Mifanohitra amin'ny finoana kristiana ve ny fahalalàna ?

1. Nehemiah ( 28/11/2013 07:42)
1 Pet. 3:15-16 : fa manamasìna an’ i Kristy ho Tompo ao am-ponareo [Isa. 8.12, 13] ; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,16 ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’ i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.
2 Kor. 10:5 : fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’ Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’ i Kristy
Hos. 4:6a : Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ ny fahalalana
Oh. 8:10b : aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina
Oh. 15:2 : Ny lelan’ ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ ny adala miboiboika fahadalana.
Oh. 16:20 : Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an’ i Jehovah no ho sambatra
Oh. 19:2a Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy
Oh. 19:27 : Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin’ ny fahalalana [Na: Anaka, raha dia minia manalavitra ny tenin’ ny fahalalana hianao, Dia mitsahara tsy hihaino anatra]
Oh. 22:17 : Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao
Oh. 23:12 : Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao

Asa. 17:11 : Ary ny toe-panahin’ ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia.

Avy amiko daholo ny sora-mandry rehetra
novalian'i Nehemiah ny 13/01/2014 16:29
2. bor2lais ( 28/11/2013 09:23)
Fanontaniana : "Mifanohitra amin'ny finoana kristiana ve ny fahalalàna ?"
************
Tsy fantatro aloha raha HS na tsia fa apetrako ihany ity fanontaniana ity : mety misy ifandraisany amin'ny nataon'izy mivady lehibe nikitika ilay hazo fahalalàna ny tsara sy ny ratsy ve ity resaka ity ? :-)

Miala tsiny raha HS ny an'i bor2lais ! :-)
3. Nehemiah ( 28/11/2013 12:31)

bor2lais:

Ie, HS ilay izy :-). Fa izany hoe tsy maninona satria zava-dehibe @ finoana kristiana ny fitomboana @ fahalalàna :-).

Inona no zava-misy aloha ? Noforonin'Andriamanitra manahaka ny endriny i Adama sy Eva, ka nohon'izay efa nahalala ny tsara sy ny ratsy izy ireo, ary nahalala koa fa ratsy ny tsy mankato an'Andriamanitra.

Ka izaho indray no hametraka fanontaniana kely aminao : iza no tena mahalala ny haratsin'ny homamiadana ? Ny mpahaihomamiadana sa ny olona voan'ny homamiadana ?
4. bor2lais ( 28/11/2013 13:45)
nehemiah:

Ka izaho indray no hametraka fanontaniana kely aminao : iza no tena mahalala ny haratsin'ny homamiadana ? Ny mpahaihomamiadana sa ny olona voan'ny homamiadana ?

ie ! Toa HS tokoa ilay izy e ! :-)
Aleo ho valiana ihany ny fanontanianao ka : tsy ilay mpahaihomamiadana voan'ny homamiadana ve ! :-)

Iverenako kely ilay hoe : "Noforonin'Andriamanitra manahaka ny endriny i Adama sy Eva, ka nohon'izay efa nahalala ny tsara sy ny ratsy izy ireo, ary nahalala koa fa ratsy ny tsy mankato an'Andriamanitra."

Tsy rehefa lavo avy nihinana ilay hazo voarara izy ireo vao nahalala ny tsara sy ny ratsy ? :-)

Gen 3.22 "Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy"

Izaho indray no hametraka fanontaniana aminao ary : nilaina ve ny fahalalana ny haratsin'ny homamiadana raha tsy nisy ny efa voan'ny homamiadana ?
5. Nehemiah ( 28/11/2013 14:45)

Ka izay anie no tiako iaviana : tsy mitovy ny fahalalan'ny mpahaihomamiadana sy ny fahalalan'ny olona voan'ny homamiadana ny haratsin'ny homamiadana. Ny voalohany dia mahafantatra azy @ fomba teôrika : mbola tsy voa mihitsy izy fa saingy fantany tsara ny momba an'ilay aretina. Fa ilay olona voan'ny homamiadana dia mahafantatra azy par expérience.

Andriamanitra dia mahalala ny zavatra rehetra rahateo. I Adama sy Eva dia azo lazaina fa bac +2 @ haihomamiadana voan'ny homamiadan'ny ota. Ny dikan-teny frantsay dia mandika ny Gen. 3:22a hoe : Voici, l’homme est devenu comme l’un de nous, pour la connaissance du bien et du mal.
Tsy mivadika @ teniko voalohany hoe efa nahalala ny tsara sy ny ratsy izy ireo (izany hoe efa nanana ny Lalàn'ny Fitondran-Tena ao anatiny izy ireo) aho satria raha tsy izay dia @ fomba ahoana no ahazoan'Andriamanitra marina hitsara azy raha tsy izay ? Théorie ny fahalalany ny ratsy t@ voalohany, avy eo lasa pratique...

