born again Christian

1. rhaj0 ( 14/04/2014 14:52)
nakisako eto ity fifanakalozana tato ity fa lasa nanimba ny lohahevitra tao.
O ry Toriteny a.. lazaovy ahy hoe tsy "born again christian" ianao... (alohan'ny hanadihadiako ny @ Nicodemus)

Fa tena hotry ny izy ianao raha ny fahazoako azy.. satria dia voadikanao @ teny gasy hoe "hateraka" ny kabarin-dretsy.

Ho an'ny aty Amerika avaratra, dia "malaza" ireto "born again christianisme" ireto. Ry Georges W Bush ohatra anisany. Ny fanakianana ataon'olo amin-dreo, raha ny fahazoako azy, dia, tena "Itsimanaoafatsynysaimpantany" izy ireo, vao hoe injay fa resy lahatra tanteraka (mino) @-njavatra iray; ary tena tsisy hiadian-kevitra ny azy fa dia izay. Nefa izay toetra na fomba fijery na fiaina na fisainana izay dia mifanipaka @ ... demokrasia sy siantifika...

Inty ohatra lisitry ny born again christian
novalian'i toriteny ny 25/04/2014 15:52
2. rhaj0 ( 14/04/2014 17:02)
Tena "born again christian" i Toriteny..
Porofo: tsindrio eto :)

Hay izany tonga hatrany Dago koa zareo ireto. "Fundamentalist" no fikilasiana an-dreo.
3. endriny ( 14/04/2014 17:52)

rhaj0:

nakisako eto ity fifanakalozana tato ity fa lasa nanimba ny lohahevitra tao.
O ry Toriteny a.. lazaovy ahy hoe tsy "born again christian" ianao... (alohan'ny hanadihadiako ny @ Nicodemus)

Fa tena hotry ny izy ianao raha ny fahazoako azy.. satria dia voadikanao @ teny gasy hoe "hateraka" ny kabarin-dretsy.

Ho an'ny aty Amerika avaratra, dia "malaza" ireto "born again christianisme" ireto. Ry Georges W Bush ohatra anisany. Ny fanakianana ataon'olo amin-dreo, raha ny fahazoako azy, dia, tena "Itsimanaoafatsynysaimpantany" izy ireo, vao hoe injay fa resy lahatra tanteraka (mino) @-njavatra iray; ary tena tsisy hiadian-kevitra ny azy fa dia izay. Nefa izay toetra na fomba fijery na fiaina na fisainana izay dia mifanipaka @ ... demokrasia sy siantifika...

Inty ohatra lisitry ny born again christian



Asa aloha raha fantatrao fa izay mihintsy no fototra ijoroan'ny Kristianina e: "Samy malalaka, manao izay saim-patany, fa I Jesoa sy Atra irery no atahorana". Tsy manaja na mandala ny fahefana sy ny fanjakana misy eo amin'ny firenena itoerany, fa ireny dia fanjakan'ny tany fa tsy an'ny lanitra. Raha any Amerika ianao moa izany dia ny Archbishops mifanandrina amin'ny fitondrana eo an-toerana, tsy mandoa hetra ary manampy tosika sy manafina ireo olona enjehin'ny lalana amerikanina amin'ny alalan'ny federation archbishops.

Dia manenjika ny mpanao siansa anefa manangana hopitaly isaky ny elakela-trano... Vilam-bava moa no filazako azy...
4. rhaj0 ( 14/04/2014 18:18)
Andraso aloha fa hevitra tsy azo mampihazohazo.
endriny:
Tsy manaja na mandala ny fahefana sy ny fanjakana misy eo amin'ny firenena itoerany, fa ireny dia fanjakan'ny tany fa tsy an'ny lanitra.


Io ve no soatoavin'ny ... born again christian?
(dia ahoana no fiantsoana an'ireo @ teny gasy?)
5. toriteny ( 15/04/2014 03:47)

rhaj0:

Andraso aloha fa hevitra tsy azo mampihazohazo.
endriny:
Tsy manaja na mandala ny fahefana sy ny fanjakana misy eo amin'ny firenena itoerany, fa ireny dia fanjakan'ny tany fa tsy an'ny lanitra.


