mivavaka ny ankizy

21. rhaj0 ( 10/04/2014 14:25)

vahiny2004:
Google ve ...

Tsy google ihany fa ny internet mihintsy no ... manozongozona ny .. fanontaniana :
Is the Internet killing religion?
Ilay fahalalana sy fahalalahana no misarika ny tanora (sy tanora fisainana/fiainana)...
22. toriteny ( 10/04/2014 14:42)
rhaj0:

Ka tsisy mahita izay "ao anatinao ao" fa ny tsapa (perception) dia kristiana lafatra izy ireny

Fantatra foana ny efa nandray ny Tompo sy ny mbola tsy nandray Azy. MAmaky forum eto ary aho dia mahalala hoe ito efa nandray Azy, ito mbola tsy nandray Azy. Ny kristianina efa nandray ny Tompo dia vavolombelon'i Jesosy isan-tsegondra. Ny fiteniny, ny fitafiny, ny fihetsiny, ny aminy rehetra sy ny ataony rehetra dia mitory an'i Jesosy avokoa. Ka fantatra foana io hoe paiso na dia hafeninao ao amin'ny couche d'avocat aza, fantatra foana hoe tsy kristianina na dia manao an'izao sy izao aza

rhaj0:

Tsy "fialonana" ilay izy fa fahatsapana tsy-rariny (injustice), ary fanoherana izany (na inona na inona filozofia/fivavahana/fombafomba mety hanohana na hanamarina izany "tsy-rariny" izany).
.

Dia ny fampianaranao ny ankizy hoe tsy mendrika ny hovonjena ve ny mpanao ratsy no hitanao fa approche metimety kokoa hanoherana ny tsy rariny eto an-tany? Isiaka mihaina eto anivon'izao tontolo izao, izay hanjakan'ny ratsy tanteraka. Tadidio anefa fa tsy miady amin'ny nofo aman-dra ny kristianina fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao , dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra (Efe 6:12). Tsy olona no fahavalontsika ka hoe hankahala olona isiaka satria nanao izao sy izao izy. Raha te hi-dénoncer ny injustice ianao dia ataovy izay hahatonga anao hanana ny mazava fa ny mazava ihany no afaka mandresy ny maizina izay hany fahavalo tokana. Dia rehefa azonao ny mazava dia zarao amin'ny olona mba hanana mazava ihany koa ry zareo.

En pratique izany, raha te hi-dénoncer ny injustice hataon'ny Mafia ianao dia torio teny ny mafia. Ny fariseo rehefa nitondra ilay vehivavy janga teo amin'i Jesosy, niteny ve Jesosy hoe tsara ho anao izay, aleo mihitsy ianao ho torahin'ny olona ny vato eo? NON

Jesosy ve raha nimenomenona ny olona tamin'Izy niditra tao amin'ny tranon'i Zakaiosy ka niteny ny vahoaka nitazana hoe miara-mihinana amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy. Dia nitsaoka ve Jesosy ka niteny hoe ianao hono mpamory hetra? Toriako ianao. Non ny valiny.

Fa inona no nataony hatrany? Ny hanova fo an'ireny foana no nataony ary izany koa no tokony hataontsika: ny hitoriteny amin'ireny olona ireny mba handray ny mazava izy ireny, hiala amin'ny haiza nisy azy taloha ka hizara ny mazava indray avy eo.

Raha amin'ny androntsika zao izao SAoly mety noheloin'ny lalàna ka nigadra mandra-pahafaty satria nampijaly sy namono olona (kristianina). Nefa tsy izay ny plan an'i Jesosy fa novany fo izy ka lasa tonga mpitory sy nitondra olona be dia be ao amin'ny fahazavana, eny na amin'ny androntsika izao aza

Fehiny izany Jesosy dia mampianatra antsika mitsy ny tsy hamaliantsika ny ratsy fa mba hivavahantsika amin'ny fahavalontsika, ny mba hanome rano fisotro sy sakafo ho an'izy ireny, ny hivavaka ho azy ireo. Satria tsy ireny no fahavalontsika fa victimes ny fanahy eny amin'ny rivotra ihany izy ireny izay io no tena fahavalontsika. Victimes ohatr'ahy talohan'ny nisintoman'i Jesosy ahy avy ao amin'ny lavaky ny fahafatesana. Mety hoe tsy namono olona aho fa mpanota toa azy ireny aho nefa dia novonjen'Andriamanitra ihany

rhaj0:

Mbola tsy, ary tsy ho maty, ato an-tsaiko mihintsy ilay hitako t@ ilay fandaharana t@ TV taty, tapa-bolana lasa, momba ireo olona naolana ary nosimbain'ireo reliziosy (sasany) tao @ ilay akanin'ny kamboty taty Kebek.


