... fa mandrakizay ny famindrampoNY

1. leva2 ( 01/12/2013 10:33)
Velona Jesosy !

Mba zaraiko amintsika mpisera ity lohahevitra ity ka ento ny hevitrao :
" Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina hianareo? " II Kor 13 : 5.
=> ... olona nolavina : matetika hadinon'ny mpino ny fisian'izy io fa hay misy olona lavin'Andriamanitra.
Dia ahoana no fipetrak'ity amin'izay : " Miderà an'i Jehovah, fa tsara izy : fa mandrakizay ny famindrampony " I Tan 16 : 34.
=> ... mandrakizay ny famindrampoNY : hoy ny sasany :
" efa zanak'Andriamanitra aho, mpandray, mpiandry, mpitandrina, loholona sns... na inona na inona ataoko, efa maty ho ahy Kristy, "
" olombelona nofo sy ra ny tena ka manam-pahalemena, fa ny finoana no mahavonjy "

... ny hevitrao namana !
novalian'i toriteny ny 09/01/2014 06:18
2. Nehemiah ( 02/12/2013 05:55)
Mba hazavao misimisy kokoa ny tianao iaviana fa tsy azoko mihitsy
3. leva2 ( 02/12/2013 19:51)

Nehemiah:

Mba hazavao misimisy kokoa ny tianao iaviana fa tsy azoko mihitsy


Misaotra namana.

Raha jerena maimaika ireo zava-misy ireo dia toy ny mifanipaka ny tenin'Andriamanitra.
Lazaina fa mandrakizay ny famindrampony kanefa misy ny olona efa nantsoina ho amin'ny famonjena no nolavina indray avy eo noho ny antony maromaro.

Azonao azavaina misimisy ve namana hoe inona marina no hevitry ny hoe : "mandrakizay ny famindrampony, fa mazava fa tsy mifanipaka mihitsy ny tenin'ny TOMPO e.
4. Nehemiah ( 03/12/2013 13:43)
Rehefa nojereko ny konkôrdansan'i Strong, ny teny izay nadika hoe "famindram-po" dia mety midika koa hoe "hatsaram-panahy".

Ka hoatran'ny manome ny valin'ny fanontanianao ihany ianao @ hoe "efa zanak'Andriamanitra aho, mpandray, mpiandry, mpitandrina, loholona sns... na inona na inona ataoko, efa maty ho ahy Kristy" ;) : misy mantsy ny olona manana an'izay hevitra izay ka manao izay danin'ny kibony ary mieritreritra fa hamindra fo @ foana Andriamanitra, nefa mazava loatra fa tsy mba marina izay tsy akory. Rehefa tsorina mantsy dia mihevitra an'Andriamanitra ho "pauvre type" (miala tsiny ho an'ny fiteny vantambantana) ireny olona ireny.

Mandrakizay ny famindram-pony, fa ny famindram-po anie dia omena an'izay olona mifona sy mibebaka @ fo tsotra e ;) . Misy ny olom-boavonjy mbola tsy matotra ara-panahy izay tsy mahatohitra ny fahotàna, satria mbola tsy azony an-tsaina fa tsy tokony handrera-tena izy ireo fa avelany miasa ao @ ny Fanahy Masina, ary onena be izy ireo rehefa avy nanota ka mifona eo anatrehan'Andriamanitra. Kanefa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany (Oh. 24:16a), ka hamindra fo foana Andriamanitra satria raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra"(1 Jn. 1:9).

Fa ilay toetra nosoritanao iny indray dia tsy finoana tahaky ny tsy finoan'ny Zanak'Isiraely tany an-taniefitra, ary fantatsika ny niafarany.
5. bor2lais ( 04/12/2013 10:55)
Fehiny araka ny fahitako ny voambara :

1. " Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina hianareo? " II Kor 13 : 5
=> ny ota no efitra mampisaraka antsika Aminy

2. "Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy." Eze 33 : 11. ;-)
=> mitaky fiverenana Aminy

3. "Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao."
Isaia 49 : 15

4. " Miderà an'i Jehovah, fa tsara izy : fa mandrakizay ny famindrampony " I Tan 16 : 34.

