mivavaka ny ankizy

1. rhaj0 ( 08/04/2014 14:29)
Nahita ny ampianarina ny ankizy any @ sekoly katolika taty aho, ny @ rahefa mivavaka.

Dia napetraka ny tranga, hoe, i Ketaka dia tsy nihaino ny r-a-d-ny, ary dia tafaborotsaka tamina tranga izay mandika lalAna. Raha mivavaka i Ketaka, ka mangataka famelana ary miniana fa ho hendry @ manaraka, dia... "(mendrika ny) ho valian'Andriamanitra" ve ny vavakany?

Dia hoy ny valin-tenin'ilay ankizy nanontaniana hoe: TSIA. Satria tsy ara-drariny raha ho afa-maina @ fandikana lalAna i Ketaka, ary naman'ny manohana ny fandikana lalAna izany Andriamanitra raha mamela azy.

Dia hoy ny valin-teny ofisialy, afaka mivavaka foana i Ketaka fa Andriamanitra no tompon'ny teny farany.

ka ahoana kosa ary hoy ianao...
novalian'i rhaj0 ny 14/04/2014 12:58
2. rhaj0 ( 08/04/2014 14:32)
Diso kely aho @ teny ampiasaina, fa ilay "famelana" nangatahin'i Ketaka etsy, dia ny hoe, tsy ho enjehin'ny lalAna sy ny mpitandro filaminana izy. Izany hoe "nivavaka" i Ketaka mba tsy ho voahenjiky ny lalAna fa ho afa-maina.
3. toriteny ( 08/04/2014 14:54)

rhaj0:

Diso kely aho @ teny ampiasaina, fa ilay "famelana" nangatahin'i Ketaka etsy, dia ny hoe, tsy ho enjehin'ny lalAna sy ny mpitandro filaminana izy. Izany hoe "nivavaka" i Ketaka mba tsy ho voahenjiky ny lalAna fa ho afa-maina.


Dia teneno ilay ankizy nanao tsia hoe:Olona pire noho i Ketaka aza novonjeny ary ny hamonjy ny mpanota no nahatongavany teto an-tany mba hahatonga azy ireo ho marina. Ary tsy mendrika ny hovonjen'Andriamanitra koa izy raha izany. Satria mitovy ny setrin'ny fahotana eo amin'Andriamanitra: dia ny fahafatesana raha tsy mibebaka ny olona.
4. rhaj0 ( 08/04/2014 15:13)
(enti-modin'ankizy no hitako).
Ka i Ketaka anie mivavaka mafy ary manantena ny hiala bala @ lalAna e... ary raha ny fahazoako ilay ankizy, dia mpanara-dalAna izy. Dia izy mpanara-dalAna indray ve no "olon-doza" noho i Ketaka nandika lalAna?
5. toriteny ( 08/04/2014 15:42)
rhaj0:

(enti-modin'ankizy no hitako).
Ka i Ketaka anie mivavaka mafy ary manantena ny hiala bala @ lalAna e...

Ary tsy izy irery ihany no manao an'izany fa olona be dia be mihitsy no mivavaka satria matahotra ny ho voasazy, misy zavatra tadiaviny eo amin'ny fiainana(mitady vola b, mitady zaza, mivavaka mba ho afaka fanadinana) , marary, mandalo ady sarotra. Dia rehefa tsy mahazo izay irintsika isiaka dia manome tsiny an'Andriamanitra, ohatran'ny hoe miasa ho antsika Andriamanitra ka azo baikona sy azo homena tsiny rehefa tsy mahavita ny asa izay nampanaovintsika Azy

Zaho tsy miteny hoe ratsy izany ary tena "Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy" (Sal 46:1b) fa tsy tokony izany no hanantonana an'Andriamanitra. Haintsika loatra ny Teniny ao amin'ny Matio 6 : 33" Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany". Ka raha tena famelàna heloka sy fibebahana no tadiavin'i Ketaka dia oùmen'Andriamanitra azy izany ary tsy hampaninona azy avy eo na higadra izy na ho afaka satria azony ny essentiel: dia ny pardon n'Andriamanitra.