Io ve no soatoavin'ny ... born again christian?
(dia ahoana no fiantsoana an'ireo @ teny gasy?)

Ndraso ary fa hovaliako ianao androany e. Omaly tsin mbola nandeha nivavaka dia voavakiko fotsiny ny topic nao ny hariva fa tsy nanam-potoana namaliana aho. Dia ampitahao amin'io zavatra lazainao io dia ho hita eo raha misy différence na tsia.
6. toriteny ( 15/04/2014 06:38)
Aleo aloha tantaraiko ny fomba naha convertie ahy dia omeko anao ny atao hoe olona converti avy eo ao amin'ny Baiboly sy ny fiombonan'izy ireo amin'ny FAnahy Masina.


18 ans za no nihaona tamin'Andriamanitra, volana décembre. Avant an'io aho dia ado à problème hoy ny psy angamba. Nanala BAcc io taona io nefa ny naotiko tamin'ny 1er trimestre catastrophique b, hanateran'ny olona kabary foana isan'andro dadanay sy mamanay satria manimba ny zava'trolona hono, ary mangalatra paison'olona no tena nataonay tamin'izay. Tena hoe naditra é! NAmalivaly RAD, nandeha tamin'ny fahotan'izao tontolo izao. Za nianatra tamin'ny sekoly katolika taloha (fa tamin'io tany amin'ny Lycée iray teto TAna) fa tsy mamaky baiboly ary tsy mivavaka isan-kalahady ihany koa. Angamba tantara 3 tao amin'ny BAiboly no mba fantatro tamin'izany raha nisy dia nisy.

Tapa-bolana avant an'ny conversion ako dia nisy zanaka prof de MAlagasy izay efa convertie nitori-teny tany am-pianarana, nefa tsy fombany io an, voalohany sady farany izy no nitory teny tamin'io dia ny noteneniny hoe:" Niteny tamiko hoy izy ny Tompo fa misy ankizy tiany vonjena ato am-pianarana". Tsy prévue ny hitori-teny izy izany tamin'io andro io fa tao am-pianarana vao nobitsihin'ny FAnahy. Dia nohanianianay moa izy tamin'izay, za hanisany.

TApa-bolana tao aorian'io, vaccance de noel izahay. Za rehefa tsy mianatra dia eo amin'ny télé foana tsy miala eo ary tena bedin'i mamanay foana za tamin'izay fa hoe tsy vita mitsy ny raharaha fa laozako mijery télé. Zandrinay indray no manao ny raharahako. JAmais de la vie za nihaino radio izany. Efa nisy radio tsy niankina tamin'izany fa tsy tiako fotsiny ny mihaino radio ary tsy mandeha mitsy ny radio ao aminay. Dia nefa tamin'io fotoana io dia nisy zavatra nanosika ahy nandefa radio dia nisy toriteny tao izay tena za mitsy no nolazain'ilay mpanompon'Andriamanitra tao, ohatran'ny hoe dadanay no tao amin'ny radio satria dia fantany daholo ny antsipirihan'ny fiainako.

FA tena en une seconde za d babo. Avy eo ny après midi tontolo andro (teo tamin'ny 3 teo ilay toriteny no tapitra) za nidy tao amin'ny efitrako dia nitolona am-bavaka tena niresaka
tamin'Andriamanitra sy nifona. Fa tena tsapanao hoe olona hafa ianao fa tsy ilay taloha intsony, henonao hoe iny mitsy Jesosy, iny mitsy ny Fanahy MAsina miditra ao aminao rehefa hampandrosoinao eo amin'ny fiainana .
Ny harivan'iny tonga dadanay sy mamanay fa tena olon-kafa tsy izaho maraina intsony no hitany ny hariva. Hatreo dia lasa tsy te hijery télé intsony aho, tsy te hamalivaly ny dadako sy ny mamako intsony, tsy te hangalatra paison'olona intsony ary tena lasa faly be foana.