Dia omeko anao ito teny ao amin'ny Rom12:19 ito :"fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah" (Deo. 32. 35)" Aleo ho an'Andriamanitra ny famaliana azy ireny fa ataovy ny mission anao rehefa avy mandray ny Tompo ianao
23. rhaj0 ( 10/04/2014 16:28)
Tena mazava ary tena lalina ny valin-teninao... saingy... tsy ho takatry ny olon-tsotra, amina fon'olona sy fon-dr-a-d... toa ahy ohatra. Raisiko indray ilay nahazo ilay rangahy sy ramatoa amerindiana fa tena mampalahelo anie ny nanjo azy ireo e.

Izao ilay tantara. Afaka mi-google ianao, ohatra eto, fa ity ny fahazoako azy.

- Ny gvt kebek, t@ fotoan'androny, 40s-60s, dia manome subvention ho an'ny akanin'ny kamboty sy akanin'ny marary saina (mental institution).
- Ny Reliziosy, izay "nandray ny mission", araka ny filazanao, te-hamadika ireo Amerindiana ho Kristiana, dia "namaritra" fa "kamboty" (na "marary saina") izy ireo, sady @ izay koa mba mahazo subvention ($$ be dia be io).
- Dia ny nataon'ireo Reliziosy dia notereny nosarahiny t@ reniny ireo zaza amerindiana. Nopotehiny ny fanahin'ireo zaza, notereny ho ariana ny kolotora sy ny fokony. An-kerisetra, ary niitatra h@ fanolanana (viol) ny fampiharana izany.
- Raha mahare ny tantara ny nanjo ireo amerindiana ireo ianao, dia ho latsaka ny ranomasonao.. ny ahy aloha tena vonto ny foko: tsy rariny loatra.

Rahefa nanontaniana ilay rangahy sy ramatoa t@ fandaharana TV io, dia nilefika nitomany izy ireo ary nilaza hoe, TSY (afaky ny) mamela (pardonner) an'ireo reliziosy sy ny Eglizy izy ireo.

ireo olona ireo izao dia, na dia (noterena) navadika ho Kristiana aza, dia mino aho fa TSY te-ho @ izany mihintsiny.


ka ahoana hoy ianao ry Toriteny.. ahoana koa hoy ny Katolika eto... Hotry ny "mora" ny resakao ry Toriteny fa tena "mafy" ny niainan'iretsy Amerindiana iretsy (ohatra).


PS: Ny fanjakana kanadiana dia efa nifona sy naneho fialan-tsiny imasom-bahoaka (teny @ Antenimiera) ary manome fanonerana n yAmerindiana @ ankapobeny. I Vatican kosany dia mbola TSY nanao izany, ary na ny info tian'ny olona sokirina aza dia mbola afeniny.
Nisy r-a-d-n'ankizy nilaza tamiko hoe, ny sekoly katolika taty dia nanao fampisehoana (exposition) momba ny amerindiana sy ny nanjo azy t@ ireny fanerena azy ireo ho Kristiana ireny. Tena kepoka sy fanina ilay rangahy... fa i Vatican nefa moa mbola tsy mety miaiky...
Nefa ilay ankizy, mpianatry ny sekoly katolika esty ambony, dia ... nibaradaka ny "marina"
24. toriteny ( 11/04/2014 06:21)

rhaj0:

Tena mazava ary tena lalina ny valin-teninao... saingy... tsy ho takatry ny olon-tsotra, amina fon'olona sy fon-dr-a-d... toa ahy ohatra. Raisiko indray ilay nahazo ilay rangahy sy ramatoa amerindiana fa tena mampalahelo anie ny nanjo azy ireo e.


