IREO VOKATR’ILAY FEO MAFY

1. Maranatha ( 04/04/2014 10:42)

Amin’ireo mponina eto an-tany miely patrana any amin’ny firena rehetra any , dia misy olona tsy nampilefitra ny lohaliny tamin’i Bala . Tsy misy hafa amin’ireo kintana tsy mitranga raha tsy amin’ny alina no hampamirapiratra azy ireo , rehefa mandrakotra ny tany ny haizina ary mandrakotra ny vahoaka ny tsy fahalalana . Any Afrika mpanompo sampy , any amin’ny tany katolikan’i Eoropa sy Amerika Atsimo , any Sina , any India , any amin’ireo nosy lavitra any , ary any amin’ny toerana faran’izay mihataka indrindra eto amin’ny gilaoby , dia manana habaka-baka iray misy ireo fanahy tsongoin’olom-bolo ny Tompo izay hiseho amin’ny famira-piratany rehetra eo anivon’ny haizina , hanambara mazava amin’izao tontolo izao nihemotra ny hery mahaova amin’ny fankatoavany ny lalàny … Arakaraka ny hampahamaizina ny alina no hampamirapiratra ny fahazavany .-Mpaminany sy Mpanjaka p 154

Miatrika an’ilay fanoherana

1.- Vokatry ny tosik’i satana , inona no hataon’ny fivavahana Katolika sy Protestanta mpitsipaka ny fivavahana marina , ary ireo fitondram-panjakana ? Apokalypsy 12 : 17 . Inona no fitoetra izay ho raisin’ny zanak’Andriamanitra ? II Petera 5 : 9 ; Lioka 10 : 19-20


Taitra I Satana rahefa mitatra ho amin’ny saha vaovao ny ady ka voasarika ho amin’ny lalan’Andriamanitra voahitsakitsaka ny vahoaka . Mainka haharomotra ireo izay manohitra ny hafatra ny hery manohana ny fitoriana izany . Hanao ezaka mihoatra noho izay mety ho vitan’ny olombelona ny mpitondra fivavahana mba hisakanana ny fahazavana tsy hamirapiratra amin’ny ondry andrasany . Hampiasainy ny fomba rehetra eo am-pelatànany mba hanafoanany ny ady hevitra mety hatao mikasika ireo fahamarinana fototr’aina ireo . Hitady tohana amin’ny sandry maherin’ny fahefam-panjakana ny fiangonana ary hiray hina amin’izany asa izany ny an’arivony , raha tsy izany dia tsy ho nandre na inona na inona ny amin’ireo fahamarinana izy ireo . -Hery Mifanandrina p 633

2 .- Inona no hanjo an’ireo fianankaviana izay tsy niandany tamin’ny finoan’i Jesosy ? Matio 10 : 21-22 : II Timoty 3 : 12

Ho lazaina fa fikomiana ny fankatoavana ny tenin’ Andriamanitra ho fanarahana ny feon’ny fieritreretany . Hohajambain’i satana ny Ray aman-dReny ka ho sarotiny sy ho henjana amin’ny zanany izay mino , ny mpampiasa lahy na vavy dia hampahory ny mpiasany izay mitandrina ny didiny . Ho levona ny fitiavana , tsy havela handova ny zanaka , ary horoahina tsy ho ao an-tokatrano . Ho tanteraka ara-bakiteny ny tenin’i Paoly manao hoe : “ Izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andiamanitra , izay ao amin’I Kristy Jesosy , dia henjehina” II Timoty 3 : 12 . Rehefa mandà tsy hanaja ny Sabata Alahady ireo mpiaro ny fahamarinana ,dia hisy hatao an-tranomaizina sy hatao sesitany , ho entina tahaka ny andevo . Araka ny fahendren’olombelona dia toa tsy mety hisy izany ankehitriny : Nefa kosa , rehefa esorina tsy ho eo amin’ny olona ny Fanahin’Andriamanitra izay mitana azy , ka i satana no hanapaka azy tanteraka , izy izay mankahala ny fitsipik’Andriamanitra , dia hisy zava-mahagaga hitranga . Lozabe mantsy ny fo rehefa miala ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fitiavana Azy . Hery Mifanandrina pp 633 , 634