Tsy nahay nivavaka aho an,tsy nahay ihany koa hoe rehefa inona no tokony hivavaka fa à chaque fois misy zavatra ataoko na à chaque fois misy zavatra manahirana ahy na mahafaly ahy dia tiako zaraina Aminy foana. Na zavatra tsisy dikany aza dia resahiko Azy foana tamin'ny voalohany ary tena mamaly Izy. Ary à chaque fois ianao te hanao zavatra anakiray tsy mifanaraka amin'ny sitrapony dia misy zavatra manohitra be foana ao anatinao. Ilay mangalatra paiso efa tsy tiako sy nataoko intsony fa efa noresahiko ihany ito, fa à chaque fois za te hanao chaplet tam zay(za mieritreritra hoe tiany io zavatra ataoko io) dia toheriny foana. Torak'izany ihany koa raha misy zavatra tiany hataoko dia misy profond malaise foana raha tsy vita iny. Nisy fotoana za zao nasainy nifona tamin'ilay tompom-paiso, dia nasainy niarahaba olona niady taminay fa saika tsy azoko ny aiko raha tsy tanteraka ilay izy. Dia avy eo ianao maivana b sady mahatsiaro fahasambarana satria nahatanteraka izay noteneniny. Na dia tsy mbola haiko aza tamin'izay ny anton'ireny fihetsiko ireny


Ndraso haka souffle ndray tena ambarako aminao indray ny hoe maninona no tsy maintsy convertie ny olona vao afaka atao hoe kristianina sy ny anjara asan'ny Fanahy MAsina.


Dia taty aoriana moa nampianariny mamaky baiboly amin'izay dia nianatra ny sitrapon'Andriamanitra fa ny fifandraisanay sy Izy dia mbola toy ny taloha ihany: miresaka Aminy aho isak'izay afaka, Izy no andehanako raha misy problème raha misy fifaliana raha misy fahoriana.
7. endriny ( 15/04/2014 07:50)

rhaj0:

Andraso aloha fa hevitra tsy azo mampihazohazo.
endriny:
Tsy manaja na mandala ny fahefana sy ny fanjakana misy eo amin'ny firenena itoerany, fa ireny dia fanjakan'ny tany fa tsy an'ny lanitra.


Io ve no soatoavin'ny ... born again christian?
(dia ahoana no fiantsoana an'ireo @ teny gasy?)


Ny marina dia manomboka borina ny fiangonana any amin'ny tany manankarena fa leon'ny fampihesonana ny kila. Dia aleo arehitra indray faraparany ny afo fa efa ho lany ihany ny kitay fandrehitra.

Ny Papa aza tsy maintsy novaina haingana noho ny hafainganan'ny fivoaran-draharaha. Dia izao manaiky ilay sodoma...
8. toriteny ( 15/04/2014 08:11)
Lasa ndray isiaka ô.

Tsy maintsy hateraka vao mandova ny fiainana mandrakizay.


-efa hainao izao ilay Teny ao amin'ny JAo3:3 Tsy maintsy hateraka indray ny olona fa raha tsy izany dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.
Io ateraka io no atao hoe conversion =na batemin'ny FAnahy . Ary tsy maintsy ateraky ny FAnahy ny olona vao
-Efa hainao koa ny Gal 2:20. Fa tsy ilay olona intsony no velona fa i Kristy no velona ao anatiny.

Ahoana no hahalalana hoe converti ny olona iray

- Rom 8:14-16 :" Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.Fa tsy nandray fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo , fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana , izay iantsoantsika hoe : Aba Ray ô. Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika"

Sy ny And 9 amin'io Asa 8 io ihany : Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo , fa ao amin'ny Fanahy , raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy , dia tsy Azy izy."


-Asa1: 7-8:" Fa hoy kosa Izy taminy : Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany .Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo , ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany."