Ary tsy ho vitanao izany raha amin'ny maha ianao anao fa natokana ho an'ny efa nandray ny Tompo irery ihany. Ohatra zao betsaka ny martiora na tany ivelany na teto amintsika no novonoina sy nampijaliana satria mpanara-dia ny Tompo. Dia tokony hitazona lolom-po sy hanao valifaty v izany ny kristianina rehetra? Jesosy aza tamin'ny nampijaliana tsy nanome tsiny ireo nampijaly Azy. Lio23:34?: "Ary hoy Jesosy : Raiko ô , mamelà ny helony , fa tsy fantany izay ataony"

rhaj0:

ka ahoana hoy ianao ry Toriteny.. .

Tsy anjaranao ny mitsara azy ireo, na mavesatra toy inona aza ny halahelonao. Tsy mbola nitranga tamiko ilay seho fa raha ny zanako no ataon'ny olona izany, malahelo aho ny amin'ny zanako fa tsy maha détournée ahy amin'ny nampianarin'ny Tompo ahy hatrizay izany. Ary raha tady ho solafaka aho, mety hisy izany, dia hiazakazaka aingana aho ho eo Aminy mba hanomezako Azy ny ziogago mba hoentiny tahaka ny efa nataony hatrizay tamin'ny andro fahoriako. Important kokoa amiko ny sitrapony noho ny zanako izay d'ailleurs fantako fa efa mandova sahady ny fiainana mandrakizay raha miala ety

Ny anjaranao dia manoro ny hadisoany sy mitory ny tena filazan-tsara dia Jesosy Kristy mba hahafahany manana anjara ao amin'ny lanitra ka tsy hanaovany ratsy intsony. Dia rehefa tsy mandray izany izy dia afaka adidy ianao. Azy sy Andriamanitra ny mi-régler compte amin'izay rehefa maty. Ary hentitra kokoa Andriamanitra amin'ny mpitarika noho ny amin'ny taritina, mety ho mafy kokoa ny saziny raha minia mikipy tsy mandray famonjena izy ireo.

Izany anefa tsy midika hoe tsy tokony hanefa sazy izy ireo an. Tokony hogadraina izany olona izany fa aza avela amin'izao ny fanahiny fa ezaho vonjena foana mba hahatanterahan'ny Mat 25:36
25. vahiny2004 ( 11/04/2014 07:08)

rhaj0:


vahiny2004:
Google ve ...

Tsy google ihany fa ny internet mihintsy no ... manozongozona ny .. fanontaniana :
Is the Internet killing religion?
Ilay fahalalana sy fahalalahana no misarika ny tanora (sy tanora fisainana/fiainana)...


Io indray arakarak'izay tiana ampiasaina azy ka ! Raha tiana hanozongozonana dia azo atao tsara. Ary tsy izay no nolazaiko fa TSY AMPY raha GOOGLE fotsiny e

Tsy ny fivavahana ihany koa no azo hozongozonina @ infos internet fa izay tiana hozongozonina rehetra. Ohatra : teny @ volana ve ny amerikana ?
26. rhaj0 ( 11/04/2014 12:46)
Ilay "certitude" izay tandra vadi-koditry ny finoana/fivavahana no mihozongozona... Hafa ho'a ny taloha, samy mikobona any@ izay misy azy any, ary dia mora ny manisika "certitude" sy manindry. Izao betsaka ny infos, betsaka ny fifanakalozana, tsy voafefy ny fahalalahana.
27. rhaj0 ( 11/04/2014 13:57)
Vaovao farany.. dia nangataka famelana noho ny nataon'ireo pretra mpanolana ankizy ny Papa (jereo eto ohatra).

Izaho manokana dia mbola miandry :

- ny mangarahara (transparency) ka ampahafantarina ampahibemaso ary roahina ka atolotra ny Fitsarana (fitsaran'olombelona) ireo pretra mpanolana ankizy; avoaka daholo ny nafenina h@ izay, h@ hoe iza koa no tompon'andraikitra ambony nanafina tao (anisan'ny ahiahiana ny Papa Benoa)

- ny fanonerana ho an'ireo olona voapotika
28. vahiny2004 ( 11/04/2014 14:42)

rhaj0:

Ilay "certitude" izay tandra vadi-koditry ny finoana/fivavahana no mihozongozona... Hafa ho'a ny taloha, samy mikobona any@ izay misy azy any, ary dia mora ny manisika "certitude" sy manindry. Izao betsaka ny infos, betsaka ny fifanakalozana, tsy voafefy ny fahalalahana.


