tokana sa 12 ny vavahady idirana @ paradisa?

21. toriteny ( 07/04/2014 04:21)
rhaj0:

Raha ny fahazoako azy, dia:
- ny Katolika, dia ny Eglizy ihany no mpampianatra (manao ny fandikana, interpretation)
- ny Protestanta sy ny hafa kosa dia nijoro fa afaky ny hanao ny fandikana manokana (interpretation) koa ny rehetra .

Tsy haiko ny finoana hafa fa ny misy ahy no lazaiko dia ny protestant izany. Ny protestant, raha hatao batisa ny zaza iray dia manao fanekena ny RAd fa hampianatra azy sekoly alahady, hanao azy ho mpandray ny fanasan'ny Tompo ary rehefa lehibe ilay zaza ka raisina ho mpandray dia manao fianianana ny hamaky baiboly isan'andro.

Ny protestant dia samy mamaky ny baiboliny . Isan'andro no tokony hamakiana baiboly ary efa misy torolalana toy ny mana isan'andro hitaritana ny mpino izay mila fanampiana amin'izany. Nefa kosa tsy avela hianatra baiboly samirery akory ny mpivavaka indrindra fa raha mbola tsy nandray ny Tompo izy ireo ka mboila tsy nomena ny Fanahy MAsina. Dia izany no anton'ireny fampianarana eo anivon'ny fiangonana ireny: ny sekoly alahady ho an'ny ankizy sy ny tanora ary sampana samihafa ho an'ny olon-dehibe, ampian'ny fiofanana sy ny toriteny isan'kalahady.

Ny tokony ho izy izany dia ianao ihany no mamaky baiboly na lehibe ianao na kely. Fa raha mbola kely na mbola tsy manana ny FAnahy MAsina ianao dia tsara ny hampianarana anao sy hanazavana anao ny dikan'ny voalaza ao amin'ny baiboly mba tena fampianarana marina no azonao amin'izany fandinihana ny baiboly izany. Fa rehefa efa manana ny FAnahy MAsina ianao d Izy amin'izay no mitarika anao sy mampianatra anao. NY Fanahy MAsina izay Mpampianatra mahay indrindra. Izany akory tsy midika hoe tsy mampiasa olona Izy hampianarana anao. Mety mampiasa mpanompon'Andriamanitra Izy, mety mampiasa hira fiderana, mety mampiasa zavaboary, sns mba hampianarana sy hanazavana anao ny sitrapon'Andriamanitra.

Ohatra zao vo tamin'ny tapa-bolana mihitsy ito zavatra ito no niseho. efa hatriny fony zaza aho no nahalala ilay tantaran'ny vehivavy janga noentin'ny FAriseo teo amin'ny Jesosy (Jao8) ka nilazan'i Jesosy azy ireo hoe izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany. Fa namerina namaky an'io passage io aho tamin'ny tapa-bolana ary sambany vo voatsikaritro fa hay nanoratra tamin'ny tany Jesosy tao aorian'ny nilazany an'io teny io (Jao8:8 Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny ratsan-tànany) . Dia nangetaheta ny hahafantatra izay nosoratany teo amin'ny tany aho tamin'izay. Dia moins d'une semaine taty aoriana nomeny ahy ny valiny. Marihiko kely fa za tsy dia manaraka mana isan'andro, tsy tao anaty mana tokony hovakian'ny mpino tamin'ny volana mars io passage io noho izany tsy tokony hiompana amin'io passage io ny fampianaran'ny fiangonana nefa dia azoko ihany ny valin'ilay izy. Mbola nomeny 2em avis koa aza aho taorian'io ary mikasika io soratra nataon'i Jesosy io ihany fa ilay 2eme avis azoko tamin'ny famakiako Soratra Masina hafa .

