Tokony hanamaivana an'i jesosy kristy ve isika milaza hoe kristianina?

1. mamonjy1 ( 11/05/2014 19:32)
Miarahaba ny rehetra tsy ankanavaka.
MARO AMINTSIKA.@ZAO FOTOANA IZAO NO MILAZA HOE KRISTIANINA AHO,NEFA MBOLA MANAIKY IHANY IZY HOE: KATOLIKA AHO,NA LOTERIANINA AHO,NA NY HAFA.....
Tena zavatra mahagaga mihitsy,fa ny fiangonana 7 izay nisy t@androny apostoly de tsy nahitana anarampiangonana,fa toera fotsiny no nanavahana azy.
Amiko aloha de tokony ho foana daholo ireo anarana ireo,fa aleo antsoina hoe kristianina fotsiny,satria ,kristy no lohany fiangonana.
Ary tena sitrako ny hamafana ireo anarana ireo,ka Anarana iray ny misolo azy rehetra.
Dia ny anarany zanakondry mba ho Iray izy rehetra.
novalian'i toriteny ny 16/05/2014 08:13
2. sitlo ( 12/05/2014 01:14)
Ataovy toy ny voakazo an'ala hoy ny malagasy izay. Ny mamy atelemo dia ny mangidy aloavy.
3. Tefigasy ( 12/05/2014 04:36)
mamonjy1:

MARO AMINTSIKA.@ZAO FOTOANA IZAO NO MILAZA HOE KRISTIANINA AHO,NEFA MBOLA MANAIKY IHANY IZY HOE: KATOLIKA AHO,NA LOTERIANINA AHO,NA NY HAFA.....
Amiko aloha de tokony ho foana daholo ireo anarana ireo,fa aleo antsoina hoe kristianina fotsiny,satria ,kristy no lohany fiangonana.
Ary tena sitrako ny hamafana ireo anarana ireo,ka Anarana iray ny misolo azy rehetra.
Dia ny anarany zanakondry mba ho Iray izy rehetra.

Lio.9:50 "Aza rarana, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo"
Mar.9.40 "Fa hoy Jesosy: aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety, fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika"
Mat.7:16 "Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy alin'ny songosongo ?
Mat.24.11 "Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro"

Mbola betsaka ny tenin'Andriamanitra azo ambara fa ny fehiny dia izao :
Efa tamin'ny andron'i Kristy mihitsy no efa nisy mpianany izay tsy tafiditra tao anatin'ny 12 lahy izay nosafidiny, nanao asa mba ho an'ny fanjakan'Andriamanitra. Tsy norarany ireny na notaritiny na notereny hiditra ao anatin'ny 12 lahy izay nofidiny hiaraka aminy tamin'ny fotoana.
Ka raha tsy voafehy ao anatin'ny antoko iray aza ny kristianina rehetra, ny voany no hahafantarana ny hazo hoy ny Tompo. Raha mbola voan'aviavy no hitanao eo amin'ny hazo iray dia aviavy izy izay, fa tsy hoe rehefa tsy ao amin'ny toerana iray no mamoa ny hazo iray dia tsy izy io ! Toa te hiteny ve ianao hoe ny aty, na ny any ihany no atao hoe aviavy sy mamoa voa ny aviavy ? Tsia
Farany, efa ao anatin'ny vanimpotoan'ny andro farany isika izao, betsaka ireo amboadia mitafy ny fitafin'ny ondry ankehitriny. Miditra ao anatin'ireny fikambanana kristianina ireny izy dia avy eo misitaka tsikelikely rehefa mahazo ondry vitsivitsy na maromaro, ary mody manangana fikambanana kristianina vaovao hafa indray. N'inon'inona anefa ataony, ny tsilo tsy hamoa aviavy mihitsy.
4. Langoro318 ( 12/05/2014 07:08)
fa toy ny ahoana aloha ilay hoe manamaivana an'i KRISTY e?
5. toriteny ( 12/05/2014 07:17)

mamonjy1:

Ary tena sitrako ny hamafana ireo anarana ireo,ka Anarana iray ny misolo azy rehetra.
Dia ny anarany zanakondry mba ho Iray izy rehetra.

dia ahoana izany ny ao amin'ny Apokalypsy milaza hoe: lazao amin'ny Fiangonana ao Efesosy, fiangonana any Smyrna, Fiangonana any Pergamosy?.... Fa maninona no tsy nataon'ny Apokalypsy fotsiny hoe lazao ho amin'ny fiangonanan'i Jesosy Kristy?

