pandriana. hihihihi, lol be.
Tsy mahagaga raha tsy mahita na maizina aminao izay lazain'ny baiboly avy eo ,ary na hoetiko eto daholo aza izay lazain'ny baiboly nefa ilay fototr'ilay teny hoe "poitika" mihitsy no tsy azonao dia tsisy dikany izany fa toa ny mandraraka rano eny amin'ny lamosin-gisa fotsiny!
Izay no hilazako anao hatrany hoe fantaro aloha ny atao hoe "politika" dia omeko eto daholo avy eo ny mikasika izany ao anaty baiboly fa raha mbola miziriziry ianao hoe politika=lainga, izay diso tanteraka dia miala tsiny !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1643