Tena omena FAnahy MAsina ny olona converti ary miasa ao aminao io FAnahy io
FAnahy MAhery io omena ny mpino io, rehefa avy converti izy ireo 2Tim1:7 :" Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika , fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena."
9. endriny ( 15/04/2014 08:22)
Izao no lazaiko anao ry Toriteny.
Raha te ho olom-baovao ianao dia tsy maintsy manafino ny lasa rehetra sy ny nahazatra. Izay no dikan'ny hoe tsy maintsy ateraka indray, fa tsy hoe fafazana rano sy petahina marika lakroa mbola kely akory.
Raha manana tany iray dia ianao, efa misy trano eo, nefa ianao te hanana trano tsara eo amin'io tany io. Dia tsy maintsy arodana aloha ilay taloha, fa tsy lalorina fotsiny na lokoina... Tapitra tompoko
10. vahiny2004 ( 15/04/2014 09:59)

endriny:

Asa aloha raha fantatrao fa izay mihintsy no fototra ijoroan'ny Kristianina e: "Samy malalaka, manao izay saim-patany, fa I Jesoa sy Atra irery no atahorana". Tsy manaja na mandala ny fahefana sy ny fanjakana misy eo amin'ny firenena itoerany, fa ireny dia fanjakan'ny tany fa tsy an'ny lanitra.


Dia mampianatra zava-baovao ho anay kristiana indray ianao izany !
Aza dia miteninteny foana e, mba diniho ihany izay tenenina
11. toriteny ( 15/04/2014 10:34)

endriny:

Izao no lazaiko anao ry Toriteny.
Raha te ho olom-baovao ianao dia tsy maintsy manafino ny lasa rehetra sy ny nahazatra. Izay no dikan'ny hoe tsy maintsy ateraka indray, fa tsy hoe fafazana rano sy petahina marika lakroa mbola kely akory.
Raha manana tany iray dia ianao, efa misy trano eo, nefa ianao te hanana trano tsara eo amin'io tany io. Dia tsy maintsy arodana aloha ilay taloha, fa tsy lalorina fotsiny na lokoina... Tapitra tompoko


Fa za nga nanohitra an'izany?
12. bor2lais ( 15/04/2014 12:20)
H.S
Gravy koa ity tsy mahay teny anglisy ity ka ! Hay ve i toriteny no lazaina eto @ ity lohahevitra ity fa tsy i Christian e ! Teraka indray i toriteny izany ? :-)
Tapitsa ny H.S ô ! Tanjemo tezitsa a ! :-)
13. toriteny ( 15/04/2014 12:39)

bor2lais:

H.S
Gravy koa ity tsy mahay teny anglisy ity ka ! Hay ve i toriteny no lazaina eto @ ity lohahevitra ity fa tsy i Christian e ! Teraka indray i toriteny izany ? :-)
Tapitsa ny H.S ô ! Tanjemo tezitsa a ! :-)


Za kou ary anga namaky ny zavatra voasoratra ao akory amin'ny tsy fahaizana teny anglisy. Angamba ho avy eto izy hanazava ny ao anatin'ny zavatra narosony fa za alou tena tsy mahay anglais é!!
14. rhaj0 ( 15/04/2014 13:14)
Miala tsiny zareo raha teny anglisy ny resaka tondroiko @ rohy eto. Ka io no mora azo avy @ google. Nisy adi-hevitray taty, fa tena tsy ahitan-javatra loatra rahefa mi-google @ teny frantsay, satria ilay algorithme an'i google @ fitadiavana resaka (search) hono dia metimety tsara @ teny anglisy. Ka dia izay izany. Kanefa moa na inona na inona atao izao, hatrany am-piasana ka hatramin'ny rehefa miaraka @ fianakams, raha vao misy fanontaniana dia mi-google..

Fa raha tsy diso aho, raha Chrome no ampiasainao, dia (indraidray) izy manolotra anao fandika-teny (translation). Raha tsy izany dia ataovy @ google-translate indray e... Sady mianatranatra teny anglisy eo moa zareo a...


Fa ilay hoe "Born-Again Christian" dia efa anarana (denomination). Izany no tiako ahafantarana hoe, inona no teny malagasy noraisin-drizareo. Fa ilay "hateraka" lava lazain'i Toriteny dia isan'ny ventesin'ireo "Bord-Again Christian" ireo.


