Ny fahendrena Malagasy tsy lany

1. endriny ( 14/04/2014 18:04)
Maro ireo fahendrena ombam-pinoana voatahiry amin'ny fomba sy ny ohabolana Malagasy, saingy isika Malagasy mandroso moa tsy mandala azy, nefa ireo no fahendrena sy finoana mifanaraka amin'ny zava-misy sy ny tontolo eto Madagasikara.
Hany ka ataon'ny FFKM sy ny fiombonan'ny eveka kilalao fotsiny ny vahoaka Malagasy. Isaky ny manomboka mangirana ny vodilanitra ho an'ny fampandrosoana, dia manoratra fanankianana lavabe ny mpitondra fivavahana dia midina miaraka amin'ny mpanohitra eny an-dalam-be ny mpitondra fivavahana: 1991, 2002, 2009
Dia izay ve ilay tena hoe mitsinjo ny vahoaka, sa izay ilay manao ny vahoaka ho ondry voan'ny deronina?
Tsy ao anatin'ny fahendrena Malagasy angamba izay.
novalian'i toriteny ny 25/04/2014 15:49
2. Maranatha ( 15/04/2014 05:18)

endriny:

....

Ny tena mpanompon'i Tsitoha tsy mandray anjara amin'ny raharahan'izao tontolo izao (politika, ady, fikomiana, fidinana andalam-be sns....)
3. endriny ( 15/04/2014 07:44)

Maranatha:


endriny:

....

Ny tena mpanompon'i Tsitoha tsy mandray anjara amin'ny raharahan'izao tontolo izao (politika, ady, fikomiana, fidinana andalam-be sns....)


Izany a? Dia ianao izany tsy mandray vola amin'ny karama ihany koa isam-bolana fa raharahan'izao tontolo izao ny vola mantsy. Nefa na ny fanasina atao aza efa novaina vola daholo. Sa moa iza no Atra mandraraka vola avy any an-danitra... Mba ohatra iny.

Toa zary lasa fitaovana fampahantrana vahoaka ilay fiangonana, mba ahafahan'ny mpitondra fiangonana misongadina eo amin'ny fiarahamonina.

Toa sary mifanipaka amin'ny fahendrena Malagasy. Zanahary o tahio ny tanindrazanay
4. rhaj0 ( 16/04/2014 13:23)

Maranatha:
Ny tena mpanompon'i Tsitoha tsy mandray anjara amin'ny raharahan'izao tontolo izao (politika, ady, fikomiana, fidinana andalam-be sns....)

.. na dia fivavahana aza ny loha-hevitra eto, dia ianao Maranatha no io mandroso politika anaty fonosana io.. fa dia ataoko anaty fonosana kintakintana ireto, satria fotsiny, tiako hazava in-1 mandeha dia basy.

Ka dia misahia re ry Maranatha manoro anay, hoe iza @ ireto no TSY "tena mpanompon'i Tsitoha"...

- ny Monsenera (katolika) Odon Marie Arsene Razanakolona, solontenan'ny Vatican. Izy no nampiantrano teny @ EKAR, ary feno tsikitsiky avy teny an-davarangana, iny andron'ny Marsa 2009 niantombohan'ny fanonganam-panjakana iny.

- na koa i Ny Hasina Andriamanjato (toa "born-again-christian") izay nobitshin'ny tany ambony hirotsaka hanohana sy hiaraka @ TGV, na koa ry Ratsirahonana (diakona protestanta) na koa... iza ilay Mpiandry mafana fo minisitry ny polisy iny...
5. toriteny ( 16/04/2014 13:48)
Mbola mitsara ihany ve Rhajo e. Ny hahatonga anao tsy hanan-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny andro fitsarana hoa no ataovy fa aza lany andro amin'izany fa futilité izany. Fa lasa hanao ohatran'izao anie ianao farany e:

Jesosy: Rhajo, inona ny zavatra nandanianao ny fotoanao teny an-tany?
Rhajo : Nanenjika an'i Toriteny, Ny hasina, ny pretra Vatican nanolan-jaza,...(sady mamaky taratasy lava b?)
Jesosy: de 20 ans jusqu'à 60 ans v?
Rhajo: Ka be dia be anie ry zareo Tompo e!
Jesosy: Fa efa mba nandray ny Fanahy MAsina ihany ve anefa ianao?
Rhajo: KA tsy nisy fotoana za fa mbola nifamaly foana tamin'dry zareo



Sa ahoana re no havalinao an'i Jesosy rehefa ho avy izay fotoana izay e. Heritrereto ihany.