Izaho indray no hametraka fanontaniana aminao ary : nilaina ve ny fahalalana ny haratsin'ny homamiadana raha tsy nisy ny efa voan'ny homamiadana ?

Angamba i Satana no tianao lazaina @ hoe "ny efa voan'ny homamiadana". Fanontaniana sarotra io, fa raha ny fiheverako azy (sy ny apôlôjista be dia be) dia tsia : nilaina ny fisian'ny hazon'ny fahalalàna ny tsara sy ny ratsy tany Edena. Araky ny efa nolazaiko matetika t@ serasera, tsy nila robots Andriamanitra rehefa namorona azy ro2 fa olombelona tena tia Azy maimaim-poana. Ka raha tia Azy izy ireo dia tsy maintsy mankato Azy @ fomba maimaim-poana.

Izao avy no didy nomen'Andriamanitra azy :
- mitomboa, maroa fara, mamenoa ny tany
- Asao ary tandremo ny saha
- Aza mihinana ny voankazo voarara

Ny voalohany moa dia tsy mampipetra-panontaniana : mahafinaritra ny manao zaza :-). Ary mahafinaritra koa ny mitaiza zaza.
Ny faha2 koa dia mazava ho azy : tsy namorona ny olombelona hipetra-potsiny Andriamanitra, ary raha tsy niasa sy nitandrina ny saha izy dia manjary tany lao ilay izy :-). Sady mahafinaritra anie ny miasa rehefa tsy mamizaka ilay asa.

Fa ny faha3 no tsy hay azavaina : inona angaha no anton'izany didy izany ? Ka dia mipetraka ny fanontaniana ho azy ro2 : fitadiavan'Andriamanitra ny soanay ve no nanomezany an'izay didy izay sa tsia ?
Ka voatery manao inona izany izy ireo ? Eny tompoko, misafidy. Raha nisafidy ny tsy hikitikitika an'ilay voankazo mandrakariva izy ireo dia porofom-pitiavana tena izy izay fahatokiana izay. Fa raha nisafidy ny hihinana an'ilay voankazo izy ireo dia fanevatevàna an'Andriamanitra izay. Ilay faha2 moa no nitranga...

Ka sao dia hanontany ianao hoe : "Raha tsy teo i Satana dia tsy nanao an'izay safidy izay mihitsy izy 2." Tsy miombon-kevitra @'izany aho. Olombelona nanana fahafahana misafidy izy 2, ary lalin-tsaina lavitra noho isika ankehitriny. Tsy maintsy nipoitra t@ sainy foany indray andro ny fanontaniana hoe : "Maninona kay raha mba mihinana aho ?" fa nanafaingana zavatra fotsiny ny Menaràna.
6. bor2lais ( 28/11/2013 16:25)
nehemiah:

Ny dikan-teny frantsay dia mandika ny Gen. 3:22a hoe : Voici, l’homme est devenu comme l’un de nous, pour la connaissance du bien et du mal.

Taorian'ny nikasihan'izy 2 ilay hazo no niteny an'io Izy raha ny Gen 3 no jerena a ! :-)
nehemiah:

Tsy mivadika @ teniko voalohany hoe efa nahalala ny tsara sy ny ratsy izy ireo (izany hoe efa nanana ny Lalàn'ny Fitondran-Tena ao anatiny izy ireo) aho satria raha tsy izay dia @ fomba ahoana no ahazoan'Andriamanitra marina hitsara azy raha tsy izay ? Théorie ny fahalalany ny ratsy t@ voalohany, avy eo lasa pratique...

:-)
nehemiah:

Angamba i Satana no tianao lazaina @ hoe "ny efa voan'ny homamiadana"

Tsy voatery ka ! :-)
Mba nampifandrifiko tamin'ilay fanontaniana napetrakao tamiko fotsiny ilay izy ! Fa raha izay no tianao itondrana azy indray dia izy 2 lehibe aza no mety kokoa tonga tao an-tsaiko ("voan'ny homamiadana" hoy ianao izay) !