Dia ohatran'izany ny fitarihana sy fampianaran'ny Fanahy Masina. Tsy haiko na mazava aminao?
22. moustaraf ( 07/04/2014 06:13)
Salama namana,
lasa misavoana be ilay resaka e!
vavahady tokana sa 12 no nohadihadiana fa tsy izany taralila lava reny tsy hita izay ifandraisany akory.
aleo mba ny hafa indray no hamoaka hevitra e!
23. moustaraf ( 07/04/2014 06:21)
Ny tiana ahatongavana dia "ny ifandraisan'ilay vavahady tokana, sy ireo 12 ireo" izay tsy maintsy idirana ao Jerosalema vaovao, tsy misy faha 13 na faha 14....
-Vavahady 12 = anaran'ny fokom-pirenen'i Israely
N.B: tsy fanontaniana adaladala akory izany ry namana isany, fa mety hampahazava amintsika ilay toriana foana hoe Famonjena; satria io no dingana farany lalovana mba ho isan'ny olom-bonjena isika.
24. toriteny ( 07/04/2014 06:47)

moustaraf:

Salama namana,
lasa misavoana be ilay resaka e!
vavahady tokana sa 12 no nohadihadiana fa tsy izany taralila lava reny tsy hita izay ifandraisany akory.
aleo mba ny hafa indray no hamoaka hevitra e!

Ianao ty kou masika a!
Ilay sujet efa voavaly angamba sa tsy haiko indray inona no mbola tsy mazava aminao ny amin'ny resaka vavahady 12.
Fa mba ho fanajana anao d tsy haneho hevitra ato am ty sujet ty aho raha izay no tinao (ho an'ny hs : )

D mba hatoroy rhajo rehefa mankeo avy eo.
25. bor2lais ( 07/04/2014 12:31)
moustaraf:

Ny tiana ahatongavana dia "ny ifandraisan'ilay vavahady tokana, sy ireo 12 ireo" izay tsy maintsy idirana ao Jerosalema vaovao, tsy misy faha 13 na faha 14....
-Vavahady 12 = anaran'ny fokom-pirenen'i Israely
N.B: tsy fanontaniana adaladala akory izany ry namana isany, fa mety hampahazava amintsika ilay toriana foana hoe Famonjena; satria io no dingana farany lalovana mba ho isan'ny olom-bonjena isika.

Tsy fantatro aloha raha misy ifandraisany na tsia ireo vavahady lazainao ireo fa ny antsoinao hoe vavahady tokana (ilay an'ny Mpiandry Tsara mahalala ny ondriNY izay mahalala ny feoNY) amiko no idiran'ny mpanara-dia an'i Jesoa ! :-)
Mpamaky vala na mpangalatra ireo izay tsy miditra amin'io vavahady io hoy Izy. Fitaovana nentiNY nampianarana sy nampitandremana ny ondriNY io resaka "vavahady" iray io.

Io vavahadim-bala io ve no ampifandraisinao amin'ireo vavahady 12 ao @ apokalypsa ? :-)

Raha raisina amin'ily kisarisarin-teny nampiasain'ny namana etsy ambony dia izao ny hevitro : Izay ametrahaNY ny ondriNY avy eo tsy olana amiko (na pelouse na gradin na tribune) : Izy rahateo no efa nampanantena fa amboatra fitoerana ho azy ireo, noho izany Izy no mahafantatra izay asiaNY ny ondriNY fa tsy ny ondry akory no hifidy toerana ipetrahana !

Ahy ihany anefa izay ry Moustaraf ! Samy manana ny azy moa izy io ! :-)
26. rhaj0 ( 07/04/2014 12:46)
Hoy Moustaraf hoe "misavoana" ny resakay sy i Toriteny momba ny "interpretation personnelle" rahefa miresaka, nefa dia io tondroin'i Bor2lais io tsara mihintsy izy hoe "interpretation personnelle"-n'i Bor2lais koa no narosony, izany hoe, ankolaka, "interpretation personnelle"-n'i Moustaraf koa ny azy...

Fa dia tairo ny hira e..

Revy samy manan'ny azy e
Vavahady samy manan'ny azy e
Fandikana samy manan'ny azy e
Fa samy hihaona foana isika amin'Azy e...