6. rhaj0 ( 16/04/2014 14:22)
Aoka kosany fa mba mitady "fanazavana" sy "fahazavana" ny anadahinao e... f'angaha tsy ao anatin'ny "fitadiavana" daholo izany? Aza raisina ho "fanenjehana" ny fanontaniako fa "fitia ahalala" fotsiny e... Indrindra moa fa ianareo, Toriteny, Maranatha, Hery... nareo anie ka olombe eto @ serasera eto e... Nareo izany efa "naharay" dia mba toroy sy zarao "fanazavana" sy "fahazavana" zahay madinika e...
--Haja
7. toriteny ( 16/04/2014 14:32)
aleo tohizana rahampitso ndray ny resatsika sy ianao fa handeha hivavaka ndray alou
8. toriteny ( 17/04/2014 07:47)
Raha ny Fahazavana ny tadiavinao dia afaka manoro anao ny ahitana ny fahazavàna aho. Raha tena hino no tadiavinao dia afaka manampy anao aho. Dia izay ihany tena katsahina fa mi-s'éparpiller be ianao, hidiranao daholo ny zavatra rehetra ity nefa misy zavatra tsy hazava aminao mihitsy raha tsy manana ny Fanahy ianao. Lasa lazain'ny olona fa mpanakiana sy mpanenjika fivavahana kristianina ianao no farany dia mampalahelo b;

Fa ataovy izay handraisanao ny Fanahy dia Izy no hanazava sy hampianatra anao ny tsy azonao rehetra. Ary tena Manazava sy mampianatra izay tianao fantarina rehetra Izy
9. rhaj0 ( 20/04/2014 20:24)
Inty indray fahendren'ny antitra. Nisy rangahy mpitandrina anglikana hono nilaza an'ity. (globaloba araky ny fahazoako azy.. mety voaova kely noho ny nolazainy)

- Fony zaza hono izy, dia nanonofy (mitsangana) ny hanova an'izao tontolo izao (ho @ tsara). Fa tsy hita izay vita sy natao t@ izany.
- Dia nitombo taona izy, ary nanonofy (mitsangana) ny hanova ny fireneny (ho @ tsara). Fa tsy hita izay vita sy natao t@ izany.
- Dia nitombo taona ihany izy, ary nanonofy (mitsangana) ny hanova ny fiangonany sy ny fokonolona an'azy tao (ho @ tsara). Fa mbola tsy hita izay vita sy natao t@ izany.
- TAoriana dia nanonofy (mitsangana) ny hanova ny fianakaviany sy namany (ho @ tsara) azany ingahy. Fa dia tena mbola tsy hita ihany izay vita sy natao t@ izany.
- Efa antitra io izy, vao tonga saina hoe, ka ny nanova ny tenabe-ny angamba kosany no tokony nataony izay ela izay. Ary izay no nataony nefa toa mbola tsy hita ihany...


Ka inona no lesona sintomina @ izany ?


Rahefa mijery anareo Toriteny mbamin-dry Maranatha aho eto, ka hoe hotry ny tia hanova ny olona etoy ianareo @ toriteninareo, dia ... sao mba misy ianarana io fahendrena io ambony io e... ny tena aloha hiadiana hiova fa avelao ny hafa sy ny fianakaviana na namana, ny firenena sy izao tontolo izao amin'azy any, fa rahefa tafaova ny tena, dia efa iray aloha izay e..


Dia mijery ny tenako indray anefa aho.. dia hoy i Toriteny teo hoe mi-s'eparpiller izany aho... Dia hoy indray aho hoe, raha arak'io ambony io, dia tena mbola manana fo tanora izany aho izany k'nou :)


An an.. dia tsy hita ihany izy ity fa dia samia mandray ny fandikany manokana (interpretation personnelle) dia samia (manao ny) tsara (fotsiny e...)
10. toriteny ( 21/04/2014 08:44)

rhaj0:

Inty indray fahendren'ny antitra. Nisy rangahy mpitandrina anglikana hono nilaza an'ity. (globaloba araky ny fahazoako azy.. mety voaova kely noho ny nolazainy)
Ka inona no lesona sintomina @ izany ?