Sa ahoana ry namana leva2 ? :-)
6. leva2 ( 04/12/2013 21:09)
Velona Jesosy!

Izao ary e, misy endrika roa ireto ohatra "tsy maha-mandrakizay ny famindram-poNY" :
1- Marka 3 : 29 - "fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay,... "
2- Heb 6 : 4 - 6 "Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina, ary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana ho avy, nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indray amin’ny hazofijaliana ka manao Azy ho fahamenarana".

Ny hevitrao ary !
7. Nehemiah ( 05/12/2013 06:26)
Charles Spurgeon, ilay mpanjakan'ny mpitoriteny:

"Alas, I may be sinning, for even in the holiest deeds we do there is still sin, but even then God is still forgiving. If indeed you are a believer in Jesus Christ the Lord is at all times forgiving you: as constant as your sin so constant is his forgiveness."
8. bor2lais ( 05/12/2013 15:29)
leva2:

Izao ary e, misy endrika roa ireto ohatra "tsy maha-mandrakizay ny famindram-poNY" :
1- Marka 3 : 29 - "fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay,... "
2- Heb 6 : 4 - 6 "Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina, ary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana ho avy, nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indray amin’ny hazofijaliana ka manao Azy ho fahamenarana".

Tsy ampy angamba ny fanazavako (fehiny nataoko) etsy ambony fa milahatra ireo 1, 2, 3, 4 ireo dia mila miverina 1 indray rehefa nahazo ny 4.

Ka eo no mety tsy mampitovy ny hevitsika mikasika ilay teny hoe "mandrakizay" : amiko, tsy hoe mahazo famelankeloka 1 dia tsy mila mibebaka intsony !

Eo indrindra : asan'ny Fanahy Masina ny fibebahana amiko ! Noho izany, mikasika ny teboka 1 sy 2 lazainao, amiko dia resaka tsi-finoana mihitsy io : tsy mino izay lazain'ny Fanahy Masina = tsy mino ny Ray = tsy mino ny Zanaka !

Asa anefa fa fomba fijery ihany ny ahy ! :-)
9. leva2 ( 05/12/2013 18:07)

Nehemiah:

Charles Spurgeon, ilay mpanjakan'ny mpitoriteny:

"Alas, I may be sinning, for even in the holiest deeds we do there is still sin, but even then God is still forgiving. If indeed you are a believer in Jesus Christ the Lord is at all times forgiving you: as constant as your sin so constant is his forgiveness."


Miala tsiny aloha Nehemiah fa hay misy mpanjakany koa ny mpitory teny? Dia Jesosy Kristy nitory teny teo an-tendrombohitra izany aiza ho aiza amin'izy ity?
Fa na izany na tsy izany, raha azoko tsara izany ity teny anglisy-nao ty dia misy "conditions" ny maha-mandrakizay na tsia ny famindram-poNY?
10. leva2 ( 05/12/2013 18:18)
bor2lais> ka eo indrindra anie isika namana e :
mazava aloha fa tsy misy famindrampo ho an'ny mpanota. saingy tian'Andriamanitra hibebaka izy ireny ka hamindrany fo. izay mibebaka izany no mahazo famindram-po.
ny heb 6 : 4-6 nefa dia mazava koa fa raha efa nantsoina ho amin'ny famonjena ny olona iray, nefa mihemotra, miverina amin'ny fahotana indray dia tsy hamindra fo azy intsony Andriamanitra.
Azo fehezina ve izany hoe : Mandrakizay ny famindram-poNy ho an'izay miorina tsara amin'ny finoana, sy mitombo ka maharitra hatramin'ny farany ? ny teny hoe "mandrakizay" tandindon'ilay fiainana mandrakizay nampanantenaiNy, hisy ireo voavela heloka mandrakizay ?
11. Nehemiah ( 06/12/2013 05:41)

leva2:

Miala tsiny aloha Nehemiah fa hay misy mpanjakany koa ny mpitory teny? Dia Jesosy Kristy nitory teny teo an-tendrombohitra izany aiza ho aiza amin'izy ity?

