MISY SARIVONGANA HAMIDY FARITRA AMPATSAKANA AMBADIKY CNAPS AMPEFILOHA TEL 0331982963 .

1. ANDRIAMENA45 ( 10/06/2014 20:52)
STATUE VIERGE MARIE A VENDRE A PARTIR 50.000ARIARY , STATUE SACRE COEUR JESUS A VENDRE A PARTIR 20.000ARIARY . SELON LEUR TAILLE .
novalian'i toriteny ny 17/06/2014 07:24
2. toriteny ( 11/06/2014 04:16)
Sao dia mahasoa anao ihany ity:

Eksodosy20:4-5:" Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao , na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony , na izay eto amin'ny tany ambany , na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany , ary aza manompo azy ; fa Izaho , Jehovah Andriamanitrao , dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika , dia amin'izay mankahala Ahy"

Sa ataon' ny olona inona ilay sari-vongana?
3. endriny ( 11/06/2014 05:43)

toriteny:

Sao dia mahasoa anao ihany ity:

Eksodosy20:4-5:" ...Izaho , Jehovah Andriamanitrao , dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika , dia amin'izay mankahala Ahy"

Sa ataon' ny olona inona ilay sari-vongana?

Misaotra anao nampatsiahy ity, fa dia izay tokoa ve ilay hoe Andriamanitra fitiavana. Toa ny olom-belona aza mahay ny hoe:Heloky ny Ray tsy heloky ny zanany. Fa ity Andriamanitr'i Toriteny ity kosa Andriamanitra manao fo lentika. Ka tsy mahagaga raha matahotra ny mpanaraka azy.
4. endriny ( 11/06/2014 05:44)

ANDRIAMENA45:

STATUE VIERGE MARIE A VENDRE A PARTIR 50.000ARIARY , STATUE SACRE COEUR JESUS A VENDRE A PARTIR 20.000ARIARY . SELON LEUR TAILLE .

Misaotra amin'ny filazana e. Raha misy namana mila reko dia ilazako.
5. Maranatha ( 11/06/2014 10:35)

endriny:

toriteny:

Sao dia mahasoa anao ihany ity:

Eksodosy20:4-5:" ...Izaho , Jehovah Andriamanitrao , dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika , dia amin'izay mankahala Ahy"

Sa ataon' ny olona inona ilay sari-vongana?

Misaotra anao nampatsiahy ity, fa dia izay tokoa ve ilay hoe Andriamanitra fitiavana. Toa ny olom-belona aza mahay ny hoe:Heloky ny Ray tsy heloky ny zanany. Fa ity Andriamanitr'i Toriteny ity kosa Andriamanitra manao fo lentika. Ka tsy mahagaga raha matahotra ny mpanaraka azy.

Tsy mahagaga raha izay no valiteniny satria ny azy tsy ilay A/tra nampanoratra ny baiboly no A/trany fa hafa. Fa hoa n'izay manaiky fa ny Tsitoha no nampanoratra ny baiboly dia nilaza io tokotrany Izy . Eksed 20:4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay et? amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Ray Tsitoha , dia Ny Avo-indrindra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
IEksed 20:3-17 no misy ny original ny Didy folo. Ny mahagaga tsy misy io Didy faha-roa io ny didy folon'ny fiangonana katolika. Nofafany io dia nosongonany ny didy faha -telo. Logika be satria raha hitan'ny mpino ao aminy fa misy io ao nefa tsy hita ao amin'ny fotom-pinoany dia hivoaka tao izy.
Izay no maha Babilona ny fiangonana katolika araka ny bokin'ny apokalipsy (rehefa miresaka hoe babilona izay ny bokin'ny apokalipsy dia ny katolika no tiany ho lazaina)
Tany babilona no nalaza sy fanao ny manao sari-vongana ho solon'A/tra. tadidio ohatra ny saika nahazo azy telomirahalahy fa tsy nety niankohoka t@ ilay sarivongana volamena natsangan'i Nebokadnezara.
Apokalipsy 18:4 Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.
6. rhaj0 ( 11/06/2014 13:03)
Maranatha:

... tsy ilay A/tra nampanoratra ny baiboly no A/trany fa hafa...

...IEksed 20:3-17 no misy ny original ny Didy folo. Ny mahagaga tsy misy io Didy faha-roa io ny didy folon'ny fiangonana katolika....

Dia raha ny fahazoako azy izany dia misy "Baiboly" samy hafa : ao ny misy ny "original", ao ny an'ny Katolika (tsy misy ilay Didy original), ao ny "nohavaozina", misy teny/hevitra nivao...

Ary nefany ny mpanaja ny Baiboly isan'isany dia samy milaza fa ny Azy no hoe "tena Izy mihintsy no nampanoratra azy"...

F'angaha rey olona tsy hoe "A/tra no nampanoratra ny baiboly" rehetra ireo ???