Namaky ny tantaram-piainan'i Toriteny aho. MIsaotra anao @ fahatsoranao. Mendri-piderana izany. Fa toatoa izay daholo tokoany no tantarain'ireo Born-Again-Christian. Misy hoe tena mamolava mpamono vady, fa tampoka teo, "born again". I George W Bush moa dia toatoa izay, mamolava sy mpidaina sy mpirevibe, fa indray andro dia .. "teraka indray" hono e...


Fa ny manahirana an-dreo, dia lazainy fa mahita na mahare na mahatsapa hono izy fa tena namena "mission", izay azony direct avy any ambony any, ary dia tena bao-tsy-mivily @ izay izy.

Mitazatazana avy aty aho, dia nahita ohatra fa i Ny Hasina Andriamanjato ao izany dia toatoan'ny voan'izay koa. Efa hitako tatsy @ wikipedia moa, fa nilaza i Ny Hasina fa nahazo bitsika avy any ambony tany hono izy fa hoe tsy maintsy miaraka @ TGV.


wikileak:
http://cablesearch.org/cable/view.php?id=10ANTANANARIVO77
in a January 2009 discussion with Emboff [US Embassy officials], he [Ny Hasina Andriamanjato] cited "divine inspiration" in his decision to join Rajoelina...



Ka dia ahoana hoy ianao... ilay feo sy izay hitany na izay tsapany sy izay aigam-panahin'i Ny Hasina ao ve ohatra, "tena izy" sy "avy amin'Azy" sa ...
15. Maranatha ( 16/04/2014 05:43)

rhaj0:

Miala tsiny zareo raha teny anglisy ny resaka tondroiko @ rohy eto. Ka io no mora azo avy @ google. Nisy adi-hevitray taty, fa tena tsy ahitan-javatra loatra rahefa mi-google @ teny frantsay, satria ilay algorithme an'i google @ fitadiavana resaka (search) hono dia metimety tsara @ teny anglisy. Ka dia izay izany. Kanefa moa na inona na inona atao izao, hatrany am-piasana ka hatramin'ny rehefa miaraka @ fianakams, raha vao misy fanontaniana dia mi-google..

Mba mihiditra kely. Mba dadany indray izany. Raha vao misy fanontaniana dia ny -goole no hanontaniana ? Nefa ve hianareo kristiana??

Ny anay indray raha vao misy zavatra tsy azo na manahirana ka misy adi-hevitra dia manontany hoe ahoana no hevitry ny Tompo ?? Raisina ny Baiboly . Tohanana amin'ny toko sy andininy ny hevitra haroso. (Ny mahafinaritra dia ny ankamaroanay samy efa mahay toko sy andininy avokoa.)
16. toriteny ( 16/04/2014 07:39)

rhaj0:

Fa ilay hoe "Born-Again Christian" dia efa anarana (denomination). Izany no tiako ahafantarana hoe, inona no teny malagasy noraisin-drizareo. Fa ilay "hateraka" lava lazain'i Toriteny dia isan'ny ventesin'ireo "Bord-Again Christian" ireo.


Tsy haiko ny anglais fa ireo no ataon'ny baiboly sy ny Soratra MAsina hoe olona efa nateraka indray, olona efa nandray ny Tompo ho Tompony sy ho Mpamonjiny, olona efa nateraky ny Fanahy, efa vita batisa amin'ny Fanahy MAsina, olom-boavonjy sy miara-mandova ny fiainana mandrakizay amin'ny Tompo, olona voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana, Zanak'Andriamanitra,....