Izay vao tena HS kosa angamba ity farany ity e ! :-)
7. Nehemiah ( 29/11/2013 05:49)

bor2lais:
nehemiah:
Ny dikan-teny frantsay dia mandika ny Gen. 3:22a hoe : Voici, l’homme est devenu comme l’un de nous, pour la connaissance du bien et du mal.

Taorian'ny nikasihan'izy 2 ilay hazo no niteny an'io Izy raha ny Gen 3 no jerena a ! :-)
nehemiah:
Tsy mivadika @ teniko voalohany hoe efa nahalala ny tsara sy ny ratsy izy ireo (izany hoe efa nanana ny Lalàn'ny Fitondran-Tena ao anatiny izy ireo) aho satria raha tsy izay dia @ fomba ahoana no ahazoan'Andriamanitra marina hitsara azy raha tsy izay ? Théorie ny fahalalany ny ratsy t@ voalohany, avy eo lasa pratique...
:-)

Raha mbola tsy nihinana an'ilay voankazo izy ireo dia efa nahalala fa misy ny ratsy, ary nahalala koa fa mahafaty ny ratsy (Gen. 2:17) ; rehefa nanota indray izy ireo, izay voa lasa tanteraka ny fahalalany ny ratsy satria niharan'ilay homamiadan'ny ota. Izany ve dia sarotra azo be ?
bor2lais:
nehemiah:

Angamba i Satana no tianao lazaina @ hoe "ny efa voan'ny homamiadana"

Tsy voatery ka ! :-)
Mba nampifandrifiko tamin'ilay fanontaniana napetrakao tamiko fotsiny ilay izy ! Fa raha izay no tianao itondrana azy indray dia izy 2 lehibe aza no mety kokoa tonga tao an-tsaiko ("voan'ny homamiadana" hoy ianao izay) !

Ahoana kay no fiheveranao ny ratsy ? Ny ratsy anie dia ny tsy fisian'ny tsara e. Tsy misy ny aretina raha tsy misy izany fahasalamàna izany. Tsy misy ny korontana raha tsy misy izany filaminana izany. Tsy misy ny fahafatesana raha tsy misy izany fahavelomana izany. Kanefa tsy voatery misy ny aretina voa salama tsara ny olona, tsy voatery hisy ny korontana izay voa milamina ny firenena, tsy voatery hisy ny fahafatesana voa velona ny zava-manan'aina iray.

Ary torak'izay koa tsy voatery hisy ny homamiadana voa mihamaro @ fomba milamina ny sela :-).
8. bor2lais ( 29/11/2013 10:18)
Ary lasa nitarika lava be ilay fanontaniako nolazainao fa HS a ! :-)
nehemiah:

Raha mbola tsy nihinana an'ilay voankazo izy ireo dia efa nahalala fa misy ny ratsy, ary nahalala koa fa mahafaty ny ratsy (Gen. 2:17) ; rehefa nanota indray izy ireo, izay voa lasa tanteraka ny fahalalany ny ratsy satria niharan'ilay homamiadan'ny ota. Izany ve dia sarotra azo be ?

Eto vao manomboka azoko ny tianao tenenina ka ! Soa fa eo ny "expert" tahaka anao manazava ho anay (votsavotsa itony) aloha e ! ;-)
Fa mba hazavao ary hoe ny fahazoanao ilay Gen. 3:22 raha izany ?
nehemiah:

Ahoana kay no fiheveranao ny ratsy ? Ny ratsy anie dia ny tsy fisian'ny tsara e. Tsy misy ny aretina raha tsy misy izany fahasalamàna izany. Tsy misy ny korontana raha tsy misy izany filaminana izany. Tsy misy ny fahafatesana raha tsy misy izany fahavelomana izany. Kanefa tsy voatery misy ny aretina voa salama tsara ny olona, tsy voatery hisy ny korontana izay voa milamina ny firenena, tsy voatery hisy ny fahafatesana voa velona ny zava-manan'aina iray.

Ary torak'izay koa tsy voatery hisy ny homamiadana voa mihamaro @ fomba milamina ny sela

Eo indrindra mantsy : ilaina ve ny dokotera raha tsy misy ny marary ? :-)
9. Nehemiah ( 29/11/2013 13:40)
bor2lais:
Ary lasa nitarika lava be ilay fanontaniako nolazainao fa HS a ! :-)

Mahasoa re ny fahalalàna :-)
bor2lais:
Fa mba hazavao ary hoe ny fahazoanao ilay Gen. 3:22 raha izany ?

