Tokony hanamaivana an'i jesosy kristy ve isika milaza hoe kristianina?

21. toriteny ( 15/05/2014 10:16)
mamonjy1:

Tena hita taratra ankehitriny fa na dia kristianina aza de tsy mino an'i kristy, satria tsy mahita ny fahatongavany,izy ireo.


Araho ary fa ho lavalava ito, fa mahareta hatramin'ny farany fa hahasoa anao ny zavatra hambara eto

I- TSY MBOLA TONGA FANINDROANY JESOSY
Tadidio fa mizara époque divine ny tantaran'ny zanak'olombelona:

1)-Andriamanitra Ray no nitondra du Gen-->Jaona Mpanao batisa
. Tsy hahita Fanahy Masina na Jesosy niasa tany amin'ny Testamenta Taloha izany ianao. Efa nisy Izy ireo tany: ny Fanahy Masina nanomba tambonin'ny rano fony mbola tsy nisy akory ny mazava (Gen1:2) ary i Jesosy no namorona izao tontolo izao (Jao1:1). Fa tsy mbola nitsabaka tamin'ny raharahan'ny olona Izy ireo fa ny Ray foana no nitoetra niakara tamin'i Adama sy Eva sy nitondra ny Zanak'Israely

2)Nanomboka teo amin'i Jaona Mpanao batisa --->Pentekoty: Andriamanitra Zanaka no nitondra
Lasa i Jesosy no mifanerasera tamin'ny Jiosy sy nampianatra ny Jiosy. Fa Andriamanitra Ray efa finalité (but) ny finoana sisa ary i Jesosy no lalana sy mitondra mankany.

Jao14:6 :"Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray , afa-tsy amin'ny alalako"

3)Vanim-potoanan'ny Fanahy Masina
Izao vanimpotoana hiainantsika izao no vanim-potoanan'ny Fanahy Masina. Ary tsy ho tapitra io vanim-potoana io ka tsy hiala ety ny Fanahy Masina raha tsy ho avy eny amin'ny rahon'ny lanitra Jesosy (expliquer ko etsy ambany)

Raha ny tokony ho izy dia ny Fanahy Masina (izay tsy iza fa Fanahin'i Kristy ihany) no miasa eto amin'izao. Fa Jesosy mbola any am-panomanana toerana amin'izao ary rehefa ho avy Izy tsy hijanona ela b eto intsony fa kaka sy hampiakatra ny olom-boavonjy ho any Aminy (Ao ambany koa ny explication)

Jao14:2-3 :"Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany , dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho . Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho , dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko , ka izay itoerako no hitoeranareo koa

Sy ny Jao14:15-18:"Raha tia Ahy ianareo , dia hitandrina ny didiko .Ary Izaho hangataka amin'ny Ray , ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay ,dia ny Fanahin'ny fahamarinana , Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina , satria tsy hitany na fantany ; fa ianareo no mahafantatra Azy , satria mitoetra eo aminareo Izy , ary ho ao anatinareo . Tsy hamela anareo ho kamboty Aho ; hankaty aminareo Aho .Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao ; fa ianareo no hahita Ahy ; satria velona Aho , dia ho velona koa ianareo""

II -RAHOVIANA NO HAHATONGAVAN'NY TOMPO

Za tsy hiresaka ny signe annonciateur fa ny dernière heure ( na dernière minute) tsy hahatongavany no resahiko eto. Misy zavatra 5 hitranga amin'izany izay espacé de quelques minutes na en même temps no hahatongavany satria mifampiankina daholo ireto

1)Rehefa lasa i Jesosy dia nomena ny Fanahy Masina hitarika ny olona araka ito Teny ito
Jao 14:15-18: "Raha tia Ahy ianareo , dia hitandrina ny didiko .Ary Izaho hangataka amin'ny Ray , ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay ,dia ny Fanahin'ny fahamarinana , Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina , satria tsy hitany na fantany ; fa ianareo no mahafantatra Azy , satria mitoetra eo aminareo Izy , ary ho ao anatinareo . Tsy hamela anareo ho kamboty Aho ; hankaty aminareo Aho .Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao ; fa ianareo no hahita Ahy ; satria velona Aho , dia ho velona koa ianareo"

2)Ny antikristy no dernier signe amin'ny fahatongavan'ny Tompo
1Jao2:18:"Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady ; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany ."

3)Efa eto ny antikristy fa tsy omena fahefana feno sy hatanjaka izy raha tsy lasa ny Fanahy MAsina
1Tes2:7 :" Fa miasa sahady ny zava-miafina , dia ny tsy fankatoavan-dalàna , kanefa mandrapanaisotra ilay misakana ankehitriny ihany [kanefa ao ihany ilay misakana mandrapanaisotra azy.]" (vf: il faut seulement que celui qui le retient encore ait disparu).