Fomba fiteny tahaky ny filazàna an'i Michael Jackson ho mpanjakan'ny mozika Pop io e ! Aza mifanadala @ zavatra ts'isy dikany azafady an !
leva2:
Fa na izany na tsy izany, raha azoko tsara izany ity teny anglisy-nao ty dia misy "conditions" ny maha-mandrakizay na tsia ny famindram-poNY?

Tsia, fa milaza ilay izy fa na dia rehefa manao asa masina toy inona aza isika dia mbola misy pentimpetin'ota aza ilay izy, kanefa mamindra fo hatrany hatrany Izy
12. bor2lais ( 06/12/2013 11:08)
leva2:

bor2lais> ka eo indrindra anie isika namana e :
mazava aloha fa tsy misy famindrampo ho an'ny mpanota. saingy tian'Andriamanitra hibebaka izy ireny ka hamindrany fo. izay mibebaka izany no mahazo famindram-po.
ny heb 6 : 4-6 nefa dia mazava koa fa raha efa nantsoina ho amin'ny famonjena ny olona iray, nefa mihemotra, miverina amin'ny fahotana indray dia tsy hamindra fo azy intsony Andriamanitra.
Azo fehezina ve izany hoe : Mandrakizay ny famindram-poNy ho an'izay miorina tsara amin'ny finoana, sy mitombo ka maharitra hatramin'ny farany ? ny teny hoe "mandrakizay" tandindon'ilay fiainana mandrakizay nampanantenaiNy, hisy ireo voavela heloka mandrakizay ?

Ilay fihemorana lazain'io heb 6 : 4-6 io ange no endriky ilay lazaiko hoe tsi-finoana e (mety hatramin'ny voalohany mihitsy angamba aza)
Jao 3 : 18 angamba no mamintina izay rehetra tiako lazaina mikasika io ! :-)
"Izay mino Azy dia tsy helohina; [Gr. tsaraina] fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka [Gr. voatsara] rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy."
13. leva2 ( 10/12/2013 18:46)

Nehemiah:


Fomba fiteny tahaky ny filazàna an'i Michael Jackson ho mpanjakan'ny mozika Pop io e ! Aza mifanadala @ zavatra ts'isy dikany azafady an !


Miala tsiny fa izao vao afaka mamaly e.
Aza mora misafaoka ianao namana Nehemiah, le Jesosy ao anatinao ve mora misafaoka? sa sao dia mba tsy izy no tao?
mifanadala hoy ianao fa tena maha-sarotiny ahy ny fisolokiana ny anaran'ilay MPANJAKAN'NY TORITENY, eny fa na lazainao aza fa fomba fiteny fotsny ihany izany dia miala tsiny e.

Ny tohiny : sans commentaire !
14. leva2 ( 10/12/2013 19:27)

bor2lais:

Ilay fihemorana lazain'io heb 6 : 4-6 io ange no endriky ilay lazaiko hoe tsi-finoana e (mety hatramin'ny voalohany mihitsy angamba aza)
Jao 3 : 18 angamba no mamintina izay rehetra tiako lazaina mikasika io ! :-)
"Izay mino Azy dia tsy helohina; [Gr. tsaraina] fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka [Gr. voatsara] rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy."

Mety ho tsy resaka finoana na tsia namana bor2lais an !
Araka ny Heb 6 : 4 - 6, Jereo tsara fa olona efa nandray ny famonjena, izany hoe nino izany matoa koa nandray ny Fanahy Masina, nandray ny teny tsara sy ny herin'ny fiainana ho avy ;
fa saingy nihemotra : ny efa nandroso no mety hihemotra e, ilay fihemorana (ara-panahy) eto dia fiverenana amin'ny fanaon'izao ttlo izao, amin'ny ota, amin'ny asan'ny nofo; eny fa na ny tsy fitomboana ara-panahy fotsiny aza, tsy fitomboana amin'ny fahalalana ny tenin'Andriamanitra dia efa endrika fihemorana, fa izay tsy mitombo dia mihena ;
dia jereo ny tohiny hoe : "... dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana".