Ny saika adinoko kely teo ambony fotsiny fa ny conversion quelques minutes raha be indrindra dia olom-baovao tanteraka ianao (Toy ny nanjo an'i Saoly) fa tsy hoe miova miandalana ka 5 ans ianao vao olom-baovao. Ary tena ny zava-dratsy nataonao taloha lasa tsy tianao rehefa mandray ny Tompo ianao. Dia io lazainao io mihitsy, mety mpisotro toaka be ianao taloha, mety mpamono vady, mety jiolahy, dahalo, mpamono olona fa ny minitra handraisanao Azy dia tsy tianao intsony ireo


rhaj0:

Fa ny manahirana an-dreo, dia lazainy fa mahita na mahare na mahatsapa hono izy fa tena namena "mission", izay azony direct avy any ambony any, ary dia tena bao-tsy-mivily @ izay izy.

Ny mission ny olona efa nandray ny Tompo dia tsy mivoana ny MAt 28:19 fa miodikodina amin'io foana "koa mandehana ianareo , dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra , manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina"

Na amin'ny asany, na eo amin'ny fiarahamonina, na eo amin'ny fianakaviana, na eo amin'ny firenena dio io foana no mission ny olona efa converti. Ary marina mihitsy fa tsy voahodinao amin'io intsony ny olona efa manana ny Tompo.

rhaj0:

Mitazatazana avy aty aho, dia nahita ohatra fa i Ny Hasina Andriamanjato ao izany dia toatoan'ny voan'izay koa. Efa hitako tatsy @ wikipedia moa, fa nilaza i Ny Hasina fa nahazo bitsika avy any ambony tany hono izy fa hoe tsy maintsy miaraka @ TGV.

Efa nandray ny Tompo i Ny Hasina.

Tsy fantatrao ihany koa ny programmen'Andriamanitra amin'izany tsy maintsy hiarahany amin'ny TGV izany (raha tena marina fa tsy calomnie hanenjehina azy fotsiny) fa Jesosy sy ny Apostoly aza mba nisy nanakiana ihany koa rehefa niara-nisotro sy nihinana tamin'ny mpanota. Aleo izy hanao ny mission any fa hotsaraina amin'ny asany izy any aoriana. Fa tsisy olona converti izany sahy anao somonga ny mission any ka hanakalo ny mission any amin'ny vola aman-karena, fa ny Teniny sy ny sitrapony foana ny important amin'ny olona efa converti noho ny zavatr'izao tontolo izao. Za aloha tsy sahy e. Tena tsoriko aminao fa aleoko mahantra, aleoko maty toy izay hamadika Azy ka hiverin-dalana indray sy hanakalo ny mission ako amin'ny vola sy voninahitr'izao tontolo izao.

17. toriteny ( 16/04/2014 07:46)
Fanampin'io Mat28:19 io koa ny mission an'ny mino dia ny ho vavolombelony amin'ny olona rehetra ny amin'izay efa hita sy re.(Asa22:15)
18. rhaj0 ( 16/04/2014 12:50)
Ny @ google aloha dia tena ampiasaina isan'andro mihiratra tokoany, na google-news na google-translate. Tsindrio anie ireto manaraka ireto dia ... ankafizo e : na vaovao any Dago izany, na ohatra hoe, ahoana ny kabarim-panambadiana, na hianatra C++, na hoe ahoana ny niforonan'izao tontolo izao. Raha te-hijery (tsy afa-tsy) Baiboly dia avy ao koa; koa na ianao Maranatha anie ka sirika avy ao e ...


ny @ Ny Hasina Andriamanjato indray dia wikileak io miteny io. Fampatsiahivana fotsiny, fa ny hita @ wikileak, ohatra io nameko anao io ry Toriteny, dia ireo tatitra nalefan'ny ambasady amerikana any Washington. Tsy resak'eh na resak'i LGDI na Madagate io, fa tatitra ataon'ny profesionaly, ary mety vakian'i Obama akoriny aza, ka hanapahany hevitra ny momba ny any Dago. Io notaterin'i Niels io izany, ary nataony "entre guillemet" mihintsy mba hilazana fa i Ny Hasina no niteny azy.