Ko fa anga izy tsy efa lasa mpitandrina? So d mba tsy hanova ny vie matérielle an'izao tontolo izao izany nofiny izany fa izy no ni-mal interprété? Andriamanitra manko raha maniraka olona izany tsy ny hahatsara ny vie eto amin'izao tontolo izao izany no toriany en priorité fa ny mission an'ny olona efa nandray ny Tompo dia ny hitaomany le plus de monde possible ho ao amin'ny fiainan-danitra fa tsy hanao izay mahatsaratsara ny fiazinana eto ambonin'ny tany akory.

Sady izao koa e ianao afaka destiné amin'ny zavatra anakiray fa ny dikan'izany ianao tokony mila miasa be mba hahatonga an'iny. Fa tsy hoe miandry tolorana fotsiny de ho convertis daholo ny olona rehetra.

rhaj0:

Rahefa mijery anareo Toriteny mbamin-dry Maranatha aho eto, ka hoe hotry ny tia hanova ny olona etoy ianareo @ toriteninareo,

Amiko manokana aloha dia izay no mission ako: ny hitondra olona betsaka indrindra eo amin'i Jesosy. Tsy hitako izay tatatatàna sy handaniana andro eto raha tsy izay. Raha ny tiako aza dia samy ho voavonjy daholo ianareo rehetra.

rhaj0:

dia samia (manao ny) tsara (fotsiny e...)

Ka tsy ny manao ny tsara anie hoa ny tanjona e. Fa raha hanao ny tsara du matin au soir aza ianao, rehefa tsy manana an'i Jesosy ianao tsy ho tafiditra any an-danitra fa ho lany andro sy vola ihany fa mbola any amin'ny farihin'afo ihany.
11. rhaj0 ( 22/04/2014 10:55)
Ilay hoe "manofy mitsangana" dia ireny "mandrevirevy" hoe, hanao an'izao aho dia hanao an'izao... fa tsy hoe "nanofy-fa-nisy-naniraka".. Ka t@ mbola kely sy fony tanora izy izany dia izao tontolo izao sy ny fireneny no mba norevireveny hoe hovainy.. dia lasa mpitandrina angamba izy io izany taty aoriana io ary dia ny fiangonany no tiany hitondrana fiovana. Fa nony antitra izy dia, koa na ny tenany aza tsy voaovany (na avotra) ka dia vaky vava io izy hoe, tokony t@ tenabeny (ihany) izany no natombokany sy nilofosanany..

RAha ny @ ilay "mission"-nao indray re ry Toriteny dia... raha ny hitako sy tsapako (@ elefanta manoloana ahy) avy aty, toa ny noresahina tato, momban-dry Hindu sy Sikh, na koa tato, momban-dry Amerindiana, dia tandremo ihany fa mety ny hiady aman'olona foana fotsiny no lasa fataonao raharaha. Hazavaiko... Raha ny aty Amerika avaratra aloha, dia efa saika hoe, "vivre et laisser vivre" no filamatra. Sarotiny ny olona raha ianao no maneritery sy manindrinindry azy @ fiainany. An'azy ny fiainany, safidiny izany, fa tsy ianao no hilaza azy hoe 'izao no Fiainana". Ohatra ho'a ireo Temoins de Jehovah aty dia efa nakarina Fitsarana mihintsy @ ity fataony mitety dia mangesogesoka ny olona fa mampatezitra. Ampitovian'ny olona toa ireo mpivaro-mandeha-mitety-trano zareo, ary nefa ireto farany ireto dia matetika mpisoloky. Misy mitantara ohatra hoe, ny azy hono avelany hiditra, fa avy eo miboridana izy, satria ao antranony izy, ary dia lasa mitsoaka ilay Temoin..

Ka raha ny anatra atolotr'Ingahibe itsy ambony, dia hoe ny tenabeny no (tokony) ilofosany, fa na ny tenany aza mbola tsy niova (na avotra).. Sa... ianao izany tena mino fa efa "avotra" ianao io ?