(rehefa manao ny tsara)
27. bor2lais ( 07/04/2014 14:13)
rhaj0 >> ianao injay no mahita ilay hoe "ankolaka" a : "interprétation personnelle"-nao koa io izao ! :-) :-)
28. moustaraf ( 07/04/2014 14:46)
salama namana,
toa tsy misy afaka mamaly akory lay fanontaniana!!
raha tsy mifandray ireo dia misy iray diso tsipelina ao @ baiboly; na ijk na i Jaona ???
inna ary no izy??
29. bor2lais ( 07/04/2014 14:51)
moustaraf:

raha tsy mifandray ireo dia misy iray diso tsipelina ao @ baiboly; na ijk na i Jaona ???

Na koa isika no tsy mahazo ny tian'izy ireo lazaina ka mampitovy ny tsy tokony ampitoviana ! :-)
30. rhaj0 ( 07/04/2014 15:47)
Injaijay aho mihevitra hoe, mety ihany ny an'ny katolika: avelao ho an'ny professionnel ny lahasa (manao interpretation sy mampianatra). Izao samy manan'ny azy, ary dia raiktra ny "guerre des religions...tena izy"
31. rhaj0 ( 07/04/2014 15:53)
... dia lazain-drizareo hoe "nilatsahan'ny fanahy masina" hono izy ao @interpretation-ny ao... fa dia mikakakaka foana angamba ny ao am bony ao...
32. bor2lais ( 07/04/2014 16:10)
rhaj0:

Izao samy manan'ny azy, ary dia raiktra ny "guerre des religions...tena izy"
...
fa dia mikakakaka foana angamba ny ao am bony ao...

Ilay hevitsao (interprétation personnelle) kosa tena manidina aloha e ! :-)
33. rhaj0 ( 07/04/2014 18:52)

moustaraf:
... toa tsy misy afaka mamaly akory lay fanontaniana!!
raha tsy mifandray ireo dia misy iray diso tsipelina ao @ baiboly; na ijk na i Jaona ???
inna ary no izy??

Raiso re izay mampetimety ny baolinanao ao e... (ka efa io samy manao ny interpretation personnelle-ny ao kouh..)
Dia any @ faha-90min ny fitsarana farany avy Aminy

bor2lais:

rhaj0:

Izao samy manan'ny azy, ary dia raiktra ny "guerre des religions...tena izy"
...
fa dia mikakakaka foana angamba ny ao am bony ao...

Ilay hevitsao (interprétation personnelle) kosa tena manidina aloha e ! :-)

ilay "guerre des religions...tena izy" sa ilay "mikakakaka" no misidina?
Fa dia hevitso kosany daholo daholo aloha izany fa tsisy anaty Baiboly ...
34. rhaj0 ( 07/04/2014 20:05)
Rahefa mba mandinidinika avy ety Ampamarinana ety aho dia, izy ity tena toa sahala @ ireo mpanao baolina, samy mivavaka mafy ny mba handresy (dia samy milaza hoe nolatsahin'ny fanahy masina koa).

Dia raha mandresy zareo dia hoe nivaly ny vavaka
Dia raha resy zareo dia hoe fitsapana iny.

Koa na ianao aza ve ry Bor2lais tsy hikakakaka.
35. toriteny ( 08/04/2014 06:49)

rhaj0:

... dia lazain-drizareo hoe "nilatsahan'ny fanahy masina" hono izy ao @interpretation-ny ao... fa dia mikakakaka foana angamba ny ao am bony ao...

Raha mety dia aza hanaovana anihany ny Fanahy MAsina. Zavatra hafa hianihaniana na za aza tsy manin fa aleo ny Fanahy MAsina hanana ny toerany maha Izy Azy. Mahatsara anao ny hitenenako izany. TApitra ny ( )

Moustaraf.
Fa vaitenin'iza ary no hiandrasanao? Satria efa misy valin-teniko ao ambony ao nefa toa hodiana fanina.
36. rhaj0 ( 08/04/2014 12:52)
Ekeko fa nananihany aho fa ialako tsiny raha nahatohina anao.

