... fa mandrakizay ny famindrampoNY

21. toriteny ( 28/12/2013 15:22)
Ny tianao fantarina izany dia hoe mety holavina isiaka nefa Izy koa miteny hoe mandrakizay ny famindram-pony izay ohatran'ny midika hoe tsy misy lavina na ny iray aza.
Amiko marina daholo ireo ary mirona mankany amin'ny hevitra tokana sy mitovy fa tsy mifanipaka

leva2:

" Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina hianareo? " II Kor 13 : 5.

Amin'ny teny frantsay io mazava be. Tsy hoe akory miteny Izy hoe misy ho lavina fa manontany io passage io hoe sao dia tsy manana an'i Jesosy isiaka dia lavina (izay ihany ny condition handavana antsika): " Examinez-vous vous mêmes, pour savoir si vous êtes dans la foi; éprouvez-vous vous-mêmes. Ne reconnaissez-vous pas que Jésus Christ est en vous? à moins peut-être que vous ne soyez réprouvés."

leva2:

=> ... olona nolavina : matetika hadinon'ny mpino ny fisian'izy io fa hay misy olona lavin'Andriamanitra.

Raha tena manana an'i Jesosy Kristy ny olona iray (ary izay ihany no tokony hatao hoe mino) dia tsy lavina mihitsy.
leva2:

Dia ahoana no fipetrak'ity amin'izay : " Miderà an'i Jehovah, fa tsara izy : fa mandrakizay ny famindrampony " I Tan 16 : 34.
=> ... mandrakizay ny famindrampoNY : hoy ny sasany :
" efa zanak'Andriamanitra aho, mpandray, mpiandry, mpitandrina, loholona sns... na inona na inona ataoko, efa maty ho ahy Kristy, "

Ny hoe mandrakizay ny famindrampony tsy hoe satria mino ny dadabeako dia mandrakizay koa izany ny famonjena eo amin'ny taranany fa Izy rehefa mamela anao dia tsy tena effacé ny ardoise nao hatrizay (ny trosa ohatra) fa tsy hoe mangataka f amelana ianao androany dia androany ihany no . avelany iny fahotanao iny fa rahampitso iny dia takiany sy ampatsiahiviny anao indray. Na hoe misy olona tsy hovonjeny intsony dans 10 &ns

Ito misy zavatra notenenin'ny mpanompovavin'andriamanitra vao tsy ela akory izay. Hoy izy hoe ny fanavotan'i Kristy tsy ho antsika ihany fa efa navotany daholo na ny olona mbola tsy teraka aza. Na ny zafiafinao teraka en 2080 aza hoy izy dia efa novonjeni' Kristy tamin'ny ràny 2000 ans et quelques lasa izay nefa izany olona mbola tsy ho teraka, na ny zafikelinao hiteraka an'izany olona izany aza mbola tsy teraka akory. Nefa dia efa novonjen'ny ràn'i Jesosy sahady Izy fa anjarany avy eo ny hoe handray izany famonjena izany sa tsia.

Tsy isiaka izany no hoe lavina fa isiaka no mandà Azy no tena marina
22. endriny ( 08/01/2014 17:39)

leva2:

Velona Jesosy !

" Miderà an'i Jehovah, fa tsara izy : fa mandrakizay ny famindrampony " I Tan 16 : 34.!


Raha io no marina dia tsy misy ny afobe ary azo atao daholo ny tsy fanao rehetra.. Ary tsy vitsy ny firenena sy ny mpitondra fiangonana miantehitra amin'io filazana io eny fa na ny mpino aza... Kristianina alahady fa mpangalatra akoho alatsinainy ohatran'ny mponina eto Alasora
23. toriteny ( 09/01/2014 06:18)

endriny:


leva2:

Velona Jesosy !

" Miderà an'i Jehovah, fa tsara izy : fa mandrakizay ny famindrampony " I Tan 16 : 34.!


Raha io no marina dia tsy misy ny afobe ary azo atao daholo ny tsy fanao rehetra.. Ary tsy vitsy ny firenena sy ny mpitondra fiangonana miantehitra amin'io filazana io eny fa na ny mpino aza... Kristianina alahady fa mpangalatra akoho alatsinainy ohatran'ny mponina eto Alasora


Ka marina anie io e matoa voalaza ao anaty baiboly. Sa tsy azoko no tianao tenenina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0925