rhaj0:

ary raha ny fahazoako ilay ankizy, dia mpanara-dalAna izy. Dia izy mpanara-dalAna indray ve no "olon-doza" noho i Ketaka nandika lalAna?

tsy ilay ankizy mpanara-dalàna no lazaiko hoe pire noho i Ketaka fa be dia be ny olona Jiolahy, mpamono olona, mpangalatra, dahalo nigagana nefa rehefa nifanena tamin'ny Tompo izy ireny dia navelany ihany ny helony.

ary mety mpanara-dalàna tokoa ilay ankizy (eo amin'ny lalàn'olombelona) nefa mpanota ihany izy eo anatrehan'Andriamanitra ka mendrika ny ho faty toy an'i Ketaka. Mitovy rehefa mpanota sy fahotana eo anatrehan'Andriamanitra. Izany no nolazain'i jesosy ireo izay saika hitora-bato ilay vehivavy janga hoe "izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany". Ka raha tsy tokony hahazo famelan-keloka i Ketaka dia tokony tsy sahaza ho an'ilay ankizy ihany koa izany ny famelan-kelok'Andriamanitra.

Ary olona toan'ireny mihitsy aza no nahatongavan'ny Tompo teto ary plus ny olona malotom-pahotana, plus misy fifaliam-bo any an-danitra rehefa mibebaka izy
6. rhaj0 ( 08/04/2014 16:12)
ok.. azafady fa diso fandray aho (fa tsy ilay ankizy no olon-doza)

Dia nohitarinao moa ny resaka, hoe ireo Jiolahy (be) nefa mivavaka (be)... (izaho moa ny ankizy sy ny fitaizana azy no nahaliana ahy, fanefa tsara rahefa miitatra @ fiaraha-monina ankapobeny ny resaka... fianarana daholo izany).

Dia eo indrindra, rahefa mijery ny zava-misy (actualite) dia hoe, rizalahy maffia italiana ireo izao ka tena mpivavakabe daholo (mankany ampiangonana, maneho lakroa isaka ny mihetsika, manohana ara-bola ny Eglizy...). Dia miitatra ihany. Ity moa no malaza aty: mivoaka tsy hary afenina intsony izao fa misimisy ary maromaro mihintsy ireto pretra izay nanolana ankizy; na t@ gazety gasy t@ herinandro izao dia pasitera koa mba manao...

Dia ireo izao anefa ka tena mivavaka (@ fony sy fanahiny manontolo). Dia ahoana... "(mendrika ny) ho valian'Andriamanitra" ve ny vavakany?

Dia hoy ianao hoe "tsy tokony izany no hanantonana an'Andriamanitra (..) katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany"

Ireo Jiolahy (be) angaha moa hihaino ny toatoa ny resakao, fanefa, matetika loatra dia toa ... "mivaly ny vavakany"...


Nahakitika ny foko ilay valin-tenin'ilay ankizy etsy ambony... dia tena hevitr'ankizy madio ilay izy amiko.
7. vahiny2004 ( 09/04/2014 12:02)
Ka mila ampianarina ny ankizy , sy ny lehibe marobe ihany koa, hoe ny vavaka dia tsy "magie" ! inona no angatahina rehefa mivavaka ? tsy hoe mivavaka aho mba hiteraka akoho ny omby ! Na hoe fantatra fa diso ny nosoratako any @ feuille d'examen (nolazaiko fa Toamasina ny capital n'i M/car ) dia tokony hovain' Andriamanitra ho Toamasina ny capital raha mihaino ny vavako izy , na hoe ovainy ilay nosoratako any


8. bor2lais ( 09/04/2014 13:52)
Aza manapa-tsinay moa ry vahiny2004 !!! :-) :-)
9. rhaj0 ( 09/04/2014 14:13)
bor2lais:
Aza manapa-tsinay moa ry vahiny2004 !!! :-) :-)

ka ilay olona kosa mba tena mba mila "famonjena" na mila "fahagagana", dia nefa toa "mahatapaka ny tsinainareo"..