ka t@ Janoary 2009 io izany, dia nampiresahina i Ny Hasina, ary dia ... "nobitsihin'ny tany ambony" hono Ny Hasina fa hiaraka @ TGV... dia tsy hitaNY ve fa fanonganam-panjakana no ho atao??? dia hoy ianao hoe izay indrindra ilay "plan'Andriamanitra"??? aoka re ry Toriteny...
19. toriteny ( 16/04/2014 13:37)

rhaj0:

ka t@ Janoary 2009 io izany, dia nampiresahina i Ny Hasina, ary dia ... "nobitsihin'ny tany ambony" hono Ny Hasina fa hiaraka @ TGV... dia tsy hitaNY ve fa fanonganam-panjakana no ho atao??? dia hoy ianao hoe izay indrindra ilay "plan'Andriamanitra"??? aoka re ry Toriteny...

Efa nomena ny Fanahy MAsina izy hanoro lalana azy sy manoro ny zavatra tokony hataony

Mety hisy fotoana za indray andro any hitori-teny amin'ny olona mivoaka alina sy mpivaro-tena, tsy fantatra izay mbola hitondran'Andriamanitra ahy any aoriana any. Mety hahita ahy eny Tsaralalana enao dia lasa ve ianao hiazakazaka eto amin'ny forum hoe lasa nivaro-tena i toriteny? Izany no noteneniko anao hoe tsy hainao ny plan an'Andriamanitra mikasika azy

Fa ny fantatro fotsiny, raha ny zavatra tsapako en tant que convertie, dia tsy hanao izay hampalahelo ny Tompoko izany mihitsy aho, na ny hi-décevoir azy. Isiaka anie mbola samy hotsaraina amin'ny asantsika avy é(Apo20:12) ary ny ahy manokana io ny ahy no tsinjoviko.

Taloha koa za nanao ohatranao. Voatanisako Taminy daholo ny adalan'ny olon'Andriamanitra sy ny tsy olon'Andriamanitra rehetra ity. Fa nampianariny aho fa tsy anjarako izany. Ny anjarako dia ny mivavaka ho azy ireo, ny manoro ny hadisoany sy ny sitrapon'Andriamanitraraha tena fantatra hoe nanota izy ireo fa tsy ny mitsara azy.
20. rhaj0 ( 16/04/2014 14:06)

toriteny:
Izany no noteneniko anao hoe tsy hainao ny plan an'Andriamanitra mikasika azy

"Izaho" aloha TSY mahay izay "plan'Andriamanitra".

Fa izy, Ny Hasina, izany, hoy ianao, dia nahay (satria nahare ilay bitsika), ary io nataony io, ny niaraka sy nanohana ny fanonganam-panjakana. Ahoana no tsy hilazanay mpijery hoe, ka "izay" izany (fanonganam-panjakana) no plan'Andriamanitra? izay no plan t@ io volana Mars 2009 io? Ary nirahiny i Ny Hasina hanampy hanantanteraka izany?


Miala tsiny aho raha ohatra ka lasa politika ilay izy (ho an'izay tsy tia politika), fa raiso ohatra ity adi-hevitra ity ahafahana mahazo ny finoana ao @ tsirairay.

Fa tsy miala tsiny aho raha toa ka voarirarira eto i Ny Hasina. Efa personnage publique izy manao politika io ka dia zon'ny publique ny manarasara ny fomba fisainany na fandraisany fanapaha-kevitra.


Fa ny tiako ahatongavana dia hoe : ilay "finoana" no mitondra ny fanaovana politika @ ireo born-again-christian ireo. Amiko dia ZAVA-DOZA izany. Satria ilay lazainy fa "finoana" dia... (mety ho) fandikana manokana (interpretation personnelle, na subjective) an'ilay ranamana fotsiny ihany, nefa dia akapony tsisy adi-hevitra ho plan'Andriamanitra.


Dia fanampiny koa... ohatra eto izao, dia ahoana hoy ireo mpino hafa izay niaraka t@ Ravalomanana, na koa fotsiny, ireo mpino izay fatra-panaja ny lalAna sy ny demokrasia, raha ohatra ka itsy "mpino" iray itsy no milaza fa io (faharavana sy fahasimbana io indrindra) no "plan'Andriamanitra" ???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7864