Torak'izay ihany koa ny fiangonana tamin'ny andron'ny Apostoly? Fiangonana tany Roma nisy Epistily manokana ho andry zareo, fiangonana tany Korinto, .... MAninona no tsy antsoina fotsiny hoe Fiangonan'i Jesosy?

Jereo tsara fa na ny tamin'ny andron'i Apostoly, na ao amin'ny Apokalypsy, ny fiangonana samy nanana ny caractéristique ny .

Ohatra ny fiangonana tao Efesosy araka ny Apo2:2-3 dia miasa be, tsy mahatanty mpanao ratsy, maharitra fa mety tsy hananan'ny fiangonana hafa io toetra io ka nanarina manokana izy. Dia ohatran'izao ihany koa, samy manana ny caractéristique ny fiangonana na dia ao amin'i Jesosy avokoa aza ny Tenany. Fa rehefa any an-danitra isiaka vao hatambatra Fiangonana iray ireo izay mino an'i Jesosy ka nandray Azy ho Tompony sy ho Mpamonjiny

6. mamonjy1 ( 12/05/2014 07:28)
Ka eo indrindra,isika izao namana isany.
Tsy tehilaza akory izaho hoe,Avia aty,na mankanesa ary...
Fa ataovy mahitsy ny lalany jehova."malakia3:1"
Ny tsy finoana an'i jesosy tompo no mandreraka atsika,satria efa nampanantena izy fa hiverina idray.Fa tsy mino io angamba ianareo.
Ny jiosy fahiny de nisalasala ary nisy tsy nino mihitsy fa,izy no mesia nampanantenaina.
Ary raha mandinika,sy mijery tsara isika de hisokatra ny masompanahy,ary hahiratra ny masontsika,fa efa tonga jesosy @zao fotoana izao.
Satria nambara mialoha ny famantarana alohany hiaviany.
Ary toy izany koa t@androny israely fahiny,nambara mialoha ny fiaviany mesia.
Tsarovy,fa mitovy ny zavatra miseho @fiaviany taloha sy ankehitriny.Zany hoe mitamberina ny tantara.
Nanafaka ny olona t@fampianarandiso jesosy tompo,ary nanao asa maro t@anarany Rainy.
Dia nataon'olona hoe,lohany demonia mihitsy no amoahany demonia.na dia nanangana olona t@maty aza izy tsy nino ny ankamaroany olona fahiny.
Toy izany koa ankehitriny,mafy hatoka be ny olona,mitovy ny olona taloha ihany.Satria tsy zakany ankamaroany olona ny fampianarana tsy misy kilema.malakia3:2.
Ary ny loza ankehitriny ,sy ny maha jamba zay jamba dia mihaino fampianaran'olombelona fotsiny ,fa tsy mba mianatra samirery @alalany fanahy masina.
Nilaza jesosy fa,hisy mpaminany sandoka ,ary maro ny ho avy @anarako.
Ekeko fa misy tokoa ireo zavatra ireo ankehitriny,kanefa tsy midika izany fa tsy misy ny mpaminany marina. Tokony manaiky isika fa tsy ny ratsy ihany no misy @androny tompo.,Zany hoe tsy ny sandoka ihany ny ho hita,fa ny marina koa.
Ny tsara sy ny ratsy de mbola misy ankehitriny,ny sandoka sy tsy sandoka,ny vary sy tsimparifary.
Kanefa dia efa hidorana tsy ho ela ny tsimparifary.
Fa jesosy izay efa tonga taloha sy ankehitriny no mpamonjy,izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana.Efa mitaona olona hanaraka azy mba hahafoy zao tontolo zao izy @zao mba hovonjena isika.Tsy ny anarampiangonana akory ny hahavonjy anao,fa ny anarany kristy voasoratra @handrinao.
Ny baiboly aza milaza hoe mivoaha ao @babilonina lehibe ianareo oloka mba tsy hisy hanjo anareo,ny hanjo azy"Apokalipsy18:2"
Tsara ho anao ary ny mitodika @Ray @alalany zanany izay nomeny fahefana lehibe .Fa efa kely sisa de tsy afaka ny hiala intsony anao satria ho tonga ny fitsaharana.Araka ny tenymanao hoe:mivavaha ianareo,mba tsy ho ririnina na sabata no andosiranareo.=fotoana efa tsy azo andosirana,na ibebahana intsony,efa tara.
fandringanana ny aorinan'io.
Amen.