Sa dia A/tra samy hafa indray no tianareo lazaina ?? sahala @ resaka tatsy ihany hoe : "Ka dia ny A/try ny Kristiana ve no "tena izy" sa ny an'ny Moslimo sa Jiosy? Ny A/tr'i Abrahama sa ny taty aoriana? Ny A/try ny Protestanta sa Katolika?
7. moustaraf ( 11/06/2014 16:07)
Salama namana,
F'angah moa tsy hoe"rava ny lalana"?
Maninona no atao sangodim-panina izy ty e!
Rehefa tsy metimety @ saina dia "tsy ambanin'ny lalana isika rahalahy, voaozona zay ambanin'ny lalana",
fa rehefa ...??? mivoaka daholo indray ny Eks,Lev,...
Mandiniha tena kely oooo
8. Maranatha ( 12/06/2014 05:45)

rhaj0:

Tsy an'ny Jiosy na an'ny mosilmana na an'ny....A/tra fa aminy ny firenena izay matahotra azy no ankasitrahany Asa 10:34 Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Ny Avo-indrindra;35 fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany..

Mba verifier-o kely hoe ny baibolinao katolika iny mihintsy hahitanao azy Eksedosy 20: 4-7. Izay tsy mitovy @ ilay ao @ katesizy kelinareo
9. Tefigasy ( 12/06/2014 07:06)
moustaraf:

Salama namana,
F'angah moa tsy hoe"rava ny lalana"?
Maninona no atao sangodim-panina izy ty e!
Rehefa tsy metimety @ saina dia "tsy ambanin'ny lalana isika rahalahy, voaozona zay ambanin'ny lalana",
fa rehefa ...??? mivoaka daholo indray ny Eks,Lev,...
Mandiniha tena kely oooo

Tena fanina tanteraka marina nareo zany a, mba efa betsaka ihany anefa izay soratra natosaka teto izay dia mbola izao foana ve ?
10. endriny ( 12/06/2014 09:34)

ANDRIAMENA45:

STATUE VIERGE MARIE A VENDRE A PARTIR 50.000ARIARY , STATUE SACRE COEUR JESUS A VENDRE A PARTIR 20.000ARIARY . SELON LEUR TAILLE .

Vita amin'ny inona hono ilay ry Andriamena45? Fatao eny an-tokotany sa any an-trano?

Misaotra indrindra.
11. endriny ( 12/06/2014 09:46)
Aza fady fa kay moa ilay nomerao efa nomenao ery ambony fa izaho no sty nijery tsara.
12. toriteny ( 16/06/2014 07:56)
Mahafinaritra ve ry endriny ilay efa raràna nefa mbola mi-s'entêter manao an'ilay izy ihany? Ianao miteny fa tsy Andriamanitra fitiavana ny Andriamanitro. Andriamanitra Fitiavana tokoa Izy fa raha tsy tia ahy sy anao Izy tsy saro-piaro izany ( ny olon-tiana no mahasaropiaro). Nefa na izany aza ny Fitiavany akory tsy atao kilalao ka hoe n'inon'inona ataoko, na hampirafy Azy ary aho dia tia ahy foana Andriamanitra.

Fa raha manana ny Tompo ianao ao anatinao tsy hanao izay mampalahelo Azy izany mihitsy. izay aloha ny zavatra tsapako. Hoe isaky ny manota aho dia malahelo ny Fanahy ato anatiko ary tena tsapako izany alahelony izany. Izany aza fahotana maika fa hoe hanao ny zavatra farany izay tsy tiany? Sanatria amiko izany. Ary Moustaraf, Andriamanitra tsy mihova Andriamanitra omaly sy anio ary mandrakizay fa tsy hoe tany amin'ny Testamenta Taloha sy teo amin'ny Jiosy ihany Izy no saro-piaro fa izao Izy tsy saro-piaro intsony. Samy iray ihany ny Jiosy sy ny jentilisa ao amin'i Kristy ary mitovy ny Fitiavany antsika.

13. toriteny ( 16/06/2014 11:42)
endriny:

Misaotra anao nampatsiahy ity, fa dia izay tokoa ve ilay hoe Andriamanitra fitiavana. Toa ny olom-belona aza mahay ny hoe:Heloky ny Ray tsy heloky ny zanany.

Andraso haveriko aminao ny zavatra noresahiko tatys ambadika mikasika io heloky ny Ray miampita (na tsia) any amin'ny zanaka io. Na : atono hahitanao azy

Heloky ny ray ve heloky ny zanaka? Eny sy tsia ny valiny
D'une manière générale aloha tsia ny valiny. Tsy hoe mangalatra ianao dia mitambesatra any amin'ny zanakao iny ota iny akory. Haintsika loatra ny voalazan'ny Ezekiela ao amin'ny toko 18:20:"Ny fanahy izay manota no ho faty . Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy , ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany "

Fa ny heloka iray miampita any amin'ny zanaka aman-jafy dia ny sampy, ny fandehanana any amin'ny mpimasy, izay heloka mampitovy zavatra hafa amin'Andriamanitra.
Eks20:5:"Aza miankohoka eo anatrehany , ary aza manompo azy ; fa Izaho , Jehovah Andriamanitrao , dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika"
14. endriny ( 17/06/2014 04:58)

Dia Andriamanitra tsy mifadi-trovana ilay andriamanitrao raha izany, to fo toa mpamosavy.
15. toriteny ( 17/06/2014 07:24)

endriny:

Dia Andriamanitra tsy mifadi-trovana ilay andriamanitrao raha izany, to fo toa mpamosavy.

Satria tsy mifanaraka amin'ny heritreritrao ny sitrany dia tsy mifadi-trovana Izy? Tompo ô, mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1018