Détecteur de hevi-dravina. Épisode 1 : ny lainga bevava

1. Nehemiah ( 09/11/2013 15:21)
Inona kay, hoy angamba ianao, izany détecteur de hevi-dravina izany ? Fifehezana ifotony ny lôjika tsotra sy ny fizotra enti-mamantatra ny hamarinan'ny hevitra iray. Efa miha-mahazo vahana mantsy ny irrationnalité ankehitriny, ary vulnérable @'izany irrationnalité izany ny gasy.

Kanefa milaza ny tenin'Andriamanitra hoe : "tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra" ( Mk. 12:30, Lk. 10:27a), ary koa mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ ny saim-petsy ataon’ ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;15 fa mba hanaraka ny marina amin’ ny fitiavana ka hitombo amin’ ny zavatra rehetra ho amin’ Izay Loha, dia Kristy (Ef. 4:14-15).

Inona, hoy ianao, no mba tombontsoan'ny fananana détecteur de hevi-dravina ? Izao avy :


  • Mampahira-tsaina anao
  • Tsy ho azo ampitahorana ianao rehefa miady hevitra
  • Tsy ho azon'ny fandrika izay mety maha-oainy anao ianao
  • Hitombo ny fahendrenao sy ny fahaizanao misafidy
  • Hahay hamaly ny mpiondana sekta sy fampianaran-diso ianao
  • Tsy ho lany vola nohon'ny balaroran'ny mpivarotra ianao
  • Hahay hampianatra, hiresaka, hitory teny ary hiady lôjika bebe kokoa ianao
  • Hahay hisafidy tsara ianao rehefa misy fifidianana, satria hahay hanavaka ny balarora sy ny hevitra marim-pototra ianao.
  • Hanaja ny fahamarinana bebe kokoa ianao, satria "Teny 100, kabary 1000, fa ny 1 ihany no marina".


Ho zarazaraiko "épisodes" maromaro ilay izy ary ezahiko apetraka isan-kerinandro farafahelany ny épisodes ts11.

[size=32]NY TETIKA FANAOVANA PRÔPAGANDY[/size]

Famaritana : Izay tetika rehetra entina ianjadiana amin'ny fijery sy ny zavatra ataon'ny olona ka tsy mampieritreritra azy.

[size=16]I - NY LAINGA BEVAVA[/size]

Famaritana : Hevitra diso tanteraka izay lazaina amin'ny fomba feno fahasahiana

Teny filamatra : Aleo mifanena amin'ny mpamosavy toy izay mifanena amin'ny mpandainga

Ohatra vitsivitsy :


  • Satana milaza amin'i Eva hoe : "Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’ Andriamanitra fa amin’ izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’ Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy." (Gen. 3:4-5)
  • Kabarin'i Hitler sy Staline
  • finoana silamo:
    Manaova jihad ianao, mamonoa tena ka vonoy miaraka aminao koa ny tsy Silamo be dia be, ary hahazo vehivavy virjiny 72 ho anao mandrakizay any @ Janna ianao aorian'ny fahafatesanao
  • Indulgences : nahoana no avelanao hijaly any @ Afo Fandiovana ny neninao malala ?
    Tetzel, 1517:
    Rehefa misy olona manisy vola anaty vata ho an'ny fanahy any amin'ny Afo Fandiovana, raha voa heno ny feon'ny vola mitotona amin'ny fanambanin'ny vata dia mandao ny Afo Fandiovana ho any @ Paradisa ilay fanahy
  • Mpitondra sekta mamoaka horonan-tsary maneho azy mamoaka devoly sy manasitrana aretina kanefa sinema efa nifanarahana
  • Phishing
  • Fampitandremana sandoka ataon'ny sity sasany hoe "Votre PC est infecté par un virus, cliquer ici pour régler ce problème" (oh.) kanefa rehefa mitsindry azy ianao dia mametraka an'ilay virus anatin'ny solosainao mihitsy ilay izy.
  • Bannières-na sity manao hoe "CONGRATULATIONS! You have just won $1,000,000 – click here to claim your prize! kanefa ny n° de compte-nao fotsiny no tadiaviny.
  • Légendes urbaines : niverina ho kristiana i Darwin talohan'ny nahafatesany, gasy i Thierry Henri, Rainivoanjo, bozalena, sns.
  • N.B. : rehefa @ net no miseho ilay izy dia misy hoe "partagez avec tous vos amis" na zavatra hoatr'izay
  • Lénine miantso ny firehany pôlitika hoe "bolchevik" (maro an'isa) kanefa vitsy an'isa izy ireo
  • MBS nilaza fa nandray anjara "mavitrika" tany @ fokontany Tsianolondroa, Fianarantsoa, ny mpifidy t@ fifidianana faha2 t@ andron'i Ra8, nefa ny masoko mihitsy no nahita fa zara fa nisy olona nandray anjara teo
  • ry zareo Frantsay:
    Notre objectif est d'aider Madagascar à sortir de la pauvreté

  • Hira prôpagandin'i Fery Vaovao : Safidin'ny maro an'isa, Rajaonarimampianina
  • Ny désinformation nataon'ny FAT hatr@'izay nisy azy @ fitondràna
  • Dokam-barotra manao hoe Satisfaction garantie na Voilà le bonheur pour tous.
  • Mpamaky trano mody miseho azy ho tompon'ilay trano ho vakiana ka miantso serrurier ary milaza azy fa very ny lakileny.
  • Variante-n'ny etsy ambony : piraty informatique miantso service d'aide ka mody milaza fa nanadino ny teny miafiny (atolotro ho an'i Hery, aoka isika malina)
  • Ho soloiko amin'ny herinandro ny 100 000 ariarinao, fa aza matahotra (dia ahemotra hatrany hatrany ilay daty fanoloana ny trosa)
  • Variante-n'ny etsy ambony : Ao fa amboariko ny Playstation 4-nao, rahafakampitso dia vita (nefa te-hilalao fotsiny ilay mpanamboatra).
  • Ranomasom-boay
  • Zazakely : Neny ô ! Novelezin'i Bema tamin'ny orony ny totohondriko !
  • Ra-DJ:
    Efa miala avy any ny menaka 2 500 Ar ny litatra.