7. mamonjy1 ( 12/05/2014 08:02)

[/quote]
8. mamonjy1 ( 12/05/2014 08:03)
Iverenako kely le hoe:maninona no tsy tokony hipetraka ny anarampiangonana?
Ny tiko marihina eto dia ny lohahevitra no mitondra ny hevitra.
nodinihintsika ny hoe:Tokony hanamaivana ny kristy ve ny kristianina.
zao de efa niampanga anao ny teny nolazainao ihany.
Jehova no lohany kristy,kristy lohany fiangonana.
Tsy nilaza anarampiangonana akory jesosy teo,fa anaran-tanana misy ny fiangonana hoe:soraty hoany fiangonana efesosy,pergamosy,smyrna,laodikia...sns........... fa tsy hoe soraty hoany katolika,na flm,na adventiste,na themoin ,na fjkm,m.musilman ,fa toerana no nanavahana azy
Ary tiako ho fantatra koa fa sary mapiseho ny mpanoradalana sy fariseo voalaza ao @baiboly ireo karazana fivavahana isankarazany ireo,nefa samy manana fampianarany ,ary fantaro fa tsisy mitovovy fa samy hafa daholo ny fampianarany.Ary samy milaza ny tenany ho marina daholo.
Tsy tokony hanamarintena isika,fa ny any ambony hanamarina@jesosy.Izy ny lalana sy fahamarinana ary fiainana.
Na tinareo ,na halanareo,efa voasoratra ny hanjo ny babilonina lehibe,@maha reniny mpivarotena azy,ary ny hanjo ny zanany koa.
Amena.

[/quote]
9. toriteny ( 12/05/2014 08:25)
mamonjy1:

Ka eo indrindra,isika izao namana isany.
Tsy tehilaza akory izaho hoe,Avia aty,na mankanesa ary...

Nefa dia ohatran'izany ny filazanao. Ilay fiangonana be dia be ao amin'ny Apokalypsy aloha plutôt milaza toetran'olona efa nandray ny Tompo fa tsy fiangonana en dur hoe tena misy fiangonana mitsy any Efesosy. Fa ra izany dia ireo fiangonanan 7 ireo ihany izany no voavonjy fa ny fiangonana rehetra eto an-tany ankoatr'ireo tsisy voavonjy avokoa; Fa miresaka toetran'olom-boavonjy ireo.

Fa handeha hatao hoe fiangonana isaky ny firenena iray ireo, ohatrany Jiosy niakatra tao Jerosalema avokoa. Dia ny eto Madagasikara izany hanorona fiangonanan lehibe iray ao ankorondrano ohatra isiaka dia ao daholo ny olona no miangona dia atao hoe fiangonan'i Madagasikara. Dia misy fiangonana lehibe iray indray any La réunion, fiangonan'i La Réunion. Koa inona tsy mitovy amin'ilay Katolika sy Protestant ihany izany? Dia hilaza indray ianao hoe tokony tsy hatao Fiangonana Madagasikara sy LA Réunion izany fa Kristy ihany no fiangonana fa tokony hoe Fiangonan'i Kristy

mamonjy1:

fa efa tonga jesosy @zao fotoana izao.

Dia aiza hono Izy no mipetraka? :-) Ary nahoana izahay no tsy nahita Azy?
Ahoana hoy ny baiboly momba ny fiverenan'i Jesosy fanindroany eto an-tany?

Apo1:7:"Indro Izy avy amin'ny rahona ; ary ny maso rehetra hahita Azy , na dia izay nandefona Azy aza ; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny , Amena."

Asa1:11: "izay nanao hoe : Ry lehilahy Galiliana , nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo ? Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.

