Inona no atao hoe politika?

21. mamonjy1 ( 19/06/2014 10:04)
Hatramin'izao aloha ry tefigasy malalako de marina foana io aloha,satria mbola tsy nomenao ny fanamarihana fa diso io.ka manaiky ianao mahatoa tsy hoetinao eto ny hevitrao manokana momba ny politika,Ny ahy anie efa nambarako mivantanaee politika=lainga.AZA NYANAO??AROSOY...
Fa ny anao no ahodin-kodina a gauche a droite eo,mbola mitady politika hafa amelezana ahy.
fa tsoriko aminao,fa samy kristianina isika,aoka tsy hifanam-baka...hiiihii lol.
22. Tefigasy ( 19/06/2014 10:17)
mamonjy1:

Hatramin'izao aloha ry tefigasy malalako de marina foana io aloha,satria mbola tsy nomenao ny fanamarihana fa diso io.ka manaiky ianao mahatoa tsy hoetinao eto ny hevitrao manokana momba ny politika,Ny ahy anie efa nambarako mivantanaee politika=lainga.AZA NYANAO??AROSOY...
Fa ny anao no ahodin-kodina a gauche a droite eo,mbola mitady politika hafa amelezana ahy.
fa tsoriko aminao,fa samy kristianina isika,aoka tsy hifanam-baka...hiiihii lol.

Efa hoe miverena any amin'ny kilasy famaranana dia alaivo any ny dikan'ny hoe politika. Impiry haveriko ary izany vao takatrao e ?
23. mamonjy1 ( 19/06/2014 10:43)
Tsy mitoky @zay hevitr'olombelona @kilasy famaranana aho,fa baiboly foana mandrakariva ny itokiako @zavatra rehetra.
Ary tsy didinao hiverina @kilasy famaranana aho,fa na dia zavatra ampianarin'olombelona aza de mbola maibana raha ampitahaina @soratra masina,hany ka tsy matoky tena ianao mahatoa tsy matoky andriamanitra nanamboatra anao.
Tsy andriamanitra ny atahoranao,fa olombelona.
Mbola averiko indray,Amiko ny politika =lainga.
Arosoy koanyanao,raha misy any hoany....
24. Tefigasy ( 19/06/2014 11:09)
Tsy maninona fa atoroko hatrany e :
tsy misy baiboly mamaritra mihitsy hoe:
-ny atao hoe mipetraka dia ny fitombenana (na/sy) ny fe no mitehaka amin'ny tany na ny seza
-ny atao hoe mitsangana dia ny tongotra no mijoro mahitsy amin'ny tany
-ny atao hoe matory dia ny vatana iray manontolo no midaboka amin'ny tany na fandriana.
-ny atao hoe minono dia ......
Universel izany, n'iaiza n'aiza tany alehanao, rehefa mipetraka dia toa io daholo, rehefa hoe mitsangana dia toa io daholo, rehefa hoe matory dia toa io daholo na kristianina na musilimana, na bodista, na mpanompo sampy,.....
Toa izany koa ny hoe filozofia, ohabolana, tsianjery, lainga, politika, ..... Tsy mamaritra ireny ny baiboly fa mampiasa ireny teny ireny. Fa tsy hoe hafa ny hamaritana ny filozofia amin'ny kristianina dia hafa ny famaritana ny filozofia amin'ny mpanompo sampy, sns. Toa izany koa ny politika, tsy hoe hafa ny famaritan'ny kristianina izany dia hafa ihany koa ny famaritan'ny bodista izany . Mariky ny fankelezan-tsaina raha izany no mbola hiziriziriana sy hizingizinina fa manana ny famaritany ny teny ho azy manokana ny kristianina fa tsy mitovy amin'ny fandraisan'izay zanak'olombelona rehetra ny fandraisany ny teny iray. Avereno vakiana hatrany amin'ny genesisy io baiboly io fa tsy nampianatra an'izany ny Tompo hoe ny anareo kosa toa izao nohamaritanao ito teny ito manomboka izao, .....
Ka aoka ianao tsy hamorona fa manjary heloka sy vesatra ho anao ny famitapitahana olona toa izao, ary ny kristianina dia tsy natao hamitaka sy handainga.
Manana ny heviny sy famaritana azy ny politika ary iraisan'izao tontolo izao izany famaritana izany fa tsy hoe hafa ny an'ny kristianina, hafa ny an'ny baiboly, sns . Dia mbola mamporisika hatrany aho hoe niveau terminal izany fa aza kivy miverina mianatra raha tsy hainao fa mahasoa anie ny mianatra e !
25. mamonjy1 ( 19/06/2014 20:38)
Asa na Ahoana ny fandraisanao azy,fa tiako ny hanidriana @ nao tsotra izao,fa na tianao na halanao ny hevitrao dia tsy fihevitro,ary Ny teny hoe politika de tsy hevitra iray ihany no fonosiny io.Na dia ataonao kely saina aza aho,tsy mampiova aho izany teninao izany.Mbola valiboraingina io teninao io,ka asaina miverina mianatra aho,rehefa tsy mamaiky ny fiheviteao.Nilaza ianao teo fa Nanao Politika daholo ny vahoak'Andriamanitra.Rehefa nangataka porofo ara-baiboly aho dia tsy nomenao,milaza koa enao zao fa tsy hita ao anaty baiboly koa io.Impiry miova moa ny valinteninao,tena Tsisy hazondamosina mihitsy anie anao ty ee.Tsy serieux...
DINIKA ITY,SAMY MAMOAKA NY HEVINY.Ary tiako ny hanambara @nao fa teny iray dia maro ny heviny.Oh:"Tefigasy" Milaza ny sasany fa mora simba,ny sasany milaza fa mateza,ny sasa koa milaza fa tsy manan-tsahala.Ka arakaraka ny fomba fijery ny mampiova zavatra iray.
KA ny fahitako Ny Politika de Lainga satria voaporofoko t@baiboly ny Laingany Satana.
Ary MELOHINAO VE NY FIVAVAHANA MARO ANKEHITRINY RAHA IZANY NO FANDEHANY??
MAHATOA ANIE MISY IRENY KARAZANA FIANGONANA ,SY AN-TOKOM-PINOANA MARO ISAN-KARAZANY DE FOMBA FIJERY SAMY HAFA NO MAHATONGA IRENY EE.
KANEFA NY BAIBOLY IRAY IHANY NO NIDINIHINY,FA SAMY HAFA NY FANDRAISANY TSIRAIRAY AZY.BAIBOLY 1,EGLISE 100 KARAZANY SAMY HAFA FAMPIANARANY AVY.
KA HOY AHO HOE,MIANARA BAIBOLY FA IO IHANY NO SAMBONDANITRA,FA TSY FIVERENANA AM-PIANARANA NOAHAZOANA FIAINANA MANDRAKIZAY........
26. Tefigasy ( 20/06/2014 01:45)
mamonjy1:

Nilaza ianao teo fa Nanao Politika daholo ny vahoak'Andriamanitra.Rehefa nangataka porofo ara-baiboly aho dia tsy nomenao,milaza koa enao zao fa tsy hita ao anaty baiboly koa io.Impiry miova moa ny valinteninao,tena Tsisy hazondamosina mihitsy anie anao ty ee.Tsy serieux...

Eto aho vao tonga saina hoe, toa tsy nandalo kilasy terminal marina ity olona ity. Noheveriko fa olona manana doctorat na ingeniorat ianao hatramin'izay. Ialako tsiny fa raha fantatro sy notsorinao hatrany ampiandohana izany dia tsy toa izao no nitaritako ity lohahevitra ity.
Avereno vakiana tsara fa efa napetrako mazava tsara ny antony mbola tsy nanomezako anao andalan-tsoratra masina mikasika ny an-ireo mpanompon'Andriamanitra nanao politika.
Avereno vakiana tsara fa ny famaritana ny teny iray no nolazaiko ho tsy ambaran'ny baiboly fa tsy ilay teny akory. Sarotra be ve izao ny nandray an'izany ?
mamonjy1:

DINIKA ITY,SAMY MAMOAKA NY HEVINY.Ary tiako ny hanambara @nao fa teny iray dia maro ny heviny.

Tsy manda aho hoe mety manambara zavatra maromaro ny teny iray, saingy mitovy hatrany ny fandraisan'ny zanak'olombelona izany na kristianina io na bodista io na ....
mamonjy1:

Oh:"Tefigasy" Milaza ny sasany fa mora simba,ny sasany milaza fa mateza,ny sasa koa milaza fa tsy manan-tsahala.Ka arakaraka ny fomba fijery ny mampiova zavatra iray.

Tokana ny famaritana ny hoe Tefigasy :zavatra tefen'ny malagasy, na frantsay na anglisy na kristianina dia manaiky fa ny tefigasy dia izay. Io ambaranao io dia efa derivee an'ilay tefigasy hoe mora simba,mafy,... fa tsy famaritana ny atao hoe tefigasy akory.
mamonjy1:

KA ny fahitako Ny Politika de Lainga satria voaporofoko t@baiboly ny Laingany Satana.

Tsy toerana fampianarana eto fa fizarana fotsiny ihany. Tsy adala akory ny mpampianatra raha nanokana toerana sy fotoana ho amin'izany sady ianao koa sarotra mandray fampianarana ihany satria mihevitra ny ho tapi-pahaizana sy ho ambony indrindra angaha. Izay ihany koa ny hamaranako ny fandraisana anjara @ ty lohahevitra ty fa tsy misy fandrosoana na kely aza.
27. mamonjy1 ( 20/06/2014 08:05)
tefigasy:

Eto aho vao tonga saina hoe, toa tsy nandalo kilasy terminal marina ity olona ity. Noheveriko fa olona manana doctorat na ingeniorat ianao hatramin'izay. Ialako tsiny fa raha fantatro sy notsorinao hatrany ampiandohana izany dia tsy toa izao no nitaritako ity lohahevitra ity.
Avereno vakiana tsara fa efa napetrako mazava tsara ny antony mbola tsy nanomezako anao andalan-tsoratra masina mikasika ny an-ireo mpanompon'Andriamanitra nanao politika.

