Fampiasana ny tovona amin'ny teny malagasy

1. Tibao ( 26/05/2014 20:22)
Miarahaba antsika rehetra,

Mba afaka misy manazava ahy momba ny fampiasana ny tovona amin'ny teny malagasy ve ato amin'ny fizarana fanabeazan'i Serasera, somary very manko aho satria tsindraindray tsy fantatro ny tovona ampiharina amin'ny fototeny rehefa manandrana mandika teny :

  • fi-
  • fan-
  • fampi-
  • fampan-
  • fifampi-
  • fifampan-
  • mi-
  • man-
  • ...
  • mpi-
  • mpan-
  • sns...

Hitako teo amin'ny tranonkalan'i teny.org ny fampiasana ireo taloha, fa tsy voaprintiko ilay izy, kanjo nanjavona i teny.org...

Misy afaka manampy ahy ve ?

Misaotra anareo mialoha
novalian'i endriny ny 28/05/2014 13:24
2. hery ( 27/05/2014 06:13)
Mety misy afaka manampy hafa ohatra foto-teny "laza"

1. fi- : anarana mamaritra (filaza)
2. fan- : anarana fomba (fandaza)
3. Fampi- : anarana fitaovana mifandanja amin'ny matoateny misy tovona mi- miaraka amin'ny tovana hatrany (fampilazàna)
4. fampan-: anarana fitaovana mifandanja amin'ny matoateny misy tovona man- arahin'ny tovana hatrany (fampatoriana)

Hitohy...
3. hery ( 27/05/2014 06:43)
Tohiny kely:

5. 6. fifampi- sy fifampan- dia anarana milafa mpifanao (fifanakalozana) ny iray miasa amin'ny teny tovonana mi- (fifampilazàna) ary ny iray amin'ny teny tovonana ma(n)- (fifampatoriana)

7. mi- matoateny milaza atao (milaza)
8. man- matoateny milaza atao (matory, manao)
10. sy 11. mpi- mpan- anarana milaza ny mpanao (mpilaza)
4. vonynive ( 27/05/2014 12:40)
ny teny manomboka @ f dia milaza anarana iombonana ohatra fianarana..
ny matoanteny manomboka @ m dia milaza matoanteny ohatra milalao...
5. Tibao ( 27/05/2014 14:05)
Misaotra an'i Hery sy vonynive fa mazava kokoa ny dikan'ny tovona.

Nisy adinoko tamin'ny hafatro voalohany teo :

* faha-, maha-
* fiha-, miha-
* ha-, ma-

Izay any angamba


6. vonynive ( 28/05/2014 07:17)

Tibao:

Misaotra an'i Hery sy vonynive fa mazava kokoa ny dikan'ny tovona.

Nisy adinoko tamin'ny hafatro voalohany teo :

* faha-, maha-
* fiha-, miha-
* ha-, ma-

Izay any angamba




inty koa misy fanampiny, ny tsofoka "in" dia ampiasaina @ "matoanteny iharana" ohatra tinady, tinapaka oh tinapaka ny tady lasa iharan'ny fahatapahana izany ny tady eto
7. endriny ( 28/05/2014 13:24)
Ana- tovona ho an'ny matoateny iharana," anamboarana trano ny biriky"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.083