Misy ohatra vitsivitsy amin'izany ao anaty baiboly e : Saoly mpanjaka ohatra, ny mpanjaka Achab, ...

Tsara be ilay fanamarihanao : "Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao." Isaia 49 : 15. Eto kosa dia nanary tena tsy ho zanaka, niverina tamin'ny fahotana, nihemotra, dia araka ny fanambaranao azy ihany fa ny ota dia efitra mampisaraka ary tsy mihaino izy.

Angamba tsara tohizana ilay fanambarana hoe : " Miderà an'i Jehovah, fa tsara izy : fa mandrakizay ny famindrampony " I Tan 16 : 34 ... fa mandrakizay ny famindrampony ho an'ireo izay nanohina ny antsony, nankato Azy ka nandray ny famonjena. Aza adino fa mandrakizay ihany koa ny farihy mirehitra afo miandry ireo izay tsy mety mankato, tsy mino, eny fa na ny mino aza saingy osa, kely hery, marefo.
15. Nehemiah ( 11/12/2013 07:14)

leva2:
Aza mora misafaoka ianao namana Nehemiah, le Jesosy ao anatinao ve mora misafaoka? sa sao dia mba tsy izy no tao?
mifanadala hoy ianao fa tena maha-sarotiny ahy ny fisolokiana ny anaran'ilay MPANJAKAN'NY TORITENY, eny fa na lazainao aza fa fomba fiteny fotsny ihany izany dia miala tsiny e.

Dia tsyyyy maintsy izay foana ny gasy : izao no toetra ataony dia avy eo gaga rehefa "misafoaka" aho
16. bor2lais ( 11/12/2013 08:45)
leva2:

Mety ho tsy resaka finoana na tsia namana bor2lais an !

Mba nitondra ny fijeriko azy fotsiny ange no nataoko e ! :-)
leva2:

Eto kosa dia nanary tena tsy ho zanaka,

:-)
Siora ve ianao fa tsy misy resaka finoana na tsia (araka ny nambarako) io ambaranao io ?
leva2:

niverina tamin'ny fahotana, nihemotra,

Tsy azoko ny tianao lazaina eto ! Asio ohatra raha azonao atao ! ;-)
leva2:

dia araka ny fanambaranao azy ihany fa ny ota dia efitra mampisaraka ary tsy mihaino izy.

:-)
Amiko dia tokana ihany ny fahotana tsy ahazoam-pamelana : miteny ratsy ny Fanahy Masina, izany hoe tsi-finoana Azy ! :-)
Raha manaiky ianao fa zanaka (finoana io) dia matoky fa na lavo aza dia manana Azy hanarina ! :-)
Ilay lazainao hoe "manary tena tsy ho zanaka" izany amiko dia endriky ny tsi-finoana na fandavana Azy !
leva2:

Aza adino fa mandrakizay ihany koa ny farihy mirehitra afo miandry ireo izay tsy mety mankato, tsy mino, eny fa na ny mino aza saingy osa, kely hery, marefo.

Ao amin''ny I Tan 16 koa ve ireo ? :-)
17. RBNIR ( 13/12/2013 10:03)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Ka inona ary no tokony atao mba hahazoana antoka ny amin'ny fiainana mandrakizay (na ny fanjakan'ny lanitra)?
Valiny : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)

Io irery ihany no antoka :
Arak'izany dia mila mianatra ny sitrapon'Andriamanitra isika mba hahafahana manantanteraka azy.

Ny mpino tsirairay dia tokony, hahafantatra mazava fa efa manana anjara marina tokoa ny amin'ilay fiainana mandrakizay izy. Misy ny point de départ, ary tena misy ny arrivé.
Izay no nahatonga ity teny ity: « Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; » (2 Tim.4:7).

« Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. » (Lio.11:9)

Izaho manokana dia mitaona antsika rehetra hianatra ny sitrapon'Andriamanitra ka hanaraka ny fandaharana kolo TV isa-maraina amin'ny 5ora sy fahefany ka hatramin'ny 6ora latsaka fahefany,

P.S: Ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy miova fa izay nampianarin'i Jesosy Tompo tamin'ireo kristianina tany ambohalohany ihany no tena izy. Izay niainana sy nataon'ireo kristianina tany ambohalohany ihany. Io ilay hoe fampianarana tsy misy kilema.