3 .- Noho ny amin’ny fitiavana ny fahamarinana , eo anantrehan’iza no tsy maintsy hijoroan’ny vahoakan’Andriamanitra eo amin’ireo faran’ny fahasoavan’ Andriamanitra ? Matio 10 : 16-20

Hianareo dia tsy afaka mahafantatra mialoha an’ireo andraikitra izay tsy maintsy ankinina aminareo . Hianareo dia tsy afaka mahafantatra hoe , aiza no hiantsoana anareo mba hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana , ny sasany dia tsy maintsy hijoro eo anantrehan’ireo mpanjaka sy ireo manampahefana mba hanazava ny momban’ny finoany .Message à la jeunesse p 184
Tsy azontsika antsaina mihintsy ankehitriny fa ny sasany dia tsy maintsy hiady irery , kanefa raha marina fa Andriamanitra dia niresaka tamin’ny alalantsika , dia tsy misy isalasalana fa ho tonga ny fotoana izay hitondrana antsika eo anantrehan’ireo fitsarana sy eo anantrehan’ny olona an’arivony maro mba hiaro ny anarany , ary ny tsirairay amintsika dia tsy maintsy hanazava ny anton’ny finoany . Rehefa izany dia hiseho ny fanankianana tena masiaka indrindra manohitra ny fitoetra rehetra izay miandany manohana ny fahamarinana . Noho izany tsy maintsy ilaintsika ny mianatra ny tenin’Andriamanitra , mba hahatonga antsika ho afaka mianatra manohana an’ireo foto-pampianarana izay arovantsika . -The Review and Herald 18 Decembre 1888 ; Les évènements des derniers jours pp 210 – 211


Ireo fitaovana izay hampiasain’Andriamanitra

4 .- Inona ilay fahaizana ananan’ireo mpiasa izay hampiasain’Andriamanitra ho fitaovana eo amin’ny fotoanan’ny ranonorana farany ? Romana 8 : 35-39 ; Filipiana 2 : 13,15

Toy izany koa no hitoriana ny hafatry ny anjely faha telo . Rehefa tonga ny fotoana hanaovana izany amin-kery lehibe indrindra , dia hiasa amin’ny alalan’ny fitaovana feno fanetren-tena ny Tompo , ka hitarika ny sain’ireo izay manolon-tena ho amin’ny fanomppoana Azy . Ny hosotry ny fanahiny no hahamendrika ny mpiasa mihoatra noho ny fianarana noratoviny tany manin’ny sekoly ambony . Hisy olona manam-pinoana sy tia vavaka ho voasesy hiroso amin’ny hafanam-po masina , ka hanambara ny teny nomen’Andriamanitra azy . Haharihary ny fahotan’i Babylona . Hiseho masoandro avokoa ny vokatra mahatahotra avy amin’ny fanamafisan’ny fanjakana sy ny lalàm-piangonana , ny fitsofohan’ny filalaovana angatra , ny fandrosoan’ny fahefana papaly mangina nefa haingana . Hifoha amin’ny alalan’ireo fampitandremana miezinezina ireo vahoaka. - Hery Mifanandrina p 632

5 .- Ankoatran’ireo mpiasa eo amin’ny tanimboalobok’Andriamanitra , iza ihany koa no antsoina ho toy ny mpitondra faneva eo amin’ny fotoanan’ny ranonorana farany ? I Korintiana 19 : 18 : Matio 20 : 6-7 . Iza ireo olona hiditra ao anatin’ireo laharan’Andriamanitra mandrakizay mba hitory an’ilay hafatra ? Marka 10 : 13-16