Fa raha ny atao eto indray, dia raha ny fahitako azy, dia sahala @ Forum rehetra, na forum teknika io na forum sakafo ohatra : ny tsirairay dia samy mizara ny hita-sy-re-ny, dia ny hafa samy mandry-tsy-mandray izay eo; eny, misy foana no milaza hoe, ny teknikany no "tena izy" (ary tsy avotra izay tsy manaraka izany), na hoe ny recette-ny no "tena izy" (fa ratsy daholo ny recette hafa), fa dia izay no tsapany dia an'azy izany...
12. toriteny ( 22/04/2014 13:58)

rhaj0:

Sarotiny ny olona raha ianao no maneritery sy manindrinindry azy @ fiainany. An'azy ny fiainany, safidiny izany, fa tsy ianao no hilaza azy hoe 'izao no Fiainana". Ohatra ho'a ireo Temoins de Jehovah aty dia efa nakarina Fitsarana mihintsy @ ity fataony mitety dia mangesogesoka ny olona fa mampatezitra. Ampitovian'ny olona toa ireo mpivaro-mandeha-mitety-trano zareo, ary nefa ireto farany ireto dia matetika mpisoloky. Misy mitantara ohatra hoe, ny azy hono avelany hiditra, fa avy eo miboridana izy, satria ao antranony izy, ary dia lasa mitsoaka ilay Temoin..


Tsy maninona e. Za mitory foana satria mino ny Hery sy fiasan'ny Fanahy Masina aho. Ka na dia hoenjehina aza, na dia gadraina koa, tsy hitsahatra aho hitory Azy. Raha izaho manana ny jiro no tsy hitory dia izaindray izany no hitondra ireo olona ireo ao amin'ny Tompo? Izany ary anie no tena fifaliana lehibe ho an'ny kristianina e, ny hovonoina noho ny Anarany. MAt 5:11"Sambatra ianareo , raha haratsian'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko"


rhaj0:

Sa... ianao izany tena mino fa efa "avotra" ianao io ?

Aza manahy ny amiko ianao fa efa ela be no efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarako.

rhaj0:

Fa raha ny atao eto indray, dia raha ny fahitako azy, dia sahala @ Forum rehetra, na forum teknika io na forum sakafo ohatra : ny tsirairay dia samy mizara ny hita-sy-re-ny, dia ny hafa samy mandry-tsy-mandray izay eo; eny, misy foana no milaza hoe, ny teknikany no "tena izy" (ary tsy avotra izay tsy manaraka izany), na hoe ny recette-ny no "tena izy" (fa ratsy daholo ny recette hafa), fa dia izay no tsapany dia an'azy izany...

Ho anao izany fa amiko fomba sy hoentina afaka hitoriana ny filazan-tsara avokoa ny zavatra rehetra, na ny eto amin'ny forum aza. Ary tsy haiko ianao fa za tsy ho hitanao any amin'ny forum hafa ankoatran'ny finoana izany. Na dia hoe mahay lakozia aza, na mahay zavatra hafa aza.

13. rhaj0 ( 23/04/2014 19:24)
O ry Toriteny a.. makA recul kely. Dia hevero hoe olon-kafa no miteny ireto valin-teny eto ambany ireto.


Fanontaniana: Dia tena mino ianao fa Izy no mampiteny anao io?
Valiny: Ie mino 100% aho.

Fanontaniana: ianao izany tena mino fa efa "avotra" ianao io ?
Valin: Aza manahy ny amiko ianao fa efa ela be no efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarako.



Ary raha ilay mamaly fanontaniana io anefa (mety) TSY mitovy tadin-dokanga aminao, dia ahoana hoy ianao ?

izaho izao raha mamisavisa eto, dia tena "mino" tanteraka fa afaka ny hiteny toa io ambony io koa ... ohatra... ny Ayatollah Khomeiny....
14. toriteny ( 24/04/2014 03:51)

rhaj0:

O ry Toriteny a.. makA recul kely. Dia hevero hoe olon-kafa
Ary raha ilay mamaly fanontaniana io anefa (mety) TSY mitovy tadin-dokanga aminao, dia ahoana hoy ianao ?

Mbola tsy mazava aminao ihany ve no atao hoe olom-voavonjy?
Amin'ny fomba ahoana no hahafantarako fa efa voavonjy aho? Ny FAnahy izay ato anatiko no nilaza azy satria efa nosoratana fa Rom8:16"Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika."