Ary vetivety no hahatongavany sy hanalany ny olony ety : Lio17:34-35" Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana ; ny anankiray horaisina , ary ny anankiray havela . Hisy roa vavy miara-mitoto vary ; ny anankiray horaisina , ary ny anankiray havela .Hisy roa lahy any an-tsaha ; ny anankiray horaisina , ary ny anankiray havela ."

koa maninona ny mpanompon'Andriamanitra mbola eto an-tany avokoa fa mbola tsy nisy nampiakarina? MAninona ianao mbola eto? Sa ianao tsy hanisan'ilay voavonjy fa ny voavonjy rehetra efa lasa? :-)
"
mamonjy1:

Satria nambara mialoha ny famantarana alohany hiaviany
Ary ny loza ankehitriny ,sy ny maha jamba zay jamba dia mihaino fampianaran'olombelona fotsiny ,fa tsy mba mianatra samirery @alalany fanahy masina..

Fa iza moa no milaza aminao fa tsy misy FAnahy MAsina mitarika sy mampianatra ny olom-boavonjy amin'izao? Dia ao aminareo izany tsy misy "Pasitera" mampianatra mihitsy? Dia ahoana izany ny iraka nampianarin'i Tompo hoe mitoria Teny, ataovy mpianatro ny firenena rehetra (matoa mpianatra dia misy mpampianatra izany)

"
mamonjy1:

Tsy ny anarampiangonana akory ny hahavonjy anao,fa ny anarany kristy voasoratra @handrinao.
Fa satria rehefa mivavaka amin'ny protestant izany dia tsy mivavaka amin'ny Jesosy ? Dia rehefa manasitrana sy manala devoly dia hoe manala devoly amin'ny anaran'i protestant fa tsy amin'ny anaran'i Jesosy? Dia rehefa mitory dia mitory protestant fa tsy mitory an'i Jesosy?

Ny atao hoe manompo fiangonana sy manompo pasitera dia ohatra za FJKM eo Analakely ohatra no mivavaka. Dia tsy mety mivavaka any amin'ny protestant any Isotry fa ao aminay ihany.

Ny fiangonana zandriny matetika no voan'io. Milaza ry zareo fa tsy mahazo aim-panahy raha vao tsy mivavaka ao amin'ny fiangonandry zareo, fa matory ny fiangonana zokiny. Na hoe io pasitera io ihany fa raha tsy io dia tsy mahazo aina, matory

mamonjy1:

Tsara ho anao ary ny mitodika @Ray @alalany zanany izay nomeny fahefana lehibe .

:-)

[/quote]
10. mamonjy1 ( 12/05/2014 11:00)
Zany foana no antaontsika rehefa mba misy manao ny asany tompo antsitrapo.

mimonomonona fa tsy misaotra.

Tsy zakany sasany angamba ny teniny fahamarinana raha azoko tsara ka voatsindrona izy,ary mitsangana hanohitra avy hatrany,fa tsy mba mamantatra ny voa alohany hamaly.
Milaza i namana toriteny fa tsy ilaina zany ny anarampiangonana.??
Ilaina ny Anarana mba hamantarana olona na toerana iray.Ahoana ny iantsoana azy raha tsy misy anarana.Fa ny tena tiko Ambara de tsy zavadehibe ireo anarana samihafa hitanareo ankehitriny.
tsy io no itsarana anao akory,fa ny jerevana @handrinao de hoe ,manana anarany zanak'odry eo @handrinao ve ianao?zany no ahafantarana anao,araka voalazany apokalipsy
Ary mahatoa tsy voasoratra @baiboly koa ireo anaram-piangonana ankehitriny de misy dikany.

Niteny koa ianao hoe fiangonana 7 ihany ve ny tokony ho isy.?
Ny fiangonana 7 ,ny isa 7 dia mampiseho fahafenoana @andriamanitra.Izany hoe fiangonana rehetra.Mariho fa 7 foana,no ilazana zavatra feno ao@baiboly.fanaovanjiro fito,tandroka7,fanahy7.
fiangonana rehetra no voakasika io fito io.
Ka noho izany de de tsy trano no atao hoe fiangonana fa olona.Tsy trano no atao hoe tempoly fa ny tenanao no tempolin'Andriamanitra ankehitriny.