Be ny fiovana taty aorina, ankehitriny JEsosy niverina indray ary nampianatra sy manitsy izay zavatra diso rehetra nentina taty aoriana.

Mangetaheta fiainana mandrakizay marina tokoa v isika?

Mianara daholo ary , ary ny tena hanentanako anao dia ny andraisanao fanampahakevitra hanaiky hanantateraka rehefa fantatrao ny marina.


« Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. » (Jak.2:17)
Tsy ny miezaka ny hahay ihany no tanjona, fa indrindra indrindra ny hanantanteraka ihany koa,

Samia ho tahin'ny Tompo namana.





18. bor2lais ( 13/12/2013 12:10)
RBNIR:

Izaho manokana dia mitaona antsika rehetra hianatra ny sitrapon'Andriamanitra ka hanaraka ny fandaharana kolo TV isa-maraina amin'ny 5ora sy fahefany ka hatramin'ny 6ora latsaka fahefany

Ianao manokana izay ! :-)
19. ratsirano ( 17/12/2013 20:02)
Leva2 > Mba zaraiko amintsika mpisera ity lohahevitra ity ka ento ny hevitrao :
" Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina hianareo? " II Kor 13 : 5.
=> ... olona nolavina : matetika hadinon'ny mpino ny fisian'izy io fa hay misy olona lavin'Andriamanitra.


Valiny :

Marina tokoa fa misy olona mety ho lavina. Porofon’izany ny apostoly Paoly, izay fantatra fa mpanompon’Andriamanitra tena nafatra-po, nefa dia natahotra mafy sao ho lavina, araka ny filazany ao amin’ny I Kor. 9:27.

Izay no mahatonga azy milaza ao amin’ny II Kor.13:5 hoe mila mandinika tena isika raha mbola “mitoetra amin’ny finonana na tsia”. Ahoana no anaovana izany ? Tsy misy afatsy ny fandinihana hoe mifanaraka amin’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly, ve ny fitondran-tenantsika.

Milaza koa izy hoe “izahao toetra ny tenanareo” satria amin’izay dia ho hitantsika raha mafy tsara ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.

Raha mahatandrina sy mampihatra ireo torohevitr’i Paoly ireo isika dia ho azo antoka fa tsy “ho lavina”.
20. ratsirano ( 17/12/2013 21:46)
Leva2 > Dia ahoana no fipetrak'ity amin'izay : " Miderà an'i Jehovah, fa tsara izy : fa mandrakizay ny famindrampony " I Tan 16 : 34.
=> ... mandrakizay ny famindrampoNY : hoy ny sasany :
" efa zanak'Andriamanitra aho, mpandray, mpiandry, mpitandrina, loholona sns... na inona na inona ataoko, efa maty ho ahy Kristy, "
" olombelona nofo sy ra ny tena ka manam-pahalemena, fa ny finoana no mahavonjy "

... ny hevitrao namana !


Valiny :

Hira fideràna ho an’i Jehovah io voasoratra ao amin’ny I Tan. 16:34 io. Betsaka ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly milaza fideràna ho an’i Jehovah nohon’ny famindrampony, toy ny ao amin’ny Salamo 107:1 sy Salamo 107:8.

Ny famindrampo dia toetra nananan’i Jehovah hatramin’izay ka hatramin’izao ary ho mandrakizay. Anisan’ny toetrany notanisainy tamin’i Mosesy izy io ao amin’ny Eksodosy 34:6.

Raha jerena anefa ny Eksodosy 20:6, dia hita hoe karazan’olona manao ahoana no hahazo izany famindrampon’i Jehovah izany. Lazainy hoe “izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko”.

Salamo 33:18 indray dia milaza fa hitan’ny mason’i Jehovah “izay matahotra azy” ary afaka “manantena ny famindrampony”.

Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ihany izany no hahazoana ny famindrampony, ary ho “mandrakizay ny famindrampony” satria milaza ny Jaona voalohany 2:17 fa “mandalo izao fiainana izao…” ; “fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1178