ka inona ary no "vavaka" tsy mampikakakaka e... mba omeo ohatra.
10. bor2lais ( 09/04/2014 14:59)
rhaj0 >> Efa hoe mba ampianaro ny "ankizy" ny famaritana ny atao hoe "mivavaka" ! Sa tsy ao @ google ilay izy ! :-)
11. rhaj0 ( 09/04/2014 15:37)
Hitan'i google tokoany, ohatra eto. Ka @ ankapobeny (na Kristiana na Buddhist...) izany dia izao santionany azo atao rahefa mivavaka, raha ny fahazoako azy :
You can ask for answers, seek strength, send good wishes to others, or give thanks.

Dia ny an'ny Buddhist izao dia hoe:
When you send the following loving-kindness prayer, visualize the beings you mention as well, happy, and peaceful, and your thoughts of loving-kindness reaching them, touching them, embracing them and making them well, happy, and peaceful.

Fa ny an'ny Kristiana no nanipika ny eto hoe:
You can thank Him, you can ask Him for things


Io n'enareo... dia ahoana kosany ny Kristiana (sasany) no "tsy hangataka voa-tehamaina" rahefa mivavaka...
12. bor2lais ( 09/04/2014 15:47)
Dia anontanio ny sasany izany na ny google ! :-)
13. rhaj0 ( 09/04/2014 15:49)
Izao koa izao n yan'ny Kristiana:
"expresses your praise, your needs, desires and ask for the will of God to be done."

Dia zovy ianao no hitsara (who are you to judge) fa "tsy izy" ny filàna sy fitadiavana angatahin'ireo maffia, ireo pretra mpanolana, i Ketaka nandika lalàna, ets... dia @izay nefany mety ... "mivaly ny vavakany"...

14. hery ( 09/04/2014 16:59)
Ny vavaka dia fifandraisana amin'Andriamanitra ka dia miankina amin'ilay fifandraisana (relation) aminy no ataonao rehefa mivavaka aminy.

Ny Andriamanitry ny kristianina dia Andriamanitra namana, Andriamanitra fitiavana, Andriamanitra azo ifampiresahana tahaka ny olona rehetra. Raha tena namanao izany Andriamanitra dia tokony izay no hita taratra amin'ny fifandraisana aminy izany.

Eritrereto hoe namanao be no miresaka aminao, hangata-dava ve? mba misy resaka atao ankoatry ny fangatahana koa. Fifampizaràna fiainana. Fisaorana. sns.

Raha eo amin'ilay mangataka moa dia hahazo foana ve? Rehefa mangataka amin'ny namana indraindray tsy mahazo. Indraindray koa fantatra avy hatrany fa tsy hahazo na dia hangataka aza nefa mbola mangataka ihany. Fifandraisana daholo izany.
15. rhaj0 ( 09/04/2014 17:50)
Raha "namana" ka "angatahana voa-tehamaina" dia mety ahazoana tokoany. Ka dia "mivaly izany ny hataka". Ka raha io izany ohatra ry maffia na i Ketaka fa tsy tratran'ny Fitsaran'olombelona, ary nefa dia izay indrindra no hataka nataony. (be dia be no afa-maina t@ Fitsaran'olombelona).

rhaj0:
Nahakitika ny foko ilay valin-tenin'ilay ankizy etsy ambony... dia tena hevitr'ankizy madio ilay izy amiko:
Dia hoy ny valin-tenin'ilay ankizy nanontaniana hoe: TSIA. Satria tsy ara-drariny raha ho afa-maina @ fandikana lalAna i Ketaka, ary naman'ny manohana [na koa mandrisika] ny fandikana lalAna izany Andriamanitra raha mamela azy.
16. toriteny ( 10/04/2014 06:17)
rhaj0:

mihetsika, manohana ara-bola ny Eglizy...). Dia miitatra ihany. Ity moa no malaza aty: mivoaka tsy hary afenina intsony izao fa misimisy ary maromaro mihintsy ireto pretra izay nanolana ankizy; na t@ gazety gasy t@ herinandro izao dia pasitera koa mba manao...