Iza io mbola misakana ny antikristy tsy hanjaka tanteraka io? Ny fanahy Masina io. Tsy Jesosy io satria Jesosy aza mbola tsy ho tonga amin'io, tsy ny Ray ihany koa satria ny Ray finalité. Fa ny Fanahy MAsina no hany Hery maharesy ny antikristy izay lazaina amo amin'ny 2Tes2:9 hoe:"ny fihavin'ilehiny (ny antikristy) dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra"

Tant que tsy miala eto izany ny Fanahy Masina tsy hanana pouvoir feno ny Antikristy ary tsy ho avy i Kristy. Ny Fanahy Masina anefa mbola miasa eto an-tany soa aman-tsara

4) Jereo ihany koa fa ao amin'ny Apokalypsy22:17 izay toko farany ao amin'ny Apokalypsy fa mbola tsy tonga teny amin'ny rahon'ny lanitra Jesosy, dia mbola teto ny Fanahy MAsina. Mbola tsy tonga teny amin'ny rahon'ny lanitra Izy satria ny Fanahy mbola niteny niaraka tamin'ny ampakarina ao amin'ny Apo22:17 "Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe :Avia" 20: "Hoy izay manambara ireo zavatra ireo : eny , avy faingana Aho. Amena. Avia , Jesosy Tompo!"
Io no toko farany an, izany hoe ny avant an'io toko io aloha mbola ho avy avokoa vao ho tonga amin'io toko farany io. Izany hoe ny voalaza ao amin'ny apokalypsy mbola ho avy avokoa nefa ny Fanahy Masina mandritran'ny fisehoan'ny tranga ao amin'ny Apokalypsy mbola ho eto ihany. Fa efa dernière heure vao hesorina Izy, mba hahafahan'ny Antikristy hanjaka tanteraka ka hahatongavan'ny Tompo amin'izay.

Ka efa nitranga avokoa ve ny zavatra nitranga ao amin'ny Apokalypsy ry mamonjy?

5)Miaraka amin'ny fahatongavan'ny Tompo( même heure) ny hampiakarana ny olom-boavonjy ho any an-danitra).
1Tes4:16 " Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra , ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha"
Ka izay no nahatonga ahy nanontany anao tatys ambony hoe RAHA EFA TONGA NY TOMPO, MANINONA NO MBOLA ETO DAHOLO NY OLOM-BOAVONJY?

FEHINY
Ra ireo izany dia izao ny crhonologie ny fahatongavan'ny Tompo ary ireto évènement ireto averiko ihany tsy mifanalavitra be fa na en même temps, na espacé quelques secondes na quelques minutes fotsiny:
-Efa eto ny Fanahy Masina sy ny antikristy
-miala aloha ny Fanahy Masina mba hanjakan'ny antikristy
-Refa manjaka ny Antikristy dia ho avy amin'izay Jesosy
-Rehefa tonga Jesosy dia miara hampiakarina miaraka Aminy ny olom-boavonjy

22. toriteny ( 15/05/2014 10:48)
Manontany ianao hoe iza no nahavitana asa tamin'ny anarany raha tsy efa eto Izy? Dia izao no havalin'ny baiboly:

Jao14:12:"12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino Ahy , ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy , satria Izaho mankany amin'ny Ray (Tsy eto an-tany) Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako , dia hataoko izany , mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka . Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako ianareo , dia hataoko izany "
23. moustaraf ( 15/05/2014 14:58)
Salama namana,
Iza moa no nampianatra an'izany epoque divine izany? ny fiangonana romana, ary efa ela be izany fa tsy vao izao akory no naely!

ny mampalahelo dia ity fampielezana lainga foana hatrany hatrany.
Ny baiboly dia tsy manavaka mihitsy fizaram potoana telo izany, niaraka teo foana ireo rehetra ireo fa saingy afenina amn dikan teny::
raha mba samy nahay namaky teny hebreo tokoa mantsy isika dia ho mora kely ny fanazavana, indrisy "very ny oloko noho ny tsy fahalalana "
24. toriteny ( 16/05/2014 08:13)
moustaraf:

Salama namana,
Iza moa no nampianatra an'izany epoque divine izany? ny fiangonana romana, ary efa ela be izany fa tsy vao izao akory no naely!
ny mampalahelo dia ity fampielezana lainga foana hatrany hatrany.
Ny baiboly dia tsy manavaka mihitsy fizaram potoana telo izany, niaraka teo foana ireo rehetra ireo fa saingy afenina amn dikan teny::
raha mba samy nahay namaky teny hebreo tokoa mantsy isika dia ho mora kely ny fanazavana, indrisy "very ny oloko noho ny tsy fahalalana "


Lio16:16: " Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona ; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra "

Mat11:12-13:" Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina , ary ny mpandrombaka maka azy ankeriny .Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin'i Jaona

Jao14:15-18:"Raha tia Ahy ianareo , dia hitandrina ny didiko .Ary Izaho hangataka amin'ny Ray , ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay ,dia ny Fanahin'ny fahamarinana , Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina , satria tsy hitany na fantany ; fa ianareo no mahafantatra Azy , satria mitoetra eo aminareo Izy , ary ho ao anatinareo . Tsy hamela anareo ho kamboty Aho ; hankaty aminareo Aho .Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao ; fa ianareo no hahita Ahy ; satria velona Aho , dia ho velona koa ianareo""

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0068