Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?

1. jajajaly ( 10/02/2014 11:33)
Olona an-tapitrisany eran-tany no mianatra Baiboly ka mahita ny valin’ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana. Te hahazo ny valin’ireo fanontanianao koa ve ianao?

Ho gaga ianao raha mahita ity video fohy ity izay azonao jerena amin'ny ankamaroan'ny fiteny rehetra eran-tany ka anatin'izany ny TANKARANA, TANDROY ary VEZO.

http://www.jw.org/finder?locale=mg&docid=502013341
novalian'i endriny ny 23/02/2014 01:08
2. RaChantal ( 12/02/2014 06:40)
Efa ela no nitadiavoko ny valin'ny ny fanontaniana rehetra fa tamin'io Video fohy io no nahitako ny fahamarinana, nanidy trano anareo aho hatramizay ...
Misaotra jajajaly
3. RBNIR ( 13/02/2014 00:39)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Misy ny olona tsy mino an'Andriamanitra satria tsy mino ny fisiany noho ilay Andriamanitra tsy hita maso,
Misy mino ny fisiany ihany saingy samy hafa ny finoana narahiny. Ao ny manaraka ny finoana silamo, ao ny manaraka ny finoana hindo, ao ny manaraka ny finoa bodista, ao ny manaraka ny finoana kristianina sns.....

Mba hanampy anao hahafantatra ilay Andriamanitra tokana sady MARINA dia VAKIO ATO

JESOSY dia FAMANTARANA nomen'Andriamanitra hampahafantarany ny olona rehetra ambon'ny tany ny FISIANY MARINA, ary mba hahafantaran'ny olona marina tokoa fa IZY MARINA tokoa no ilay ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA.

Nifidy 12 lahy Jesosy tamin'ny fotoan'androny mba ho vavolombelony eo anatrehan'izao tontolo izao. Ny fanambaran'izy 12 lahy ireo dia nitovy hatrany ary voamarina araka izany fa fahamarinan'ny teny rehetra nambaran'i JEsosy.

Ny teny rehetra nambaran'i JEsosy dia voarakitra ao anaty Baiboly (izay fitambarana boky 2 dia ny Testameta taloha sy ny Testameta vaovao).

Ity misy tenin'i Jesosy anankiray, izay voasoratra ao anatin'io baiboly io:
« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)

Nampianatra tokoa i Jesosy tamin'izany fotoana izany ary nilaza Izy fa tsy Azy ilay fampianarana fa nisy NANIRAKA Izy ary IO NANIRAKA Azy io no tena Tompon'ilay fampianarana.

Raha ny marina dia Ny sitrapon'IO naniraka Azy io no nasainy nampianarin'i JEsosy mba harahan'izao tontolo izao ka hovoavonjy tokoa izao tontolo izao raha manaraka izany ary hanana fiainana mandrak'izay.
« Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahyTokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay. » (Jao.3:16)

Ilay zanany lahy Tokana mantsy dia tsy iza fa i Jesosy ihany,

Na iza na iza ianao mamaky izao lahatsoratra izao, mety olona tsy mino ny fisian'Andriamanitra ianao, mety olona hafa finoana ianao fa tsy nino an'i JEsosy hatramin'izay, mety koa nino an'i Jesosy ihany ianao fa somary mbola nisy ny fisalasalana tao anatinao. Eny mety koa efa tena mino sy miorina mafy ao amin'i Jesosy ihany koa ianao.

Ho anao izao hafatra izao:
Minoa an'i Jesosy, ary fantaro ireo sitrapon'Andriamanitra izay nampianariny mba hotanterahin'izao tontolo izao koa dia VAKIO NY BAIBOLY mba hianaranao sy hanantanterahanao izany sitrapon'Andriamanitra izany.
Izay rehetra hanantanteraka izany dia hanana fanantenana marina fa ho voavonjy izy ary hanana fifaliana lehibe satria manomboka izao dia ho fantany fa hanana fiainana mandrakizay izy raha hiala amin'izao fiainana izao.

Misy ihany koa olona ankehitriny izay fidin'i Jesosy mivantana toy ireo 12 lahy tany aloha ireo ka nampianariny mivantana ihany koa ary mampianatra ireo teny voasoratra ao anatin'io Baiboly io. (fandaharana vitao ny asan'ny fahamarinana KOLO TV isa-maraina amin'ny 5ora sy sasany)

Tokana ny tanjona amin'izany fampianarana izany dia mba ho fantatry ny olona rehetra ilay Sitrapon'Andriamanitra naniraka an'i Jesosy ka mba hanao izany Sitrapon'Andriamanitra izany ny olona ka hanana fiainana mandrak'izay marina tokoa.

Koa dia manasa an-tsika rehetra am-pitiavana mba HAMAKY BAIBOLY manomboka izao ary hianatra ny sitrapon'Andriamanitra marina.