  • Deba:
    Je n'ai jamais donné l'ordre de tirer une seule balle !

  • Lainga teôkratika (mandainga mba isarihana olona @ fivavahana) fanaon'ny Vavolombelon'i Jehovah sy ny Silamo
  • Ra-DJ sy ny forongony:
    Tsy nanongam-panjakàna izahay !

  • Lohatenin'ny gazety Basy Vava sy ny mitovy aminy (Naolan'ny alika romotra ilay vehivavy - Nivadika bibilava ny filahian'ilay rangahy - Noterena hanao firaisana @ osy ilay mpangalatra)
  • Nahazo fanambaràna avy @ Tompo aho... nefa mifanohitra @ tenin'ny Tompo ilay izy.
  • Sankeriba milaza @ Hezekia hoe : "Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy. (2 Mpa. 18:25)
  • Irak'i Tobia nilaza t@ Nehemia hoe : Andeha isika hiditra ao an-tranon’ Andriamanitra ao anatin’ ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny, ho avy alina hamono anao izy mba hahatonga an'i Nehemia hanota fady sy ny olona hihevitra azy ho kanosalahy(Ne. 6:11)
  • Fanafoanana ny fahamarinana ara-tantara ("10 000 monja no maty t@ 1947").
  • Mpahay simia mandala ny evôlisiona : Miliara taona lasa, nafana ny ranomasimbe ary heniky ny singa fototry ny fiainana, kanefa tsy misy fomba ahafantarany an'izay @ fomba marim-pototra
  • Mpahaiolombelona mandala ny evôlisiona : 7 tapitrisa taona lasa, nisy rajako izay antsoina hoe australopithèques nanjary nahay nitsangana ka nanjary niteraka ny olombelona voalohany, Homo Habilis, izay nihaniely eran'i Afrika (bla bla bla sns.)..., 30 000 taona lasa, tsy nahavita niroborobo ny olombelon'i Néanderthal ka nanjary ny Homo Sapiens no nahazo vahana , kanefa tsy misy fomba ahafantarany an'izay @ fomba marim-pototra
  • Ny filazan'ny mpandala ny maha-Jiosy fa nosoratana tamin'ny teny Hebreo ny Testamenta Vaovao
  • Ny lalan'ny biogénèse noforonin'i Ernst Haeckel hoe mamerina ny evôlisionany 1 manontolo ny tsimoka, mb@ sary hosoka nataony.
  • Ny olombelon'i Piltdown
  • Ny olombelon'ny Nebraska
  • Ny fitaky ny Archeoraptor
  • Dobzhansky:
    Nothing in biology makes sense apart from evolution.

  • Tactique réflexive : Ny fodiana milaza fa ny mpifanandrina no milaza lainga bevava nefa ny tena ihany no milaza lainga bevava eo.


Tsara tadidiana
  1. 2e postulat de Thumb : mitondra voka-tsoa bebe kokoa nohon'ny hevi-marina saro-pantarina ny hevi-diso mora azo.
  2. Loi des discours politiques de Parker : La vérité d'une proposition n'a rien à voir avec sa crédibilité, et vice-versa
  3. Ohabolana 14:8 : Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan’ ny adala.


(mbola hitohy...)
novalian'i Nehemiah ny 14/11/2013 14:55
2. 5laody ( 11/11/2013 14:30)

Ka raha marina mitavozavoza....
3. Nehemiah ( 13/11/2013 07:44)
Inona no atao hoe marina ? Izay mifanaraka @ zava-misy
4. 5laody ( 13/11/2013 16:40)
Salama daholo isika,

Ny zavatra sarotra dia ny mampita ny marina amin'ny olona izay sady tsy nahita no tsy nandre no tsy nahatsapa tanana toe-javatra iray.

Matetika ny zava-marina sy tsotra dia tsy mila itadiavana teknika fandresen-dahatra sy fikafika fampivadihan-kevitra. Izay no mahatonga ny hoe marina mitavozavoza. (ny tohiny hoe tsy maharesy ny lainga tsara lahatra).

Avy eo mampionon-tena hoe ny marina tsy mba maty.

Mety mbola misy hevitra maro ho lazainao amin'ny fizarana manaraka fa tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy.

5. Nehemiah ( 14/11/2013 08:24)
Izay indrindra. Fa ny tanjona amin'ity lohahevitra ity dia tsy mba ny ilazàna ny marina (satria, araky ny teninao, mora foana ny milaza ny marina) fa ny mi-détecter ny hevi-diso
6. Nehemiah ( 14/11/2013 14:55)

5laody:
Izay no mahatonga ny hoe marina mitavozavoza. (ny tohiny hoe tsy maharesy ny lainga tsara lahatra)

N.B. : Io mihitsy anie ilay 2e postulat de Thumb
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8014