Ny fahazoako (manokana) azy dia ity : manana fironana hifantoka @ tapany voalohan'ilay andininy isika ka manadino ny zavatra voalazan'ny tapany faha2 hoe andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon’ aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy. Rehefa nihinana ny voankazo ka nanota izy ro2 no nanjary tanteraka ny fahalalany ny tsara... sy ny ratsy. Izay indrindra ny lainga bevavan'i Satàna : rehefa mbola tsy nanota izy ireo dia mazava loatra fa mbola tsy tanteraka ny fahalalany ny ratsy, satria tsy mba nianjadian'ny ratsy. Fa rehefa nanota kosa izy ireo, marina fa lasa tanteraka tahaky ny an'Andriamanitra ny fahalalany ny tsara sy ny ratsy fa saingy à quel prix ! Satria Andriamanitra dia mahalala ny zava-drehetra rahateo, izay no toetrany, ka izy irery no manana fahalalàna tanteraky ny tsara sy ny ratsy fa saingy tsy misy ratsy eo aminy.
bor2lais:
Ilaina ve ny dokotera raha tsy misy ny marary ? :-)

Ny asan'ny dokotera dia ny mitsabo ny marary sy ny misoroka ny aretina @ mpiara-belona, ka raha tsy misy ny marary dia tsy ilaina ny dokotera :-)

Fa izany akory tsy midika hoe ratsy ny asana dokotera, sao dia mieritreritra ianao. Izay no dilemne apetraky ny "La Peste" nosoratan'i Camus : raha kapok'Andriamanitra ny pesta dia tsy azo atao ve ny mitsabo ny pesta ? Marina fa sazin'Andriamanitra ny fidiran'ny aretina sy ny fahafatesana @'izao tontolo izao. Kanefa tokony tsaroantsika fa lazain'ny Baiboly ho "sambatra" ny olona izay manalefaka ny Ozona : anisan'ny aspects-n'ny Ozona ny fisian'ny ady maro samihafa kanefa Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra (Mt. 5:9). Jereo i Jesoa : firifiry ny marary izay nositraniny sy ny maty natsangany
10. bor2lais ( 29/11/2013 14:24)
nehemiah:

Mahasoa re ny fahalalàna

Eka rô ! :-)

Gen 3.22 "Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy"

Amiko manokana dia toa mifono "prophétie" io tapany voalohany io : toa tandindona manambara ny asam-pamonjena tsy maintsy ho ataon'i Jesoa (Andriamanitra tonga nofo) ho an'ny olombelona (avy amin'ny taranaky Adama sy Eva no ipoiraNY) ! Izy amiko no Ilay Dokotera mahay izay tonga hanasitrana (mahalala ny tsara sy ny ratsy) izay rehetra manatona Azy !

Fomba fijery ihany anefa ny ahy a ! :-)

Ilay tapany faharoa kosa amiko toa manambara fa Izy irery ihany no tompon'ny aina ! Lasa miditra amin'ny lohateny hafa ve izaho ? :-)
11. Nehemiah ( 29/11/2013 14:53)

Hehe, mahaliana kosa izany ! Possibilité iray marina izay, satria misy ambigüité angamba ny dikan-teny Hebreo : mety midika hoe "ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika @ lafin'ny fahalalàna ny tsara sy ny ratsy" ilay izy ary mety midika koa hoe "ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy". Tsy haiko aloha ny aiza@'ireto dikan-teny 2 ireto no mitombina kokoa. Rehefa ny contexte no jerena, toa mirona mankany @ voalohany kokoa nefa tsy voatery.
bor2lais:
Ilay tapany faharoa kosa amiko toa manambara fa Izy irery ihany no tompon'ny aina ! Lasa miditra amin'ny lohateny hafa ve izaho ? :-)

Ilay napetrakao voa haingankaingana ve :-) ?
Angamba marina ny anao. Zanahary no hany manan-jo hanome na haka ny fiainana (na mibaiko olona haka ny fiainana). Efa manana toetra manota ny olombelona dia mbola hahazo maka ny voan'ny hazon'ny fiainana ve ? Tsy ho fanevatevana an'Andriamanitra faratampony ve ?
12. bor2lais ( 30/11/2013 10:53)
Fanampiny :

Amiko io Gen 3. 22 io no isan'ny manazava ilay hoe : "Izaho no ... làlana, fahazavana, sns. " voalaza ao @ Testamenta Vaovao. Tsy misy mankany @ Ray (ka hanana fiainana mandrakizay) afa-tsy amin'ny alàlaNY : Izy no mahita ny làlana mankany amin'ilay hazon'aina nesorina tao Edena ! "Izay hitaNY no ambaraNY" sns.