Hitahy an-tsika rehetra marina tokoa anie ilay ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA sy JESOSY TOMPO ilay Zanany lahy TOKANA, ka hampahiratra ny mason-tsika rehetra IZY mba hahafantaran-tsika ny TENA MARINA TOKOA.
4. rhaj0 ( 18/02/2014 18:47)
Saika tsy hamaly aho fa hotry ny efa "mijaly" i Jajaly :)

Fa raha manontany ianao hoe "nahoana ianao no tokony hianatra Baiboly", dia hoy aho hoe, hianaro daholo re izay azo ianarana e...

Ny tsy aritro fotsiny dia hoe, raha ny fahavitrihana sy faharisihana ary ny hery sy fotoana hianarana (fotsiny) ny Baiboly no ampiasaina hamakiana "encyclopedia" na koa hitsikarohana fahalalana erak'i google, dia tena mino aho fa mety mba lasa lavitra kokoa ramalagasy...
5. Nehemiah ( 19/02/2014 15:07)
"mety mba lasa lavitra kokoa ramalagasy..." @ fandavana an'Andriamanitra
6. Nehemiah ( 19/02/2014 15:08)
Tsy mba izaho no hanohitra ny fanitarana fahalalàna, tena mila an'izay ny gasy, fa ny fisainana hoe "aleo manitatra ny fahalalàna an'izao tontolo izao toy izay manitatra ny fahalalàna an'Ilay Nahary azy" dia mamohehitra indrindra
7. rhaj0 ( 19/02/2014 15:49)
Fony aho mpianatra (taty ivelany taty), dia miaraka amina namana avy @ tany andalampandrosoana (Sinoa, Karana, Afrikana ary... Frantsay) mijery fahitalavitra. Dia ilay vaovao iraisam-pirenena atolotr'i CNN no itokonanay jerena, ny momba ny atsy palestinina/israely anisany. Tsy aritr'ilay Amerikana namanay iray intsony indray andro : inona foana no itokonanareo eo e ? f'angaha tsy mba misy zavatra hafa mba mahaliana ? Ohatra hoe mba araho ny finansy ..

Taitra ihany aho (sy izahay) t@ nolazainy. Fa maninona tokoany moa aho mijery io resaka palestina/israely io foana ohatra. Ka tany Dago io foana koa no nojerena ary tena hotry ny efa lasa fianakaviana mihintsy ingahibe Iasera Rafatro, hoe naninona indray Ingahirainy androany. Nanomboka nijerijery sy nitsikarakaraka zavatra hafa tokoany izahay rahefa mijery fahita-lavitra taorian'izay.

Fa izao aho vao tena mahatsiaro tena diso. Naninona tokoany ohatra aho, tsy mba nandany ny fahavitrihako sy faharisihako ary ny heriko sy ny fotoanako, mba nandalina ny finansy. Ilay ranamako nefa mba nanipy resaka foana ihany hoe aiza no tsara hanaovana petra-bola (investissement/actions). Izao izao ilery efa mpanefoefo kely. Izaho mbola eto :( sa :)
8. rhaj0 ( 20/02/2014 14:03)

Nehemiah:
"mety mba lasa lavitra kokoa ramalagasy..." @ fandavana an'Andriamanitra


Hono ho'a ry Nehemiah, ny "fahavitrihana sy faharisihana ary ny hery sy fotoana" ampiasaina hamakiana "encyclopedia" na koa hitsikarohana fahalalana erak'i google" ve izany, araka io lazainao io, no (isan'ny) mitondra @ "fandavana an'Andriamanitra" ?

(Mety) marina ny anao... sa diso aho?
9. Nehemiah ( 20/02/2014 14:37)
Averiko indray mandeha :

Tsy mba izaho no hanohitra ny fanitarana fahalalàna, tena mila an'izay ny gasy, fa ny fisainana hoe "aleo manitatra ny fahalalàna an'izao tontolo izao toy izay manitatra ny fahalalàna an'Ilay Nahary azy" dia mamohehitra indrindra
10. rhaj0 ( 20/02/2014 15:42)
Izaho izao mety afaka ny hilaza hoe ny "fahalalàna an'izao tontolo izao" indrindra anie no (mety) hanampy anitarana ny "fahalalàna an'Ilay Nahary azy".

TSY tokony "atahorana", na "atao fampitahorana", ny "fahalalàna an'izao tontolo izao", ka hoe "mamohehitra", na hoe mampahita angano, loza, ny manao izany, na ny misafidy ny hanao izany.
11. endriny ( 23/02/2014 01:08)
Tsy tokony ianarana akoryn y baiboly satria tantaran'israely fa tsy tantaran'izao tontolo izao akory, fa fitaovana entina anjanahan-tsaina ireo lazaina fa maizina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0385