Ireo ankizy tenany mihintsy no voatosiky ny Fanahy Masina mba handeha hanambara an’ilay hafatry ny lanitra . Ny Fanahy Masina dia mirotsaka eo amin’ireo rehetra izay manaiky ho fehezin’io Fanahy Masina io , ary rehefa mitsipaka ny hampiasa an’ireo fanaovana rehetran’olombelona ireo fitsipika feno fanerena , sy ireo fomba fiasa feno ankifonofono foronin’ny sain’olombelona , ireo olona ireo dia mitory ny fahamarinana miaraka amin’ny herin’ny Fanahy Masina . Olona an’arivony maro no hino sy hitambatra amin’ireo andian-tafiky ny Tompo . - The Review and Herald 23 Juillet 1895 ; Evangeligèr p 624
Hidodododo ny mpanompon’Andriamanitra hitory ny hafatra avy any an-danitra , ary ny tavany hazava sy hamirapiratra noho ny fanonkanan-tena masina . An’arivony ny feo manerana ny tany , izay hitondra ny hafatra fampitandremana . Hisy fahagagana hatao , hositranina ny marary , ary hisy famantarana sy zava-mahazendana hanaraka ny mpino . Hanao fahagagana mamitaka koa i satana , ary hampidina afo avy any an-danitra mihintsy eo imason’ny olona izy . Apokalypsy 13 : 13 . Amin’izany dia hisafidy izay hombany ny mponina ety an-tany . - Hery Mifanandrina p 638


Hafatra anankiray maneran-tany izay mahatapaka
6 .-Hatraiza no hielezan’ilay feo mafy ataon’ilay anjely fahatelo ? Apokalypsy 18 : 1

Ny anjely izay manampy amin’ny fitoriana ny hafatry ny anjely faha telo dia hanazava ny tany manontolo amin’ny voninahiny . Asa hitatra manerana izao tontolo izao sy manan-kery tsy hay tohaina no voalaza mialoha eto . Fanehoana be voninahitra ny herin’Andriamanita ny fihetsehana momba ny fiverenan’ny Tompo tamin’ny 1840-1844 ; tafapaka hatrany amin’ny foibe fitoriana ny filazantsara rehetra eran’izao tontolo izao ny hafatry ny anjely voalohany , ary teo amin’ny tany sasany dia mbola tsy nisy fahalianana tamin’ny fivavahana toy izany na taiza na taiza hatramin’ny Reformasiona tamin’ny taon-jato faha enina ambinifolo ; nefa hanoatra lavitra noho izany ny fihetsehana miezinezina mandritra ny fanairana farany hataon’ny anjely faha telo . -Hery Mifanandrina p 637
Rehefa afaka izany dia nahita anankiray mahery aho , izay nalefa teto an-tany mba hampitambatra ny feony amin’ilay anjely fahatelo , mba hanome hery sy fahefana an’ilay hafatra entiny . Ilay anjely dia nanana hery lehibe sady nohodidinim-boninahitra . Rehefa nidina teto ambonin’ny tany izy io , ny tany dia dia nohazavain’ny voninahiny . -Premièrs Ecrit p 277


7 .- Inona ireo vokatr’ilay feo mafy ? Jaona 15 : 8 ; Apokalypsy 7 : 3 ; Isaia 53 : 11a

Ilay fahazavana izay nanazava an’ireo niandry teo dia niditra tamin’ny toerana rehetra . Ireo olona izay tao amin’ny fiangonana samihafa , izay nandray ny fahazavana , ireo izay nandre sady tsy nitsipaka an’ireo hafatra anankitelo , dia nankatoa an’ilay antso ka niala tamin’ireo fiangonana lavo … Ireo zanak’Andriamanitra rehetra dia tsy maintsy nizahan-toetra ny amin’izany sy antsoina mba hivoaka hiala amin’ireny fivavahana samihafa ireny . Ireo fanahy mahitsy fo dia nohetsehin’ny hery izay nahatonga azy ireo nanao hetsika , ary teo andanin’izany kosa ny fiasan’ny herin’Andriamanitra dia niteraka tahotra teo amin’ny havan’ireo olona mahitsy fo ireo sy teo amin’ny namany izay tsy nanana finoana nitovy tamin’izy ireo , hany ka tsy vitany ny nanampotsampona ny fanahin’Andriamanitra tao anatin’ny fon’izy ireo tao . Ny antso farany dia tonga mihintsy aza teo amin’ireo olona nandevozina , ary ireo izay tia vavaka dia heniky ny hafaliana teo ampiandrasana ny fahafahana sambatra izay ho tonga aminy … Andriamanitra dia miasa , ary ireo olona masina rehetra dia tsy matahotra mihintsy ny mety ho vokany ,dia nanaraka ny faharesen-dahatry ny feon’ny fieritreretan’izy ireo tao . Noho izany dia nitambatra tamin’ireo izay nitandrina ny didin’Andriamanitra izy , ary nanambara tamin’ny toerana lavitra an’ilay hafatra fahatelo . Hitako fa io hafatra io dia nifarana niaraka tamin’ny hery sy fahefana izay mihoatra lavitra amin’ilay hafatry ny feo mamanton’alina.-Premiers Ecrits p 278