Raha misy olona (tsy hoe tsy mitovy tandin-dokanga) tsy mino ny hinoako (grosso-modo ilay lazaina amin'ny fanekem-pinoana iny) dia tsy olom-boavonjy izy izany. Satria tokony Fanahy iray ihany no mitarika ny Kristianina efa nandray ny Tompo ho Tompony sy ho Mpamonjiny araka ny voasoratra ao amin'ny

1Kor12:11:"Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany , zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitra-pony ."
1Kor6:17:"Fa izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy ."
1Kor12:13"Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray , na Jiosy na jentilisa , na andevo na tsy andevo ; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray ."
JAo15:5"Izaho no voaloboka , ianareo no sampany . Izay miray amiko , ary Izaho aminy , dia mamoa be izy ; fa raha misaraka amiko kosa ianareo , dia tsy mahay manao na inona na inona ."
Tokony ho sève miainga amin'i Jesosy avokoa no mikoriana ao amin'ny olom-boavonjy fa tsy hoe fotony maro (andriamanitra maro) fa tahony no iray (samy hiditra any an-danitra)

rhaj0:

izaho izao raha mamisavisa eto, dia tena "mino" tanteraka fa afaka ny hiteny toa io ambony io koa ... ohatra... ny Ayatollah Khomeiny....

Ary tsy izy ihany, ny Musulman, ny boudhiste, ny indouiste koa anie convaincu fa ry zareo no voavonjy é fa ny kristianina tsisy voavonjy avokoa. Fa inona no maha samihafa ny kristianina amin'ireo? Satria ny ahy ny finoako hiainako, velona, miteny amiko, miara-miaina amiko, manoro ahy fa tsy zavatra vakiana fotsiny, tsy fombafomba hatao fotsiny.
15. rhaj0 ( 24/04/2014 15:52)
O ry Toriteny a... makA ho'a recul kely ho'a... Miampy indray ny resakao..


Fehezan-kevitra 1: ny ahy ny finoako hiainako, velona, miteny amiko, miara-miaina amiko, manoro ahy...

dia tena "mino" aho fa afaky ny averin'ny olona aminao koa io... hitako hatraty i Khomeiny mitompo-teny fantatra koa, fa ny fananany ny #1 io no maha-Guide Supreme ao Iran azy, ary inoan-teny ao Iran tokoany izy ka olona an-tapitrisany no manaraka azy @ izany.


Fehezan-kevitra 2: Raha misy olona tsy mino ny hinoako dia tsy olom-boavonjy izy

Ary ny finoan'i Khomeiny ny #2, eto kosany aloha i Khomeiny tena efa sain'ady, no mahatonga izao jihady sy fatwa rehetra izao.


Dia ahoana hoy ianao no (tsy) ilazanay mpijery avy aty ivelany hoe, (tsy) mitovy ianareo, na hoe iza aminareo no "(tsisy) tena izy" ? Dia samy hanao resaky ny bemarenina Itsymahalalaafatsynysaimpantany ao izany nareo rehetra ireo kouh...

Dia "afaky ny miara-miaina" ve ho'a ianareo (na isika rehetra) @ izany ?


Raha iverenako ny loha-hevitra, dia tena aleo(ko) tokoany aloha miverina @ "Ny fahendrena Malagasy tsy lany"...
16. toriteny ( 25/04/2014 14:59)
1)Izao ary e. Ahoana raha hilazako ianao hoe za mivavaka amin'i Athena? Amin'i Apolon? amin'ny Zeus? amin'i Hephaistos? Dia hamaly ianao hoe adala i Toriteny fa ny olona rehetra efa mahalala sy mivavaka amin' Andriamanitra tokana avokoa, ianao mbola taraiky any aoriana be any mivavaka amin'andriamanitra be dia be. Tamin'izany ihany tokoa dia
1)Izao ary e. Ahoana raha hilazako ianao hoe za mivavaka amin'i Athena? Amin'i Apolon? amin'ny Zeus? amin'i Hephaistos? Dia hamaly ianao hoe adala i Toriteny fa ny olona rehetra efa mahalala sy mivavaka amin' Andriamanitra tokana avokoa, ianao mbola
taraiky any aoriana be any mivavaka amin'andriamanitra be dia be. Tamin'izany ihany tokoa dia mbola niheritreritra ny olona fa misy andriamanitra be dia be ka samy naka izay andriamanitra tiany nivavahana. NY hindouisme dia niara niforona tamin'ny dieux grecs ary ny bouddhisme dia niara niforona tamin'ny dieux romains. Mbola samy nanana ny andriamaniny ny tany rehetra fa mbola tsisy nino Andriamanitra tokana amin'izany afa tsy ny firenena Jiosy ihany.Ny hindouisme sy ny bouddhisme izany aloha dia efa tsy izy avokoa tahaka ny tsy izy ny dieux grecs sy dieux romains.