Fantatrao ve ny maha samihafa ny FOI sy ny certitude ?
Haingana googler-o kely aloha :-P
29. rhaj0 ( 11/04/2014 14:54)
Manketo dia mankaroa ohatra...
Fa hoy aho teo hoe "tandra vadi-koditra" ny "certitude" : diso ve izany?
30. rhaj0 ( 11/04/2014 15:03)
aahh.. tena diso aho. Ilay "certitude" mbola mba miaraka amina "raisonnement", fa ilay "foi" tsisy raisonnement/logique fa tonga ekena.. miala tsiny..
ka dia ilay "foi" izany no .. mihovitrovitra
31. toriteny ( 14/04/2014 06:40)

rhaj0:

Izaho manokana dia mbola miandry :


Hiandry an'izany v ianao vao handroso? Raha ny tsy fahamarinana rehetra eto amin'izao tontolo izao ity foana no hiandrasanao hivaly vao handroso ianao dia eo ianao izany no raisina kou.
Efa ny Tompo izao no milaza fa Izy no hamaly azy ireny dia mbola inona indray no hiandrasanao? Sa miandry so dia tsy à la hauteur ny heloka ny fitsaran'Andriamùanitra?

Indraindray koa anie ny Kristianina hampianarina ny hamela heloka e. Vakio ao amin'ny Matio16:21-35 fa misy fanoharana toy izao ny ao. Nisy lehilahy nananan'ny mpanjaka trosa nefa tsy nahaloa izany izy ka nangataka fotoana kely hanefany izany. Nalahelo anefa ny mpanjaka ka namoy sy namafa ny trosany izany hoe tsy mandoha vola intsony io lehilahy io. Vao nivoaka anefa io lehilahy io dia nahita olona hafa hananany vola. Dia nanao toy ny nataony vao teo teo imason'ny Mpanjaka io olona io izany hoe nangataka fotoana mba hamerenany ilay lehilahy afa-trosa. Tsy nanome an'izany anefa ilay lehilahy afa-tsosa fa nogadrainy ilay hananany trosa. NAheno izany ny mpanjaka dia tezitra mafy ary niverina tamin'ny teniny ka nampigadra ity lehilahy efa nafahany trosa.

Ny tian'i Jesosy ambara eto dia ny helotsika aza efa eken'Andriamanitra hofafana amin'ny ràn'ny Zanak'ondry dia nahoana indray isiaka no tsy hamela ny heloky ny olona mitovy amintsika? Fantatrao tsara ny nahazo ilay olona tsy nahay namela ny hafa fa natao tao an-trano maizina izy ary tsy navelan'Andriamanitra indray ny fahotany.

Izany ve ry Rhajo no tianao hatao aminao koa?

32. vahiny2004 ( 14/04/2014 07:22)
rhaj0:

aahh.. tena diso aho.


Possible ve izany ??? Aza mampihomehy

rhaj0:
Ilay "certitude" mbola mba miaraka amina "raisonnement", fa ilay "foi" tsisy raisonnement/logique fa tonga ekena.. miala tsiny..
ka dia ilay "foi" izany no .. mihovitrovitra


Ny mahagaga dia io " FOI tsy misy raisonnement" io indrindra no tsy vitanao ny manozongozona azy fa mbola mijoro eny foana efa ho 3000 taona izao ka maha-romotra anao manenjika ny mpino sy ny fivavahana etsy sy eroa.

Tsy maharesy lahatra ny olona akory ianao fa toa mbola mino ihany ny olona

Makà recul kely dia diniho io zavatra lazaiko io
33. rhaj0 ( 14/04/2014 12:58)

vahiny2004:
Ny mahagaga dia io " FOI tsy misy raisonnement" io indrindra no tsy vitanao ny manozongozona azy ...


Io indrindra izao no iaraha-mahita aty amerika avaratra aty.. Tsy voan'ny olona (ny tanora) intsony ity "tsy misy raisonnement" ity... ny fahalalana (info) sy fahalalahana (liberte) dia manipaka ireo izay m(p)aneritery ny sainy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0864