Mba ho saintsainina lalina

Habakoka 2 : 3 ; Matio 5 : 14-16 ; Isaia 41 : 18 ; Matio 16 : 18
Misy olona manan-talenta sy fahaizana mahataona , izay efa nahita fifaliana tamin’ny fanarahana ny fahamarinana , nefa ankehitriny dia mampiasa ny heriny hamitaka ny fanahy sy hampivily azy amin’ny lalan-diso . Ireo no hanjary ho fahavalon’ny rahalahiny teo aloha sady hasiaka indrindra . Rehefa ho entina ho eo anantrehan’ny fitsarana ny mpitandrina ny Sabata mba hanazava ny amin’ny finoany , dia ireny mihemotra ireny no ho fiasan’i Satana mahomby indrindra mba hanosoram-potaka sy hiampangana azy , ka ny tatitra lainga ataony sy ny hevitra hasosony no hanosika ny mpanapaka hamely azy ireo . Ho sedraina ny finoan’ny mpanompon’i Jehovah amin’io fotoana fanenjehana io . Efa nomeny tamim-pahatokiana ny fampitandremana , ka Andriamanitra sy ny teniny ihany no nojereny tamin’izany . Ny fanahin’Andriamanitra , izay nanetsika ny fony , no nanery azy hiloa-bava . Hafanam-po masina no manainga azy , ary Andriamanitra no nanindry azy mafy ka notanterahany ny adidiny ary tsy nahoany kely akory izay mety ho vokatry ny filazana amin’ny olona ny teny nampitondrain’i Jehovah azy . Tsy nijery ny tombotsoany ara-nofo izy na nitady izay hiarovany ny lazany na ny ainy . -Hery Mifanandrina pp 634 , 635

novalian'i rhaj0 ny 08/04/2014 12:36
2. rhaj0 ( 04/04/2014 17:44)

Maranatha:
fivavahana Katolika sy Protestanta mpitsipaka ny fivavahana marina...


Aoka re ry Maranatha... Ireo tsipahinao ireo anefa mety hanipaka anao koa... ka inona izany fa raha hifanipanipaka eto ianareo, tsy hotry ny "guerre des religions.. marina" ve izany tadiavinao atao eto izany ?..
3. Maranatha ( 07/04/2014 05:46)

rhaj0:


Maranatha:
fivavahana Katolika sy Protestanta mpitsipaka ny fivavahana marina...


Aoka re ry Maranatha... Ireo tsipahinao ireo anefa mety hanipaka anao koa... ka inona izany fa raha hifanipanipaka eto ianareo, tsy hotry ny "guerre des religions.. marina" ve izany tadiavinao atao eto izany ?..

Tsy novakianao ny toko sy andininy niaraka taminy dia toa taitra hianao Apok 12:17 Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Ny Avo-indrindra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.
Io Didin'i Tsitoha io no tena fototry ny olana eo @ ireo misora-tena ho kristiana. Tsy te hitandrina io mihintsy izy ireo fa aleony mitandrina ilay didy izay namboarin'ny fiangonana katolika izay nalaina tahaka t@ ny an'i Avoindrindra.