2)Hijery ny branche ny christianisme sy ny Musulman amin'izay isiaka izay samy manaiky
sy mivavaka amin'ny Andriamanitra iray. Ny Musulman koa araka ny resaka tatsy ambadika
tatsy dia nino ny Andriamanitry ny Israely sy nivavaka tamin'io Andriamanitra io ary efa
nahita miracle tamin'io Andriamanitra io (Hagara nihaona tamin'ny anjelin'ny Tompo,
nahafantatra tsara ny promesse de Dieu tamin'i Isaka). Io izany no tokony nivavahan'ny Musulman ihany koa raha tsy niala tamin'Andriamanitra izy. Tsy ny fivavahana MUsulman koa izany no misy ny famonjena

3)Ny Andriamanitry ny Israely izany no Izy. Tsy haiko na hainao ny tantara fa en résumé navoakany tao Egypta izay tany nampanandevo azy ireo ary nampanantenany tany Israely ho azy dia i Kanaana izany. Fa na vahoaka voafidy aza Israely dia katreo Kanaana ihany no fanekena nataon'Andriamanitra azy ary efa tanteraka izany. Tsy nisy tafiditra tany an-danitra ny vahoakan'Israely fa rehefa maty dia maty ihany koa amin'ny fahafatesana faharoa.

4)Izay no antony tsy maintsy nanaovana ny fanekena faharoa dia ny tsy maintsy nahafatesana sy nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty mba tsy ho fatin'ny fahafatesana faharoa ihany koa izay mino Azy. Nefa tsy najanona teo amin'ny Jiosy intsony izany fa efa nahazo ny firenena rehetra.

Ny fehiny izany
-izay milaza fa zavatra no andriamaniny , na maro na tsy ilay andriamanitr'Israely dia TSY IZY
-izay milaza fa kristianina nefa tsy manaiky ny lalam-pamonjena vitan'i Kristy dia TSY IZY
- Izay mijanona amin'ny fanekena voalohany fa tsy mandray ny fanekena faharoa dia mety firenen'Andriamanitra izy fa firenena maty satria hatreo Kanaana ihany ny faneken'Andriamanitra ny zanak'Israely raha tsy miditra ao amin'i Jesosy izy
-Misy milaza kristianina an, nefa tsy i Jesosy Kristy ny azy no Messiany any dia tsy Izy ihany koa

5)Ka raha maianiky ianao fa Andriamanitr'Israely no Andriamanitra Ray ary Jesosy Kristy no Zanany tonga nofo namonjena antsika dia ny Teny ao anaty baiboly no hinoy fa mamaritra ny olona mino sy vonjena .

17. rhaj0 ( 25/04/2014 15:24)
Amiko manokana aloha dia "TSY IZY", araka ny filazanao azy, ny Fivavahana/Finoana iray raha toa ka mitondra @ ady, fanindriana ny andaniny, tsy ara-fizika fotsiny fa na ny heviny/finoany na ny fombany...

Sahala @ resaky ry Tefigasy tatsy ihany, dia amiko, dia ny raisiko dia izay entina am-pitiavana (sy lozika) ihany... fa fandikana manokana (interpretation personnelle) daholo ihany izany rehetra izany (indrindra rahefa "ady" sy "fanindriana ny hafa" ny resaka atao).

Rahefa manaiky (accepter) sy manaja (respecter) ny andaniny ny tsirairay, mahatsapa ny andaniny (compassion) ary izany dia mitondra @ fitiavana na fara-faharatsiny fandeferana (tolerance)... dia afaka miara-miaina daholo isika...

Araka ny filazan'ilay Hindu sy Sikh tatsy hoe, Izy ao ambony ao ihany no mitondra ny Fitsarana farany e... (tazomy ho anao irery ao ny fitsaraNAO ny hafa sy ny atao na finoan'ny hafa any)
18. toriteny ( 25/04/2014 15:49)

rhaj0:

Araka ny filazan'ilay Hindu sy Sikh tatsy hoe, Izy ao ambony ao ihany no mitondra ny Fitsarana farany e... (tazomy ho anao irery ao ny fitsaraNAO ny hafa sy ny atao na finoan'ny hafa any)


Aleo ary hajanona eo amin'izay iny resaka iny é; De toute façon ianao efa manana idée ancrée ao aminao izay tsy voahova intsony. Efa niteny aho dia izay no zava-dehibe, anao no mandray ny décision fa za tsy afaka ny hi-forcée anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2827