Ny voa no hahalalàna ny hazo. Ny avocatier tsy hanome paiso na manga mandrakizay. Ary ny mpamafy ny voa tsara dia Jesosy. Angamba kosa tsy nisy Jesosy pédophile izany tao amin'ny baiboly, na Jesosy mafia. Ka rehefa tsy mifanaraka ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy voa avy amin'ny hazon'aina izany olona izany fa voa ratsy. Na mompera io, na pasitera, na pape, na loholona na diakona. Ary tsy ny fiambozonana lacroix akory na ny fandehananao any am-piangonana no maha kristianina anao fa ilay Jesosy efa ao anatinao ka mitari-dalana anao hanalavitra an'ireo fomba ratsy ireo.

rhaj0:

Dia ireo izao anefa ka tena mivavaka (@ fony sy fanahiny manontolo). Dia ahoana... "(mendrika ny) ho valian'Andriamanitra" ve ny vavakany?


Eny Tompoko, valiany dia valiany tokoa. Saingy ny olona manana ny Tompo tsy hangataka ho milliardaire izany na hangataka voninahitra izany fa izay sahaza ihany (vavaka nampianarin'ny Tompo). Ary na tsy mangataka aza izy ireo dia miahy azy ireo hatrany Andriamanitra. Mat6:8 " Fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo na dia tsy mangataka akory aza ianareo " sy ny Isa45:11 " ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany ."

rhaj0:

Ireo Jiolahy (be) angaha moa hihaino ny toatoa ny resakao, fanefa, matetika loatra dia toa ... "mivaly ny vavakany"...

Misy hiran'ny Hantatiana izay manao hoe nahona no toa mirehareha sy miadana ny ratsy fanahy. Toa tsy azom-pahoriana ka saika lavo aho nialona.

Aza mialona ny ratsy fanahy izany satria tsy ny eto an-tany no fiainana nampanantenan'ny Tompo antsika fa ny aorian'izao tany izao. Mahalelova azy ary satria ny azy anie 60 ans ihany izy ni ho sambatra e (tena sambatra tokoa ve satria misy fitenenana izay hoe l'argent ne fait pas le bohneur) dia avy eo mijaly mandrakizay. Fa ianao manana possibilité hiadana sy ho sambatra mandrakizay raha mahatanteraka ny fihazakazahana tsara.
17. vahiny2004 ( 10/04/2014 07:53)
Google ve ho référence raha te handalina zavatra iray ianao ? Te hianatra mathématiques ve ianao dia ho ampy anao google ??? Hita fotsiny fa te hitsindrotsindroka sy hanaratsy ny fivavahana i rhaj0

Fakafakao ny Vavaka nampianarin'Izy Tompo dia ho hitanao fa misy structure io hahafahanao mianatra mifandray aminy fa tsy ny mivavaka akory dia manao mimi mangataka lava fotsiny ihany sy hangatahana " voa tsy àry ". Misy koa ny Tenin'Andriamanitra (Baiboly) izay hahitanao ny sitrapon'Andriamanitra hahafantaranao fa Andriamanitra tsy mampandeha anao à l'encontre des règles de la société . Mahalala ny atao hoe responsabilité / conscience koa Andriamanitra

Ka izay no tsy hijanonana eo @ google fotsiny fa any am-piangonana koa misy olona azo ifampizaràna fahalalàna sy expérience .