Milaza koa anao namana fa ho avy izy ary ny maso rehetra ahita azy,nahoana izahay no ny tsy nahita azy?Nefa ny baiboly milaza fa maso retra ahita azy.
Ary anao ve efa nahita?Aiza izy no mipetraka?

Raha manana an'kristy mitoetra ao anatinao ianao de hahala azy,sy ny toerana iaviany.
Ramana an'jesosy ho tomponao ianao de tokony mahita azy,na izay nandefona azy aza mahita azy,anao indray no manda ny voninahiny."Sambatra izay tsy nahita nefa mino"jaona20:29.
Mitomany tokoa ny firenena rehetra ankehitriny satria tsy zakany ny fahamarinana,tsy te hiala @zavadratsy mahazatra azy izy.Ary izany no mahatonga azy misafidy fotopampianarana tiany fotsiny fa tsy araka ny soratra masina.
Ianareo de mitsara araka ny tsy voasoratra,fa izaho nanambara araka ny voasoratra.
Ary miresaka ianareo fa zokiny izahay,ary fiangonana zokiny,Ary hoy izy nareo hoe zandriny ianareo satria tafara.Efanilaza ny baiboly fa zay manandratena no haetry fa izay manetry tena no hasandratra.ohabolana15:33.
Ary zay te ho lehibe indrindra no zandriny eo aminareo.marka9:35.

Ny dikany teny hoe tahaka ny fiakarany ny fiaviany,de mampiseho fa ny tena mpanaradia azy no ahita azy.
Apostoly ireo fotsiny no nahita,ny niakarany,ary ireo mpianany ankehitriky koa no mahita ny fiaviany.

Ary voalaza fa na ireo zay nadefona azy mbola mahita azy,marina izany,iza no mahajoro tokoa ankehitriny,tahaka ny voalazany apokalipsy hoe afeno @tavany ilay mipetraka amboniny seza fiandranana sy ny zanakodry izahay.Mazava ho azy fa ireo zay nandefona azy no tsy mahazaka,na tsy mahajoro, mahita ny voninahiny,ka miery ao @vatolampy"apokalipsy6:16."
Efa tonga izybankehitriny,ara tsapako ny heriny,ary hitako ny asany.1tesalonianina4:16-17.
Nefa nilaza koa ny tompo fa ho avy toy ny mpangalatra aho tano mafy zay ananao mba tsy handeha mitanjaka anao"apokalipsy16:15.
Miseho @endriny maro samihafa ny viaviany tompo @olombelona.
Fa ny tena loza de raha avy toy ny mpangalatra @nao izy.Zany hoe mamely tampoka.(fahafatesana tampoka no hanjo ny olona zatra nanao ny ratsy,ka tsy tafiomana na nibebaka akory izy ,alohany ho faty)toy ny mpangatra @tokoa ny fiaviany tompo.
Amen.

11. mamonjy1 ( 12/05/2014 11:01)

12. toriteny ( 12/05/2014 11:23)

Tsy azonao ilay resaka d lasa mampiomehy b le échange ny farany.

mamonjy1:

Zany foana no antaontsika rehefa mba misy manao ny asany tompo antsitrapo. mimonomonona fa tsy misaotra.

:-)Fa inona hono no nimonomononako tamin'ny Tompo ka tsy nisaorako Azy?

mamonjy1:

Milaza i namana toriteny fa tsy ilaina zany ny anarampiangonana.??
Ilaina ny Anarana mba hamantarana olona na toerana iray.Ahoana ny iantsoana azy raha tsy misy anarana

Ka ianao anie no miteny hoe tsy tokony hasiana anaram-piangonana fa tokony globaliser na hoe Fiangonanan'i Kristy é!!! Dia izao ndray anefa ianao miteny hoe ilaina ny anaram-piangonana. :-)

Dia iza izany izao ny fiangonana misy anao? Fiangonana tsy misy anarana?

mamonjy1:

.Fa ny tena tiko Ambara de tsy zavadehibe ireo anarana samihafa hitanareo ankehitriny.

Ilay hoe Fiangonan'ny Jesosy Kristy eto Madagasikara ve? Fa tsy efa io Madagasikara io ve izany no anarana tianao hiaviana? Hafa indray raha hoe Fiangonan'i Pasteur , na fiangonan'i Mompera ka hoe ilay Pasteur sy Mompera no mibahana fa tsy i Jesosy Kristy

mamonjy1:

tsy io no itsarana anao akory,fa ny jerevana @handrinao de hoe ,manana anarany zanak'odry eo @handrinao ve ianao?