ARY ZAY VAO FANTAKO KOA,Fa hay nataonao ho fanambonianao tena sy hireharehanao ny antony nianaranao t@ fampianarana izay narahinao,Eny nataonao ho ambony aza izany mihoatra ny Zavatra izay sarobidy dia Ny Tenin'Andriamanitra....Tsoriko aminao fa na manana doctorat,na ingeniorat,na metrise aza ny olona Anankiray tsy mahaavotra azy maharitra izany.Tsy izany fampianaran'olombelona izany akory no hanadinana atsika any andanitra.Sao izany no ireharehanao amiko.ARY Raha nafy ireo manampahaizana tsy Naty,fa mahatoa mbola maty izireo,misy FETRANY NY FAHAIZAN'OLOMBELONA @ZAVATRA REHETRA.BAIBOLY Foana ny lesona ianarako ry se ..,Ary Andriamanitra no Itokiako.Amene mandrakizay.

tefigasy:
Tsy manda aho hoe mety manambara zavatra maromaro ny teny iray, saingy mitovy hatrany ny fandraisan'ny zanak'olombelona izany na kristianina io na bodista io na ....

REHEFA TE HANAMARINTENA IANAO DE MITENY AN'IZANY...TOURNER MILLES FOIS LA LANGUE AVANT DE PARLER.Tsy marina io voalazanao io.Teny iray dia manana sens be dia be.Ary afaka ampiasaina @zavatra maro.Oh:Teny=feo=jesosy.Voalazany baiboly koa io ary tsy afaka manda io ianao fa jesosy de Tenin'Andriamanitra Tonga nofo,Ary Andriamanitra ihany koa jesosy.
Baiboly=soratra masina=filazan-tsara=Tenin'Andriamanitra...Raha vao politika koa no resahina politeque=Hafatsena=lainga ary mety mbola misy teny hafa koa tafiditra anatin'io fa arakaraka ny olona mampiasa azy io.Fa tsy hoe mitovy zany ny fandraisan'olona io.Na baiboly aza de efa Tsy Mitovy ny fandraisan'olo azy....maika fa Politika.

tefigasy:
Tsy toerana fampianarana eto fa fizarana fotsiny ihany. Tsy adala akory ny mpampianatra raha nanokana toerana sy fotoana ho amin'izany sady ianao koa sarotra mandray fampianarana ihany satria mihevitra ny ho tapi-pahaizana sy ho ambony indrindra angaha. Izay ihany koa ny hamaranako ny fandraisana anjara @ ty lohahevitra ty fa tsy misy fandrosoana na kely aza.

SAROTRA AMPIANARINA HOEEE...MANORATA BAIBOLY TAHAKA IREO MPAMINANY IANAO RAHA TE HAMPIANATRA,FA NY TEN'OLONA TSY ITOKIAKO .AZA MITETIKA NY HAMPIANATRA AHO IANAO.MILAZA ENAO FA TSY METY NY MAMPIANATRA NEFA IO TENINAO AMBONY IO,MILAZA FA AZA SAROTRA AMPIANARINA.....LOL MAMPIHOMEHY MIHITSY HIHIHI.TIAVO NY NAMANAO TAHAKA NY TENANAO.....
IANAO HO'AHO AZA MAMORONA,IZA NO NAMPIANATRA ANAO TEO??FIZARANA NO NATAOKO TETO,ARY NAMOAKA NY HEVOTRO AHO,ARY TSY NANERY OLONA TSY MAINTSY HANAIKY,FA IANAO NO TONGA HAMPIANATRA ANGAMBA,SATRIA MANADISO NY HEVITRO IANAO NEFA TSY MANORO NY MARINA IZAY FANTATRAO AKORY.
LAZAIKO AMINAO MARINA DE MARINA TOKOA,FA TSY MANOHITRA NY FAMPIANARANA AN-TSEKOLY NY TENAKO,FA EFA NAHITA FAMPIANARANA TIAKO, IZAY MAHOMBY INDRINDRA SADY FENO FAHEDRENA NO MITONDRA MANKANY @FIAINANA MANDRAKIZAY NY DIPLOMA HAZO AVY AMINY,ARY IZANY NO IREHAREHAKO.ARY IZAY NANAMBARA IZANY TSY MBA NIANATRA TANY AN-TSEKOLY,NEFA MANAM-PAHENDRENA MIHOATRA NY TELOJIANINA,SY NY AMBONY FAHAIZANA INDRINDRA ETO AN-TANY,ENY,TOA AZY KOA IZAY MANARAKA AZY.
NY FAHENDRENA REHETRA EO AMIN'IZAO TONTOLO IZAO NAVADINY HO FAHADALANA..Hallelouia!!!!Amene!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0073