Averiko indray fa fomba fijery manokana ihany ny ahy io a ! :-)
13. Miharena ( 12/12/2013 19:40)
Raha amiko indray, raha jerena ilay hoe indro mitovy ny iray amintsika voalaza dia midika fa iray ihany no mahalala ny tsara sy ny ratsy tamin'ireo mpiresaka ary ny toetran'io iray io no nifindra tamin'ny olombelona fa tsy ny toetran'Andriamanitra izay niteny.

Noho izany, Andriamanitra tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy satria tsy manana izany toetra manavaka izany IZY.

Ahoana indray no fomba fiheveranareo izay?
14. Nehemiah ( 13/12/2013 06:30)

Miharena:
Noho izany, Andriamanitra tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy satria tsy manana izany toetra manavaka izany IZY

Dia @ fomba ahoana izany no Ahafahany mitsara an'izao tontolo izao raha tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy :-) ?
15. ratsirano ( 19/12/2013 09:14)
Mifanohitra amin'ny finoana kristiana ve ny fahalalàna ?

Valiny :

Ny tena finoana dia tsy tongatonga foana ka hoe hahavonjy fa tsy maintsy miainga avy amin’ny fahalalàna. Toy izao ny filazan’ny Romana 10:13 ny momban’ny hoe famonjena : “izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena”. Misy “parenthèses” manondro an’ny Joela 3:5 io andinin-teny io, ka ao no hahitana hoe iza io “anaran’ny Tompo” tokony ho antsoina io.

Raha tohizana ny Romana 10:14,15 dia mametraka fanontaniana maromaro mifampitohitohy manao hoe : ahoana no fiantso olona tsy ninoana ? Ahoana no finoana Olona tsy re ? Ary hatao ahoana no fandre raha tsy misy mpitory ? Ary hataony ahoana ny fitory, raha tsy nirahina ?

Romana 10:17 no milaza hoe avy aiza ny finoana. Voalaza fa avy amin’ny tori-tenin’i Kristy ny finoana. Avy amin’ny tori-tenin’i Jesosy izany no hahazoana fahalalàna ka mahatonga ny finoana. Efa nolazain’i Jesosy anefa ao amin’ny Jaona 7:16 fa tsy azy ny fampianarany fa an’izay naniraka azy.

Ny fampianaran’i Jesosy izay voarakitra ao amin’ny Baiboly no atao hoe fahalalàna ary miainga avy amin’io fahalalàna io ny finoana.

Ny ankoatran’izay dia lazain’ny ao amin’ny Timoty voalohany 6:20,21 hoe “fahalalàna tsy izy, izay neken’ny sasany, ka” nanjary “nania tamin’ny finoana izy”.

Romana 10:2 indray dia milaza fa mety misy olona “mazoto ho an’Andriamanitra”, “saingy tsy araka ny fahalalàna”.

Kolosiana 1:9,10 no maneho ny votoantin’ny fahalalàna afaka hirosoana amin’ny finoana, ary lazaina hoe “fahalalàna tsara” izy io amin’ireo andininteny ireo. Voalaza ao àry fa ilaina ny “hofenoina fahalalàna tsara ny sitrapony” mba handehanana “miendrika ny Tompo hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra”. Voalaza koa fa ilaina ny “mitombo amin’ny fahalalàna tsara an’Andriamanitra”.

Ilay atao hoe “fahalalàna tsy izy” izany no mifanohitra amin’ny finoana, fa tsy ny atao hoe “fahalalàna tsara”.
16. toriteny ( 28/12/2013 16:07)
Tsy ny fahalalàna anie no ratsy ry namana Nehemiah é!! Ny tsy fahalalana aza no mandripaka ny olon'Andriamanitra(efe4:18/Hos4:6) fa ny tsy mety dia ny mandeha araky ny fahalalàna.

Tokony handeha amin'ny finoana isiaka na dia manana fahalalàna be aza ka raha misy choix eo amin'ny fiainanao, ny fahalalànao hafa ny solution proposer ny, ny finoanao anefa hafa ny zavatra handidiany anao dia tokony ny finoanao no mitondra anao fa tsy ny fahalalàna.
17. Nehemiah ( 13/01/2014 16:29)
Misaotra indrindra amin'ny valinareo fa mahafinaritra, sady nanovo fahalalàna mahasoa ianareo ;)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0695