Fa za angaha nandà an'izany? :-)

mamonjy1:

Niteny koa ianao hoe fiangonana 7 ihany ve ny tokony ho isy.?
Ny fiangonana 7 ,ny isa 7 dia mampiseho fahafenoana @andriamanitra.Izany hoe fiangonana rehetra.Mariho fa 7 foana,no ilazana zavatra feno ao@baiboly.fanaovanjiro fito,tandroka7,fanahy7.
fiangonana rehetra no voakasika io fito io.

mamonjy1:

Ka noho izany de de tsy trano no atao hoe fiangonana fa olona.Tsy trano no atao hoe tempoly fa ny tenanao no tempolin'Andriamanitra ankehitriny.

Tsy ampy. Andraso fa somary sahirana kely za zao fa rarivariva eo hampianariko mikasika ny fiangonana ianao.

mamonjy1:

Raha manana an'kristy mitoetra ao anatinao ianao de hahala azy,sy ny toerana iaviany.

Tsy resaka fahitana an'i Kristy isan'andro na ny fahalalàna an'i Kristy amin'ny andavanandro no resahin'ny Apo1:7 eto fa ny fiverenan'i Jesosy eny amin'ny rahon'ny lanitra fanindroany indray. Ianao niteny hoe efa eto Jesosy amin'izao no nahatonga ahy hiteny hoe maninona no tsy tanteraka ilay maso hahita Azy eny amin'ny raon'ny lanitra raha efa tonga marina Izy?

mamonjy1:

Mitomany tokoa ny firenena rehetra ankehitriny satria tsy zakany ny fahamarinana,
Ianareo de mitsara araka ny tsy voasoratra,fa izaho nanambara araka ny voasoratra.

Torak'izany ihany koa, hitomany ny firenena rehetra rehefa hahita an'i Jesosy eny amin'ny raon'ny lanitra fa tsy izao izy dia efa manomboka mitomany akory. Nefa Jesosy aza mbola tsy tonga ihany koa. Sady ilay mitomany koa aloha tsy voatery ranomasom-pahoriana foana amin'izay e. Raha izao zao ny Tompo no tonga dia ny ahy ranomasom-pifaliana fa tsy ranomasom-pahoriana.

mamonjy1:

Ary miresaka ianareo fa zokiny izahay,ary fiangonana zokiny,Ary hoy izy nareo hoe zandriny ianareo satria tafara.Efanilaza ny baiboly fa zay manandratena no haetry fa izay manetry tena no hasandratra.ohabolana15:33.

Fa zokiny angaha veut dire hoe forcément hoe lehibe sy manambony tena? Tsy nisy an'izany anie taloha raha tsy nisy ny secte e. Ary ny secte no namorina an'izany hoe fiangonana zokony izany izay hilazana hoe ancienneté fa tsy fiempohepoina.

[/quote]
13. moustaraf ( 12/05/2014 13:27)
salama namana isany,
tsotra kely ny valiny:
-eny, raha tena mpanaradia ny mpamonjy dia hanary ireo anaran tsampy noforonin'ny grika sy romana nasolo ny anarana nomen'ilay Ray nampisy izao ary rehetra izao:
Ny anarana izay ivavahanao tokoa no misoratra eo amn handrinao:
Yeshua hamashyrha no anarany fa tsy i jesosy kristi izay nentin'ny romana niantsoana mpamosavy sy mpanao ody ratsy, mazava ho azy fq ny kristiana izany dia nilazana ireo antokona mpamosavy. eken'ny sainao ny ho isan'ireo antokon'olona ireo?
Voasoratra fa "any ivelany ny alika, ny mpijangajang, sy ny mpanao ody ratsy na "kristi "avy amn teny hoe chrestos
14. bor2lais ( 12/05/2014 13:39)
(Lasa) Kristiana (indray) angaha Ra-mousta no liana amin'ilay fanontaniana ? ;-)
15. moustaraf ( 12/05/2014 13:41)
Ilay hoe jehovah indray dia mampalahelo fq dia mbola tsy anarana ihany koa, ilay pretra katolika niova ho protestanta Raymondus martini no namorona azy avy tamn YHWH notsofohana ny zanatsoratra avy amn ADONAY,
Mazava izany fq peta toko sy fitaka mivelatra no ambadik'ireo anarana dikan teny ka tokony hisaina lalina.
Raha hijoro eo anatrehan'ny fitsarana farany ianao dia alaivo sary an tsaina ny ho fahazendanana misy amn ilay tena tompon'anarana hahita ireto soratra eo amn handrinao.
Sa amn izay vao hangorera hoe "ka voafitaka anie ", i moustaraf amn izay efa tena afaka adidy teto amn serasera.
16. bor2lais ( 12/05/2014 16:21)
moustaraf:

Raha hijoro eo anatrehan'ny fitsarana farany ianao dia alaivo sary an tsaina ny ho fahazendanana misy amn ilay tena tompon'anarana hahita ireto soratra eo amn handrinao.

:-)
Ary mbola maka ny toerana tsy azy indray Ra-mousta en + ! :-)
17. mamonjy1 ( 12/05/2014 16:52)
bor2lais:

[quote=moustaraf]
Raha hijoro eo anatrehan'ny fitsarana farany ianao dia alaivo sary an tsaina ny ho fahazendanana misy amn ilay tena tompon'anarana hahita ireto soratra eo amn handrinao.

:-)
Ary mbola maka ny toerana tsy azy indray Ra-mousta en + ! :-)
[/quote

Tena misaotra an'i moustafaraf aho,fa tsy manao valiborengina izy.
Tena hita taratra ankehitriny fa na dia kristianina aza de tsy mino an'i kristy, satria tsy mahita ny fahatongavany,izy ireo.
Tsy mpianany zany izireo raha ny marina,satria na ny mpiandry azy aza de tsy fantany.
Efa eto izy ankehitriny,efa tonga,Raha tsy teo izy nisy asa vitanereo t@ anarany ve?
Fa ny fisehoana ampahabemaso ihany no tsy mbola nataony.Fa rehefa hiseho ampahibemaso izy de hampiakatra zay tafita velona @zay.Ary handringana ny ratsy fanahy.
18. bor2lais ( 13/05/2014 08:11)

Sao dia mba mandray tsy raisina ary ianao ka mamaly à côté hoy ny fitenenana ! Vakio tsara daholo ny zavatra ambaran'i moustaraf mikasika ny Kristiana vao mizara hevitra fa lasa HS ! Valinteny am-pitiavana io lazaiko anao io ! :-)
19. mamonjy1 ( 13/05/2014 17:35)

Tsy hors sujet velively,aho.Marina zay lazainy moustafaf eo momba lay hoe:Tsy anarany babilonina lehibe no jerevany Tompo rehefa tonga ny andro fitsarana,sy fanangonana,fa anarany zanak'ondry misoratra @handriny ihany.
Sao de hisy hirehareha indray isika eto hoe:zahay anie ka zao eee! Nefa tsy mifanaraka @zay zavatra voalazany lalana akory ny zavatra ataony.
Tahaka ny nireharehany mpanoradalana sy fariseo sy mpanohitra hoe:Manana an'Abrahama Rainay izahahay.De inona no navaliny Tompo azy avy eo?Ao @baiboly ny valiny.
Ary zay ny mahagaga ahy tsy mijery ny lohateny isika vao mamaly.

NY LOHATENY DE HOE:TOKONY HANAMAIVANA NY JESOSY VE IZAY MILAZA AZY HO KRISTIANINA????

20. bor2lais ( 14/05/2014 11:47)
H.S
mamonjy1:

Ary zay ny mahagaga ahy tsy mijery ny lohateny isika vao mamaly.

NY LOHATENY DE HOE:TOKONY HANAMAIVANA NY JESOSY VE IZAY MILAZA AZY HO KRISTIANINA????

Miala tsiny amin'i mamonjy1 aho fa hay i moustaraf (raha aminao izany) dia :
- tsy manamaivana an'i Jesosy ?
- Kristiana ?

Mba anontanio hoe izy ry mamonjy1 !

Diso fijery sy famaky aho angamba ! :-)
Tapitra ny H.S
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3371