Nefa kosa, izaho mihevitra fa mila maka "recul" hatrany @ fiainana, fa tsy ho tery bontolo lava ao @ ilay fiainana/fisainana tsy miova ao foana. Ary ny hanihany sy ny kisarisary-fampitaha no ahafahana maka izay "recul" izay, raha ny fahazarako. Ka @ maha-hanihany sy kisarisary azy, dia TSY raisina "ara-baki-teny" (au premier degree) ny resaka.

Ohatra eto izao, raha "mikakakaka" ianao eo anatrehan'ny zava-misy iray, midika hoe inona izany ao an-tsainao? amiko dia mikakakaka aho ohatra rahefa tsy midika inona (absurde) ilay zava-misy.
37. toriteny ( 08/04/2014 13:26)

Za anie tsy maninona é. Mahafinaritra ilay mihomehy koa indraindray. Tsy izaho mitsy no en cause. Afaka manao blague mikasika ahy ianao, mikasika an'i Jesosy koa aza tsy maninona, mikasika ny fiangonana .

Fa ny Fanahy MAsina tsy azo vazivaziana satria efa voalaza ao anaty baiboly fa izay olona manohitra ny Fanahy MAsina sy ny asany dia tsy hahazo famelan-keloka. Mat 12:31-32: "Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe : Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra ; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina . Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona , dia hahazo famelan-keloka ihany ; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina , dia tsy mba hahazo famelan-keloka , na amin'izao fiainana izao , na amin'ny ho avy ."
38. rhaj0 ( 08/04/2014 14:25)
... miteny hanohitra ny Fanahy Masina...

Ataoko kosa fa "tsy nanohitra" aho teo.. Fa kosa "nampiteny" Azy : "hevitro manokana" no napetrako ho "Hevitrany". Ary hanihany no nataoko. Tena diso aho ary miaiky fa diso.

Nefa indray, inona no maha-samy hafa ny nataoko @ nataonao na ataon'ny hafa : hevitrAO manokana, na koa @ ohatra etsy ambony, hevitr'ilay mpanao baolina, no lazainao fa "(no)lazaiNY".
39. toriteny ( 08/04/2014 14:38)

rhaj0:

... miteny hanohitra ny Fanahy Masina...
Nefa indray, inona no maha-samy hafa ny nataoko @ nataonao na ataon'ny hafa : hevitrAO manokana, na koa @ ohatra etsy ambony, hevitr'ilay mpanao baolina, no lazainao fa "(no)lazaiNY".

Dia ahoana raha tena ny Fanahin'Andriamanitra no tena ato anatiko ka miasa eo amin'ny fiainako? Nefa ianao miteny fa diso ( manohitra) ny hevitra avoakan'io Fanahy io. Izany no hitandremana tsara sy hizahana toetra mandrakariva ny fanahy miasa eo amin'ny olona vao hanaratsiana azy. Na ny tsara dia aleo tsy mi-risque mihitsy satria tsy fantatrao ny Fanahy izay miasa ao amin'ny tsirairay

40. toriteny ( 08/04/2014 14:59)

rhaj0:

... miteny hanohitra ny Fanahy Masina...
Nefa indray, inona no maha-samy hafa ny nataoko @ nataonao na ataon'ny hafa : hevitrAO manokana, na koa @ ohatra etsy ambony, hevitr'ilay mpanao baolina, no lazainao fa "(no)lazaiNY".

hitanao rehefa mandray ny Tompo ianao ka omeny ny Fanahy Masina dia takona tanteraka ny maha ianao anao fa tena Izy no mi-dicter ny zavatra ataonao sy ny zavatra teneninao. Mety ho sarotra be amin'ny olona tsy mbola converti no mino sy mi-admettre an'izay nefa dia tena izay no hiainako efa ho 15 ans izao. Tena maty tamin'ny andro nandraisako an'ny Tompo ny maha izaho ahy.

Ary tant que mbola tsy nandray Azy ianao dia mbola ianao foana no miteny, mbola ny hevitrao foana no mivoaka ary ianao no mandray décision.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3347