Inona ny antony hanarahanao an'Andriamanitra: tahotry ny loza, fitahiana, miracle, .....

1. Tefigasy ( 25/04/2014 06:45)
Inona moa no mahamari-toerana tsara ny fanambadiana na ny tokantrano iray : ny vola sy ny harena mba hahazoana hasambarana, ny bika sy ny endrika, ny fahatanjahana sy ny hery amin'izay mba misy mpiaro sy tsy ho tratry ny loza, ..... sa ny fitiavana ?

Samia mieritreritra fa izao no voasoratra : "Ary Ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo."
novalian'i toriteny ny 25/04/2014 16:11
2. Maranatha ( 25/04/2014 07:19)

Tefigasy:

Inona moa no mahamari-toerana tsara ny fanambadiana na ny tokantrano iray : ny vola sy ny harena mba hahazoana hasambarana, ny bika sy ny endrika, ny fahatanjahana sy ny hery amin'izay mba misy mpiaro sy tsy ho tratry ny loza, ..... sa ny fitiavana ?

Samia mieritreritra fa izao no voasoratra : "Ary Ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo."

Olona ratsy fanahy maro tokoa no ho lasa adalan’ny haromotana rehefa mijaly iharan’ireo loza . Izany dia fisehoan-tebiteby tena mahatsiravina tokoa . Ny Ray aman-dReny dia miampanga ny zanany , ary ireo zanaka dia miampanga ny Ray aman-dReniny , ireo anadahy miampanga ny anabavin’izy ireo , ary ireo anabavy miampanga ny anadahiny . Teo amin’ny toerana rehetra dia nisy figogogogoana sy fanomezantsiny . [colr=red]Ny olona dia nitodika nankany amin’ireo pastora ka nanome tsiny mangidy azy nanao hoe : Hianareo dia tsy mba nampitandrina anay ny amin’izany , hianareo dia tsy mba niteny taminay fa izao tontolo izao dia tsy maintsy miova fo . Mba hampitony ny tahotra rehetra , hianareo dia niteny taminay tamin’ny feo mafy nanao hoe :”Fiadanana, fiadanana” . Hianareo dia tsy mba niteny taminay mikasika an’ity ora ity . Ary nilaza marimarina fa ireo izay nanambara mikasika an’ity ora ity dia nolazaina fa olona mirehi-drehitra foana tsy amin’ny antony , olona ratsy fanahy izay hanary anay . Hitako fa ireo pastora dia tsy afa-nandositra ny fahatezeran’Andriamanitra : Ireo dia tsy maintsy nijaly impolo mihoatra noho ireo olona izay nofitahany . [/color]Premiers Ecrits p 282
3. Maranatha ( 25/04/2014 07:23)
Tefigasy:

Inona moa no mahamari-toerana tsara ny fanambadiana na ny tokantrano iray : ny vola sy ny harena mba hahazoana hasambarana, ny bika sy ny endrika, ny fahatanjahana sy ny hery amin'izay mba misy mpiaro sy tsy ho tratry ny loza, ..... sa ny fitiavana ?
Samia mieritreritra fa izao no voasoratra : "Ary Ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo."

Olona ratsy fanahy maro tokoa no ho lasa adalan’ny haromotana rehefa mijaly iharan’ireo loza . Izany dia fisehoan-tebiteby tena mahatsiravina tokoa . Ny Ray aman-dReny dia miampanga ny zanany , ary ireo zanaka dia miampanga ny Ray aman-dReniny , ireo anadahy miampanga ny anabavin’izy ireo , ary ireo anabavy miampanga ny anadahiny . Teo amin’ny toerana rehetra dia nisy figogogogoana sy fanomezantsiny . Ny olona dia nitodika nankany amin’ireo pastora ka nanome tsiny mangidy azy nanao hoe : Hianareo dia tsy mba nampitandrina anay ny amin’izany , hianareo dia tsy mba niteny taminay fa izao tontolo izao dia tsy maintsy miova fo . Mba hampitony ny tahotra rehetra , hianareo dia niteny taminay tamin’ny feo mafy nanao hoe :”Fiadanana, fiadanana” . Hianareo dia tsy mba niteny taminay mikasika an’ity ora ity . Ary nilaza marimarina fa ireo izay nanambara mikasika an’ity ora ity dia nolazaina fa olona mirehi-drehitra foana tsy amin’ny antony , olona ratsy fanahy izay hanary anay . Hitako fa ireo pastora dia tsy afa-nandositra ny fahatezeran’Andriamanitra : Ireo dia tsy maintsy nijaly impolo mihoatra noho ireo olona izay nofitahany . Premiers Ecrits p 282
4. Tefigasy ( 25/04/2014 09:45)
Tahaka ny olona nanao trano izy , izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin'ny vatolampy ; ary nony tondraka ny rano , dia namely mafy izany trano izany ny riaka , nefa tsy nahahozongozona azy , satria tsara fanorenana izy (Lio.6)

Samia mijery ny fototry ny fiorenany amin'i Kristy, fa izay mifototra amin'ny fitiavana no tsy voahozongozona mandrakizay, n'inon'inona zavatra hiseho sy hitranga dia vonona ny hanolotra ny ainy ho an'ilay malalany !
5. Maranatha ( 25/04/2014 10:37)

Raha tsy handa Azy mafy rehefa tonga ny loza sy ny tokoa...
Io manaraka an'i Kristy lavidavitra io no nahatonga (anao sy) an'i Petera nanda mafy ho tsy mahafantatra an'i Jesoa Matio 26: 58 Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe ...70 Fa izy nandà teo anatrehan'izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao ...72 Ary nandà indray tamin'ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany....74 Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany
6. Tefigasy ( 25/04/2014 10:47)
Ny olona mifototra amin'ny fitiavana izay lazain'ny soratra masina indray izany izao no lazaina fa miaraka amin'ny Tompo eny lavidavitra eny, fa ny olona mifototra amin'ny fahitana, amin'ny loza indray no mifahatra tsara, aza mapme r'ingahy ah ! Dia tena diso tokoa ny baiboly raha izany k'ity !
7. rhaj0 ( 25/04/2014 14:54)
1- reseho lahatra amim-pitiavana sy ara-lozika ny olona
2- rehefa tsy resy lahatra ny andaniny dia ampifamaofaozy (if you can't convince, confuse)
3- rahefa tsy resy lahatra ny andaniny dia ampitahory (if you can't confuse, scare)
4- rahefa tsy resy lahatra ny andaniny, dia daroy (if you can't scare. smack)

Ry mpanao adim-pivavahana (ohatra ry silamo extremiste) izao dia efa any @ #4.
Ny matetika hitako dia #2 sy #3.. akorotany ao ny resaka, ary arangarangany ny kibay, ka rahefa fanina ny trondro, dia heverina fa ho raofim-potsiny.

Miombo-kevitra @ Tefigasy aho... ento am-pitiavana ny resaka e...
8. toriteny ( 25/04/2014 16:11)

Maranatha:
Premiers Ecrits p 282

tsetsatsetsa-tsy aritra kely. Fa maninona no premiers écrits foana no teny alainao? Ilay premiers écrits aloha tsy fantatro, mety boky nosoratan'olona angamba. Fa tsy tsara ve raha ny Teny ao amin'ny baiboly no hanohanana hevitra e? Io no mba hiombonantsika. Manjary hisy hitondra " Sikajin'i dadabe koa rehefa kelikely eo.

Vita ny ()
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4079