Daniel 7:25 Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro.
Nandritra io fetrandro 3 taona sy tapany io no nanovany azy (izany hoe nadritra ny 1260 jours= 538 k@ 1798) fotoana izay nanjakan'i fivavahana katolika izay notarihin'ireo papiste.
4. rhaj0 ( 07/04/2014 12:34)

Maranatha:
... lasa nandeha hiady tamin'ny zanany

An an.. dia manahirana ahy re ry Maranatha ity kabarinao na ity taterinao lava eto ity : fa dia "ady" (foana) ve izy ity e? Raha "ady" no heverinao hisintomana ny saina sy fon'ny olona dia...

... dia tena ao aminao marina ilay hanao "guerre des religions...marina", na hoe "guerre des religions...tena izy".


... fa dia aleo tongontsongoina faramparany ihany : ka ayatokatolika ianao ao io sa protestantaliban ?
5. Maranatha ( 08/04/2014 10:01)

rhaj0:


Maranatha:
... lasa nandeha hiady tamin'ny zanany

An an.. dia manahirana ahy re ry Maranatha ity kabarinao na ity taterinao lava eto ity : fa dia "ady" (foana) ve izy ity e? Raha "ady" no heverinao hisintomana ny saina sy fon'ny olona dia...
... dia tena ao aminao marina ilay hanao "guerre des religions...marina", na hoe "guerre des religions...tena izy".
... fa dia aleo tongontsongoina faramparany ihany : ka ayatokatolika ianao ao io sa protestantaliban ?

Tsy teniko ireo rhaj0 fa tenin'i Tsitoha, mpitondra hafatra fotsiny aho.
Ary hianao izany anie toa mitady hiteny toy ny mpanjaka ny israely fahiny e:
I Mpanjaka 22:8 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak'i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin'i Tsitoha , saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy. fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka
I Mpanjaka 22:18 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?


Tsy mitondra soa mihintsy izany rhaj0 ny tenin'i Tsitoha a! tahaka ny sabatra roa lela izy maranitra ka mampisaraka ny toniny sy ny tsoka. Hoy ny Tompo Matio 10:34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.

faharoa tsy mahavonjy ny anaram-piangonana fa ny fankatoavana ny sitram-pon''i Tsitoha no tena hilaina. Noho izany tsy hilaza aminao ny anaram-piangonana izay misy ahy aho.

Fa i rhaj0 ve aloha mba noana sy mangetaheta ny fahamarinana e?!
6. rhaj0 ( 08/04/2014 12:36)
Namaky ny bokin'i Obama aho (The Audacity of Hope) ary nisy resaka narosony tena raikitra ato an-tsaiko, ary izay resany izay no tena anisan'ny hitiavako sy hanajako ambony an'i Obama. Ny tadidiko eto dia hoy izy (tsy ara-baki-teny ito fa araky ny fahazoako azy)...

Ny fivavahana, hoz'izy, dia tsara raha raisina @ ilay "fitiavana oniversaly" ventesin'i Jesosy. Tsy tsara, hoz'izy, ilay fandraisan'i G W Bush azy, ilay @ hoe, rahefa miatrika ny zava-misy na ny olona, dia ilay good vs. evil foana no avoitra, na koa, izay tsy miaraka aminy, na tsy mitovy hevitra aminy, dia fahavalo, ary mendrika "hiadiana" (ary na kristiana hotr'azy aza dia hiADIany koa @io).

Eto izao dia tena faly koa aho fa mirona @ fandraisana toa izay koa ny Papa Francis : "who am I to judge?" hoy izy; nampiany hoe "do good: we will meet one another" (h@ Atheist io, ary any @ paradisa io fihaonana io)


Ka izaho manokana koa, dia hitia ary hanaja rahefa "fitiavana" no resahina. Mety tsy mitovy hevitra na fandraisana hevitra ny olona (na isika eto), fa rehefa ny "fitiavana" (compassion) no resahina, dia mino aho fa afaka mampitovy tadin-dokanga foana isika, ary ho manja ny hira (sy ny fiarahana).


PS: mifandray @ resaka atsy, fa fandikanaNAO manokana (interpretation personnelle) ary safidiNAO Maranatha ny handrirarira ADY eto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1144