Tapitra ! Vita tompoko !
18. toriteny ( 10/04/2014 09:40)
vahiny2004:

Google ve ho référence raha te handalina zavatra iray ianao ? Te hianatra mathématiques ve ianao dia ho ampy anao google ??? Hita fotsiny fa te hitsindrotsindroka sy hanaratsy ny fivavahana i rhaj0

Fakafakao ny Vavaka nampianarin'Izy Tompo dia ho hitanao fa misy structure io hahafahanao mianatra mifandray aminy fa tsy ny mivavaka akory dia manao mimi mangataka lava fotsiny ihany sy hangatahana " voa tsy àry ". Misy koa ny Tenin'Andriamanitra (Baiboly) izay hahitanao ny sitrapon'Andriamanitra hahafantaranao fa Andriamanitra tsy mampandeha anao à l'encontre des règles de la société . Mahalala ny atao hoe responsabilité / conscience koa Andriamanitra

Ka izay no tsy hijanonana eo @ google fotsiny fa any am-piangonana koa misy olona azo ifampizaràna fahalalàna sy expérience .

Tapitra ! Vita tompoko !


Mino aho fa indrindfra manantena tanteraka fa tena mangetaheta famonjena tokoa io namantsika io fa ny hitadiavany izany Famonjena izany no tsy hitany hoe aiza no ahitana Azy. (Na dia efa tenenina aza izy hoe ao amin'ilay lien iny hoa no misy ny mety ahitanao FAmonjena :-) ) ka hampiasany izay moyen hainy ahitana Azy. Dia anjarantsika eto no manoro hoe aiza izy no mety hahita famonjena
19. toriteny ( 10/04/2014 09:47)
Tsy hitsahatra mihitsy za no miteny. Ito ilay lien dia vakio miadana fa hihaona amin'Andriamanitra ianao avy eo http://forum.serasera.org/forum/message/m50ec1cbc03d3a
20. rhaj0 ( 10/04/2014 13:11)

toriteny:
...Ary tsy ny fiambozonana lacroix akory na ny fandehananao any am-piangonana no maha kristianina anao fa ilay Jesosy efa ao anatinao...

Ka tsisy mahita izay "ao anatinao ao" fa ny tsapa (perception) dia kristiana lafatra izy ireny, mahay manaja tsara ireo fombafomba... Fa ny "vokatra" kosa koa no hita (objectivement) : "toa mivaly ilay hataka" ataon-dreo. (jereo etsy ambany raha ny @ ireo reliziosy nitantana ireo akain'ny kamboty taty Kebek)

toriteny:
Eny Tompoko, valiany dia valiany tokoa.... [ary] Aza mialona ny ratsy fanahy

Tsy "fialonana" ilay izy fa fahatsapana tsy-rariny (injustice), ary fanoherana izany (na inona na inona filozofia/fivavahana/fombafomba mety hanohana na hanamarina izany "tsy-rariny" izany).

Mbola tsy, ary tsy ho maty, ato an-tsaiko mihintsy ilay hitako t@ ilay fandaharana t@ TV taty, tapa-bolana lasa, momba ireo olona naolana ary nosimbain'ireo reliziosy (sasany) tao @ ilay akanin'ny kamboty taty Kebek. Efa ho 50-60 taona ilay ramatoa sy rangahy amerindiana izao, ary hita mihintsy fa tena potika tanteraka ny fiainany (ara-batana sy ara-tsaina, ary ara-panahy sy ara-sosialy). Noteren'ireo reliziosy hanary ny maha-izy azy izy ireo (ny kolotorany sy ny olony), ary ny fanaovany an'izany, dia an-kerisetra, ary niitatra h@ fanolanana (viol). Dia nefa, toa "nandry am-piadanana" ireo reliziosy nanao izany, ary ny tian'olona apongatra aza izao, dia hoe, "nahalala" tsara izany ny Eglizy, fa nafeniny, ary izany fanafenana izany dia h@ izao andro izao, ary toa ny hoe "namela" ireo mpanao ny tsy-rariny akoriny aza izy.

Raha misy tsy-rariny (injustice), nefa izay institution sy mpitarika (leader) eo TSY miezaka akoriny manarina ny tsy-rariny, fa vao mainka toa manome rariny ny mpanao ny tsy-rariny, dia... isaorako ary ankasitrahako sy hajaiko an-tampon'ny loha ny toa an'ilay ankizy etsy ambony, milaza ny "marina".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2668